Famonoana ho faty Amin’ny Anaran’Andriamanitra
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY FRANTSA
“Amin’ny Anaran’Andriamanitra no Amonoanay ho Faty sy Hanohizanay Hamono ho Faty”
TEO ambanin’ilay lohateny lehibe voatonona etsy ambony no nanaovan’ny International Herald Tribune fanamarihana toy izao: “Tia ny mihevitra itỳ taonjato itỳ ho afaka amin’ny tsy fahalalana ireo mba mijery ny zava-drehetra ho tsara tsindraindray. Sahala amin’ireo taonjato rehetra teo alohany ihany anefa izy io, fa voamarik’ilay fironana maharikoriko ananan’ny olona, dia ny hifamono ho faty amin’ny anaran’Andriamanitra.”
Nanonona ohatra ilay mpanoratra, dia ireo fandripahana nataon’ny fivavahana tamin’ireo taonjato tany am-boalohany. Avy eo, raha nanondro ireo fandripahana nitranga tamin’ny taonjato faha-20 izy, dia nanatsoaka hevitra toy izao: “Izay hitantsika dia fitohizan-javatra mahatsiravina, fitohizan’ilay tsy fileferana baribariàna nasehon’ireo taonjato lasa. Ny fivavahana dia mitoetra ho fanalan-tsiny ny herisetra politika sy ny fibodoana tanin’olona amin’ny ady.”
Misy manandrana manamarina ireo ady ara-pivavahana amin’izao andro izao ka milaza fa Andriamanitra dia nankasitraka ny famonoan’ireo Isiraelita fahiny ny Kananita. Izany anefa dia tsy manamarina ny hirotsahan’ireo mihambo ho Kristiana amin’ny ady amin’izao andro izao. Nahoana? Satria ireo Isiraelita dia nomen’Andriamanitra mivantana toromarika mba hiasa ho toy ny mpampihatra ny didim-pitsarany marina tamin’olona izay nivavaka tamin’ny demonia. Tafiditra tamin’ny fanompoam-pivavahan’ireny olona ireny ny fahalotoam-pitondran-tena mibaribary sy ny fanaovana sorona ankizy. — Deoteronomia 7:1-5; 2 Tantara 28:3.
Ny porofo fa tsy fifandonana mahazatra ireo ady nataon’ny Isiraely fahiny, dia ny naha-fahagagana an’ireo fandresena nomen’Andriamanitra an’ilay firenena. Indray mandeha, ohatra, dia nodidiana ireo Isiraelita fahiny mba hampiasa anjomara sy siny ary fanilo — tsy fitaovana fitondra amin’ny ady mahazatra velively! Tamin’ny fotoana hafa iray dia nisy mpihira napetraka teo alohan’ny tafika isiraelita izay niatrika hery ara-tafika goavana avy amin’ny firenena maromaro nanafika azy ireo. — Mpitsara 7:17-22; 2 Tantara 20:10-26.
Ambonin’izany, indraindray, rehefa nanao ady tsy nandidian’Andriamanitra ny Isiraelita, dia tsy notahiny ka resy. (Deoteronomia 28:15, 25; Mpitsara 2:11-14; 1 Samoela 4:1-3, 10, 11). Noho izany, ireo adin’ny Isiraely dia tsy azo tononina mba hanamarinana ireo ady natao tao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana.
Tamin’ny anaran’ny fivavahana, ny Hindoa dia niady tamin’ny Miozilimanina sy ny Sikhs; ny Miozilimanina shiites dia niady tamin’ny Miozilimanina sunnites; ary tany Sri Lanka, ny Bodista sy ny Hindoa dia nifandripaka.
Ireo ady izay nitranga tany Frantsa nandritra ny taonjato faha-16 dia nanana ireo toetra mampiavaka ny famonoana amin’ny anaran’Andriamanitra. Ny tantaran’izany ady izany dia anisan’ireo pejy nihosin-dra indrindra tamin’ny tantaran’ny fivavahana katolika sy protestanta tany Eoropa. Andeha hodinihintsika ireny ady ireny ka hojerentsika izay azontsika ianarana avy amin’izany.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]
U.S. Army photo