Fijerena Zaridaina Nalaza Sasany
NANOMBOKA tao amin’ny zaridaina iray tao amin’ny faritra antsoina hoe Edena, angamba tany akaikin’ny Farihy Van, any Torkia ankehitriny, no niainan’ny olombelona tao amin’ny Paradisa. Ony iray nisampana efatra no nanondraka ilay zaridaina ho an’i Adama sy i Eva, izay tokony “hiasa sy hitandrina azy”. Ho fahafinaretana toy inona moa ny hikarakara zaridaina iray nisy “ny hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana” tondraka! — Genesisy 2:8-15.
Fonenana tonga lafatra i Edena. Tokony hanitatra ny fetran’izy io i Adama sy i Eva ary ireo taranany, ka tsy isalasalana fa ho nampiasainy ho modely ilay drafitra tsy nisy tomika nataon’Andriamanitra voalohany. Rehefa nandeha ny fotoana, dia ho tonga paradisa feno olona hiaina amim-piadanana ny tany manontolo. Ny tsy nankatoavan’ireo ray aman-drenintsika voalohany an-tsitrapo anefa dia nahatonga ny fandroahana azy ireo tsy ho ao amin’io toeram-pialofana io. Mampalahelo fa teraka tany ivelan’io fonenana tao Edena io avokoa ny olon-kafa rehetra anisan’ny fianakavian’olombelona.
Na dia izany aza, dia novolavolain’ny Mpamorona hiaina ao amin’ny Paradisa ny olombelona. Koa ara-dalàna àry raha nitady ho voahodidina toerana naka tahaka ny Paradisa, ireo taranaka tatỳ aoriana.
Zaridaina tany am-boalohany
Nantsoina hoe ny iray tamin’ireo zava-nahatalanjona teo amin’ny tontolo fahiny ireo Zaridaina Nihantona tany Babylona. I Nebokadnezara Mpanjaka no nanorina azy ireo, maherin’ny 2 500 taona lasa izay, ho an’ny vadiny mediana izay nalahelo ireo ala sy havoana tany an-tanindrazany. Nanana haavo 22 metatra io rafitra andohalambo nifanao ambaratonga io, izay nambolena zavamaniry be dia be. Ampy ny nofon-tany teo amin’izy io mba hampaniriana hazo lehibe. Azo inoana fa nahazo fampiononana ilay mpanjakavavy nanembona ny tany aminy, rehefa nandehandeha nanerana io faritra tahaka an’i Edena natao farafaran-tany io izy.
Niavaka teo amin’ny Lohasahan’i Neily lonaka tany Egypta ny fikarakarana zaridaina mba hanatsarana endrika ny tany taza-maso. “I Egypta no loharanon’ny sarin-jaridaina tranainy indrindra teo amin’izao tontolo izao, sady toerana nanana fomba fikarakarana zaridaina nentim-paharazana, (...) izay naningana noho ny fahelany”, hoy ilay hoe The Oxford Companion to Gardens. Mampiseho kamory sy lalana malalaka misy hazo mitandahatra ary trano heva ny drafi-jaridaina iray an’ny manam-pahefana egyptiana iray tany Thèbes, tokony ho tamin’ny 1400 al.f.i. Nanaraka avy hatrany an’ireo zaridainan’ny mpanjaka, dia ireo zaridainan’ny tempoly no nandrobona indrindra, niaraka tamin’ireo ala kely sy voninkazo ary bozaka tao izay nampidiran-drano tamin’ny alalan’ny lakandrano avy tamin’ireo kamory sy farihy feno vorondrano sy trondro ary lilia an-drano. — Ampitahao amin’ny Eksodosy 7:19.
Anisan’ny namela marika voalohany teo amin’ny tontolon’ny zaridaina koa ireo Persiana. Nambabo fo aoka izany ireo zaridaina tany Persia sy Egypta, hany ka rehefa niverina tany Gresy ireo tafika nandresin’i Aleksandra Lehibe tamin’ny taonjato fahefatra al.f.i., dia nivatsy voa sy zavamaniry ary hevitra be dia be izy ireo. Tany Atena, i Aristote sy i Théophraste mpianany dia nanangona ireo voninkazo maro be nihanitombo isa ka nanorina zaridaina bôtanika mba handinihana sy hanakilasiana ireo zavamaniry. Nisy Grika nanankarena maro, tahaka ireo Egyptiana sy Persiana teo alohany, nanana zaridaina nandrobona be.
Nampitambatra trano sy zaridaina tao anatin’ny toerana voafetra tany an-tanàn-dehibe ireo Romana mponina tany. Nanamboatra saham-pahafinaretana nanaitra ny maso tany amin’ireo villas nananany tany ambanivohitra ny mpanan-karena. Na dia ilay mpitondra tsy refesi-mandidy atao hoe Néron aza, dia naniry hanana ny Edenany. Koa tsy nanana antra mihitsy izy nandroaka fianakaviana an-jatony maro, nandrava ny tranon’izy ireo, sy nanamboatra saha azy manokana, nirefy maherin’ny 50 hektara nanodidina ny lapany. Tatỳ aoriana, tokony ho tamin’ny 138 am.f.i., tao amin’ny villa nananan’ny Emperora Hadrien tany Tivoli, dia nahatratra ny fara tampony ny fanatsaran’ny Romana ny endriky ny tany taza-maso. Nanana saha sy kamory sy farihy ary loharano nirefy 243 hektara ilay villa.
Nanana zaridaina sy saha koa ireo Isiraelita fahiny. Nanoratra ny amin’ny saha nahafinaritra feno sakelidrano tao amin’ny toerana iray nantsoina hoe Etama, tokony ho 13 ka hatramin’ny 16 kilaometatra avy teo Jerosalema, i Josèphe, mpanoratra tantara jiosy. Mety ho anisan’ireo ‘tanimboly, saha, kamory, sy ala’ lazain’ny Baiboly fa ‘nataon’i Solomona ho azy’, ireo saha tao Etama. (Mpitoriteny 2:5, 6). Teo ivelan’i Jerosalema indrindra, teo amin’ny Tendrombohitra Oliva, no nisy ny Sahan’i Getsemane, izay nanjary nalaza noho i Jesosy Kristy. Tao i Jesosy no nahita fialofana izay azony nampianarana mangina an’ireo mpianany. — Matio 26:36; Jaona 18:1, 2.
Avy teo amin’ny zaridaina arabo nankeo amin’ny zaridaina anglisy
Rehefa niely niantsinanana sy niankandrefana ireo tafika arabo tamin’ny taonjato fahafito am.f.i., dia tojo an’ireo zaridaina tany Persia izy ireo, tahaka an’i Aleksandra. (Ampitahao amin’ny Estera 1:5.) “Hitan’ireo Arabo fa tena nitovy tamin’ilay paradisa nampanantenaina ny mahatoky ao amin’ny Kôrana, ireo zaridainan’ny Persiana”, hoy ny nosoratan’i Howard Loxton. Tahaka ilay modeliny persiana, ny zaridaina nahazatra ny Arabo, nanomboka tany Espaina maure ka hatrany Cachemire, dia nozaraina efatra tamin’ny sakelidrano efatra tafakambana ho kamory na loharano iray teo afovoany, izay nampahatsiahy ireo ony efatra tany Edena.
Tany India avaratra, dia teo akaikin’ny Farihy Dal tao amin’ny Lohasahan’i Cachemire kanto no nanorenan’ny mpanapaka mogol tamin’ny taonjato faha-17, zaridaina toy ny paradisa maherin’ny 700. Nahaforona fitambaran-doko marevaka noelanelanina loharano sy farafaran-tany ary rian-drano an-jatony maro izy ireny. Mbola ahitana soratra toy izao eo amin’ilay trano heva marbra mainty naorin’i Shah Jahan (mpanorina ny Taj Mahal) teo amoron’ny Farihy Dal: “Raha misy paradisa eto ambonin’ny tany, dia eto, eto, eto izany.”
Taonjato vitsivitsy talohan’izay, dia niampita avy tamin’ny Moyen Âge ho amin’ny Renaissance tamin’ny taonjato faha-14 i Eoropa. Ilay fomba fikarakarana zaridaina nentim-paharazana tany Roma, izay voahosihosy fony nanomboka ny Moyen Âge tamin’ny taonjato fahadimy am.f.i., dia nanomboka nivelatra indray — ka tamin’itỳ indray mitoraka itỳ dia teo ambany fanapahan’ny eglizy. Nihevitra ny zaridaina ho ‘paradisa vonjimaika’ ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Mampiseho zaridaina roa nasiana soratra hoe “Paradisa” ny drafitry ny monasitera iray tamin’ny taonjato fahasivy. Tsy ela dia nanjary lehibe kokoa sy niavaka kokoa ireo zaridainan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Tsy nampiseho taratry ny hatsarana ara-panahy anefa izy ireny, fa maro taminy kosa no nanjary mariky ny fahefana sy ny harena.
Rehefa nandresy an’i Naples, any Italia, i Charles VIII avy tany Frantsa, tamin’ny 1495, dia nanoratra tany aminy toy izao izy: “Tsy hampino anareo mihitsy ny hakanton’ny zaridaina ananako eto amin’itỳ tanàna itỳ (...). Toa i Adama sy i Eva irery sisa no tsy ampy eto mba hahatonga azy ho paradisa an-tany.” Raha niaina hatramin’ny taonjato faha-17 anefa i Charles, dia ho nahita teo amin’ny tany frantsay ireo zaridaina nidadasika nananan’ny Mpanjaka Louis XIV. Antitranterin’ilay boky hoe The Garden fa “mbola azo lazaina ho ny lehibe indrindra sy ny miavaka indrindra eo amin’izao tontolo izao” ireo zaridaina ao amin’ny Lapan’i Versailles.
Nanana famaritana vaovao ny atao hoe paradisa anefa ny Renaissance: ny natiora dia tokony hampanekena ny olombelona manam-pahalalana, izay tokony hampihatra amin-kery ao an-jaridaina ny firindrana, amin’ny fanesorana ny zavatra rehetra maniriniry ho azy ao. Namboarina hanana bika jeometrika voafaritra tsara avokoa ireo hazo sy voninkazo rehetra. Araka izany, ny fahaizan’ny Romana tany am-boalohany nanome endrika ireo hazo sy kirihitra tamin’ny fandrantsanana sy ny famolavolana ny fitomboany, dia nanjary velona tamin’ny fomba nahazendana indray.
Avy eo, tamin’ny taonjato faha-18 sy faha-19, dia nampiharihary ho an’ny tontolo tandrefana zavamaniry vaovao sy fomba vaovao fikarakarana zaridaina, ny fizahana tany mbola tsy fantatra sy ny varotra niampitan-dranomasina. Niditra an-tsehatra tamin’ny fanamboarana zaridaina i Angletera. “Tany Angletera tamin’ny taonjato faha-18”, hoy ny The New Encyclopædia Britannica, “ny olona dia nihanahatsapa ny tontolo voajanahary nisy azy. Tsy nampihatra tamin-kery ny firindrana jeometrika voatr’olombelona teo amin’ny tontolo voajanahary izy, fa nanomboka nieritreritra kosa ny hampifanitsy ny fiainany hifanaraka tamin’izy io.” Nisy olona toa an’i William Kent sy i Lancelot Brown, faran’izay nahay tamin’ny fanatsarana ny endriky ny tany taza-maso. Nanao ny drafitra sady nanamboatra tany aman-trano maherin’ny roanjato tany Angletera i Brown. Nisy roa lahy, i Thomas Jefferson sy i John Adams, izay lasa prezidàn’i Etazonia, nankany Angletera tamin’ny 1786 mba handinika ny zaridaina anglisy.
Fanatsarana ny endriky ny tany taza-maso tany Atsinanana
Ny fomba fikarakarana zaridaina nentim-paharazana tany Sina no nanan-kery lehibe teo amin’ny sivilizasiona tatsinanana, nitovy tamin’ireo fomba nentim-paharazana tany Egypta sy Gresy ary Roma nanan-kery teo amin’ny sivilizasiona tandrefana. Tany am-boalohany, ny Sinoa dia nanaraka fivavahana animista izay niheverana ny ony sy ny vatolampy ary ny tendrombohitra ho fanahy niseho vatana avokoa ka tokony hohajaina. Taorian’izany, ny Taoisma sy ny Konfiosianisma ary ny Bodisma dia nanenika ilay tany ka namokatra zaridaina araka ny endrika tiany manokana.
Teny ampitan’ny Ranomasin’i Japon, dia namorona zaridaina nanana endrika nampiavaka azy manokana ireo Japoney, ka nomen-danja kokoa noho ny loko ny bika, ary nanana ny toerany voafaritra tsara ny zavatra tsirairay. Noho ny fiezahany hitana maharitra eo amin’ny faritra voafetra ny hakanto sy ny fahasamihafan’ny natiora, dia mametraka amim-pitandremana ireo vato ny mpikarakara zaridaina sady miangaly fatratra ny fambolena sy ny famolavolana ny fitomboan’ny zaridainany. Hita izany eo amin’ny bonsaï (midika hoe “zavamaniry ao anaty tavy”), dia ny fahaizana mamolavola ny fitomboan’ny hazo kely iray na angamba ny fitomboan’ny ala kely iray hanana endrika sy habe voafaritra tsara.
Na dia mety ho hafa noho ny endriky ny zaridaina tandrefana aza ny an’ny zaridaina tatsinanana, dia mampiseho taratry ny faniriana mafy Paradisa koa izy io. Ohatra, nandritra ny vanim-potoana Heian tany Japon (794-1185), araka ny nosoratan’i Wybe Kuitert, mpanoratra tantaran’ny zaridaina japoney, ireo mpikarakara zaridaina dia niezaka hampahatsiahy ny rivo-piainan’ny “paradisa eto an-tany”.
Fitiavana hita hatraiza hatraiza
Hita hatraiza hatraiza ny fitiavana zaridaina, na dia teo amin’ireo foko mpihaza sy mpioty aza, izay nipetraka tany amin’ny zaridaina “voajanahary” — ala mikitroka sy ala ary tany lava volo. Mikasika “ireo Aztèques tany Meksika sy ireo Incas tany Peroa”, hoy ny Britannica, “ireo mpanani-bohitra dia nanao tatitra ny amin’ny zaridaina voakaly nisy havoana natao farafaran-tany sy ala kely sy loharano ary kamory nandravaka azy (...), izay tsy hoe tsy nisy itoviana tamin’ireo zaridaina tamin’izany fotoana izany tany Andrefana”.
Eny, ireo ala kely fahiny nanamorona ny Neily teo amin’ny andaniny roa, ireo endriky ny tany taza-maso nohatsaraina tany Atsinanana, ireo saha fitsangantsanganana an-tanàn-dehibe maoderina, sy ireo zaridaina bôtanika — mampiharihary inona izy ireny? Ny fanirian’ny olombelona mafy Paradisa. Nahamarika izany “fanembonana Paradisa” tsy nety lefy izany i Terry Comito, mpanoratra, ka nanambara hoe: “Ao an-jaridaina no mahatamana ny olona.” Ary olombelona iza no tsy ho finaritra hilaza hoe: ‘Tahaka ny Saha Edena ny fonenako’? Nofinofy fotsiny ve anefa ny hisian’ny Edena iray haneran-tany — fa tsy ho an’ny manankarena fotsiny? Sa tena hisy izy io?
[Sary, pejy 7]
Fampisehoan’ny mpanakanto ireo Zaridaina Nihantona tany Babylona
[Sary, pejy 7]
Zaridaina mahazatra any Japon
[Sary, pejy 7]
Versailles, Frantsa
Nandritra ny tantara manontolo, dia naniry mafy Paradisa ny olombelona
[Sary nahazoan-dalana]
French Government Tourist Office/Rosine Mazin