FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/6 p. 3-4
  • Fialam-boly no Niantsoan’izy Ireo Azy Io

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fialam-boly no Niantsoan’izy Ireo Azy Io
  • Mifohaza!—1997
  • Mitovitovy Aminy
  • Fianarana avy Amin’ny Tantara Romanina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Ahoana no Hifidianana Fialam-boly Mahasoa?
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
  • Mifidiana Fialam-boly Mampifaly An’i Jehovah
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Fidio Tsara ny Fialam-boly Ataonao
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2019
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/6 p. 3-4

Fialam-boly no Niantsoan’izy Ireo Azy Io

HENIKY ny fahataitairana ny tao amin’ilay amphithéâtre. Olona an’aliny maro no vory lanona ho amin’ny iray tamin’ireo fampisehoana nampientana indrindra tany Roma fahiny. Saina sy raozy ary lamba miloko misy sary voatenona no nandravaka ilay kianja filalaovana tamin’ny fomba narevaka. Nisy rano nasiana zava-manitra, nifantsitsitra avy tamina loharano, nanamanitra ny rivotra tamin’ny fofona namerovero. Ny mpanefohefo moa dia nianjaika tamin’izato fitafiany faran’izay nadera. Kakakaka no re ombieny ombieny tao anatin’ilay feom-bahoaka nifamahofaho, saingy nifanohitra tamin’ilay zavatra nampihorohoro nadiva hitranga ny tsikanikanin’io vahoaka be io.

Tsy ela, ny feon’ny tubæ (karazana trompetra romana), izay fambara loza, dia nampiantso gladiatera roa mba hiady. Nisary adala ny vahoaka rehefa nanomboka nifamely sabatra tamin-kabibiana tsy nisy antra, ireo mpifanandrina. Zara raha re ny fikatrohan’ireo sabatra, tao anatin’ny horakoraky ny mpijery tsy nifandrenesana. Tampoka teo, dia nampiasa fomba fiady tsy hitahita akory ny mpifanandrina iray ka nandavo ilay niady taminy. Teo am-pelatanan’ny mpijery izao izay hiafaran’ilay gladiatera lavo. Raha nanofahofa ny mosarany izy ireo, dia ho velona izy. Nanao fihetsika iray tamin’ny ankibeny ilay vahoaka — anisan’izany ny vehivavy sy ny ankizivavy — ka nanome baiko ny hamelezana azy io ho faty. Rehefa afaka kelikely dia notaritarihina hiala ny kianja filalaovana ilay vatana tsy nisy aina, nosorohina tamin’ny lapelina ilay tany vonton-dra, nisy fasika vaovao nafafy, ary niomana ho amin’ny sisa amin’ilay fandripahana olona ny vahoaka.

Izany no fialam-boly ho an’ny maro nipetraka tany Roma fahiny. “Na dia ireo mpanoratra hentitra indrindra momba ny fitsipi-pitondran-tena aza dia tsy nanohitra an’io fahafinaretana tamin’ny fandatsahan-dra io”, hoy ilay boky hoe Rome: The First Thousand Years (Roma: Ireo Arivo Taona Voalohany). Ary endriny iray monja tamin’ny fialam-boly nikororosy natolotr’i Roma ny lalao nampiadiana ny gladiatera. Natao fampisehoana ho an’ny besinimaro koa ireo ady an-tsambo tena izy mba hampialana voly ny mpijery lian-dra. Nasiana famonoana olona ampahibemaso mihitsy aza, ka tamin’izany dia nafatotra tamin’ny tsato-kazo ny mpanao heloka bevava voaheloka mba hohanin’ny biby dia refon’ny hanoanana.

Ho an’ireo tsy nankafy fandatsahan-dra toy izany, dia nanolotra tantara an-tsehatra maro isan-karazany i Roma. Tamin’ireo tantara nahatsikaiky — tantara an-tsehatra fohy momba ny fiainana andavanandro — dia “ny fanitsakitsaham-bady sy ny firaisana tsy ara-dalàna no foto-kevitra lehibe indrindra”, hoy ny nosoratan’i Ludwig Friedländer, ao amin’ny Roman Life and Manners Under the Early Empire (Fiainana sy Fomba Romana teo Amin’ny Empira Tany Am-boalohany). “Feno fiteny maloto ny teny nampiasaina, ary kivalavala ny hatsikana, niaraka tamin’ny fanaovana tarehy ratsy sy fihetsika vetaveta maro be, ary, ambonin’ny zava-drehetra, dihy hafahafa maro be nampiarahina tamin’ny sodina.” Araka ny The New Encyclopædia Britannica, dia “misy porofo ny hoe tena naseho an-tsehatra tamin’ny tantara nahatsikaiky ny firaisana tamin’ny vadin’olon-kafa, nandritra ny Empira Romana”. Noho ny antony tsara no niantsoan’i Friedländer an’ilay tantara nahatsikaiky ho “ny tsy maotina indrindra tamin’ireo lalao hatsikana an-dampihazo momba ny fahalotoam-pitondran-tena sy ny fahavetavetana”, ary hoy ny teny nanampiny: “Ireo fizarana vetaveta indrindra no nahazo tehaka be indrindra.”a

Ahoana ny amin’izao andro izao? Niova ve ny zavatra ankafizin’ny olona, eo amin’ny sehatry ny fialam-boly? Diniho ny porofo, araka ny voaresaka ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Indraindray dia nisy famonoana olona naseho an-tsehatra mba hahatonga ny tantara an-dampihazo iray ho toy ny tena izy. Hoy ny fanamarihan’ilay boky hoe The Civilization of Rome: “Tsy mahalana ny hoe mpanao heloka bevava voaheloka ho faty no nandray ny anjara toeran’ny mpilalao, teo amin’ilay fotoana nisian’ny loza.”

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

The Complete Encyclopedia of Illustration/J. G. Heck

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara