FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 15/8 p. 25-29
  • Ny Fandosiran’ireo Huguenots ho Amin’ny Fahafahana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fandosiran’ireo Huguenots ho Amin’ny Fahafahana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Notoherina hatrany am-piandohany
  • Ilay fanaovana an-kivy
  • Niverina hatrany am-piandohana
  • Hiafina sa hiady sa handositra?
  • Fialofana nahafinaritra
  • Naka fianarana ve?
  • Ireo Adin’ny Fivavahana Tany Frantsa
    Mifohaza!—1997
  • Ny fitosahan’ny ranon’ny Fanitsiana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Matin’ny Fivoizana
    Mifohaza!—2001
  • Fitsidihana Toeram-pivarotana Andevo Taloha
    Mifohaza!—1999
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 15/8 p. 25-29

Ny Fandosiran’ireo Huguenots ho Amin’ny Fahafahana

“Amin’ny anaran’ny Mpanjaka sy ny Mpanjakavavy, (...) dia ambaranay etoana fa ireo Protestanta frantsay rehetra izay hitady fialofana sy hifindra hankato amin’itỳ Fanjakanay itỳ, dia tsy vitan’ny hoe hahazo ny fiarovan’ny Mpanjakanay (...) fa hanao izay tratran’ny herinay izahay amin’izay fomba rehetra azon’ny saina ekena, mba hanohanana sy hanampiana azy ireo (...) ka hampiadana azy sy tsy ho sarotra aminy ny fonenana sy fitoerana eto amin’itỳ Fanjakana itỳ.”

TOY izany no vakin’ilay fanambarana tamin’ny 1689, nataon’i William sy i Mary, mpanjaka sy mpanjakavavin’i Angletera. Fa nahoana anefa no nitady fialofana sy fiarovana tany ivelan’i Frantsa ireo Protestanta frantsay, na Huguenots, araka ny nanjary nahafantarana azy ireo? Nahoana no tokony hahaliana antsika amin’izao andro izao ny fandosiran’izy ireo niala an’i Frantsa, efa ho 300 taona lasa izay?

Nampahorin’ny ady sy ny fifandirana nahatafiditra ny fivavahana, i Eoropa tamin’ny taonjato faha-16. Tsy afa-bela tamin’izany fisafotofotoana izaitsizy izany i Frantsa, tamin’ireo Adiny Ara-pivavahana (1562-1598) nifanaovan’ny Katolika sy ny Protestanta. Tamin’ny 1598 anefa, i Henri IV, Mpanjaka frantsay, dia nanao sonia didy momba ny fileferana, ny Didin’i Nantes, izay nanome fahafahana ara-pivavahana sasany ho an’ireo Protestanta Huguenots. Tsy nisy toa azy tany Eoropa io fanekena fivavahana roa ho ara-dalàna io. Nandritra ny fotoana kelikely izy io dia namarana ireo fikorontanana ara-pivavahana izay nampitondra takaitra an’i Frantsa nandritra ny 30 taona mahery, tamin’ny taonjato faha-16.

Na dia nokasaina “haharitra mandrakizay sy tsy ho azo foanana” aza ny Didin’i Nantes, dia nofoanan’ny Didin’i Fontainebleau izy io, tamin’ny 1685. Tatỳ aoriana, ilay filôzôfa frantsay atao hoe Voltaire, dia nilazalaza io fanafoanana io ho “ny iray amin’ireo loza lehibe nanjo an’i Frantsa”. Avy hatrany dia niteraka ny fandosiran’ny Huguenots tokony ho 200 000 tany an-tany hafa izy io. Lasa lavitra kokoa noho izany mihitsy aza anefa ny vokatr’izy io. Fa nahoana anefa no nofoanana io didy nankasitraka ny fileferana ara-pivavahana teo aloha io?

Notoherina hatrany am-piandohany

Na dia nanan-kery tamin’ny fomba ofisialy nandritra ny efa ho 90 taona aza ny Didin’i Nantes, dia efa “niala aina izy io fony izy novonoina tamin’ny 1685”, hoy ny mpahay tantara iray. Tsy naorina teo amin’ny fototra mafy tokoa mantsy ilay didy. Hatrany am-piandohany izy io dia anisan’ny nahatonga ilay nolazalazaina hoe “ady mangatsiaka” teo amin’ny mpitondra fivavahana katolika sy izay nantsoin’izy ireo hoe “R.P.R.” (Lazaina fa Fivavahana Nohavaozina). Hatramin’ny namoahana azy io tamin’ny 1598 ka nipaka hatratỳ amin’ny manodidina ny 1630, ny fanoherana ilay Didin’i Nantes dia nihelohelo nanodidina ireo ady hevitra nifanaovan’ireo Protestanta sy Katolika sy nanodidina ny famoahana ireo asa soratra ara-pivavahana. Nanana endriny maro anefa ny tsy fileferana.

Rehefa avy niady tamin’ny Protestanta nanomboka tamin’ny 1621 ka hatramin’ny 1629 ny fitondrana frantsay, dia niezaka nanery azy ireo hiditra tao amin’ny vala katolika tamin’ny alalan’ny fepetra famoretana nitohitohy. Nihamafy io famelezana matetika io teo ambanin’ny fanapahan’i Louis XIV, ilay “Mpanjaka Masoandro”. Ny politika fanenjehana nataony dia nitarika ho amin’ny fanafoanana ny Didin’i Nantes.

Ilay fanaovana an-kivy

Anisan’ny fanaovana an-kivy ny fanesorana tsikelikely ny zo sivily nananan’ny Protestanta. Teo anelanelan’ny 1657 sy 1685, dia tokony ho 300 ny didy natao hamelezana ny Huguenots, izay matetika soso-kevitra avy amin’ny mpitondra fivavahana. Namely ny lafiny rehetra tamin’ny fiainan’izy ireo, ireny didy ireny. Norarana tsy hataon’ny Huguenots, ohatra, ny asa maro be, toy ny fitsaboana sy ny asa momba ny lalàna, ary na dia ny asan’ny mpampivelona aza. Nanjohy hevitra toy izao mahakasika ny asan’ny mpampivelona, ny mpahay tantara iray: “Ahoana moa no nahafahana nanankina ny fiainan’ny tena tamina heretika iray izay ny handrava ny rafitra efa nisy no tanjony?”

Nihamafy kokoa hatrany ny fangejan’ny famoretana tamin’ny 1677. Izay Huguenots tratra nanandrana nampiova finoana ny Katolika iray, dia nampandoavina lamandy arivo livatra frantsay. Nampiasaina mba hitaomana ireo Huguenots hiova finoana ny tahirim-bolam-panjakana azo avy tamin’ireo hetra nihoa-pampana. Tamin’ny 1675, ny mpitondra fivavahana katolika dia nanome vola 4,5 tapitrisa livatra frantsay ho an’ny Mpanjaka Louis XIV, tamin’ny filazana hoe: “Ankehitriny dia tsy maintsy tanterahinao hatramin’ny farany ny fankasitrahanao, amin’ny fampiasana ny fahefanao mba hanafoanana tanteraka ny herezia.” Io tetik’ady “fividianana” olona mba hiova finoana io dia nahatonga olona tokony ho 10 000 hiova ho amin’ny Katolisisma, tao anatin’ny telo taona.

Tamin’ny 1663, dia voararan’ny lalàna ny fiovam-pinoana ho amin’ny Protestantisma. Nisy koa fameperana ny amin’izay toerana azon’ireo Huguenots nipetrahana. Ny ohatra iray amin’ireo fepetra tafahoatra, dia ny fahafahan’ny ankizy fito taona ho tonga Katolika na dia tsy nirin’ireo ray aman-dreniny aza izany. Ireo ray aman-dreny protestanta dia voatery nandoa vola ho an’ny fianarana azon-janany avy tamin’ireo Jezoita na ireo mpampianatra katolika hafa.

Fiadiana hafa iray nentina nanafoanana ireo Huguenots ilay fikambanana miafina hoe Compagnie du Saint-Sacrement (Fikambanan’ny Sakramenta Masina). Izy io dia fikambanana katolika izay nolazain’ilay mpahay tantara atao hoe Janine Garrisson fa nitovy tamin’ny “harato midadasika” iray nandrakotra an’i Frantsa manontolo. Noho izy io tafatsofoka hatrany amin’ireo ambaratonga ambony indrindra amin’ny antokon’olona manokana, dia tsy orim-bola na tatitra avy any amin’ny mpitsikilo, izy io. Manazava i Garrisson fa maro ny tetik’adin’izy io: “Nampiasa ny fomba rehetra ilay Fikambanana mba hampahosa ny fiaraha-monina protestanta, nanomboka tamin’ny fanerena ka hatramin’ny fanakantsakanana, tamin’ny fampiasana hafetsifetsena ka hatramin’ny fanendrikendrehana.” Na izany aza, dia nijanona tao Frantsa ny ankamaroan’ireo Huguenots nandritra izany fe-potoam-panenjehana izany. Izao no nomarihin’i Garrisson, mpahay tantara: “Saro-takarina ny antony tsy nandaozan’ny Protestanta maro kokoa ilay Fanjakana, rehefa nihanitombo tsikelikely ny fandrafiana azy ireo.” Tamin’ny farany anefa, dia nanjary tsy maintsy nilaina ny fandosirana ho amin’ny fahafahana.

Niverina hatrany am-piandohana

Ny Fifanekem-pihavanana tany Nimègue (1678) sy ny Fampitsaharana Poa-basy tany Ratisbonne (1684) dia nanafaka ny Mpanjaka Louis XIV tamin’ny ady tany ivelany. Terỳ ampitan’ny la Manche, tany Angletera, dia tonga mpanjaka ny Katolika iray tamin’ny Febroary 1685. Afaka nanararaotra io toe-javatra vaovao io i Louis XIV. Taona vitsivitsy talohan’izay, ny mpitondra fivavahana katolika tany Frantsa dia namoaka ireo Fifanekena Gallican Efatra, izay nametra ny fahefan’ny papa. Tamin’izay dia kely sisa ny tsy niheveran’ny Papa Innocent XI “ny Eglizy frantsay ho meloka ho nisintaka”. Noho izany, rehefa nanafoana ny Didin’i Nantes i Louis XIV, dia afaka nanatsara ny lazany efa voaloto izy, ka namerina fifandraisana ara-dalàna indray tamin’ny papa.

Nihanazava toy ny masoandro be lohataona ny politikan’ilay mpanjaka nahakasika ny Protestanta. Niharihary fa tsy nandaitra ilay fomba fiasa malefaka (fandresen-dahatra sy famoahana lalàna). Tetsy an-danin’izany kosa dia nahomby ny fiasan’ireo dragona.a Koa nanao sonia ny Didin’i Fontainebleau i Louis XIV, tamin’ny 1685, ka nanafoana ny Didin’i Nantes. Ny fanenjehana nahery vaika nifandray tamin’io fanafoanana io dia nahatonga ny Huguenots ho vao mainka ratsy toerana kokoa noho talohan’ny Didin’i Nantes. Inona no hataon’izy ireo izao?

Hiafina sa hiady sa handositra?

Nifidy ny hanao fanompoam-pivavahana niafina ny Huguenots sasany. Koa satria rava ny toeram-pivorian’izy ireo ary voarara ny fanompoam-pivavahany ampahibemaso, dia nankamin’ny ‘Eglizin’ny Tany Efitra’, na fanompoam-pivavahana an-tsokosoko, izy ireo. Nanao izany izy ireo na dia mety hohelohina ho faty aza ny olona izay nanao fivoriana toy izany, araka ny lalàna iray navoaka tamin’ny Jolay 1686. Nianiana hiala tamin’ny finoany ny Huguenots sasany, noho ny fieritreretany fa ho azo atao ny hiverina indray amin’ny finoany any aoriana. Ny olona niova finoana toy izany dia nanaraka ivelany fotsiny ny Fivavahana Katolika, ary naka tahaka izany ireo taranaka tatỳ aoriana.

Niezahan’ny fanjakana nohamafisina ireo fiovam-pinoana. Mba hahazoana asa, ny olona vao niova finoana dia tsy maintsy nampiseho taratasy fanamarinana ny naha Katolika azy, voasonian’ilay momperan’ny paroasy izay nanisa ny fahatongavany niangona. Rehefa tsy natao batemy sy nobeazina ho Katolika ireo ankizy, dia azo nesorina tamin’ny ray aman-dreniny. Natao hampandroso ny fampianarana katolika ireo sekoly. Nisy ezaka mba hamoahana asa soratra ara-pivavahana nanohana ny Katolika, izay natao ho an’ireo “olon’ilay Boky [ny Baiboly]”, araka ny niantsoana ny Protestanta. Nanao pirinty boky maherin’ny iray tapitrisa ny fitondram-panjakana, ary nandefa izany tany amin’ireo faritra nisy olona maro be niova finoana. Mafy aoka izany ireo fepetra, hany ka raha nisy olona narary tsy nety nandray ny fanosorana farany nomen’ny Katolika, ka sitrana avy eo, dia voaheloka higadra na ho lasa andevo mpivoy sambo mandra-pahafatiny izy. Ary raha maty izy any aoriana, dia hariana toy ny fako ny fatiny, ary halaina an-keriny ny fananany.

Nampiasa fanoherana nitanam-piadiana ny Huguenots sasany. Tany amin’ny faritr’i Cévennes izay nalaza noho hafanam-po ara-pivavahana teo aminy, dia nikomy ireo Huguenots tia ady, izay nantsoina hoe Camisards, tamin’ny 1702. Namaly ireo otrika sy fanafihana tamin’ny alina nataon’ny Camisards ny andian-tafiky ny fitondrana ka nandoro ireo vohitra. Na dia nitsitapitapy aza ny fanafihan’ireo Huguenots, dia nitohy nandritra ny fotoana kelikely izany, ary tamin’ny 1710 dia nandresy tanteraka ny Camisards ny tafika maherin’ny Mpanjaka Louis.

Ny fandosirana an’i Frantsa no fihetsika hafa nasetrin’ireo Huguenots izany. Nantsoina hoe tena fielezana mihitsy io fifindra-monina io. Tsy nanana na inona na inona ny ankamaroan’ireo Huguenots rehefa nandeha, satria nalain’ny fanjakana an-keriny ny fananan’izy ireo, ary nahazo ampahany tamin’ilay harena ny Eglizy Katolika. Koa tsy mora àry ny nandositra. Nanao zavatra haingana ny fitondram-panjakana frantsay nanoloana izay nitranga ka niambina ireo lalana fivoahana sy nisava ireo sambo. Nandroba ireo sambo nandao an’i Frantsa ireo jiolahin-tsambo satria nisy valisoa nomena ireo izay nahasambotra olona nandositra. Niatrika sazy henjana ireo Huguenots izay tratra nandositra. Vao mainka nanampy trotraka koa ireo mpitsikilo niasa tao anatin’ny fiaraha-monina izay niezaka hahafantatra ny anaran’ireo izay nikasa handositra sy ny lalana harahin’izy ireo. Nanjary nahazatra ny fakana taratasin’olona, ny fanaovana hosoka sy ny teti-dratsy.

Fialofana nahafinaritra

Ny fandosiran’ny Huguenots avy tao Frantsa, sy ny fandraisana tsara azy ireo tany amin’ireo tany nampiantrano azy, dia nantsoina hoe ny Fialofana. Ny Huguenots dia nandositra tany Holandy sy Soisa sy Alemaina ary Angletera. Tatỳ aoriana, ny sasany dia nankany Skandinavia, Amerika, Irlandy, Antilles, Afrika Atsimo sy Rosia.

Nisy tany eoropeanina maromaro namoaka didy nampirisika ireo Huguenots hiorim-ponenana tany aminy. Anisan’ireo fampirisihana natolotra ny hoe, ho maimaim-poana ny fizakana ny zom-pirenena, hisy fanafahana amin’ny hetra, ary halalaka ny fidirana ho anisan’ireo fikambanana mpanao varotra. Araka ny voalazan’ilay mpahay tantara atao hoe Elisabeth Labrousse, ny ankamaroan’ireo Huguenots dia “tovolahy (...) olom-pehezina vonona hanao zavatra sy natanjaka, izay nanana fari-pitondran-tena niavaka”. Araka izany, dia namoy mpiasa nahay teo amin’ny fandraharahana maromaro i Frantsa, raha iny izy tao anatin’ny fara heriny iny. Eny, lasa tany ivelany ny “fananana sy ny harena ary ny haitao”. Nisy anton-javatra ara-pivavahana sy ara-politika koa tamin’ny fampialokalofana ireo Huguenots. Fa inona anefa no vokany maharitra nentin’io fifindra-monina io?

Nahatonga tsy fankasitrahan’ny firenena maro ny fanafoanana ny Didin’i Nantes sy ilay fanenjehana nanaraka azy io. Afaka nanararaotra io fihetseham-po tsy tia Frantsay io i Guillaume d’Orange mba hahatongavana ho mpanapaka an’i Holandy. Noho ny fanampian’ireo manamboninahitra Huguenots, dia tonga mpanjakan’i Grande-Bretagne koa izy, nisolo an’i Jacques II izay katolika. Nohazavain’i Philippe Joutard, mpahay tantara fa “ny politika tsy tia Protestanta narahin’i Louis XIV no iray amin’ireo antony lehibe nampiongana an’i Jacques II [sy] ny fiforonan’ny fikambanan’i Augsbourg (...) [Ireo] fisehoan-javatra ireo dia nanamarika fiovana lehibe teo amin’ny tantaran’i Eoropa, ka nitarika ny fanoloana ny fanjakazakana frantsay tamin’ny fanjakazakana anglisy”.

Nanana anjara asa lehibe ara-kolontsaina tany Eoropa ny Huguenots. Nampiasa ny fahafahana vao azony izy ireo mba hamokarana zavatra vita an-tsoratra izay nanampy tamin’ny famolavolana ny filôzôfian’ny Fahazavana sy ireo hevitra momba ny fileferana. Nisy, ohatra, Protestanta frantsay iray nandika ireo asa soratr’ilay filôzôfa anglisy atao hoe John Locke, ka nampiely ny hevitra momba ny zo voajanahary. Nisy mpanoratra protestanta hafa nanantitrantitra ny nahazava-dehibe ny fahalalahana hanaraka ny feon’ny fieritreretana. Nitombo ilay hevitra hoe, ny fankatoavana ireo mpanapaka dia voafetra sady azo tsy raharahaina raha toa izy ireo ka namadika ny fifanekena nifanaovany tamin’ny vahoaka. Noho izany, araka ny fanazavan’ilay mpahay tantara atao hoe Charles Read, dia “iray amin’ireo anton-javatra miharihary fa nahatonga ny Revolisiona Frantsay” ny fanafoanana ny Didin’i Nantes.

Naka fianarana ve?

Noho ireo vokatry ny fanenjehana tsy araka ny nanantenana azy, sy noho ny namoizan’ny fanjakana olona sarobidy maro be, dia nampirisika ny Mpanjaka Louis XIV mba hamerina ny Didin’i Nantes, ny Marquis de Vauban, mpanolo-tsaina ara-tafika, ka nanao hoe: “An’Andriamanitra irery ihany ny fanovana ny fo.” Koa nahoana ny Fanjakana frantsay no tsy naka fianarana ka nanova ny fanapahan-keviny? Azo antoka fa anton-javatra anisan’ny nahatonga izany ny tahotr’ilay mpanjaka sao hampahosa ny fanjakana. Ambonin’izany, dia nahitana tombony kokoa ny fanomezana izay nilain’ny fanavaozana katolika sy ny tsy fileferana ara-pivavahana tao Frantsa tamin’ny taonjato faha-17.

Ireo fisehoan-javatra nanodidina ilay fanafoanana dia nahatonga ny sasany hanontany hoe: “Ny fisian’ny fivavahana firy samy hafa no azon’ny fitambaran’olona iray ekena sy leferina?” Tsy azo lavina fa, araka ny nomarihin’ireo mpahay tantara, dia tsy hety ny handinihana ny tantaran’ny Huguenots ka tsy hieritreretana ny amin’ny “fiasan’ny fanjakana sy ny faharatsian’izany”. Eo amin’ny fitambaran’olona ankehitriny izay ahitana olona mihamitombo isa hatrany avy amin’ny firazanana samihafa sy fivavahana maro isan-karazany, ny fandosiran’ireo Huguenots ho amin’ny fahafahana dia fampahatsiahivana manohina ny fo ny amin’izay mitranga rehefa lasa alohan’ny tombontsoan’ny vahoaka, ny politika asesiky ny eglizy.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ny faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-28.

[Efajoro, pejy 28]

Fiasan’ireo Dragona — Fampiovam-pinoana Tamin’ny Alalan’ny Fampihorohoroana

Nisy olona sasany nihevitra ireo dragona ho “misionera tena tsara”. Teo amin’ireo Huguenots anefa, dia nampisahotaka ny olona izy ireny, ary tamin’ny toe-javatra sasany dia vohitra iray manontolo no niova finoana ho amin’ny Fivavahana Katolika raha vao nandre ny fahatongavan’izy ireny. Fa iza izany dragona izany?

Ireo dragona dia miaramila nirongo fiadiana izay nitoby tao amin’ny tranon’ireo Huguenots mba hanao ramatahora amin’ireo ao an-trano. Ny fampiasana ireo dragona tamin’izany fomba izany dia fantatra tamin’ny hoe fiasan’ny dragona. Mba hampitomboana ny enta-mavesatra nomena ireo fianakaviana, dia tsy nifanentana tamin’izay fiveloman’ilay fianakaviana ny isan’ireo miaramila nalefa tamin’ny trano iray. Nomen-dalana ireo dragona mba hisetrasetra amin’ireo fianakaviana sy hanao izay tsy hahitany tory ary handrava fananana. Raha nianiana fa hiala tamin’ny finoana protestanta ireo tao an-trano, dia lasa nandeha ireo dragona.

Ny fiasan’ireo dragona dia natao mba hampiovana finoana tamin’ny 1681, tany Poitou, any andrefan’i Frantsa, izay faritra nisy fivondronana Huguenots maro be. Tao anatin’ny volana vitsivitsy dia olona 30 000 ka hatramin’ny 35 000 no niova finoana. Nampiasaina tany amin’ny faritra hafa be Huguenots koa io fomba io tamin’ny 1685. Tao anatin’ny volana vitsivitsy dia nisy fianianana hiala tamin’ny finoana 300 000 ka hatramin’ny 400 000 azo. Araka ny voalazan’ilay mpahay tantara atao hoe Jean Quéniart, ny fahombiazan’ny fiasan’ireo dragona dia “nahatonga ny Fanafoanana [ilay Didin’i Nantes nisy fileferana] ho tsy azo nialana, satria toa azo natao izany tamin’izay”.

[Sary, pejy 25]

Itỳ fanambarana natao tamin’ny 1689 itỳ dia nanolotra fialofana ho an’ireo Protestanta frantsay izay nitady fanamaivanana tamin’ny famoretana ara-pivavahana

[Sary nahazoan-dalana]

By permission of The Huguenot Library, Huguenot Society of Great Britain and Ireland, London

[Sary, pejy 26]

Fanafoanana ny Didin’i Nantes, 1685 (Ny voaloham-pejin’ilay fanafoanana no aseho)

[Sary nahazoan-dalana]

Documents conservés au Centre Historique des Archives nationales à Paris

[Sary, pejy 26]

Fiangonana protestanta maro no noravana

[Sary nahazoan-dalana]

© Cliché Bibliothèque Nationale de France, Paris

[Sary nahazoan-dalana, pejy 28]

© Cliché Bibliothèque Nationale de France, Paris

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara