FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/4 p. 29
  • Fijerena An’izao Tontolo Izao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fijerena An’izao Tontolo Izao
  • Mifohaza!—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Maneho ny Fankasitrahany ny Fanambadian’ireo Samy Lehilahy ny Église Unitaire
  • Mpampihorohoro “Masina”
  • Fitenin-jaza Manimba
  • Manampy Hampihena ny Heloka Bevava ny Famakian-teny
  • Ny Lalao Olympika sy ny Fahantrana
  • Karazana Tandindomin-doza — Ny Halehiben’ilay Olana
    Mifohaza!—1996
  • Voa Iray Nitety An’izao Tontolo Izao
    Mifohaza!—2006
  • Andriamanitra: inona no nataony ho anao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Fijerena An’izao Tontolo Izao
    Mifohaza!—1998
Mifohaza!—1997
g97 8/4 p. 29

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Maneho ny Fankasitrahany ny Fanambadian’ireo Samy Lehilahy ny Église Unitaire

Nanjary ny fivavahana voalohany any Etazonia naneho tamin’ny fomba ofisialy ny fankasitrahany ny fanambadian’ireo samy lehilahy na samy vehivavy ny Église unitaire, hoy ny tatitra nataon’ny Christian Century. Saika ny solontena rehetra nanatrika ny fivoriambe fanaon’ilay antokom-pivavahana isan-taona no nandatsa-bato nifidy ny “hanambara ny mampisy vidiny ny fanambadian’ny olon-droa nifanome toky”. Milaza io gazety ara-pivavahana io ihany fa “ao anatin’ny lalàn’ny fiangonana, dia afaka manapaka ho an’ny tenany ny tsirairay avy amin’ireo kongregasiona 1 040 na haneho ny fankasitrahany ny fanambadian’ny samy lehilahy sy ny samy vehivavy na tsia, ka handray ao aminy ny fampakaram-bady toy izany”.

Mpampihorohoro “Masina”

Tamin’ny ezaka nataon’ny Eglizy Ortodoksa Romaniana “hampiorenana ny tenany indray ho ny fivavaham-pirenena”, dia “nampanomboka ezaka manokana mamitaka fanaratsiana ireo fivavahana hafa” izy, hoy ny tatitra nataon’ny gazety Compass Direct tao amin’ny lahatsoratra nosoratan’i Willy Fautré. Manampy teny toy izao i Fautré: “Ireo mpitondra ambony indrindra sy ireo pretran’ny eglizy ortodoksa eo an-toerana any Romania” dia nanangana antokon’olona maromaro mba “hampihorohoro ireo antokom-pivavahana vitsy an’isa sy hitsipaka ny zon’izy ireo fototra ara-pivavahana”. Niantso ireo mpiteny ao amin’ny radio ara-pilazantsara ho “mpanimbazimba ny finoan’ny razantsika”, ny arsevekan’i Suceava sy i Rădăuţi, ary nanoratra toy izao ho an’ny lehiben’ny fikambanana manara-maso ireo fandaharan’ny radio sy ny televiziona any Romania: “Miangavy anareo izahay hampitsahatra na hametra azy ireny, satria tsy mahalala henatra tanteraka sady mikasa mibaribary hanao proselyta eto amin’ny tanindrazantsika mihitsy izy ireo.”

Fitenin-jaza Manimba

Heverina ho mahafatifaty matetika ireo ezaka voalohany ataon’ny ankizy kely mba hitenenana, ary valian’ny ray aman-dreny maro amim-pitiavana amin’ny fanaovan’ny tenany fitenin-jaza izany. Mety hampidi-doza ny fandrosoan’ny ankizy eo amin’ny fitenenana anefa izany, hoy ny nosoratan’i Eliane Regina Carrasco, manam-pahaizana breziliana momba ny fitenenana, tao amin’ny gazetiboky Veja. Rehefa mamerina ny fanononana diso ataon’ny ankizy iray ny ray aman-dreny, “dia manamafy fomba fiteny tsy marina”, hoy i Carrasco. Mety hiteraka zava-manahirana eo amin’ny fitenenana izany, hoy izy. Mety hisy fiantraikany eo amin’ny fifandraisan’ilay ankizy amin’ny hafa koa izany, hoy ny teny nanampiny. “Matetika, dia manjary mitokantokana sy saro-kenatra ary tsy matoky tena ny ankizy toy izany, ka manalavitra ireo tarehin-javatra izay tsy maintsy hahatonga azy [ho fihomehezana].” Ara-dalàna ny anononan’ny ankizy kely amin’ny fomba diso ireo teny, ary tsy ilaina ny hanitsiana azy ireny tsy an-kijanona, hoy ny nomarihin’i Carrasco. Zava-dehibe anefa ny hitenenana amin’ny fomba marina aminy sy ny hitadidiana fa “manan-tsaina sy manana fahaizana hianatra izy ireo”.

Manampy Hampihena ny Heloka Bevava ny Famakian-teny

Tany Bradford, Angletera, dia nahazoana vokany mampihetsi-po lalina ny fandaharan’asa iray vatsin’ny fanjakana, natao hanatsarana ny fahaizan’ny ankizy mpianatra mamaky teny, hoy ny tatitra nataon’ny gazety britanika The Independent. Tsy vitan’ny hoe nanampy hanatsara ny fahaiza-mamaky teny fotsiny ilay fandaharan’asa, fa nahazo laza koa noho ny fanampiana hampihena ny heloka bevava! “Nasehonay ny fifandraisana nivantana nisy teo amin’ny isan’ny tanora mpamaky trano sy ny tahan’ny mpingitrika”, hoy i John Watson, filohan’ny Fiaraha-miasa Mandala ny Famakian-teny Tsara Kokoa. “Raha afaka mamaky teny ny ankizy dia azo inoana kokoa fa ho liana amin’izay mitranga any an-tsekoly izy ireo ka tsy hingitrika. Noho izy ireo tsy eny amin’ny arabe, dia azo inoana kokoa fa tsy hamaky trano.”

Ny Lalao Olympika sy ny Fahantrana

“Ny isan’ireo meday azon’ny tany sasany tamin’ny Lalao Olympika sy ny tontalim-bidin’ny vola nampiasaina tamin’ireo trano sy tamin’ireo mpiantoka nikambana tamin’ireo lalao dia mampipoitra fanontaniana momba ny faneken’izao tontolo izao hamarana ny fahantrana”, hoy ny tatitra nataon’ny ENI Bulletin, avy any Soisa. “Tsy hoe tsy tokony hankalazaina akory ny hatsarana na hoe tsy tokony hoderaina ireo zava-bitan’olombelona mahatalanjona teo amin’ny lafiny fahaizana sy fiaretana”, hoy i Greg Foot, avy amin’ny masoivohon’ny World Vision any Aostralia. “Nefa”, hoy ny teny nanampiny, “tena tsy maintsy manontany tena isika raha tena manana ny fahaiza-mandanjalanja marina na tsia rehefa mandany be aoka izany amin’ny fandavorariana ny fitandremana ara-tsakafon’ireo atletantsika sangany, nefa an-tapitrisany maro amin’ireo mpiara-belona amintsika no zara raha manan-tsakafo mba hahafahana handeha.” Notombanana fa maneran-tany dia ankizy 490 000 no matin’ny hanoanana sy ny aretina azo sorohina nandritra ny tapa-bolana nanaovana ireo Lalao Olympika tany Atlanta.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara