Fijerena An’izao Tontolo Izao
“Ny Mponina Be Taona any Sina”
“Mitombo isa tsy an-kijanona ny mponina be taona eto Sina”, hoy ny tatitra nataon’ilay gazetiboky hoe China Today. “Tamin’ny faran’ny taona 1994, dia nanana olom-pirenena zokiolona 116,97 tapitrisa izay maherin’ny 60 taona i Sina, ka izany dia fitomboana 14,16 isan-jato raha oharina amin’ny tamin’ny 1990.” Mahaforona efa ho ny 10 isan-jaton’ny mponina ao amin’io tany io ny olona maherin’ny 60 taona ankehitriny, ary nitombo isa efa ho avo telo heny noho ny mponina amin’ny fitambarany ny mponina be taona. Ahoana no ikarakarana azy ireo? Raha misahana izay ilain’ny maro ny fidiram-bola amin’ny asa, ny vola fandrain’ny mpisotro ronono, ny fiantohana sosialy, sy ny asa fanampiana, dia maherin’ny 57 isan-jaton’ny olom-pirenena zokiolona any Sina kosa no tohanan’ny zanany na ny havany hafa. “Koa satria mafy orina ihany ny fifandraisan’ny mpianakavy any Sina, ary satria manana fanaon-drazana tsara dia tsara i Sina raha ny amin’ny fanajana sy ny fikarakarana ny be taona, dia miara-mipetraka amin’ny havany ny ankamaroan’ireo olom-pirenena zokiolona sady karakarain’izy ireny tsara”, hoy ny China Today. “Fito isan-jato monja amin’ny olona be taona any Sina no mipetraka irery.”
Ankizy Miasa — Olana Mihamitombo Hatrany
Araka ny tatitra iray vao haingana nataon’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Asa, dia 13 isan-jaton’ny ankizy maneran-tany eo anelanelan’ny 10 sy 14 taona — ankizy 73 tapitrisa eo ho eo — no voatery miasa. Nanampy teny ilay tatitra fa raha teo am-pelatanana ny antontan’isa momba ny ankizy latsaka ny folo taona sy momba ny ankizivavy miasa an-trano manontolo andro, dia azo inoana fa hiisa hatramin’ny an-jato tapitrisany ireo ankizy miasa maneran-tany. Na dia niezaka nandritra ny 80 taona hiady tamin’ny fampiasana ankizy aza ny fikambanana niorina tany Genève, dia nitombo sy niitatra hatrany ilay olana, indrindra fa atsy Afrika sy any Amerika Latina. Raha ny asa an-tery vozona sy ny toe-javatra mampidi-doza any am-piasana no anjaran’ireny ankizy an-tapitrisany ireny, dia notononina ho olana manokana kosa ny fivarotan-tena. Any amin’ny tany sasany, “dia heverin’ny olon-dehibe ho ny fomba tsara indrindra hisorohana ny fahazoana [VIH] ny fampiasana ankizy mba hanaovana firaisana”, hoy ilay tatitra. Nilaza ilay hoe The International Herald Tribune any Paris fa “nanome tsiny ireo manam-pahefana ao amin’ny fitondram-panjakana izay (...) ninia tsy nahalala ilay olana”, ilay fikambanana.
Fanomezana An’izay Ilain’ny Ankizy
Lazain’ilay hoe The State of the World’s Children 1995, tatitra nataon’ny UNICEF (Fikambanana Iraisam-pirenena Miahy ny Reny sy ny Zaza), fa hadalana ny hiheverana hoe tsy manam-bola hanomezana izay tena ilain’ny ankizy eo aminy izao tontolo izao. Mba hanazavana amin’ny ohatra, dia manome ireto tarehimarika manaraka ireto ny UNICEF: 13 000 tapitrisa dolara isan-taona no tombanana ho fandaniana fanampiny mba hanomezana izay ilaina maneran-tany amin’ny sakafo sahaza sy ny fahasalamana fototra; 6 000 tapitrisa dolara ho an’ny fanabeazana fototra; 9 000 tapitrisa dolara ho an’ny rano azo antoka sy ny fitandremam-pahasalamana; 6 000 tapitrisa dolara ho an’ny fandrindram-pianakaviana — ka manome tontaliny 34 000 tapitrisa dolara isan-taona. Ampitahao amin’izany, hoy izy ireo, ny tombanana ho teti-bidin’izay efa lanina isan-taona amin’ireto manaraka ireto: golf, 40 000 tapitrisa dolara; labiera sy divay, 245 000 tapitrisa dolara; sigara, 400 000 tapitrisa dolara; ny tafika, 800 000 tapitrisa dolara. Azo antoka fa ho voakarakara tsara ny ankizy rehetra maneran-tany, hoy izy ireo, raha naorina ny hoe inona no tokony ho laharam-pahamehana.
“Karazana Adin’ny Opioma Vaovao”
Toy izany no nilazalazan’ny The Times of India ilay ezaka araka izay fara heriny nataon’ny kompanian-tsigara amerikana mba hampidirana an-keriny ny entam-barony tany Azia. Na dia olona iray tapitrisa aza, fara fahakeliny, any India fotsiny, no maty isan-taona noho ny aretina mifandray amin’ny sigara sy paraky, dia mbola tsy nandany lalàna iadiana amin’ny sigara sy paraky ny fitondram-panjakana any India. Izany, araka ilay tatitra nataon’ny Times, dia noho ny fitaomana mahery ampiharin’ny kompanian-tsigara amin’ny mpanao lalàna, fitaomana ao anatin’ilay firenena sy avy any ivelany, ary koa noho ny “lalàna federalin’i Etazonia izay mandrahona ny hampihatra sazy ara-barotra amin’ny firenena tsy manome lalana ny fivarotana sigara amerikana”. Tombanana fa 99 isan-jaton’ny mponina any ambanivohitr’i India no tsy mahafantatra izay rehetra mety ho fahavoazana entin’ny fifohana sigara sy ny fihinanam-paraky. Mazàna ny ao amin’ny fampitam-baovao no mampiseho ny mpifoka iray ho olona matoky tena sy manintona ary tsy manana fisalasalana. Tohanan’ireo kompanian-tsigara ireo fifaninanana lehibe atao eo amin’ny sehatry ny spaoro be mpitia, toy ny cricket. Loharano lehibe ahazoan’ny fitondram-panjakana vola miditra koa ny sigara, satria nampiasa vola tao amin’ny kompanian-tsigara efatra ny fitondram-panjakana.
Nialana ny Finoana ny Afobe Mirehitra
Nolavin’ny tatitra iray avy amin’ny Eglizy Anglikana ilay fiheverana nentim-paharazana hoe toerana misy afo sy fampijaliana mandrakizay ny afobe. Araka ilay tatitra nataon’ny Vaomieran’ny Foto-pampianarana ao amin’ny fiangonana, “ny Kristiana dia nino teolojia mahatsiravina izay niheverana an’Andriamanitra ho olon-dozabe tsy mifaditra ovana, ary namela holatra manaintaina tao an-tsain’ny maro izany”. Nanampy teny toy izao izy io: “Misy antony maro nahatonga izany fiovana izany, kanefa anisan’izany ny tsy faneken’ny saina ao anatin’ny finoana kristiana sy any ivelany ny fivavahana miorina amin’ny tahotra, sy ny fahatsapana nihanitombo fa mifanohitra be amin’ny fampiharihariana ny fitiavan’Andriamanitra ao amin’i Kristy ny fiheverana ny Andriamanitra iray ho mandefa olona an-tapitrisany maro ho any amin’ny fampijaliana mandrakizay.” Kanefa, milaza izy ireo fa mbola miatrika andro fitsarana ihany ny olona tsirairay, ary koa fa hatsipy ao anatin’ny fahafoanana, na ny tsy fisiana, ireo izay tsy mahomby amin’ilay fitsapana. Hoy ny ambaran’ny Herald Tribune any New York: “Nasehon’ilay tatitra mazava fa tsy mety hitranga ny hoe ny olona rehetra avy amin’ny finoana rehetra dia ho voavonjy ho azy avokoa.”
Rajakovavy Nahazo Laza
Latsaka tao anatin’ny fefy iray nisy rajako fito avy any Afrika natao fampisehoana tao amin’ny Brookfield Zoo, any amin’ny faritanàna manamorona an’i Chicago, ny ankizilahy kely iray telo taona, ary novonjen’ny iray tamin’ireo rajakovavy. Ilay ankizilahy kely, izay nihataka tamin-dreniny, dia nananika ilay fefy vy nisy iray metatra sy fahefany, ka niantonta efa ho enina metatra terỳ amin’ny rihibato ambany tao amin’ilay fampisehoana, ary nandratra ny lohany. Namindra milamina ilay rajako valo taona antsoina hoe Binti Jua — teny swahili midika hoe “zanakavavin’ny tara-masoandro” — ka nanatona ary nandray moramora ilay zaza naratra. Sady teny am-baben’i Binti ihany ny zanany no nitrotro ilay ankizilahy kely nalemy izy ka nitondra azy nankeo amin’ny varavarana fidiran’ny mpiasa tao amin’ilay fampisehoana. Napetrany tamim-pitandremana teo amin’ny tany ilay zaza, teo amin’ny toerana nahafahan’ny mpiasa tao amin’ilay toeram-pizahana biby dia, namonjy azy. I Binti, izay nilaozan’ny reniny, “dia nampianarin’ny mpikarakara azy ny fomban-dreny, tamin’ny fanomezana azy saribakoly mba hotezainy sy hokarakarainy”, talohan’ny nahaterahan’ny zanany, hoy ny tatitra nataon’ny Daily News any New York. Nanomboka tamin’izay izy dia nahasarika mpitsidika an’arivony maro sady novalian-tsoa tamin’ny voankazo nomena azy. Sitrana ilay ankizilahy kely, izay nisy mangana sy kiaka.
Ataovy ny Safidinao
“Ratsy fanombohana ve ny taona ho anao?”, hoy ny fanontanian’ny lahatsoratra iray ao amin’ny gazetiboky New Scientist. “Aza manahy fa misy taom-baovao 14 hafa maneran-tany, fara fahakeliny, ka azonao isafidianana.” Raha ny marina, dia ireo firenena nandray ny kalandrie gregoriana ihany no manisa ny 1 Janoary ho ny andro voalohany amin’ny taona. I Jules César no nanapa-kevitra, tamin’ny 46 al.f.i., fa hanomboka ny 1 Janoary ny taona tao amin’ny kalandrie, ary notazonina izany rehefa nanavao ny kalandrie ny Papa Grégoire tamin’ny 1582. Koa satria samy namorona ny rafitra momba ny kalandrie azy manokana ny kolontsaina samy hafa, dia nisy Andron’ny Taom-baovao 26 samy hafa, fara fahakeliny, nipoitra. Amin’ireo izay tavela amin’izao andro izao, dia ny rafitra sinoa no tranainy indrindra. Ho azy ireo, dia hanomboka ny 7 Febroary ny Taom-baovao amin’itỳ taona itỳ. Ho tonga amin’ny 2 Oktobra ny Taom-baovao jiosy. Hanana ny datiny manokana koa ny kalandrie silamo, izay manaraka tanteraka ny fihodinan’ny volana, dia ny 8 May.
Mifandray Amin’ny Fahafatesan-jaza Tampoka ny Fifohana Sigara
Tsy tokony havela ho azon’ny setro-tsigara ny zazakely sy ny vehivavy bevohoka, hoy ireo mpikaroka britanika. Nandinika ny fisehoan’ny fahafatesan-jaza tampoka tsirairay ny fandinihana iray naharitra roa taona nataon’ny Hopitalim-panjakana ho An’ny Ankizy Marary any Bristol, tany amin’ny faritra telo any Angletera. Nanontany ny ray aman-drenin’ny zazakely 195 maty sy ny an’ny 780 hafa velona izy ireo ka nahita fa tamin’ireo reny maty anaka, dia 62 isan-jato no nifoka, fa 25 isan-jato kosa tamin’ireo reny velona anaka. “Mampiseho mazava ny fikarohana vao haingana fa olana koa ny ray mifoka”, hoy i Joyce Epstein, avy ao amin’ny Fikambanana Momba ny Fandinihana ny Fahafatesan-jaza. “Raha azontsika esorina tsy ho eo amin’ny manodidina ny zazakely ny fifohana sigara rehetra, dia tombananay fa hihena 61% ny fahafatesan-jaza tampoka.”
Mampiharihary Zava-Miafina ny Ra
Nodinihina akaiky nandritra ny 60 taona mahery ny hemoglobinina ary voalaza fa izy io angamba no proteina nanaovana fandinihana be indrindra teo amin’ny biolojia. Fantatra hatramin’ny ela ho mitondra ny oksizena avy any amin’ny havokavoka ho any amin’ireo tambatsela izy io ary mitondra miverina ny roanoksikda-na karbonina sy ny oksida nitirika. Kanefa, gaga ireo fizisiana sy mpahay siansa nahita vao haingana fa manana anjara asa fanampiny izy io — dia ny fitondrana oksida nitirika amin’ny endriny mitambatra amin’ny fomba hafa, antsoina hoe oksida nitirika ambony karazana, ho any amin’ny faritra rehetra amin’ny vatana. Raha ny marina, ny oksida nitirika ambony karazana dia manana anjara asa lehibe eo amin’ny fahasalamana sy ny fihazonana ny sela sy ny tambatsela ho velona, anisan’izany ny fikojakojana ny fitadidiana sy ny fahaiza-miana-javatra, ny fihinjiran’ny filahiana sy ny fivaviana, sy ny tosi-dra. Afaka manitatra na mamintina ny lalan-dra ny hemoglobinina, amin’ny fifehezana ny habetsahan’ny oksida nitirika miditra ao amin’ny lalan-dra ao amin’ny vatana. “Azo inoana fa hisy heviny lehibe ny zavatra tafiditra amin’io zava-baovao hita io, eo amin’ny fitsaboana ny tosi-dra sy ny fanamboarana ra artifisialy”, hoy ny tatitra nataon’ny The New York Times. Amin’izao fotoana izao, ny ankamaroan’ny solon-dra dia mirona hampiakatra ny tosi-dra. Izany angamba no izy satria tsy misy oksida nitirika ambony karazana ao amin’izy ireny, hoy ireo mpikaroka.