FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 1/8 p. 2-5
  • Ny Fandrahonana Niokleary — Nifarana Ihany Ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fandrahonana Niokleary — Nifarana Ihany Ve?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ireo loza mananontanona noho ny fihabetsahan’ireo firenena manana hery niokleary
  • Baomba amidy
  • “Zavatra Hipoaka Amin’ny Fotoany” sy “Tarehin-javatra Mampidi-doza” tsy misy ady
  • Aiza no tokony hanariany ny faikan-javatra niokleary?
  • Ny Fandrahonana Niokleary — Tsy Nifarana Velively
    Mifohaza!—1999
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Ady Niokleary?
    Foto-kevitra Hafa
  • Nifarana ve ny Fandrahonana Niokleary?
    Mifohaza!—1999
  • Ny Fandrahonana Niokleary — Voaesotra Mandrakizay!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 1/8 p. 2-5

Ny Fandrahonana Niokleary — Nifarana Ihany Ve?

“TOA azo ampoizina kokoa ankehitriny ny hisian’ny fandriampahalemana eto an-tany noho ny tamin’ny fotoana hafa rehetra hatramin’ny Ady Lehibe Faharoa.” Io fanombanana mijery lafy tsaran-javatra io, nolazain’ny masoivoho mpanome vaovao tamin’ny faran’ireo taona 1980 dia niorina tamin’ny zava-nisy hoe namarana ny Ady Mangatsiaka tamin’ny farany, ireo fifanekena hanafoanana fitaovam-piadiana miavaka sy ireo fitsimbadihan-javatra ara-politika tsy nampoizina. Kanefa, moa ve nifarana koa ny fandrahonana niokleary, izay nampiavaka aoka izany ny fifandonan’ireo firenena mahery indrindra teo aloha? Efa ho tratra ve raha ny marina ny fiadanana sy ny fandriampahalemana maharitra?

Ireo loza mananontanona noho ny fihabetsahan’ireo firenena manana hery niokleary

Nandritra ny Ady Mangatsiaka, rehefa niantehitra tamin’ny fifandanjan’ny fampihorohoroana ireo firenena mahery indrindra mba hihazonana ny fiadanana, dia nifanaiky izy ireo fa hanome lalana ny fivoaran’ny fahaizana niokleary mba hanatratrarana zava-kendrena tsy misy ady. Kanefa, nifanaiky koa izy ireo fa hametra ny isan’ireo firenena afaka mampiasa izany amin’ny fanamboarana fitaovam-piadiana niokleary. Nanomboka nanan-kery ny Fifanekena ho Amin’ny Fampihenana Fitaovam-piadiana Niokleary tamin’ny 1970; nohamafisin’ny firenena 140 teo ho eo izy io tatỳ aoriana. Kanefa, ireo firenena afaka manana hery niokleary, toa an’i Arzantina, i Brezila, i India, sy i Isiraely, dia nanda tsy hanao sonia mandraka androany.

Tamin’ny 1985 anefa, i Korea Avaratra, firenena hafa afaka manana hery niokleary, dia nanao sonia tokoa. Koa rehefa nanambara ny fitsoahany tamin’ilay fifanekena izy tamin’ny 12 Martsa 1993, dia nanjary nandry an-driran’antsy, araka ny fandrindran-kevitra, izao tontolo izao. Nanao fanamarihana toy izao ilay gazetiboky alemanina atao hoe Der Spiegel: “Ilay filazana fitsoahana tamin’ny Fifanekena ho Amin’ny Fampihenana Fitaovam-piadiana Niokleary dia niteraka ohatra halain-tahaka: Misy ankehitriny ny fandrahonana noho ny fifaninanana manao fitaovam-piadiana niokleary, nanomboka tany Azia, fifaninanana mety hanjary hampidi-doza kokoa noho ny fifaninanana nanao baomba teo amin’ireo firenena mahery indrindra.”

Azo inoana fa hitombo ny isan’ireo firenena afaka manana hery niokleary, satria niteraka firenena vaovao amin’ny habetsahany mahagaga ny fanindrahindram-pirenena. (Jereo ny faritra voafefy.) Nampitandrina toy izao ilay mpanao gazety atao hoe Charles Krauthammer: “Tsy midika ho faran’ny loza mandrahona niokleary ny faran’ny fandrahonana sovietika. Ny tena loza mandrahona dia ny fihabetsahan’ny firenena afaka manana hery niokleary, ary vao manomboka fotsiny ilay fihabetsahana.”

Baomba amidy

Ireo firenena maniry hanana hery niokleary dia dodona ny hahazo ny laza sy ny hery atolotr’ireny fitaovam-piadiana ireny. Misy tany iray voalaza fa nividy loha niokleary roa fara fahakeliny avy tamin’i Kazakhstan. Nampidirin’io repoblika sovietika teo aloha io tamin’ny fomba ofisialy tao anaty lisitry ny “tsy ao” ireo loha niokleary ireo.

Tamin’ny Oktobra 1992, dia nisy lehilahy vitsivitsy voasambotra tany Francfort, any Alemaina, nanana cæsium radioaktifa be 200 grama teny aminy, ampy mba hanapoizinana ny tahirin-dranon’ny tanàna iray manontolo. Herinandro tatỳ aoriana, dia nisy mpamoaka entana an-tsokosoko fito tratra tany Munich, nanana uranium 2,2 kilaograma teny aminy. Nanaitra ireo manam-pahefana ny fahitana antokon’olona roa mpanao am-pihi-mamba mpamoaka entana niokleary an-tsokosoko tao anatin’ny roa herinandro, satria fisehoan-javatra toy izany dimy monja no nanaovana tatitra naneran-tany nandritra ny taona talohan’izay manontolo.

Tsy fantatra na nikendry ny hivarotra izany tamin’ny antokon’olona mpampihorohoro na tamin’ny fitondram-panjakam-pirenena ireny olona ireny. Na dia izany aza, dia mitombo ny maha-mety hisian’ny fampihorohoroana niokleary. Nanazava ilay loza mandrahona toy izao ny Dr. David Lowry ao amin’ny Foibe Eoropeanina Fampahalalana ny Fihabetsahan’ny Firenena Afaka Manana Hery Niokleary: “Ny hany ilain’ny mpampihorohoro iray hatao dia ny mandefa santionany amin’ny uranium nohatsaraina indrindra ho any amin’ny manam-pahefana malaza iray mba hosedraina, amin’ny filazana hoe manana sasantsasany izahay ary iny ny porofo. Izany dia tahaka ny fandefasan’ny mpaka olona an-keriny ny sofin’ilay niharam-pahavoazana ho porofon’ny famaboany azy.”

“Zavatra Hipoaka Amin’ny Fotoany” sy “Tarehin-javatra Mampidi-doza” tsy misy ady

Rehefa nanomboka ny taona 1992, dia nisy réacteurs niokleary 420 nandray anjara tamin’ny asa famokarana elektrisite tsy mikendry ady; nisy 76 hafa teo an-dalam-panorenana. Kanefa, nandritra ireo taona, dia nitarika ho amin’ny tatitra ny amin’ny aretina mitombo sy ny fahafahan-jaza ary ny fahavoazan’ny zazakely hatrany am-bohoka, ireo voina ateraky ny réacteurs. Nilaza ny tatitra iray fa tamin’ny 1967, dia nahatonga ny fivoahan’ny taratra radioaktifa avo telo heny noho ny tamin’ny loza amin’antambo tany Tchernobyl, ireo fisehoan-javatra tao amin’ny ozinina fanodinana plutonium sovietika iray.

Mazava ho azy fa nitana ny matoam-baovao io fisehoan-javatra io, izay nitranga tatỳ aoriana tany Tchernobyl, any Ukraine, tamin’ny Aprily 1986. Nanazava i Grigori Medwedew, injeniera niokleary mpifehy lefitra tao amin’ny ozinina any Tchernobyl nandritra ireo taona 1970, fa ny “habetsahana mihoa-pampan’ny taratra radioaktifa maharitra ela” nihanaka eny amin’ny atmosfera “dia azo ampitahaina amin’ny baomba folo nazera tany Hiroshima, raha ireo vokany maharitra no resahina”.

Tao amin’ny bokiny hoe Tschernobylskaja chronika, i Medwedew dia nanao lisitra fisehoan-javatra lehibe 11 nitranga tao amin’ireo réacteurs niokleary tany amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha, teo antenatenan’ireo taona 1980, sy 12 hafa tany Etazonia. Ireto farany dia nahafaoka ilay loza nanaitra mafy tamin’ny 1979 tao Three Mile Island. Nanao fanamarihana toy izao i Medwedew ny amin’io fisehoan-javatra io: “Namely mafy voalohany ny lazan’ny angôvo niokleary izy io ary nanaisotra ireo hevi-dravina tao an-tsain’ny maro — fa tsy tao an-tsain’ny rehetra — hoe tsy misy atahorana ireo ozinina famokarana angôvo niokleary.”

Manazava izany hoe nahoana no mbola mitranga ireo loza. Nandritra ny taona 1992, dia nitombo efa ho 20 isan-jato izy ireny tany Rosia. Taorian’ny iray tamin’ireny fisehoan-javatra ireny, tamin’ny volana Martsa tamin’io taona io, tao amin’ny foiben’angôvon’aratra ao Sosnovy Bore, any St. Pétersbourg, any Rosia, dia tafakatra ho 50 isan-jato ny habetsahan’ny taratra tany avaratra atsinanan’i Angletera ary nahatratra avo roa heny noho ny habetsahana ambony indrindra azo ekena, tany Estonia sy Failandy atsimo. Niaiky toy izao ny Profesora John Urquhart ao amin’ny Oniversiten’i Newcastle: “Tsy afaka manaporofo aho fa i Sosnovy Bore no nahatonga ilay fitomboan’ny taratra — kanefa raha tsy i Sosnovy Bore izany, dia iza àry?”

Manantitrantitra ireo manam-pahefana sasany fa misy tsininy ny drafitra nanaovana ireo réacteurs mitovy karazana amin’ny any Tchernobyl ary mampidi-doza aoka izany tsotra izao, hany ka tsy tokony hampiasaina. Na dia izany aza, dia misy maherin’ny roa ambin’ny folo no mbola ampiasaina mba hanampy amin’ny fanomezana fahafaham-po ny filana goavana elektrisite. Nampangaina mihitsy aza ireo mpandefa réacteurs sasany ho nampijanona ireo rafitra fanafoanana ny fiarovana mba hampitomboana ny elektrisite azo. Ireo tatitra toy izany dia mampahatahotra ireo tany toa an’i Frantsa, izay mampiasa ozinina niokleary mba hamokarana ny 70 isan-jato amin’ny elektrisite ilainy. Raha vao misy “Tchernobyl” hafa iray, dia ho voatery hikatona maharitra ny maro amin’ireo ozinina niokleary any Frantsa.

Na dia ireo réacteurs “tsy ahitan-doza” aza dia toa manjary ahitan-doza rehefa ela ny ela. Tamin’ny fiandohan’ny taona 1993, nandritra ny fizahana mahazatra iray ny fomba fiarovana, dia nahitana triatra maherin’ny zato teo amin’ny fantsona vita amin’ny tsỳ (acier) tao amin’ny réacteur any Brunsbüttel, iray amin’ny an’i Alemaina tranainy indrindra. Nahitana tresaka toy izany koa tao amin’ireo réacteurs any Frantsa sy Soisa. Nitranga tamin’ny 1991 ny loza lehibe voalohany tao amin’ny ozinina niokleary japoney, ka nety ho anton-javatra tafiditra tamin’izany ny fahelany. Izany dia fambara ho an’i Etazonia, izay maherin’ny folo taona ny androatokony eo ho eo amin’ireo réacteurs ara-barotra ao aminy.

Mety hitranga na aiza na aiza amin’ny fotoana rehetra ireo loza ao amin’ireo réacteurs niokleary. Arakaraka ny maha-betsaka ireo réacteurs no maha-lehibe ny fandrahonana; arakaraka ny maha-antitra ilay réacteur no maha-lehibe ny loza. Tsy hoe tsy misy antony raha toa ny gazety iray ka nanome anaram-bositra azy ireny hoe zavatra hipoaka amin’ny fotoany sy tarehin-javatra mampidi-doza radioaktifa.

Aiza no tokony hanariany ny faikan-javatra niokleary?

Vao haingana dia nisy olona gaga nahita faritra fanaovana pique-nique eo amoron’ny renirano iray any Alpes frantsay, nofefena sy nambenan’ny polisy. Nanazava toy izao ny gazety The European: “Ireo fizahana mahazatra nasaina natao taorian’ny nahafatesan’ny vehivavy iray teo an-toerana noho ny fanapoizinan’ny béryllium, roa volana lasa izay, dia nampiharihary habetsahan’ny taratra radioaktifa teo amin’ilay faritra fanaovana pique-nique, avo 100 heny noho ny teo amin’ny faritra manodidina.”

Ampiasaina amin’ny indostrian’ny fiaramanidina ny béryllium, izay metaly maivana amin’ny fomba mahagaga sady azo amin’ny alalan’ny fanodinana samihafa, ary rehefa ampandalovina amin’ny taratra, dia ampiasaina ao amin’ny foiben-kery niokleary. Araka izany, dia nisy ozinina manao béryllium, nanary faikan-javatra avy tamin’ilay fanodinana mampiasa taratra mampidi-doza, teo amin’ilay faritra fanaovana pique-nique, na teo akaikiny. “Ny vovoky ny béryllium, na dia tsy nampandalovina tamin’ny taratra aza”, hoy ny fanamarihan’ny The European, “dia iray amin’ireo endriky ny faikan-javatry ny indostria fantatra misy poizina indrindra.”

Mandritra izany fotoana izany, dia nisy vata niisa 17 000 teo ho eo nirakitra faikan-javatra radioaktifa, nanaovana tatitra fa nariana nandritra ny fe-potoana nisy 30 taona tao amin’ireo rano lavidavitra ny moron-tsirak’i Novaya Zemlya, izay nampiasain’ny Firaisana Sovietika teo aloha ho toerana fanaovana fitsapana niokleary nandritra ny fiandohan’ireo taona 1950. Ho fanampin’izany, dia nisy ampahany radioaktifa tamin’ny sambo mpisitrika niokleary sy tapany tamin’ny réacteurs 12 fara fahakeliny, nariana tao amin’io fitahirizam-pako nifanentana tamin’izay tian’izy ireo io.

Na fanahy iniana na tsia, ny fandotoana niokleary dia mampidi-doza. Nampitandrina toy izao ny Time, ny amin’ny sambo mpisitrika iray izay rendrika lavidavitra ny moron-tsiraka norvezianina tamin’ny 1989: “Efa namoaka cæsium-137, ataoma miratoerana [isotope] mahatonga kansera, ilay sambo vaky. Hatramin’izao, dia heverina ho kely loatra ka tsy hisy fiantraikany eo amin’ny zava-miaina an-dranomasina na eo amin’ny fahasalaman’ny olombelona ny fivoahan’ilay cæsium. Kanefa, ilay Komsomolets [anaran’ilay sambo mpisitrika] dia nitondra koa baomba famakian-tsambo niokleary roa, izay mirakitra plutonium 13 kg, manana demi-vie [fotoana ilain’ny antsasak’ireo ataoma mba hahalevona azy] 24 000 taona sy misy poizina ambony aoka izany, hany ka afaka mamono olona ny sombiny kely fotsiny. Nampitandrina ireo manam-pahaizana rosianina fa mety hipariaka ka ho very ao anaty rano ilay plutonium ary handoto velaran’oseana midadasika raha vao any amin’ny taona 1994.”

Mazava ho azy fa tsy zava-manahirana manokana ho an’i Frantsa sy i Rosia fotsiny ny fanariana faikan-javatra radioaktifa. Manana “faikan-javatra radioaktifa be dia be sady tsy manana toerana maharitra hitahirizana izany” i Etazonia, hoy ny tatitra nataon’ny Time. Milaza izy io fa misy barika iray tapitrisa feno raha (substance) mahafaty tazonina ao anaty fitahirizana vonjy maika, miaraka amin’ny “loza mandrahona ny amin’ny fahaverezana sy ny fangalarana ary ny fahavoazana eo amin’ny tontolo iainana noho ny fampiasana azy ireny amin’ny fomba ratsy” mitoetra hatrany.

Toa mampiseho an’ohatra izany loza izany, dia nisy sinibe nirakitra faikan-javatra niokleary tao amin’ny ozinina fanamboarana fitaovam-piadiana teo aloha tany Tomsk, any Siberia, nipoaka tamin’ny Aprily 1993, ka nampipoitra sary an-tsaina mahatahotra ny amin’ny Tchernobyl iray faharoa.

Miharihary fa tsy marim-pototra izay mety ho antsoantsom-piadanana sy fandriampahalemana ambara, miorina amin’izay heverina ho faran’ny fandrahonana niokleary. Ary anefa, ny fiadanana sy ny fandriampahalemana dia akaiky. Ahoana no ahafantarantsika izany?

[Efajoro, pejy 4]

FIRENENA MANANA HERY NIOKLEARY

12 ary Mihamitombo ny Isany

NAMPAHAFANTARINA na NY TENA IZY: Biélorussie, Grande-Bretagne, Sina, Frantsa, India, Isiraely, Kazakhstan, Pakistan, Rosia, Afrika Atsimo, Ukraine, Etazonia

METY HO IZY: Alzeria, Arzantina, Brezila, Iran, Irak, Lybie, Korea Avaratra, Korea Atsimo, Syria, Taiwan

[Sary, pejy 5]

Na dia ny fampiasana angôvo niokleary tsy ho amin’ny ady aza dia mety hampidi-doza

[Sary nahazoan-dalana]

Sary manodidina: U.S. National Archives photo

[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]

Eo amin’ny fonony: Stockman/International Stock

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

U.S. National Archives photo

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara