FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/9 p. 30
  • Avy Amin’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Avy Amin’ny Mpamaky
  • Mifohaza!—1997
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Vetivety Ihany Izany!’ — Ny Fiainako Mitondra Aretin’ny Voa
    Mifohaza!—1996
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1996
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1997
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1997
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/9 p. 30

Avy Amin’ny Mpamaky

Aretin’ny Voa Tena nampahery anay mivady tamin’ny fotoan-tsarotra indrindra ilay lahatsoratra hoe “ ‘Vetivety Ihany Izany!’ — Ny Fiainako Mitondra Aretin’ny Voa”. (8 Desambra 1996). Toa an’ilay nanoratra io lahatsoratra io, dia nanomboka nanao dialyse péritonéale (fanadiovana ny voa) koa ny vadiko, ary sarotra ilay izy. Indraindray dia manafotra anay ny famoizam-po. Nitondra fampiononana lehibe anefa ilay lahatsoratrareo, satria nampahatsiahy anay fa mihelina ihany ny tsy fiasana ara-dalàn’ny voa ary tsy ho ela dia hofoanan’ny Fanjakan’Andriamanitra, miaraka amin’ny aretina hafa rehetra.

V. Q., Italia

Nampanganohano ny ranomasoko ny namaky momba ny lehilahy iray izay tsy nanamaivan-danja mihitsy na ny fianakaviany na ny fanompoam-pivavahany, na dia teo aza ny ady mafy tamin’ny aretina nandritra ny androm-piainany. Mpitory manontolo andro aho, 18 taona, ary salama tsara, ary takatro fa matetika tokoa aho no manamaivan-danja be ny fahasalamako. Tena nampahery tokoa ny namaky momba ny finoana sy ny toe-tsain’i Lee Cordaway.

J. S., Etazonia

Tamin’ny 1992, teo amin’ny faha-11 taonako, dia nanjary nahafantatra aho fa azon’ny aretin’ny voa, izay nitarika ho amin’ny tsy fiasan’ny voa tatỳ aoriana, ny tenako. Voatery nanao dialyse aho. Faly aho fa nohazavainareo tsara aoka izany ny fomba fanaovana ilay izy, satria liana foana ta hahafantatra ny fomba fiasany ny olona. Nampahery ahy sy ireo namako koa ny namaky fa tsy ho eo foana akory ny tsy fahasalamana atrehiko amin’izao fotoana izao.

A. H., Etazonia

Kendakendan’ny fihetseham-po aho taorian’ny namakiako ilay lahatsoratra momba an’i Lee Cordaway. Sarotra tamiko ny nino hoe maty izy! Irinay mivady ny handefa ny fitiavanay any amin’ny vadiny sy ny fianakaviany malalany. Manjary hitako fa tsy dia lehibe ireo olana mampanahy ahy eo amin’ny fiainana. Izany ka lehilahy kristiana malala sy mahatoky! Mampahery ahy ny ohatra navelany.

F. H., Etazonia

Na dia vao folo taona monja aza aho ary tsy manana aretina, dia ankafiziko ny lahatsoratra mampahery toy izany. Iriko ny hamakian’i Lee Cordaway itỳ taratasy itỳ, kanefa fantatro fa tsy ho afaka hanao izany izy mandra-pitsangany amin’ny maty ao amin’ny Paradisa.

E. T., Etazonia

Rock Alternatif Valo ambin’ny folo taona aho, ary tamin’ny fomba tsara no nanoratana ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Rock Alternatif — Tsara ho Ahy ve Izy Io?” (8 Desambra 1996). Tiako ny rock alternatif, koa nihevitra aho fa hanafintohina ahy ilay lahatsoratra. Rehefa vitako anefa ilay izy, dia tsy nahatsapa afa-tsy fankasitrahana aho. Azon’ny fahaketrahana aho, ary takatro fa ny mozika fidiko dia afaka, na mampitombo ny fahaketrahako, na manampy ahy hiatrika izany. Tiako ilay fomba nanontanian’ilay lahatsoratra hoe: ‘Nahoana no tsy mitady mozika izay mahatonga anao ho falifaly?’ Misaotra anareo noho io torohevitra mampahery sy azo ampiharina io.

J. D., Etazonia

Sarotra inoana ny hoe araka ny marina sy tsy misy fiangarana ilay fanazavana. Hitako ho misy manintona ahy amin’io mozika io. Misaotra anareo nanome fampitandremana kanefa tsy nanameloka rehefa mety ho rock alternatif.

S. C., Etazonia

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara