Ny Fitiavantsika Zaridaina
RAISINAO an-tanan-droa ho fialofana amin’ny tabataba sy ny firotorotoan’ny fiainana ve ny filaminana ao an-jaridaina kanto iray? Moa ve tsy ireo saha mangina misy faritra rakotra ahitra, misy voninkazo, hazo manaloka, sy kamory, no toerana tianao kokoa hanaovana pique-nique miaraka amin’ny fianakavianao na handehandehanana miaraka amin’ny namana? Eny, mampitony sy mamelombelona ary milamina toy inona moa ny zaridaina, ary koa mitsabo mihitsy aza!
Na dia mety tsy hirona hikarakara zaridaina aza ny sasany, angamba noho ny tsy fahampiam-potoana, dia mahafinaritra antsika rehetra ireo loko sy famerovero sy feo ary voankazo ao an-jaridaina. Tia zaridaina i Thomas Jefferson — mpanao mari-trano, mpahay siansa, mpahay lalàna, mpamorona, sady prezidàn’i Etazonia. Izao no nosoratany: “Tsy misy fanaovan-draharaha mahafinaritra ahy aoka izany toy ny asa tany. (...) Mbola manokan-tena ihany amin’ny fikarakarana zaridaina aho. Na dia efa antitra aza aho, dia mbola mpikarakara zaridaina tanora ihany aho.”
Olona maro no miombon-kevitra aminy. Isan-taona, dia misy mpitsidika an-tapitrisany maro mandeha tsy an-kijanona mankany amin’ireo zaridaina malaza eo amin’izao tontolo izao — Zaridaina Kew (ireo Zaridainam-panjakana Bôtanika), any Angletera; ireo zaridaina any Kyoto, Japon; ireo zaridainan’ny Lapan’i Versailles, any Frantsa; Zaridaina Longwood, any Pennsylvanie, Etazonia, raha tsy hanonona afa-tsy vitsivitsy aza isika. Tany maro koa no manana faritra an-tanàn-dehibe nanorenana trano manaraka lalana malalaka misy hazo mitandahatra, ary voahodidina kirihitra sy hazo ary lokom-boninkazo marevaka ireo trano ireo — mova tsy paradisa kely.
Afaka manatsara ny fahasalamana ny zaridaina
Voamarika fa rehefa mifandray hatrany amin’ny tontolo voajanahary ny olombelona, dia mety ho tsara kokoa ny fahasalamany, na dia fahitana voninkazo sy hazo sy kirihitra ary vorona avy eo am-baravarankely fotsiny aza ilay fifandraisana. Izany dia nitarika hopitaly iray any New York hanorina zaridaina teo amin’ny tafony. “Nafana ny fandraisana” izany, hoy ny tompon’andraikitra iray tao amin’ilay hopitaly. “Nampitombo ny risi-pon’ireo marary sy ny mpiasa izany. (...) Hitanay fa mety ho azo ampiasaina be dia be amin’ny fitsaboana izany.” Eny tokoa, asehon’ireo fandinihana fa afaka mandray soa ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pihetseham-po avy amin’ny fankafizan’ny vavahadin-tsainy ny natiora ny olona.
Ambonin’izany, ny olona iray mirona ho amin-javatra ara-panahy dia mety hahatsapa ho akaiky kokoa an’Andriamanitra, rehefa eo anivon’ny asa tanan’Andriamanitra izy. Niandoha tao amin’ilay zaridaina voalohany indrindra teto an-tany, dia ny Saha Edena, izay nifampiresahan’Andriamanitra voalohany tamin’ny olombelona, io lafiny mampiavaka ny zaridaina io. — Genesisy 2:15-17; 3:8.
Hita hatraiza hatraiza ny fitiavana zaridaina. Ary misy heviny izany, araka ny ho hitantsika. Alohan’ny handinihana io lafiny io anefa, dia manasa anao izahay mba “handehandeha” ao amin’ny zaridaina vitsivitsy teo amin’ny tantara mba hahitana ny tena halalin’ny faniriana mafy Paradisa ao am-pon’ny olona rehetra.