FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/5 p. 4-9
  • Ireo Adin’ny Fivavahana Tany Frantsa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireo Adin’ny Fivavahana Tany Frantsa
  • Mifohaza!—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Zava-nitranga ara-tantara
  • Famoretana feno hetraketraka
  • Sava ranonandon’ny ady
  • Ireo ady telo voalohany
  • Fandripahana tamin’ilay Andron’i “Masindahy” Barthélémy
  • Nitohy ireo ady ara-pivavahana
  • Vokatr’ireo ady
  • Ny Fandosiran’ireo Huguenots ho Amin’ny Fahafahana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Tsy Fileferana Ara-pivavahana—Niaiky ny Amin’izany Izy Ireo Ankehitriny
    Mifohaza!—2000
  • Ireo Vaudois—Mpivadi-pinoana Nanaraka ny Fivavahana Protestanta
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Ny Fanavaozana Anglisy — Fotoam-piovana
    Mifohaza!—1998
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/5 p. 4-9

Ireo Adin’ny Fivavahana Tany Frantsa

TAMIN’NY alahady 1 Martsa 1562, ny duc tany Guise sy i Charles rahalahiny, kardinaly tany Lorraine — mpitarika ny fivavahana katolika roa lahy — dia nandeha an-tsoavaly niaraka tamin’ny mpiambina azy nitam-piadiana, nankany Vassy, vohitra iray any atsinanan’i Paris. Nanapa-kevitra ny hijanona tao amin’ny eglizin’i Vassy izy ireo mba hanatrika Lamesa.

Tampoka teo, dia nandre hiram-pivavahana izy ireo. Ilay hira dia noredonin’ny Protestanta an-jatony maromaro izay niangona tao amin’ny trano fitahirizam-bokatra, mba hivavaka. Niditra an-keriny tao ireo miaramila. Nandritra ilay fifanjevoana izay nanaraka izany, dia velona ny fifanompana ary avy eo dia nanomboka ny tora-bato. Nanomboka nitifitra ireo miaramila ka nahafaty Protestanta am-polony maro sy nandratra olon-kafa zato.

Fisehoan-javatra inona no nitarika ho amin’io fandripahana io? Inona no nasetrin’ny Protestanta izany?

Zava-nitranga ara-tantara

Nandritra ny tapany voalohany tamin’ny taonjato faha-16, dia niroborobo sy feno mponina tsara i Frantsa. Io firoboroboana ara-toe-karena sy teo amin’ny isan’ny mponina io dia narahin’ny ezaka mba hanarahana Katolisisma manana endriny araka ny fanahy kokoa sy mampiseho firahalahiana kokoa. Ny vahoaka dia naniry eglizy kely harena kokoa, kanefa masina kokoa. Nisy anisan’ny klerjy ary koa avara-pianarana mpahay teny sy haisoratra, nitaky fanavaozana ara-pivavahana mba hiadiana tamin’ny fitondrana ratsy nataon’ireo mpitondra fivavahana ambony laharana, sy ny tsy fahaizan’ireo klerjy ambany kokoa. Anisan’ny klerjy izay nikely aina ho amin’ny fanavaozana ilay eveka katolika nantsoina hoe Guillaume Briçonnet.

Tao amin’ny dioseziny tany Meaux, i Briçonnet dia nampirisika ny rehetra mba hamaky ny Soratra Masina. Notohanany ara-bola mihitsy aza ny fandikana vaovao ny Soratra Grika Kristiana tamin’ny fiteny frantsay. Tsy ela dia niantefa taminy ka nampitsahatra ny fiezahany, ny fahatezeran’ny Oniversiten’ny Teolojia tany Sorbonne, izay mpiambina ny fampianarana eken’ny Katolika. Ilay eveka anefa dia narovan’i François I, mpanjakan’i Frantsa nanomboka tamin’ny 1515 ka hatramin’ny 1547. Tamin’izay fotoana izay ilay mpanjaka dia nankasitraka ny fanavaozana.

Noleferin’i François I anefa ny fanakianana ny eglizy, raha mbola tsy nandrahona koa ny filaminam-bahoaka sy ny firaisan-kinam-pirenena izany. Tamin’ny 1534, dia nisy Protestanta henjam-pihetsika nanomana peta-drindrina izay niampanga ny Lamesa katolika ho fanompoan-tsampy, ka namantsika mihitsy peta-drindrina iray teo amin’ny varavaran’ny efitrano fandrian’ny mpanjaka. Ho vokatr’izany, dia nivadika tamin’ny heviny i François I ka nanao ezaka manokana tamim-pahasiahana ho famoretana.

Famoretana feno hetraketraka

Tsy ela dia nisy Protestanta nodorana teo amin’ny tsato-kazo. Maro ireo mpahay teny sy haisoratra, mpiandany taminy, sy ireo mpanaraka ny Protestantisma vaovao, no nandositra ilay tany. Ny fahefana dia nanomboka nisivana ireo boky sy nifehy ireo mpampianatra sy mpamoaka boky ary mpanao pirinty.

Nizaka ny mafy indrindra tamin’ny fanoherana ofisialy ireo Vaudois. Antokon’olom-bitsy nifantoka tamin’ny Baiboly izy ireo, nipetraka tany amin’ireo vohitra mahantra tany atsimo atsinanan’ilay tany. Ny sasany dia nodorana teo amin’ny tsato-kazo, an-jatony maro no naripaka, ary vohitra tokony ho 20 tamin’ireo nisy azy no noravaravana. — Jereo ilay faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-6.

Noho ny fahatakarana fa nilaina ny fanavaozana tao amin’ny eglizy, dia nisy konsilin’ny eveka katolika natao tany Trente, any Italia, tamin’ny Desambra 1545. Rehefa nifarana ilay konsily tamin’ny 1563, “ny vokany ankapobe (...) dia nanatanjaka ny tanan’ireo tapa-kevitra ny hamongotra ny Protestantisma”, hoy ny The Cambridge Modern History.

Sava ranonandon’ny ady

Sasatra ny niandry fiovana ny maro tamin’ireo anisan’ilay fihetsiketsehana nanohana ny fanavaozana tao amin’ny Eglizy Katolika, ka niandany tamin’ny Protestantisma. Tokony ho tany amin’ny taona 1560, dia nisy andriana frantsay maro be sy ireo mpanohana azy, nanatevin-daharana ireo Huguenots, araka ny nanjary niantsoana ny Protestanta. Nanjary nihasahisahy nilaza ny heviny malalaka ireo Huguenots. Indraindray ny fivorian’izy ireo ampahibemaso dia niteraka filana ady sy fanehoana fankahalana. Tamin’ny 1558, ohatra, dia vory tao Paris nandritra ny efatra andro naninjitra ny an’arivony tamin’izy ireo mba hihira salamo.

Izany rehetra izany dia nahatezitra an’ireo mpitarika ambony tao amin’ny Eglizy Katolika sy ny sarambaben’ny katolika. Noho ny fampirisihan’ny Kardinaly Charles avy any Lorraine, dia namoaka ny Didin’i Écouen, tamin’ny Jona 1559, ny Mpanjaka Henri II, izay nandimby an’i François I, rainy. Ny zava-nokendreny nambara ampahibemaso dia ny hanafoana “ireo fakofakon’olona loterana mahatsiravina”. Izany dia nitarika ho amin’ny ezaka manokana ho fampihorohoroana ireo Huguenots, tao Paris.

Maty i Henri II herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, noho ny ratra nahazo azy tamin’ny sarintsarin’ady iray. Noho ny fampirisihana mafy nataon’ny fianakaviana Guise, ny Mpanjaka François II, zanany lahy, dia nanavao ilay didy nitaky ny fanamelohana ho faty an’ireo Protestanta nikiry. Ny taona nanaraka, dia maty i François II, ary dia ny reniny, i Catherine de Médicis, no nanapaka tamin’ny toeran’i Charles IX rahalahiny, izay folo taona. Tsy azoazon-dry Guise ny politika fampihavanana narahin’i Catherine. Tapa-kevitra ny hamongotra ny Fivavahana Protestanta mantsy ry zareo.

Tamin’ny 1561 i Catherine dia nandamina seminera iray nihaonan’ny teolojiana katolika sy protestanta, tany Poissy, any akaikin’i Paris. Tao amin’ilay lalàna izay navoaka tamin’ny Janoary 1562, no nanomezan’i Catherine an’ireo Protestanta fahafahana hiangona mba hanao fanompoam-pivavahana tany ivelan’ny tanàna. Tafintohina mafy ny Katolika! Izany dia nanomana izay hitranga roa volana tatỳ aoriana — ny fandripahana an’ireo Protestanta tao amin’ilay trano fitahirizam-bokatra, tao amin’ny vohitr’i Vassy, araka ilay voalazalaza tetsy aloha.

Ireo ady telo voalohany

Ilay fandripahana tany Vassy no nandrehitra ny voalohany tamin’ireo fitohitohizan’ady ara-pivavahana valo izay nandentika an’i Frantsa tao anatin’ny horohoron’ny fifamonoana nanomboka tamin’ny 1562 ka hatreo antenatenan’ireo taona 1590. Na dia nisy raharaha ara-politika sy ara-tsosialy aza tafiditra tamin’izany, dia natosiky ny fivavahana indrindra indrindra ilay fanaovana vono moka.

Taorian’ilay Ady tany Dreux, tamin’ny Desambra 1562, izay namoizana ain’olona 6 000, dia nifarana io adin’ny fivavahana voalohany io. Ilay Dinan’i Amboise, nosoniavina tamin’ny Martsa 1563, dia nanome fahafahana voafetra hanao fanompoam-pivavahana tany amin’ny toerana sasany, ho an’ireo Huguenots ambonimbony.

“Tonga faingana ny ady faharoa noho ireo Huguenots natahotra teti-dratsy iraisam-pirenena hataon’ny Katolika”, hoy ny The New Encyclopædia Britannica. Tamin’izany fotoana izany mantsy, ireo mpitsara katolika dia zatra nanantona olon-tsotra satria fotsiny hoe Huguenots izy ireo. Nandrehitra ny ady faharoa ny fanandraman’ny Huguenot iray haka an-keriny ny Mpanjaka Charles IX sy i Catherine, reniny, tamin’ny 1567.

Rehefa avy niresaka momba ny ady iray nisian’ny ra nandriaka indrindra tao Saint-Denis, any ivelan’i Paris, ry Will sy Ariel Durant, mpahay tantara, dia nanoratra toy izao: “Nanontany tena indray i Frantsa hoe inona àry itỳ fivavahana nitarika ny olona hifamono itỳ.” Tsy ela taorian’izay, tamin’ny Martsa 1568, ny Dinan’i Longjumeau dia nanome ho an’ireo Huguenots ilay fandeferana kely natao tamin’izy ireo teo aloha, tamin’ilay Dinan’i Amboise.

Tezitra mafy anefa ireo Katolika ka nanda tsy hanatanteraka ireo fepetra tao amin’ilay dina. Noho izany, tamin’ny Septambra 1568, dia nipoaka ny adin’ny fivavahana fahatelo. Ny dina iray natao nanaraka izany dia nanome an’ireo Huguenots zo mbola lehibe kokoa. Nisy tanàna nimanda, anisan’izany ny seranan-tsambo La Rochelle, nomena azy ireo. Afa-tsy izany koa, dia voatendry tao amin’ny filan-kevitry ny mpanjaka ny andriana lehibe iray izay protestanta, dia ny Amiraly Coligny. Tafintohina mafy indray, ny Katolika.

Fandripahana tamin’ilay Andron’i “Masindahy” Barthélémy

Tokony ho herintaona taorian’izay, tamin’ny 22 Aogositra 1572, dia tsy maty tamin’ilay fanafihana natao hamonoana azy tao Paris, i Coligny. Iny izy nandeha an-tongotra avy tany amin’ny Lapan’i Louvre hankany an-tranony iny, no nitrangan’ilay fanafihana. Tezitra mafy ny Protestanta ka nandrahona ny handray fepetra henjana mba hanaovany valy faty raha tsy nampiharina faingana ny rariny. Tao amin’ny fivoriana manokana iray, ny Mpanjaka tanora Charles IX sy i Catherine de Médicis reniny, ary andriana maromaro dia nanapa-kevitra ny hamono an’i Coligny. Mba hisorohana izay mety ho valy faty, dia nodidian’izy ireo koa ny hamonoana an’ireo Protestanta rehetra izay tonga tao Paris mba hanatrika ny mariazin’i Henri de Navarre izay protestanta, sy ny zanakavavin’i Catherine, i Marguerite de Valois.

Tamin’ny alin’ny 24 Aogositra, ireo lakolosin’ny eglizin’i Saint-Germain-l’Auxerrois, terỳ ampitan’i Louvre, dia nampaneno ilay famantarana ny fanombohan’ilay fandripahana. Nirohotra nankao amin’ilay trano natorian’i Coligny ny duc tany Guise sy ireo olony. Tao i Coligny dia novonoina sy natsipy avy teny am-baravarankely, ary notapatapahina ny fatiny. Nampiely izao teny izao ilay duc katolika: “Vonoy avokoa izy rehetra. Izany no baikon’ny mpanjaka.”

Nanomboka tamin’ny 24 ka hatramin’ny 29 Aogositra, dia nanimba ny araben’i Paris ireo fisehoan-javatra nampihorohoro. Nisy nilaza fa ny rano nikoriana tao amin’ny ony Seine dia mena noho ny ran’ireo Huguenots an’arivony maro naripaka. Nisy tanàna hafa koa nahita fanaovana vono moka teo aminy. Notombanana ho eo anelanelan’ny 10 000 sy 100 000 ny isan’ny maty; ny ankamaroan’ny olona anefa dia manaiky ny isa 30 000 fara fahakeliny.

Hoy ny tatitra nataon’ny mpahay tantara iray: “Zava-nisy nahatsiravina nitovy tamin’ilay fandripahana mihitsy, ilay fifaliana izay naterak’izy io.” Raha nandre ny amin’ilay fandripahana ny Papa Grégoire XIII, dia nandidy ny hanaovana fombafomba ho fisaorana an’Andriamanitra, ary nandefa ny fiarahabany an’i Catherine de Médicis. Nodidiany koa ny hanefena meday manokana iray ho fahatsiarovana ilay fandripahana ny Huguenots ary nomeny lalana ny fanaovana sary hosodoko an’ilay fandripahana, nampitondraina izao teny izao: “Mankasitraka ny namonoana an’i Coligny ny Papa.”

Voalaza fa taorian’ilay fandripahana, dia hitan’i Charles IX tao amin’ny fahitana ireo olona novonoiny ka niantsoantso toy izao tamin’ilay mpitaiza azy izy: “Torohevitra ratsy inona àry itỳ narahiko! Ry Andriamanitro ô, mamelà ahy!” Maty izy tamin’ny 1574, teo amin’ny faha-23 taonany, ary dia nodimbasan’i Henri III, rahalahiny.

Nitohy ireo ady ara-pivavahana

Nandritra izany fotoana izany, ny vahoaka katolika dia nentanin’ireo mpitarika azy mba hanohitra ny Huguenots. Tany Toulouse, ireo anisan’ny klerjy katolika dia nampirisika ireo mpanaraka azy toy izao: “Vonoy izy rehetra, robay; rainareo izahay. Harovanay ianareo.” Nanome ohatra tamin’ny alalan’ny famoretana narahin’ny herisetra ny mpanjaka sy ny solombavam-bahoaka sy ny governora ary ny mpitari-tafika, ka dia nanaraka ny sarambaben’ny katolika.

Nanao valim-panafihana anefa ny Huguenots. Tao anatin’ny roa volana taorian’ilay fandripahana tamin’ilay Andron’i “Masindahy” Barthélémy, dia nanomboka ny ady ara-pivavahana fahefatra izy ireo. Tany amin’izay naha-maro an’isa kokoa azy ireo noho ny Katolika, dia nopotehin’izy ireo ny sary vongana sy ny lakroa ary ny otely tao amin’ireo eglizy katolika, ary namono olona mihitsy aza izy ireo. “Tsy irin’Andriamanitra hotsimbinina na tanàna na olona”, hoy ny nambaran’i Jean Calvin, mpitarika ny Protestantisma frantsay, tao amin’ilay bokikeliny hoe Fanambarana mba Hitanana ny Tena Finoana.

Nisy adin’ny fivavahana efatra fanampiny nanaraka izany. Ilay fahadimy dia nifarana tamin’ny 1576, tamin’ny nanaovan’i Henri III sonia ny dina iray izay nanome an’ireo Huguenots fahalalahana feno hanao fanompoam-pivavahana na aiza na aiza tany Frantsa. Tatỳ aoriana, i Paris, ilay tanàna katolika hirihiriny, dia nikomy ka nanilika an’i Henri III izay noheverina fa nandefitra loatra tamin’ireo Huguenots. Nanangana fitondrana mpanohitra ny Katolika, dia ny Fikambanana Masina Katolika, notarihin’i Henri de Guise.

Farany, tamin’ilay ady fahavalo, na ny Adin’ireo Henri Telo, i Henri III (Katolika) dia namorona fifanekena tamin’i Henri de Navarre (Protestanta), ilay handimby azy, mba hanoherana an’i Henri de Guise (Katolika). Vitan’i Henri III ny nampamono an’i Henri de Guise, kanefa tamin’ny Aogositra 1589, dia novonoin’ny moanina dominikana iray i Henri III. Noho izany, i Henri de Navarre izay voatsimbina tamin’ilay fandripahana tamin’ilay andron’i “Masindahy” Barthélémy, 17 taona talohan’izay, dia tonga ny Mpanjaka Henri IV.

Koa satria Huguenot i Henri IV, dia nanda tsy hanaiky azy i Paris. Nandamina fanoherana nitanam-piadiana nanerana ilay tany ny Fikambanana Masina Katolika. Nandresy tamin’ny ady maro i Henri, kanefa rehefa tonga mba hanohana ireo Katolika ny tafika espaniola iray, dia nanapa-kevitra ny hiala tamin’ny Protestantisma izy tamin’ny farany, ka nanaiky ny finoana katolika. Nomena satroboninahitra tamin’ny 27 Febroary 1594 i Henri, ary niditra tao Paris izay nihobian’ny vahoaka azy ho mpanjaka, dia vahoaka izay trotraka tanteraka noho ny ady.

Araka izany, dia nifarana ireo Adin’ny Fivavahana tany Frantsa, rehefa afaka 30 taona mahery nifamonoan’ny Katolika sy ny Protestanta nifanesisesy. Tamin’ny 13 Aprily 1598, i Henri IV dia namoaka ilay Didin’i Nantes manan-tantara, izay nanome an’ireo Protestanta fahalalahana hampiasa ny feon’ny fieritreretany sy hanao fanompoam-pivavahana. Araka ny tenin’ny papa, dia “zavatra ratsy indrindra azo nosaintsainina”, ilay didy, “noho izy io nanome ho an’ny olon-drehetra fahalalana hampiasa ny feon’ny fieritreretana, izay zava-doza indrindra eto an-tany”.

Nanerana an’i Frantsa, dia nihevitra ireo Katolika fa fivadihan’i Henri tamin’ny fampanantenany hanohana ny finoan’izy ireo ilay didy. Tsy nilamina ny eglizy raha tsy efa ho taonjato iray tatỳ aoriana, rehefa nanafoana ny Didin’i Nantes i Louis XIV, ka nitarika fanenjehana vao mainka mafy kokoa an’ireo Huguenots.

Vokatr’ireo ady

Tamin’ny faran’ny taonjato faha-16, dia nanjavona ny firoboroboana hitan’i Frantsa. Ny antsasak’ilay fanjakana dia natao fahirano, norobaina, nakana vola ho avotra, ary noravaravana. Nanao fitakiana tafahoatra tamin’ny vahoaka ireo miaramila, ka izany dia nitarika ho amin’ny fikomian’ireo tantsaha. Nihena ny isan’ny mponina protestanta nony niditra ny taonjato faha-17, fongotra noho ny fanamelohana ho faty sy ny fandripahana sy ny fanaovana sesitany ary ny fialana ampahibemaso tamin’ny finoany.

Raha jerena etỳ ivelany dia toa nandresy ny Katolika tamin’ny adin’ny fivavahana tany Frantsa. Kanefa nitahy ny fandreseny ve Andriamanitra? Mazava ho azy fa tsia. Trotraka tanteraka noho izany famonoana tamin’ny anaran’Andriamanitra rehetra izany ny Frantsay maro, ka nanjary tsy niraharaha fivavahana. Izy ireo no mpialoha lalana an’ilay nantsoina hoe firehan-kevitra nanohitra ny Kristiana tamin’ny taonjato faha-18.

[Teny notsongaina, pejy 9]

“Tsy irin’Andriamanitra hotsimbinina na tanàna na olona.” Izany no nambaran’ilay mpitarika ny Protestantisma frantsay

[Efajoro, pejy 6]

Tsy Nilefitra Ireo Vaudois — Inona no Vokany?

I PIERRE VALDÈS dia mpivarotra nanankarena tamin’ny taonjato faha-12 tany Frantsa. Nandritra io fotoana ninian’ny Eglizy Katolika nitanana ny olona tao anatin’ny tsy fahalalana ny Baiboly io, i Valdès dia nanohana ara-bola ny fandikana ny Filazantsara sy ireo boky hafa ao amin’ny Baiboly tamin’ny fiteny nahazatra ny olona tany atsimo-atsinanan’i Frantsa. Avy eo, dia namela ny raharahany izy ka nanokan-tena tamin’ny fitoriana ny Filazantsara. Tsy ela dia maro no niaraka taminy, ary tamin’ny 1184, dia naongan’ny Papa Lucius III tsy ho anisan’ny eglizy, izy sy ireo mpiara-miasa taminy.

Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanjary fantatra tamin’ny anarana hoe Vaudois ireny antokona mpitory izay nifantoka tamin’ny Baiboly ireny. Nanohana ny fiverenana tamin’ireo zavatra ninoana sy fanaon’ny Kristianisma tany am-boalohany izy ireo. Nolaviny ireo fanao sy zavatra ninoana araka ny lovantsofina katolika, anisan’izany ny indolzansy, ny vavaka ho an’ny maty, ny afo fandiovana, ny fivavahana amin’i Maria, ny vavaka atao amin’ireo “olo-masina”, ny batemin-jaza, ny fankamasinana ny lakroa, ary ny fiovan’ny mofo sy ny divay ho vatana sy ran’i Jesoa. Ho vokatr’izany, dia matetika ireo Vaudois no nijaly mafy teo an-tanan’ny Eglizy Katolika. Ilay mpahay tantara atao hoe Will Durant dia nilazalaza ny toe-javatra fony nanao ezaka manokana hamelezana ireo tsy Katolika, ny Mpanjaka François I.

“Nilaza ny Kardinaly tany Tourmon fa ireo Vaudois dia nanao fikomiana nisy fivadihana tamin’ny fitondrana, ka noreseny lahatra ilay Mpanjaka efa narary sady nangozohozo mba hanao sonia didim-panjakana (1 Janoary 1545) milaza fa tokony hovonoina ho faty ny Vaudois rehetra tratra nanao herezia. (...) Tao anatin’ny herinandro (12-18 Aprily) dia vohitra maromaro no nodorana tsy nisy niangana; tao amin’ny iray tamin’ireny dia lehilahy sy vehivavy ary ankizy 800 no naripaka; tao anatin’ny roa volana dia 3 000 no novonoina, vohitra roa amby roapolo no noravana tanteraka, ary lehilahy 700 no nalefa ho mpivoy sambo. Nisy vehivavy raiki-tahotra dimy amby roapolo nitady fialofana tao anaty lava-bato. Natao maty sempotra tamin’ny afo narehitra teo am-bavan’ilay lava-bato, izy ireo.”

Nanazava toy izao i Durant momba izany zava-nitranga ara-tantara izany: “Ireny fanenjehana ireny no tsy fetezan-javatra fara tampony teo amin’ny fanjakan’i François.” Inona anefa no vokany teo amin’ireo izay nahamarika ny fijoroan’ireo Vaudois nandritra ireo fanenjehana nahazoan-dalana avy amin’ny mpanjaka? Nanoratra toy izao i Durant: “Ny herim-pon’ireo martiora dia nanome fahamendrehana sy hakanto an’ilay hevitra nijoroan’izy ireo; tsy maintsy taitra sy nikorontan-tsaina ireo mpitazana an’arivony maro izay nety ho tsy nisahirana mihitsy hanova ny finoana nolovany, raha tsy nisy ireny famonoana nanaitra ny saina ireny.”

[Sary, pejy 5]

Ilay fandripahana tany Vassy no nandrehitra ireo adin’ny fivavahana

[Sary nahazoan-dalana]

Bibliothèque Nationale, Paris

[Sary, pejy 7]

Ny Fandripahana tamin’ilay Andron’i “Masindahy” Barthélémy, izay nandripahan’ny Katolika an’ireo Protestanta an’arivony maro

[Sary nahazoan-dalana]

Photo Musée cantonal des Beaux-Arts, Lausanne

[Sary, pejy 8]

Protestanta nandrava fananan’ny eglizy sy namono Katolika (ambony sy ambany)

[Sary nahazoan-dalana]

Bibliothèque Nationale, Paris

Bibliothèque Nationale, Paris

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara