Fanantenana Mafy Orina ao Anatin’ny Rivo-piainana Feno Fahakiviana any Tchernobyl
Avy amin’ny masoivohon’ny Mifohaza! any Ukraine
TAMIN’NY 26 Aprily 1986 no nitrangan’ny voina ratsy indrindra nahazo ny foiben-kerin’aratra nandeha tamin’ny angôvo niokleary tany Tchernobyl, eto Ukraine. Tatỳ aoriana kokoa tamin’io taona io, dia nomarihin’i Mikhaïl Gorbatchev, prezidà sovietika tamin’izay, fa ilay loza amin’antambo dia fampahatsiahivana nampanaintaina fa “mbola tsy mahafehy ireo hery goavana vao hitany ny olombelona”.
Nanasongadina ny hevitra lehibe fonosin’ilay loza tany Tchernobyl ilay hoe Psychology Today, fanontana alemà, tamin’ny Febroary 1987, ka nanao tatitra hoe: “Ilay loza nitranga tamin’ny réacteur [fitaovana mamoaka angôvo niokleary] tany Tchernobyl (...) dia nitondra fiovana lehibe teo amin’ny tantaran’ny sivilizasiona maoderina. Ary antambo izay hisy akony be dia be eo amintsika mandritra ny taonjato maro izy io.” Nilaza ny The New York Times fa “nitovy habetsahana tamin’ny navoakan’ireo andrana sy baomba niokleary rehetra nipoaka hatramin’izay, ny taratra maharitra ela [nivoaka] nankeny amin’ny rivotra sy ny nofon-tany ary ny rano teo amin’izao tontolo izao”.
Nanambara mialoha ilay gazety alemà hoe Hannoversche Allgemeine fa “ao anatin’ny 50 taona manaraka, dia olona tombanana ho 60 000 manerana ny tany no ho fatin’ny kansera, vokatry ny niempoan’ny atin’ilay réacteur sovietika. (...) Olona 5 000 hafa no hiharam-pahavoazana lehibe eo amin’ny fototarazo ary hatramin’ny 1 000 no ho ratsy fahasalamana manomboka eo am-pahaterahany”.
Niteraka raho-mitataon’ny tahotra sy tebiteby ary fisalasalana, izay nanamaloka ny fiainan’ny olona ana hetsiny maro, ilay loza amin’antambo tany Tchernobyl. Kanefa, nisy nanjary nanana fanantenana mafy orina tao anatin’ny rivo-piainana feno fahakiviana mafy dia mafy. Diniho ny fianakaviana Rudnik, misy an’i Victor sy i Anna ary ny zanany roa vavy, i Elena sy i Anja. Tamin’ny Aprily 1986, dia nipetraka tany Pripet, tsy ampy telo kilaometatra avy teo amin’ilay réacteur tao Tchernobyl, ry Rudnik.
Ny andro nitrangan’ilay voina
Tamin’io asabotsy maraina nampangitakitaka io, dia nisakana fiafaran-javatra vao mainka ho ratsy kokoa, ny asa feno herim-po nataon’ny mpamono afo teo amin’ilay réacteur simba. Tao anatin’ny ora maromaro, dia voan’ny aretina avy tamin’ny taratra ireo mpamono afo, ary maro taminy no maty tatỳ aoriana. Milazalaza toy izao ao amin’ilay bokiny hoe Burned Souls i Grigori Medwedew, injeniera sefo lefitra tao Tchernobyl tamin’ireo taona 1970: “Nentin’ny rivotra namakivaky ilay voly hazo kesika kely velarana, izay mampisaraka ny toeran’ilay réacteur sy ny tanàna, ilay rahona [radiôaktifa], ka nandrakotra ilay ala kely tamin’ny rotsakorana lavenona radiôaktifa.” Araka ny tatitra, dia zavatra radiôaktifa lasa etona an-taoniny maro no nivoaka nankeny amin’ny atmosfera!
Mendri-komarihina fa toa toy ny andavanandro ny fiainana tao Pripet, tanàna nisy mponina maherin’ny 40 000, tamin’io asabotsy io. Nilalao teny amin’ny arabe ny ankizy, ary niomana ho amin’ny fankalazana ny fety sovietika tamin’ny 1 May ny olona. Tsy nisy filazana momba ilay voina, ary tsy nisy fampitandremana momba ilay loza. Nandehandeha niaraka tamin’i Elena, zanany vavy telo taona, i Anna Rudnik, raha nihaona tamin’ny raikelin’i Anna izy mianaka. Nandre momba ilay voina ilay raikeliny. Nanahy momba ny mety hahazoana taratra izy ka nitondra azy ireo haingana tamin’ny fiara nankany an-tranony, izay tokony ho enina ambin’ny folo kilaometatra avy teo.
Nisondrotra teny amin’ny atmosfera ilay rahona radiôaktifa ka nentin’ny rivotra an-jatony kilaometatra maro namakivaky an’i Ukraine, i Biélorussie, i Rosia, sy i Polonina, ary koa teny ambonin’i Alemaina sy i Aotrisy ary i Soisa. Ny alatsinainy nanaraka, dia nanjary nanahy ireo mpahay siansa tany Soeda sy Danemarka rehefa nahamarika izy ireo fa ambony ny tahan’ny taratra radiôaktifa tonga tany aminy.
Taorian’ilay loza avy hatrany
Nisy Sovietika izay miaramila sy mpamono afo sy manam-pahaizana momba ny fanorenana ary hafa nalefa tany Tchernobyl. Nanjary fantatra hoe “mpanafoana ny simba” io antokon’olona io — nisy olona 600 000 teo ho eo. Nisakana loza vao mainka ho ratsy kokoa ho an’i Eoropa izy ireo tamin’ny fanidiana ilay réacteur simba tao anatin’ny vata iray vita tamin’ny tsỳ sy rihibato, izay nitovy tamin’ny rihana sivy ny haavony ary roa metatra ny hateviny.
Nanomboka tao anatin’ny andro vitsivitsy taorian’izay ny fampialana ny olona teny amin’ny faritra teny akaiky. “Voatery nandao ny tranonay sy ny zavatra rehetra — akanjo, vola, taratasim-panjakana, sakafo — ny fanananay rehetra, izahay”, hoy ny fanazavan’i Victor. “Nitebiteby mafy izahay, satria bevohoka ny zanakay faharoa i Anna.”
Olona 135 000 teo ho eo no tsy maintsy nifindra toerana — nilaozana ny vohitra rehetra tao anatin’ny efa ho 30 kilaometatra niala avy teo amin’ilay réacteur. Nifindra nankany amin’ny havany ry Rudnik. Kanefa, tsy ela dia nanjary natahotra ireo havany ireo sao hamindra ny taratra radiôaktifa taminy ry Rudnik. “Nanjary nanahy ry zareo”, hoy i Anna, “ary tamin’ny farany dia nangataka anay hiala.” Nisy olon-kafa nafindra toerana, nandia zavatra nampanaintaina nitovy tamin’izany koa. Rehefa ela ny ela, tamin’ny Septambra 1986, dia nanorim-ponenana indray tany Kaluga, tokony ho 170 kilaometatra any atsimo andrefan’i Moscou, any Rosia, ry Rudnik.
“Avy eo, dia takatray tamin’ny farany fa tsy hiverina intsony izahay”, hoy ny fanamarihan’i Anna. “Nafoinay ilay tranom-pianakaviana tsy foinay, izay nahaterahanay sy nitaizana anay. Faritra kanto izy io, nisy voninkazo sy bozaka mova tsy karipetra, sy voahirana teo amin’ny sakelidrano. Feno voaroy sy holatra ilay ala.”
Tsy vitan’ny hoe simba ny hakanton’i Ukraine fa voakasika koa ny naha-sompitry ny Firaisana Sovietika azy. Voan’ny taratra avokoa ny ankamaroan’ny vokatra teto Ukraine tamin’io fararano io. Toy izany koa fa tany Skandinavia, dia 70 isan-jaton’ny henan’ny renne (karazana serfa) no nambara fa tsy azo nohanina satria niraoka volombato voan’ny taratra ireo biby ireo. Ary tany amin’ny faritra sasany tany Alemaina, dia navela ho lo teny an-tsaha ireo legioma satria natahorana sao efa voan’ny taratra.
Vokatry ny taratra teo amin’ny fahasalamana
Lazain’ny tarehimarika ofisialy navoaka dimy taona taorian’ilay voina fa olona 576 000 no voan’ny taratra. Anaovana tatitra fa betsaka kokoa ny fisehoan’ny aretina kansera sy tsy kansera eo amin’ireo olona ireo. Ny tanora indrindra no voa. Nanao tatitra ny amin’izay inoan’ny iray amin’ireo manam-pahaizana lehibe indrindra momba ny tiroida (fihary ao amin’ny traotraoka), any Eoropa, ny gazetiboky New Scientist tamin’ny 2 Desambra 1995. Inoan’io manam-pahaizana io fa “hatramin’ny 40 isan-jaton’ny ankizy voan’ny taratra be indrindra avy tamin’ireo sombin-javatra bitika radiôaktifa avy tany Tchernobyl, fony ireo [ankizy] latsaka ny herintaona, no mety ho voan’ny kanseran’ny tiroida rehefa lehibe izy ireo”.
Koa satria voan’ny taratra i Anna nandritra ny nitondrany vohoka, dia nanantitrantitra ny amin’ny hanalany zaza ireo dokotera. Rehefa nanda i Victor sy i Anna, dia tsy maintsy nanao sonia fanambarana iray izy roa, nampanantena fa hikarakara ilay zaza na dia ho teraka sampona aza izy io. Na dia tsy sampona aza i Anja, dia fohy maso izy, manana olana momba ny fisefo sady manana aretim-po. Fanampin’izany, dia niharatsy ny fahasalaman’ireo mpianakavy hafa ao amin-dry Rudnik, nanomboka tamin’ny nitrangan’ilay loza. Samy azon’ny aretim-po i Victor sy i Elena, ary iray monja amin’ireo olona maro voasoratra ofisialy hoe sembana avy tany Tchernobyl i Anna.
Anisan’ireo voan’ny taratra be indrindra ireo mpanafoana ny simba izay nanidy ilay réacteur simba. Olona an’arivony maro izay nanampy tamin’ilay fanadiovana no voalaza fa maty alohan’ny fotoana, nanomboka tamin’izay. Olona maro nieren-doza no manana aretin-kozatra sy aretin-tsaina. Miely patrana ny fahaketrahana, ary tsy maningana ny famonoan-tena.
Iray tamin’ireo nieren-doza izay nanomboka narary mafy i Angela. Tamin’ny fotoana nitrangan’ilay loza, dia nipetraka tany Kiev, renivohitr’i Ukraine, izay maherin’ny 80 kilaometatra avy teo Tchernobyl, izy. Taorian’izay anefa, dia nandany fotoana nizarana vatsy tamin’ireo mpanafoana ny simba tany amin’ny toeran’ilay réacteur izy. Nanjary voan’ny kansera ka nodidiana i Svetlana, nieren-doza hafa, izay mipetraka any Irpin’, any akaikin’i Kiev.
Fanaovana jery todika
Tamin’ny Aprily 1996, folo taona taorian’ilay zava-nanjo lehibe, dia niaiky toy izao i Mikhaïl Gorbatchev: “Tsy voaomana tsotra izao ho amin’izany karazana tarehin-javatra izany isika.” Tamin’izay fotoana izay, dia nilaza toy izao i Yeltsin, prezidàn’i Rosia: “Mbola tsy nahita mihitsy fahavoazana lehibe toy izany, izay nitondra vokany ratsy aoka izany sy sarotra foanana aoka izany, ny olombelona.”
Mendri-komarihina fa nampitovin’ny Scientific American, fanontana alemà, tamin’izay ho vokatry ny ady niokleary salasalany ny zava-nitranga avy hatrany taorian’ilay loza tany Tchernobyl. Misy manombana fa 30 000 eo ho eo ny isan’ny efa maty noho ilay loza amin’antambo.
Araka ny tatitra an-gazety tamin’ny taon-dasa, tamin’ny fahafolo taona nitsingerenan’ilay voina, dia mbola nisy faritra 29 kilaometatra manodidina ilay foiben-kerin’aratra tsy azon’ny olona ipetrahana. Kanefa, nomarihin’ilay tatitra fa nisy “mponina 647 feno fahatapahan-kevitra, niverina an-tsokosoko, nanome tsolotra, na niverina an-karihary nankao amin’ilay faritra”. Hoy ny fanamarihan’izy io: “Tsy misy olona mipetraka mihitsy ao anatin’ny folo kilaometatra avy eo amin’ilay foiben-kerin’aratra. Eo amin’ny 20 kilaometatra manodidina an’izay indray no niverenan’ireo olona an-jatony vitsivitsy.”
Fatokiana eo anivon’ny tahotra miely
Ho an’ny olona an’arivony maro izay nipetraka teo akaikin’i Tchernobyl teo aloha, dia tena sarotra ary mbola tena sarotra ny fiainana. Nahariharin’ny fandinihana natao tamin’ireo olona nafindra toerana fa 80 isan-jato aminy no tsy sambatra ao amin’ireo tranony vaovao. Mahatsiaro ho malahelo, reraka, hafahafa, kirikirina, sy irery, izy ireo. Tsy voina niokleary fotsiny ny tao Tchernobyl — krizy sosialy sy ara-tsaina goavana dia goavana koa izy io. Tsy mahagaga raha olona maro no miresaka ny amin’ireo fisehoan-javatra mendri-komarihina hoe talohan’i Tchernobyl na taorian’i Tchernobyl.
Mifanohitra amin’ny olon-kafa maro aoka izany, ny fianakaviana Rudnik dia voamarika fa miatrika tsara ilay tarehin-javatra. Nanomboka nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, ary vokatr’izany, dia namboly finoana matanjaka an’ireo fampanantenana hita ao amin’ny Tenin’Andriamanitra mikasika ny tontolo vaovao iray hanjakan’ny fahamarinana. (Isaia 65:17-25; 2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:3, 4). Avy eo, tamin’ny 1995, dia nampiseho ny fanoloran-tenany ho an’Andriamanitra i Victor sy i Anna, tamin’ny fanaovana azy batisa tao anaty rano. Tatỳ aoriana, dia natao batisa koa i Elena zanany vavy.
Hoy ny fanazavan’i Victor: “Nahatonga anay ho afaka hahafantatra an’i Jehovah Andriamanitra Mpamorona antsika sy ny fikasany ho an’ny olombelona eto an-tany, ny fianarana ny Baiboly. Tsy ketraka intsony izahay, satria mahafantatra fa rehefa ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra, dia tsy hitranga intsony ny voina mahatsiravina toy izany. Tsy andrinay ny fotoana hahatafarina ny ambanivohitra manodidina ilay trano tsy foinay any akaikin’i Tchernobyl, ka tsy ho aolo intsony ilay izy fa ho tonga anisan’ny paradisa kanto iray.”
Manana izany fahatsinjovana ny hoavy mahavelom-bolo izany i Angela sy i Svetlana, izay mitoky koa amin’ireo fampanantenan’Andriamanitra tontolo vaovao iray hanjakan’ny fahamarinana, na dia eo aza ny aretiny naterak’ireo taratra. “Raha tsy teo ny fahalalana ny Mpamorona sy ny fikasany, dia ho sarotra ny fiainana”, hoy ny fanamarihan’i Angela. “Manampy ahy hitoetra ho feno toky anefa ny fananana fifandraisana akaiky amin’i Jehovah. Ny faniriako dia ny hanohy hanompo azy amin’ny maha-mpitory manontolo andro ny Baiboly.” Hoy ny teny nanampin’i Svetlana: “Fanampiana lehibe ho ahy ireo anadahiko sy rahavaviko kristiana.”
Nahariharin’ny fianarana ny Baiboly tamin’ireo olona ireo fa mahazo ny olona, na aiza na aiza ipetrahany ary na iza izy na iza, ny voina ateraky ny “fotoana sy ny sampona”. (Mpitoriteny 9:11). Nianaran’ny mpianatra ny Baiboly koa anefa fa, na dia mety hanafotra toy inona aza ny fahasahiranana mahazo azy, dia tsy misy fahasimbana tsy azon’i Jehovah Andriamanitra amboarina, tsy misy ratra tsy azony sitranina, ary tsy misy famoizana tsy azony onerana.
Ahoana no ahafahanao koa mamboly fatokiana an’ireo fampanantenan’Andriamanitra ka amin’izany dia hanana fanantenana mahavelom-bolo? Hoy ny valin-tenin’ny mpanoratra ny bokin’ny Ohabolana ao amin’ny Baiboly: “Hianao dia hianao no nampahafantariko izany, mba hitokianao amin’i Jehovah.” (Ohabolana 22:19). Eny, ilainao ny mandray fahalalana amin’ny alalan’ny fianarana Baiboly tsy tapaka. Ho faly hanampy anao hanao izany ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny faritra misy anao. Manolotra fandaharam-pampianarana Baiboly maimaim-poana, izay hatao amin’ny fotoana sy any amin’ny toerana mety aminao, izy ireo.
[Teny notsongaina, pejy 14]
“Mbola tsy nahita mihitsy fahavoazana lehibe toy izany, izay nitondra vokany ratsy aoka izany sy sarotra foanana aoka izany, ny olombelona.” Yeltsin, prezidàn’i Rosia
[Teny notsongaina, pejy 15]
Tsy voina niokleary fotsiny ny tao Tchernobyl — krizy sosialy sy ara-tsaina goavana dia goavana koa izy io
[Sary nahazoan-dalana, pejy 12]
Tass/Sipa Press