Velona Hatrany eo Amin’ny Tontolo Iray Mierina
“AHOANA no hahatafavoaka velona ahy?” Niatrika io fanontaniana io i James Scott, fony izy very tsy nanana fanantenana tany amin’ny Tendrombohitra Himalaya. Tena notandindomin-doza tokoa izy, na ho ngolin’ny hatsiaka tanteraka na ho fatin’ny hanoanana. Tsaroany ny nahitany olona tamin’ny fifaninanana karate, “nihalany hery tsikelikely, ka ny famelezana tsirairay dia nandany ny herin-tsainy, mandra-pahatongany (...) ho tsy naharo tena tanteraka”. Hoy izy: “Toy izany no tsapako teo am-panidiako ny kitapo fatoriako, sady efa vizana, raha nihinana orampanala kely aho. Ketraka ny fanahiko ary niala tao amiko ny faniriana rehetra ho velona. Mbola tsy nahatsiaro ho resy tanteraka toy izany mihitsy aho.” — Lost in the Himalayas.
Amin’ny heviny sasany, dia olona maro amin’izao andro izao no tahaka azy — voafandrika ao anatin’ny tontolo iray tapahin’ny fierenana. Mety hahatsapa ianao fa mihalany hery sy miharesy tsikelikely ny tenanao. Olom-bitsy no afa-mandositra tanteraka ny vokatra eo no ho eo ateraky ny fierenana. Miankina amin’izay misy anao eo amin’izao tontolo izao no hiovaovan’ny olana atrehinao amin’ny fomba tsy voafetra — tena hafa tanteraka ny fiantraikan’ny fierenana eo amin’ny olona any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana noho ny eo amin’ny olona atỳ amin’ny firenena manankarena. Na dia izany aza, na inona na inona ireo zava-manahirana, dia angamba ianao afaka mianatra ny fomba hahavelomana hatrany nefa somary tsy voa firy eo amin’ny lafiny ara-batana, ara-pihetseham-po, sy ara-panahy, mandra-pahatongan’ny famonjena. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fanarahana torohevitra fototra nomen’ny manam-pahaizana momba ny fomba fahatafitana velona.
Hevitra roa no misongadina amin’ny torohevitr’izy ireo. Ny voalohany dia ny fanalavirana ny hanaratsy kokoa ny tarehin-javatra efa sarotra. “Ny tetik’adinao”, hoy ilay hoe The Urban Survival Handbook, “dia ny tsy maintsy manalavitra zavatra tsy ilaina mety hampidi-doza (...) sy mampihena ho faran’izay kely ny fahavoazana aterak’ireo tsy azonao ialana.” Ny faharoa — ary angamba ny zava-dehibe kokoa — dia misy ifandraisany amin’ny toe-tsaina. “Ny fahatafitana velona”, hoy ilay hoe The SAS Survival Handbook, “dia miankina betsaka amin’ny toe-tsaina, tsy misy hafa amin’ny fiaretana ara-batana sy ny fahalalana.”
Ataovy izay azonao atao ao anatin’ilay toe-javatra
“Misy olona iray maty novonoin’olona any Etazonia isaky ny 22 minitra, [olona iray] voaroba isaky ny 47 segondra, ary [olona iray] nanaovana an-keriny isaky ny 28 segondra”, hoy ny tatitra nataon’ilay hoe Staying Alive—Your Crime Prevention Guide. Ao anatin’ny toe-javatra toy izany, inona no azonao atao? Fara faharatsiny, dia afaka miezaka ny hanalavitra ny hahatonga anao ho lasibatra mibaribary na ho voa mora foana ianao. Aoka ianao ho mailo sy malina. Ataovy izay azonao atao mba hampihenana ho faran’izay kely ny loza.a
Ohatra, aza atao ho ratsy kokoa ny tarehin-javatra misy anao amin’ny fetezana ho mora ambakaina. Manao tatitra ny The New York Times fa 18 isan-jaton’ny Amerikana no miaiky fa niharam-pahavoazana noho ny hosoka — voafitaky ny olona maty eritreritra izay mitady olona mora asiana ka nahazoany dolara an’arivony maro. Matetika ireo olona voa no be taona, tahaka ny vehivavy maty vady iray 68 taona, izay nandrobana $40 000 (164 000 000 FMG eo ho eo). Nahatonga ny famoahana izao matoam-baovao izao ny zavatra nanjo azy: “Raha Fotsy ny Volo, dia Mahita Maitso [izany hoe dolara vola taratasy] ny Mpisoloky Gagilahy”.
Tsy voatery ho voa koa anefa ianao satria hoe tsy mahalala na inona na inona, tsy afa-manoatra, ka miandry fotsiny ny hohararaotina. Mampitandrina antsika toy izao ilay hoe Staying Alive: “Mitandrema amin’ny amboadia manao fitafian’ny ondry.” Nanaraka io torohevitra io ny renibe iray 70 taona. Nisy nanolotra azy fiantohana manontolo ny saram-pitsaboana, ka $10 (41 000 FMG eo ho eo) monja no haloa isam-bolana. “Ny hany zavatra ho nataon’i Nenibe dia ny nanome an’ilay masoivohom-piantohana $2 500 [10 250 000 FMG eo ho eo] aloha”, hoy ilay tatitra. Tsy izany anefa no nataony. Tamin’ny fiantsoana an-telefaonina an’ilay kompania momba ny fiantohana no nahafantarany fa mpisandoka ilay lehilahy. “Raha mbola nanisy dite fanindroany tao amin’ny kôpin’ilay masoivohom-piantohana izy, dia tonga ny polisy ka nitondra ilay rangahy.”
Hita ao amin’ny torohevitra omena ao amin’ny Baiboly ilay hevitra ny amin’ny fanaovana izay azonao atao mba hiarovana ny tenanao. “Ny kely saina [“tsy ampy fanandraman-javatra”, NW ] mino ny teny rehetra; fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.” (Ohabolana 14:15; 27:12). Olona maro no manilika ny Baiboly satria hoe lany andro sy tsy azo ampiharina izy io. Afaka manampy anao ho velona hatrany anefa ny toroheviny marim-pototra. Hoy ny nosoratan’i Solomona Mpanjaka hendry: “Fialokalofana ny fahendrena [toy ilay hita ao amin’ny Baiboly], ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain’ny manana azy ny fahendrena.” — Mpitoriteny 7:12.
Maro amin’ireo mpamaky ny Mifohaza! no nahita fa marina izany. Ohatra, nahazo fiarovana ny sasany tamin’ny fikiakiahana mafy rehefa nisy nandrahona ny hametaveta azy na hanao herisetra hafa, mifanaraka amin’izay voalaza ao amin’ny Deoteronomia 22:23, 24. Ny hafa nanaraka ny torohevitry ny Baiboly mba hanalavitra zavatra na inona na inona “izay mandoto na ny vatana na ny saina”. (2 Korintiana 7:1, The Twentieth Century New Testament). Tamin’izany no niarovany tena tamin’ireo mpivarotra sigara sy paraky ary zava-mahadomelina, izay mampanan-karena tena amin’ny fampitondrana faisana ny fahasalaman’ny olona. Mpamaky maro koa no nanalavitra ny fandrika navelatry ny mpitory ao amin’ny tele fatra-pitady vola sy ny mpanao politika liam-pahefana. (Jereo ny faritra voafefy, pejy faha-7.) Vakio ny Baiboly. Mety ho gaga ianao noho ny habetsahan’ny fanampiana azo ampiharina omeny.
Halaviro ny hahatonga anao hifindran’ny fierenana
Mazava ho azy fa misy loza hafa koa avy amin’ny fierenana — mety ho tonga mpierina koa ny tenanao. Hanesotra aminao ny toetra tsara dia tsara ara-pitondran-tena mampiavaka ny olona amin’ny biby izy io. Rehefa nilazalaza ny fifaninanana malalaka ara-barotra izay anararaotan’ny mpandraharaha izay rehetra azony hararaotina, ny mpandinika iray, dia voalaza fa niteny hoe: “Tena nanaram-po mihitsy ny kisoa. Tsy voafehy tsotra izao (...) ny fitaran’ny fierenana.” Azo inoana fa izany dia teny faniratsirana ny kisoa mihoatra noho ireo mpanararaotra ara-barotra! Azo antoka fa toa ninian’izy ireo tsy nofantarina ilay torohevitra tsara natolotr’i Jesosy Kristy hoe: “Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon’ny fieremana hianareo”. — Lioka 12:15.
Nanome io torohevitra io i Jesosy Kristy, satria fantany fa ho ratsy tokoa ny fahavoazana mety hoentinao ho an’ny tenanao, raha mangeja anao ny fierenana. Ny faniriana mafy zavatra ara-nofo — ary koa, mazava ho azy, ny faniriana mafy fahefana na firaisana ara-nofo — dia mety hanjary ho firehetam-po mafy aoka izany eo amin’ny fiainanao, izay handroba aminao ny fotoana na ny fironana na inona na inona mety hanananao mba hikarakarana ny hafa na ny zava-tsarobidy ara-panahy. “Nanjary nahazo toetoetra maro toy ny an’ny fivavahana ny vola”, hoy i Anthony Sampson ao amin’ilay bokiny hoe The Midas Touch. Tamin’ny fomba ahoana? Nanjary andriamanitra ny vola. Ny zavatra hafa rehetra dia atao sorona eo amin’ny alitaran’ny fierenana sy ny fahazoana tombony. Ny fototra dia ny fahazoana tombony. Arakaraka ny maha-betsaka ny tombony no mahatsara azy. Raha ny tena izy anefa, na manao ahoana na manao ahoana ny habetsahan’ny fotoana atokanao aminy, dia tsy ho voky tanteraka na oviana na oviana ny fierenana zavatra ara-nofo. Hoy ny Mpitoriteny 5:9: “Izay tia vola tsy hety ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin’ny fitomboan-karena”. Toy izany koa fa tsy hety ho voky na oviana na oviana “izay tia” fahefana, fananana, na firaisana ara-nofo, na manao ahoana na manao ahoana no azony.
Aza afoy mihitsy ny fanantenana famonjena
Fanalahidy lehibe iray mba hahavelomana hatrany ny fihazonana fomba fijery feno fanantenana sy manorina. Indraindray dia tsy misy zavatra firy azonao atao mba handosirana ny vokatra entin’ny olona mierina. Ohatra, matetika ny olona mosarena mafy no tsy afaka manao afa-tsy zavatra teny kely mba handosirana ny fahoriany eo no ho eo. Kanefa, aza milavo lefona; aza manaiky ho resy. “Mora ny manaiky ho resy, ny ho lavo sy hitsetra tena be”, rehefa ao anatin’ny tontolo iainana tsy mahatamana na mampidi-doza ny tena, hoy ilay hoe The SAS Survival Handbook. Aza manaiky ho resin’ny eritreritra sy ny fihetseham-po tsy manorina. Mety ho zendana ianao mahita hoe hatraiza no ahafahanao miaritra. “Misy lehilahy sy vehivavy nampiseho fa afaka ny ho velona hatrany izy ao anatin’ny tarehin-javatra ratsy indrindra”, hoy io boky io ihany. Ahoana no nahavitan’izy ireo izany? Velona hatrany izy ireo, hoy izy io, “satria tapa-kevitra ny ho toy izany”. Aoka ianao ho tapa-kevitra ny tsy ho resin’itỳ fandehan-javatra mierina itỳ.
Tamin’ny farany, i James Scott, voalaza tetsy aloha, dia voavonjy avy tamin’izay nety ho lasa fasany tany Himalaya. Nilaza izy fa nanome azy fianarana lehibe iray, fara fahakeliny, ny ady mafy nataony mba ho tafavoaka velona. Inona izany? “Tsy misy zava-tsarotra eo amin’ny fiainana hoe sarotra loatra ka tsy ho azo atrehina”, hoy izy. Nandray fianarana koa i Tim Macartney-Snape, mpianika tendrombohitra ampy fanandraman-javatra, izay zendana noho ny nahafahan’i James Scott ho velona naharitra ela ka hita velona. Hoy izy: “Raha mbola misy koa tsirim-panantenana, dia tsy tokony hilavo lefona na oviana na oviana ianao.” Noho izany, na dia mety ho toa manjombona toy inona aza ny tarehin-javatra, dia tsy manao afa-tsy ny manaratsy kokoa ny toe-javatra ianao raha mamoy fanantenana. Aza afoy mihitsy ny fanantenana famonjena.
Moa ve anefa misy “tsirim-panantenana”, raha mijery ny zava-misy, ny hoe mety hisy famonjena amin’ny tontolo iray heniky ny fierenana? Moa ve isika indray andro any ho afaka amin’ny olona mierina izay manimba itỳ planety itỳ sy mampikororosy ny fiainan’ny olona an’arivo tapitrisany maro? Misy tokoa, raha ny marina, ny fanantenana azo antoka ny amin’ny famonjena. Diniho ny valin-tenin’ny Baiboly ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ilay lahatsoratra hoe “La violence — Comment vous en protéger”, ao amin’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 22 Aprily 1989, pejy 7-10.
[Efajoro, pejy 7]
Ireo Fampitandreman’ny Baiboly Amin’ny Fotoana Ilana Azy Indrindra
Ohabolana 20:23 “Fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny vato samy hafa, ary ny mizana mandainga dia tsy tsara.”
Jeremia 5:26, 28 “Misy hita fa ratsy fanahy ny oloko; mamitsaka sy mijoko toy ny mpamandri-borona izy, mamela-pandrika izy, ka olona no azony. Efa mihamatavy izy ka mandimandina, dia mihoa-pampana amin’ny fanaovan-dratsy; tsy mety mitsara ady mba hahazoan’ny kamboty ny rariny izy, ary ny adin’ny malahelo tsy mba tsarainy.”
Efesiana 4:17-19 “Koa izao no lazaiko sady ambarako ao amin’ny Tompo: ny tsy mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan’ny jentilisa amin’ny fahafoanan’ny sainy; fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin’ny fiainan’Andriamanitra ireny noho ny tsi-fahalalana [ao] anatiny, noho ny hamafin’ny fony, dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin’ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin’ny fieremana.”
Kolosiana 3:5 “Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany”.
2 Timoty 3:1-5 “Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra, manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro.”
2 Petera 2:3 “Amin’ny hafatratry ny fitiavany harena no hanaovany varotra anareo amin’ny teny mamitaka; efa ela izay no tsy nijanonjanona ny fitsarana ireny, ary tsy rendremana ny fahaverezany.”