FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 1/7 p. 16-20
  • Mitandrema tena amin’ny fitiavan-karena fatratra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mitandrema tena amin’ny fitiavan-karena fatratra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsy misy voaro mihitsy
  • Aoka hodinihintsika ny antony manosika antsika
  • Aoka isika hanan-karena ny amin’Andriamanitra?
  • Mahità Fahombiazana Amin’ny Fanalavirana ny Fandriky ny Faniriana Mihoa-pampana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Fitsiriritana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Latsaka ao anatin’ny fandriky ny faniriana mihoapampana ve ianao indraindray?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • “Ny andron’ny faniriana mihoa-pampana”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 1/7 p. 16-20

Mitandrema tena amin’ny fitiavan-karena fatratra

“Tandremo! Mitandrema tena amin’izay rehetra mety ho fitiavan-karena fatratra; tsy hoe satria manan-karena ny olona iray dia miantoka ny ainy ny fananany.” — LIOKA 12:15, Fandikan-teny eokomenikan’ny Baiboly.

1. Nahoana ny fampitandreman’i Paoly ny amin’ny faniriana mihoapampana no tena amin’ny ilàna azy amin’izao fotoana izao?

IZAO tontolo izao iainantsika dia manokana tena fanompoam-pivavahana ho an’ny fiadanana ara-nofo. Mampiasa foana ny fitiavan’ny olona harena fatratra ireo fiantohan-draharaham-barotra mba hahazoana harena. Amin’ny ankapobeny, ny fahombiazan’ny olona iray dia tombanana amin’ny vola miditra aminy. Noho izany, dia tena amin’ny ilàna azy ireo fampitandremana maro omen’ny Baiboly ny amin’ny fitiavan-karena fatratra sy ny fitsiriritana, faharatsiana mitovitovy aminy (Kolosiana 3:5; I Timoty 6:10). Araka ny filazan’ny diksionera iray, ny iombonan’ireo fahadisoana roa ireo dia “faniriana mihoapampana hanan-javatra”. Ambonin’izany, ny fitiavan-karena fatratra dia mety ho ratsy toy ny fijangajangana sy ny fanompoan-tsampy, satria i Paoly dia nandodona an’ireo mpamaky azy mba hitsahatra ‘tsy hiharoharo aminy, raha misy atao hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na mpierina [fatra-pitia harena, MN], na mpanompo sampy, na mpanaratsy, na mpimamo, na mpanao an-keriny, ka tsy hiara-mihinana akory amin’ny toy izany’. — I Korintiana 5:11; Efesiana 5:3, 5.

2. Inona avy no fampitandremana nomen’i Jesosy sy Jehovah ny amin’ny fitsiriritana?

2 Nandefa izao fampitandremana manaraka izao ho an’ny mpianany i Jesosy: “Miarova tena mba tsy ho azon’ny fieremana [karazam-pitsiriritana rehetra, MN ] ianareo.” (Lioka 12:15). Ny tenan’i Jehovah mihitsy no nanameloka an’io kileman-toetra io tamin’ny anankiray tamin’ireo Didy Folo, izay voalaza toy izao: “Aza mitsiriritra ny tranon’ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin’ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an’ny namanao akory aza.” — Eksodosy 20:17; Romana 13:9.

Tsy misy voaro mihitsy

3. Ahoana no naneken’i Eva sy ny Isiraelita ho voafandriky ny faniriana mihoapampana?

3 Ny marina dia hoe tsy misy olona afaka mino fa voaro amin’ny fitiavan-karena fatratra sy ny fitsiriritana izy. Rehefa nanota i Eva tao amin’ny saha Edena, dia noho ny faniriana mihoapampana indrindra. Izao no vakintsika: “Ary hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso ary hazo mahatsiriritra.” (Genesisy 3:6). Tany an’efitra ny Isiraelita dia naneho faniriana mihoapampana naharikoriko indray mandeha. Rehefa nanome papelika azy ireo be dia be Jehovah noho izy ireo nitaraina satria tsy nihinana afa-tsy mana, dia niseho ho tendàna izy ireo ka nahazo sazy mafy. — Nomery 11:4-6, 31-33.

4. Manonòna ohatra ara-tantara hafa izay manazava fa mampidi-doza ny faniriana mihoapampana.

4 Tamin’ny fakana an’i Jeriko, dia mbola ny faniriana mihoapampana ihany no nanosika an’i Akana hangalatra vola, volamena sy fitafiana lafo vidy tamin’ny zavatra azo babo tao an-tanàna (Josoa 7:20, 21). Taty aoriana, dia io kileman-toetra io ihany koa no nanosika an’i Gehazy, mpanompon’i Elisa, hanandrana hanararaotra ny fahagagana nanasitranana ny habokan’i Namana (II Mpanjaka 5:20-27). Ahaba mpanjaka koa dia nampiseho ny fitsiriritany tamin’ny famelana an’i Jezebela vadiny mpanompo sampy, hanao teti-dratsy hamonoana an’i Nabota mpiray monina tamin’izy ireo, mba hakana ny tanimboalobok’io (I Mpanjaka 21:1-19). Farany, Jodasy Isikariota, anankiray tamin’ireo naman’i Jesosy akaiky indrindra, dia nampiasa tamim-pitsiriritana ny toerany mba hangalarana tao amin’ny tahirim-bola niombonana. Taty aoriana, ny fitiavany harena mihoapampana dia nanosika azy hanolotra ny tompony tamin’ny volafotsy telopolo. — Matio 26:14-16; Jaona 12:6.

5. Rehefa dinihina tsirairay ireo niharam-pahavoazana noho ny faniriana mihoapampana, inona no tsy maintsy tsapa?

5 Voasazy daholo ireny olona fatra-pitia harena ireny. Voamarikao anefa ve hoe karazan’olona toy inona izy ireny? Eva dia vehivavy tanteraka ary nonina tao amin’ny paradisa. Akana sy ny Isiraelita dia nahita maso ireo fahagagana nataon’i Jehovah. Tamin’ny naha-mpanjaka azy, dia Ahaba angamba no lehilahy nanan-karena indrindra tao amin’ilay tany. Gehazy sy Jodasy dia samy nanana tombontsoa niavaka sy fiarahana araka ny fanahy indrindra. Amin’izany, na manao ahoana na manao ahoana harentsika, tombontsoam-panompoana ananantsika na fanandraman-javatra efa hitantsika, dia mety ho latsaka ao anatin’io fandrika io daholo isika rehetra. Tsy hoe tsy nisy antony akory ny nanambaran’i Jesosy toy izao: “Mitandrema tena amin’ny karazam-pitsiriritana rehetra.” — Lioka 12:15, MN.

6. Inona no tokony hataontsika mba hiarovan-tena amin’ny faniriana mihoapampana?

6 Raha tiantsika ny hanaraka an’io torohevitra io, dia tokony hampihatra fifehezan-tena isika ary handini-tena mafy tsy tapaka. Mipoitra ao am-po ny faniriana mihoapampana. Noho izany, dia zava-dehibe ny handinihantsika mandrakariva ny fontsika mba hahitana raha toa amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa ka madiva hamaka ao io kileman-toetra io. Hanampy antsika amin’izany ny Baiboly. Amin’ny fomba ahoana? Voalohany indrindra, dia satria ampahatsiaroviny antsika izay nolazain’i Jesosy sy ireo mpianany ny amin’ny faniriana mihoapampana. Raha fakafakaintsika ny fanamarihan’izy ireo, dia hanatsoaka fanontaniana mety avy amin’izany isika, izay ho azontsika apetraka amin’ny tenantsika mba hahafantarana hoe aiza ho aiza marina isika amin’io lafiny io.

Aoka hodinihintsika ny antony manosika antsika

7. Ahoana no anampian’ny valinteny nomen’i Jesosy ny amin’ny ady lova antsika mba handini-tena?

7 Matoa Jesosy nampitandrina an’ireo mpihaino azy tamin’ny fitsiriritana, dia satria ny anankiray tamin’izy ireny nanontany azy hoe: “Mpampianatra ô, teneno ny rahalahiko mba hizara lova amiko. “Namaly azy avy hatrany i Jesosy hoe: “Ralehilahy, iza no nanendry Ahy ho mpitsara na mpizara ao aminareo?” (Lioka 12:13, 14). Taorian’izany izy no niresaka ny amin’ny fitsiriritana. Noho ny halehiben’ny fanirahana ara-panahy nanendrena azy, dia tsy tian’i Jesosy ny hitsabaka tamin’ny fifandirana momba ny raharaha ara-nofo ranofotsiny (Jaona 18:37). Na ahoana na ahoana, io tantara kely io dia mety hitarika antsika hanontany tena marina tokoa. Aoka hatao hoe tsy tena sahirana isika, nefa mieritreritra fa manana zo amin’ny fananana iadiana, lova, ohatra. Raha izany no izy, hatraiza no hitadiavantsika hahazo rariny? Hanao ahoana ny fahavononantsika hanao sorona ny asantsika ho an’i Jehovah sy ny fifandraisantsika tsara amin’ireo rahalahintsika mba hiarovana izay heverintsika ho zontsika? — Ohabolana 20:21; I Korintiana 6:7.

8. Ahoana no azontsika analavirana ny fitoviana amin’ireo mpanora-dalàna voalazalazan’i Jesosy ao amin’ny Lioka 20:46, 47?

8 Aoka hojerentsika izao ny fanamarihana hafa iray nataon’i Jesosy. Raha niteny tamin’ireo mpianany izy, dia nanambara toy izao indray andro: “Mitandrema tena amin’ny mpanora-dalàna, izay (...) mandany ny tranon’ny mpitondratena.” (Lioka 20:46, 47). Halozana re izany! Ny kristiana kosa dia manana adidy hikarakara ny mpitondratena, ka mazava ho azy fa izany dia mandrara azy ireo tsy hamely matetika azy ireny (Jakoba 1:27). Aoka anefa hataontsika hoe mahalala vehivavy mpitondratena iray naharay vola be tamin’ny fahafatesan’ny vadiny ianao, ary tsy ampy ny volanao noho ny fandaniana tsy nampoizina. Moa ve ianao hieritreritra avy hatrany ny ho any aminy mba hamelabelatra ny zava-manahirana anao, amin’ny filazana anakampo fa ho mora hino kokoa izy na hahatsiaro ho voatery hanampy anao satria “manana ny ampy”? Aoka izao hatao hoe efa nisambo-bola taminy ianao ka sarotra aminao ny mamerina izany. Mihevitra ve ianao fa manana zo tsy handoa izany satria hoe ‘tsy ho sahy hitabataba izy, na satria araka ny hevitrao dia ‘tsy tena ilainy izany’? Aoka isika hitandrina mba tsy hahatonga ny fahasahiranantsika ara-bola hanimba mihitsy ny fahalalantsika ireo fotopoto-pitsipika.

9. Ahoana no mety hahatonga antsika ‘handoka olona mba hahazoan-javatra’?

9 Nolazalazain’i Joda ny amin’ny fandrika hafa iray mety havelatry ny faniriana mihoapampana amintsika. Noresahiny ny amin’ny olona nitsofoka tao anatin’ny kongregasiona kristiana, izay nanimba azy tamin’ny fitiavany harena fatratra sy tamin’ny fijejojejoany ka ‘nanda ny Andrian-tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika’. (Joda 4.) Afa-tsy izany koa, ireny olona ireny dia ‘nandoka olona mba hahazoany zavatra’. (Joda 16.) Azo antoka fa tsy maniry hitovy amin’izy ireny isika. Kanefa, moa ve mety ho tiantsika kokoa ny handany ny fotoanantsika hiarahana amin’ny kristiana manana ka tsy heverintsika toy izany ireo mpikambana tsy manana kokoa ao amin’ny kongregasiona? Raha izany no izy, moa ve satria manantena ny handray soa sasany avy aminy isika (jereo Asan’ny apostoly 20:33; I Tesaloniana 2:5)? Rehefa mampiantrano rahalahy miantsoroka andraikitra eo anivon’ny fandaminan’Andriamanitra isika, moa ve amim-pitiavana no anaovantsika izany sa noho isika manantena ny hahazo tombontsoa toy izao na izao ho valiny? Raha mirona ho amin’ity fanombantombanana faharoa isika, dia tsy isalasalana fa tokony hotsoahintsika avy amin’izany fa isika koa dia ‘mandoka olona mba hahazoan-javatra’.

10. Ahoana no mety hitadiavantsika hahazo tombontsoa ara-nofo avy amin’ny fanompoam-pivavahana atolotsika ho an’i Jehovah? Raha manao toy izany isika, dia manahaka an’iza?

10 Fahiny i Jesosy dia nahita maso karazam-pitiavan-karena fatratra izay nahatezitra azy mafy: “Ary hitany teo an-kianjan’ny tempoly ny nivarotra omby sy ondry sy voromailala ary ny mpanakalo vola izay nipetraka teo.” Tamin’izay fotoana izay, ny zotom-pony toy ho an’ny tranon’i Jehovah, dia nanosika azy handroaka azy ireo tsy ho ao amin’ny tempoly tamin’ny fiantsoantsoana hoe: “Aza atao trano fivarotana ny tranon’ny Raiko.” (Jaona 2:13-17). Hetsehin’ny zotom-po toy izany ve isika? Raha izany no izy dia ho tsara ny hanontaniantsika tena hoe: ‘Efa nisy fotoana niresahako raharaham-barotra tao amin’ny Efitrano Fanjakana ve? Moa ve aho manipy hevitra ara-barotra amin’ny kristiana hafa satria fantatro fa ho sarotra amin’izy ireo ny handa? Moa ve aho mampiasa ny olona maro fantatro ao anatin’ny fandaminan’Andriamanitra mba hampitomboana ny mpividy amiko?’ Azo antoka fa tsy hety ny hitadiavantsika, noho ny fitiavan-karena fatratra, handray tombony ara-bola amin’ny fifandraisantsika amin’ireo rahalahintsika ara-panahy.

11. Inona avy moa ireo fotopoto-pitsipika izay hanampy antsika hitana fihetsika tsara eo anoloan’ny fifandraisan’ny samy kristiana amin’ny raharaham-barotra?

11 Tokony hotsoahina avy amin’izany ve fa tsy tsara izay rehetra mety ho fifaneken’ny mpivarotra eo amin’ny samy kristiana? Tsy izany velively. Milaza fotsiny izany fa misy fotoana sy toerana ho an’ny raharaham-barotra ary misy fotoana sy toerana ho an’ny fanompoam-pivavahana (Mpitoriteny 3:1). Na dia izany aza, dia tsy hoe tsy ilaina akory ny hilazana mazava fa rehefa misy kristiana manana fifandraisana amin’ny raharaham-barotra, dia tsy tokony hohadinoiny ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. Rehefa niditra hanao fanekena ny kristiana iray, dia tsy hitady fialana ara-dalàna izy mba handosirana ny adidiny (Matio 5:37). Tsy hanjary tsy hifaditrovana na ho ta-hamaly ratsy koa izy raha tsy mandeha tsara ny raharaha na matiantoka izy. Niteny an’ireo kristiana tany Korinto toy izao ny apostoly Paoly: “Ary ankehitriny dia kilema aminareo ny anananareo ady amin’ny namanareo. Nahoana no tsy aleo mandefitra ny tsy rariny aza hianareo? Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina aza hianareo?” (I Korintiana 6:7). Mba hahasoa ny kongregasiona, moa ve ianao hanaiky hahita fatiantoka toy izay hitory ny anankiray amin’ireo rahalahinao amin’ny fitsarana?

12. Inona avy ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly hanampy ireo izay miasa ho an’ny tenany mba tsy ho latsaka amin’ny fitiavan-karena fatratra?

12 Ny mpanompon’Andriamanitra rehetra miasa ho an’ny tenany dia tokony hiseho ho faran’izay malina. Amin’izao androntsika izao, dia fikambanana maro no mampiasa fifaninanana amim-pirehetana ka ampiasaina daholo ny hevitra rehetra. Tsy ho afaka hampiasa ireo fomban’izao tontolo izao anefa ny kristiana. Tsy tokony hohadinoiny na oviana na oviana fa mpianatr’i Kristy izy. Tsy isalasalana mihitsy fa tsy iriny ny hahazo laza ho tsy manao ny marina na tsy manana hitsim-po (jereo Ohabolana 20:14; Isaia 33:15). Etsy andaniny koa, dia zava-dehibe ny hahatsiarovana fa nomelohin’i Jesosy ireo izay nanao ny harena ho andriamaniny, ary i Jaona dia mampitandrina ny mpamaky azy tamin’ny “filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao”. (I Jaona 2:16; Matio 6:24.) Koa raha lehilahy na vehivavy kristiana mpanao raharaham-barotra ianao, moa ve ianao manohitra ny fakam-panahy hanararaotra ny faniriana mihoampampana ananan’ny olona mba hanatsarana ny varotrao, sa ianao manandrana manararaotra ny fireharehany sy ny avonavony? Moa ve ianao manatontosa ny asanao tsy ara-pivavahana mba tsy ho menatra hiresaka io foto-kevitra io ao amin’ny vavaka ataonao? — Matio 6:11; Filipiana 4:6, 7.

13, 14. a) Amin’ny ahoana moa ny kristiana manan-karena no tokony haneho fahaiza-mandanjalanja? Ahoana ny amin’ireo tsy manana kokoa? b) Ahoana moa no hanampian’ny vavaka voasoratra ao amin’ny Ohabolana 30:8 antsika hihevitra ny harena amim-pahendrena?

13 Izao no nosoratan’i Paoly ho an’i Timoty: “Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana.” (I Timoty 6:9). Tsy fahotana akory ny hananan-karena, na dia izany aza dia manana ny anjara zava-manahirana azy sy ny fakam-panahy aminy ny harena (Matio 19:24-26). Ny tena mampidi-doza, dia ny ‘fahatapahan-kevitra’ hanao izay hampanan-karena. Ny amin’izany, dia nilaza toy izao ny loholona iray: “Matetika no manomboka ny fahasahiranana rehefa mijery ny rahalahiny manana kokoa ny kristiana iray ka milaza anakampo hoe: ‘Rehefa dinihina, nahoana aho no tsy hanao tahaka azy?’ ”

14 Mirakitra izao didy izao ny Baiboly: “Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo; fa hoy Izy: ‘Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory.’ ” (Hebreo 13:5). Raha manana harena ianao, moa ve izany heverinao ho toy ny fanomezana, ho toy ny zavatra apetraka aminao izay azonao ampiasaina amin’ny asan’i Jehovah? Indray andro i Jesosy dia nilaza tamin’ny zazalahy nanan-karena iray fa mba hanarahana azy, dia tokony hamoy ny fananany rehetra izy. Raha nangataka izany taminao i Jesosy, inona no ho nataonao? Ho nanapa-kevitra ve ianao hitahiry ny fanananao sa hanaraka azy (Matio 19:20-23)? Raha tsy manana loatra kosa izao ianao, hianina amin’izay anananao ve ianao? Ho hainao ve ny hanalavitra ny fandriky ny fitsiriritana? Hatoky izao fampanantenan’i Jehovah izao ve ianao: “Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory”? — Jereo koa Ohabolana 30:8.

Aoka isika hanan-karena ny amin’Andriamanitra?

15, 16. a) Inona no fanoharana nomen’i Jesosy mba hanamafisana ny toroheviny momba ny fitsiriritana? b) Tamin’ny ahoana moa ny fihetsik’ilay lehilahy voalazalaza tao amin’ny fanoharana no tsy tsara?

15 Rehefa avy nanasa an’ireo izay nanodidina azy mba hiaro tena amin’ny “karazam-pitsiriritana rehetra” i Jesosy dia nitantara tamin’izy ireo ny amin’ny mpamboly iray izay nahavokatra be tamin’ny fomba niavaka ny taniny. Io lehilahy io àry dia “nihevitra tao am-pony hoe: Ahoana no hataoko, fa tsy manana fitoerana hamoriako ny vokatro aho? Ary hoy izy: Izao no hataoko: handrava ny trano fitehirizako aho ka hanao izay lehibebe kokoa, ary ao no hamoriako ny variko rehetra sy ny fananako. Dia hilaza amin’ny fanahiko hoe aho: “Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin’ny taona maro hianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia.” Tamin’io alina io ihany anefa dia maty ilay lehilahy. Ny fananana nangoniny rehetra dia tsy nahasoa azy mihitsy. Ny fanatsoahan-kevitra nomen’i Jesosy dia hoe: “Toy izany izay mihary harena ho an’ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin’Andriamanitra.” — Lioka 12:16-21.

16 Tao amin’ilay fanoharana, dia tsy nisy na inona na inona nampahafantatra fa nanao fahotana niharihary toy ny fakana an-keriny na ny halatra io mpamboly io. Ary anefa dia tsy tsara ny fihetsiny. Niantehitra aoka izany tamin’ny hareny tokoa izy mba hiantohana ny ho aviny, hany ka nanadino ny ‘hanan-karena ny amin’Andriamanitra’, kanefa izany no lehibe kokoa. Ary anefa satria indrindra ny kristiana manao ny fifandraisany amin’i Jehovah ho ny antony lehibe indrindra ahavelomany, dia afaka mandositra ny fandriky ny faniriana mihoapapana, ary tsy ho anisan’izao tontolo izao. — Jaona 17:16.

17. Inona no fihetsika harahin’ny kristiana mijoro tsara eo anoloan’ny zavatra ilaina amin’ny fiainana?

17 Indray mandeha i Jesosy dia nanome izao torohevitra manaraka izao: “Dia aza manahy hianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay? Fa izany rehetra izany dia katsahin’ny jentilisa fatratra.” (Matio 6:31, 32). Marina fa manana zava-manahirana tahaka an’ireo “jentilisa [firenena, MN ] isika. Ny ankamaroantsika dia tokony hiasa mafy mba hameloman-tena, mba hahazoana izay hohanina sy hosotroina ary hitafiana (II Tesaloniana 3:10-12). Tsy havelantsika hisakana antsika tsy ‘hanan-karena ny amin’Andriamanitra’ anefa ireny zavatra mitana ny saina ireny.

18. Ahoana no hanampian’ny fitokisana an’i Jehovah antsika mba handositra ny fandriky ny faniriana mihoapampana?

18 Jehovah, izay loharanon’ny harena rehetra (Asan’ny apostoly 14:15, 17), dia nampanantena fa hikarakara indrindra ireo mpanompony. Nanome antoka antsika ny amin’izany i Jesosy tamin’ny filazana hoe: “Fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” (Matio 6:32, 33; Salamo 37:25). Inoanao ve io fampanantenana io? Mino mafy ve ianao fa hitana ny teny nataony Jehovah? Ho hainao ve ny hianina amin’izay homeny anao? Raha izany no izy, dia tsy ho latsaka ao anatin’ny fandriky ny faniriana mihoapampana ianao (Kolosiana 3:5). Amin’izay, ny fanompoanao an’Andriamanitra sy ny fifandraisana tananao aminy dia hitana ny toerana voalohany foana amin’ireo zavatra mitana ny sainao, ary ny fiainanao manontolo dia ho fisehoan’ny finoanao.

Famerenana

◻ Iza no mety ho latsaka ao anatin’ny fandriky ny faniriana mihoapampana?

◻ Ahoana no azo itandreman-tena amin’ny fitiavan-karena fatratra?

◻ Amin’ny fomba ahoana avy no mety hisehoan’ny faniriana mihoapampana?

◻ Inona avy no fanontaniana hanampy antsika hahafantatra raha tena mitandrin-tena tokoa amin’ny faniriana mihoapampana isika?

◻ Inona no mety hiaro antsika amin’ny faniriana mihoapampana?

[Teny notsongaina, pejy 19]

Rehefa miara-manao raharaham-barotra ny kristiana, dia tsy tokony hohadinoiny na oviana na oviana ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Soratra masina.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara