Mambole Tsimoka ho Anao Manokana
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY HAWAII
MOA ve ianao indraindray nitady, kanefa tsy nahita teny an-tsena, legioma izay sady mbola vao no henjankenjana sy mahavelona? Aza mitady intsony! Tena afaka mamboly legioma ao an-tokantranonao ao mihitsy tokoa ianao, amin’ny fanokanana fotoana sy fanaovana ezaka faran’izay kely. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fambolena tsimoka!
Mora karakaraina aoka izany ireo tsimoka, hany ka na ankizikely aza afaka manao izany. Tsy mila toerana firy izy ireny, na fiasana tany, na fiavana, na fanahiana ny amin’ny hahitana raha simika manahirana. Ary ny tsara indrindra, dia afaka mihinana ny vokatrao ianao, efatra na dimy andro monja aorian’ny nanombohany nitsiry! Tsy ny fahamoran’ny fambolena azy fotsiny anefa no tombony.
Voalohany, dia mahavelona ireo tsimoka — angamba aza mihoatra noho ireo tsaramaso na voa mahazatra. Hoy ny The Beansprout Book, nataon’i Gay Courter: “Rehefa manomboka mitsimoka ireo voa, dia manomboka mitombo koa ny vitamina ao aminy. Vitamina C 108 miligrama monja no ao amin’ireo solofon-tsôzaha vao niseho (isaky ny voan-tsôzaha 100 grama), araka ny fandinihana iray natao tany amin’ny Oniversiten’i Pennsylvania. Taorian’ny adiny 72 anefa, dia niakatra hatrany amin’ny 706 miligrama ny vitamina C tao aminy!”
Tsy mandany vola firy koa ireo tsimoka. Raha ny marina, dia angamba efa anananao avokoa ny fitaovana rehetra izay hilainao.
Fanomanana
Voalohany, dia mila zavatra hasiana azy ianao. Tavy fitaratra na plastika iray lehibe, na vilany tsy metaly, na tsangambava fitaratra na bakoly, na vilia lalina aty dia mety. Azo atao aza ny mampiasa vilia iray talesaka, ka mamelatra sosom-boa eo anelanelan’ny soson-damba kararavina mando roa na taratasy famaohana mando mba tsy hahamaina azy. Na inona na inona fitaovana fidinao hampiasaina, dia ataovy azo antoka fa antonona ny halehibeny mba hamelana ireo voa hitsimoka sady mbola hisian’ny toerana hifamoivoizan’ny rivotra eny anelanelany. Hitako ho mety tsara ho an’ireo voa bitika toy ny liozerna (karazam-bilona) ny tavy fitaratra. Ireo voa lehibe kokoa, toy ny tsaramaso mungo, dia mety ho tsara kokoa raha ao anatin’ny vilia na vilany lalina aty. Izany dia manome toerana fanampiny malalaka ilain’ireo voa sady miaro ireo tsimoka tsy ho lo na hasiso.
Hila saron’ilay fitoeran-javatra ampiasainao koa ianao. Sivana plastika na tapa-damba iray kararavina na ba nylon tsy ampiasaina intsony dia mety. Ny hany ilaina mba hamatorana azy io amin’ny vavan’ilay fitoeran-javatra dia fingotra na tady kely mafy iray. Mazava ho azy fa, noho ireo voa tsy maintsy sasana indroa isan’andro fara fahakeliny, dia hila rano koa ary angamba tantavana, ianao, mba hanatsihana ilay fitoeran-javatra.
Amin’ny farany, dia hila ireo voa ianao. Saika azo ampitsimohana izay mety ho voa fihinana. (Tandremako anefa ny tsy hampiasa ireo voa nohatsaraina tamin’ny raha simika.) Ny voa tsara indrindra mba hanandraman’izay olona vao manomboka dia ny tsaramaso mungo na voan’ny liozerna. Mora mitsimoka izy ireo sady tena matsiro! Mamelà ahy izao hilaza aminao ny fomba hanaovana izany.
Fambolena tsimoka ho anao manokana
ANDRO VOALOHANY: Voalohany, sasao tsara ireo voa. Avy eo, dia fenoy rano ilay fitoeran-javatra mandra-pandrakotry ny rano tokony ho dimy santimetatra ireo voa na tsaramaso. Alony mandritra ny adiny valo na adiny folo fara fahakeliny ireo voa. Azonao apetraka ao aloha kelin’ny hatorianao ireo voa mba hilona. Aorian’ny adiny valo na adiny folo, dia hibontsina ireo voa ka hivaky kely ny hodiny. Vonona ny hitsimoka izy ireo.
ANDRO FAHAROA: Amin’ny maraina, dia alao ny sarony ary ario ny rano ao anatin’ilay fitoeran-javatra. (Noho ilay rano feno vitamina, dia mazàna aho no mampiasa azy io mba hanondrahana zavamaniry.) Fenoy rano indray ilay fitoeran-javatra izao. Ahontsankontsano minitra vitsivitsy izy io, ary avadiho ambony ambany, mba hamelana ny rano tavela hitsika. Fenoy rano indray ilay fitoeran-javatra, sasao ary tsihifo ny rano amin’ireo voa, intelo amin’ny fitambarany. Raha nafindranao tamin’ny vilia talesaka ireo voa nalona, dia araraho moramora eo ambonin’ilay lamba kararavina ny rano, ary tsihifo izany amin’ny fanongilanana ilay vilia. Atỳ aoriana, dia avereno indray ilay fanasana mba ho voasasa tanteraka indroa isan’andro ireo voa.
ANDRO FAHATELO: Izao dia tokony ho afaka hahita ireo voa hitsimoka ianao. Tohizo ny fanasana azy indroa isan’andro.
ANDRO FAHEFATRA: Afaka manomboka mihinana ireo tsimoka ianao! Azonao atao ny mamela ireo tsimoka tsaramaso mungo hitsiry avoavo ihany, kanefa tsy hisy tsirony mangidy ao aminy. Ataovy azo antoka fotsiny fa voasasanao hatrany indroa isan’andro ireo tsimoka. Afaka mametraka ireo tsimoka mba ho azon’ny hainandro koa ianao mandritra ny adiny iray eo ho eo, ary avy eo dia mametraka azy ireo ao anaty vata fampangatsiahana. Ireo laingony kely dia ho lasa maitso tsara — tena mampilendalenda!
Rehefa nahita fahombiazana ianao, dia mety ho tianao angamba izao ny hanao andrana amin’ny karazam-boamadinika sy voa. Samy hafa kely ny tsirairay avy raha ny amin’ny tsirony sy ny fotoana hitsimohany. Ohatra, mety hanandrana hampitsimoka voan-tanamasoandro afaka hodiny ianao. Tsara hohanina ao anatin’ny roa andro ireny tsimoka ireny, rehefa iray santimetatra mahery kely monja ny halavany. Raha mitsiry mihoatra noho izany izy ireo, dia mety hangidy.
Fomba androsoana ireo tsimoka
Ny ankamaroan’ireo tsimoka dia azo hanina manta miaraka amin’ny salady, ao anaty sandwiches, na ao anatin’izay mety ho sakafo ampiasana tsaramaso sy voa. Azo ampangotrahina mandritra ny 10 na 15 minitra anefa ireo tsimoka sôzaha alohan’ny hihinananao azy ireo. Na azonao endasina ao anatin’ny menaka mahamay sy tongolo gasy ary sira kely fotsiny izy ireo. Izany dia ho sakafo tena matsiro! Ny tsimoka varimbazaha sy seigle dia tena fy sady tsara atao fanampiny amin’ny mofo dipaina sy muffins.
Araka izany, ny fanolokoloana tsimoka dia fanalana andro sady mahasalama no tsy mandany. Mety ho hitanao ho tena mandrisika sy ahitam-balisoa tokoa ny fanaovana izany. Rehefa heverina mantsy, dia be dia be ny tahan’ny fahombiazana ary matsiro ny vokany!
[Sary nahazoan-dalana, pejy 19]
Japanese Stencil Designs
[Sary, pejy 20]
ANDRO VOALOHANY: Angony ireo voa ary alony ao anaty rano mandritra ny adiny valo na adiny folo
[Sary, pejy 20, 21]
ANDRO FAHAROA SY FAHATELO: Sasao tsara indroa isan’andro ireo voa
[Sary, pejy 21]
ANDRO FAHEFATRA: Azo hanina ireo tsimoka! (hita eto mihorirana, eo ambonin’ny lamba kararavina)