Fianarana avy Amin’ny Tantara Romanina
“RAHA araka ny fanaon’olona no niadiako tamin’ny bibi-dia tany Efesosy.” Misy mihevitra fa voaheloka hiady tany amin’ny kianja filalaovana romanina i Paoly, noho ireo teniny ao amin’ny 1 Korintiana 15:32 ireo. Na marina izany na tsia, dia fahita tany amin’ny kianja filalaovana ny ady niafara tamin’ny fahafatesana, tamin’izany andro izany. Inona no raketin’ny tantara momba ny kianja filalaovana tamin’izany sy ny zava-nitranga tao?
Tiantsika Kristianina raha voavolavola hitovy amin’ny an’i Jehovah ny fomba fisainantsika. Manampy antsika hifidy ny fialam-boly ataontsika izany. Diniho, ohatra, ny fiheveran’Andriamanitra ny herisetra, araka ireto teny ireto: “Aza mialona ny olon-dozabe, na mifidy izay làlany akory.” (Ohabolana 3:31) Nahazo io torohevitra io ny Kristianina voalohany, mba hitari-dalana azy rehefa nanjary tena nahaliana ny mpiara-belona taminy ny adin’ireo gladiatera romanina. Andeha hojerentsika ny lesona azon’ny Kristianina ankehitriny tsoahina, eo am-pandinihana ny zava-nitranga tamin’ireny ady ireny.
Nisy gladiatera roa nitam-piadiana nifanandrina teo amin’ilay kianja filalaovana romanina. Nihorakoraka ny mpijery nampirisika izay mpiady niandaniany, raha vao nidona teo amin’ny ampinga ny sabatra. Ady nampamoy fo ilay izy. Tsy ela dia naratra sy tsy afa-nanohy intsony ny iray. Sady nanipy ny fitaovam-piadiany àry izy no nandohalika, mba hampisehoana fa manaiky ho resy izy, ka nitalaho famindram-po. Horakoraka izao! Ny olona sasany niantsoantso hoe ‘aza vonoina e’, ny hafa kosa hoe ‘vonoy.’ Nibanjina ny emperora daholo ny rehetra. Nihaino ny antsoantson’ilay vahoaka izy, ka arakaraka izay no mety hanafahany an’ilay mpiady resy, na nanondroany nidina tamin’ny ankibeny, mba hilazana fa tokony hovonoina ilay mpiady resy.
Tena nankafy ny fijerena adina gladiatera ny Romanina. Mety ho gaga ianao rehefa mahafantatra fa tany amin’ny fandevenana olona ambony no niandohan’ireny ady ireny. Misy mihevitra fa nanomboka tamin’ny fanaovana sorona olona nataon’ny Osque sy ny Samnite, mponina tany afovoan’i Italia, ireny ady ireny. Natao hampitonena ny fanahin’ny maty ireo sorona. Nantsoina hoe munus, na “fanomezana”, ny ady toy izany. Voalaza fa tamin’ny 264 talohan’i Kristy (T.K.) no nisy adina gladiatera voalohany tany Roma, ka gladiatera enina no niady tsiroaroa tany an-tsenan’omby tamin’izay. Nisy ady 22 tamin’ny fandevenana an’i Marc Émile Lépide. Nisy ady 60 indray, tamin’ny fandevenana an’i Publius Licinius. Nandidy ny hanaovana ady 320 teo amin’ny kianja i Jules César, tamin’ny 65 T.K.
‘Nisy ambadika politika ireny fandevenana olona ambony ireny’, hoy i Keith Hopkins, mpahay tantara, ‘ary toy izany koa ny lalao natao tamin’ny fandevenana, satria tian’ireo vahoaka mpifidy izy ireny. Nihabe renty kokoa ireny adina gladiatera ireny, noho ny fifaninanana ara-politika teo amin’ireo olona ambony mpaniry laza.’ Nanao ireny fanomezana, na fialam-boly ho an’ny vahoaka ireny ny manam-pahefana mpanan-karena, mba hihazonany ny toerany. Lasa be dia be ny munus nandritra ny fotoana nitondran’i Aogosto (27 T.K. ka hatramin’ny 14 aorian’i Kristy).
Ny mpandray anjara sy ny fampiofanana
Mety hanontany ianao hoe: ‘Iza moa ireo gladiatera?’ Mety ho andevo izy ireo, na jiolahy voaheloka ho faty, na babo an’ady, na olona afaka entin’ny fientanentanana fotsiny, na nanantena halaza sy hanankarena. Nampiofanina tao amin’ny sekoly toy ny fonja izy rehetra ireo. Milaza ny boky Giochi e spettacoli (Lalao sy Fampisehoana) fa “nambenana foana, nampiharana fifehezana henjana, lalàna faran’izay mafy ary indrindra sazy namaivay ny gladiatera nampiofanina. . . . Nahatonga azy ireo hamono tena, na hikomy io fomba nitondrana azy ireo io matetika.” Nisy olona arivo, fara fahakeliny, ireo efitra tao amin’ny sekoly lehibe indrindra, nampiofanana gladiatera, tany Roma. Samy nanana ny fahaizany manokana ny tsirairay. Ny sasany nampiasa akanjo fiarovana sy ampinga ary sabatra, ny hafa nampiasa harato sy fitrebika misy rantsany telo. Mbola nisy koa ny nampiofanina hiady tamin’ny bibidia, tamin’ny karazana fampisehoana tiam-bahoaka hafa, dia ny fihazana. Io ve no mety ho noresahin’i Paoly?
Ireo mpanomana fampisehoana dia afaka nanatona mpianto-draharaha, izay efa niantso sy nampiofana olona 17 sy 18 taona ho gladiatera. Nahazo vola be tokoa ireo nivarotra gladiatera. Niavaka ilay fampisehoana nisy gladiatera 10 000 sy biby 11 000, natolotr’i Trajan, hankalazana ny fandresen’ny miaramilany.
Ny zava-nitranga tao amin’ny kianja filalaovana
Natokana ho amin’ny fihazana ny tapany maraina, tao amin’ilay kianja filalaovana. Noterena hiditra tao amin’ilay kianja ireo bibidia isan-karazany. Ny adina omby sy orsa no tena nankafizin’ny mpijery. Niara-nafatotra izy roa matetika, mba hiady foana mandra-pahafatin’ny anankiray. Vonoin’ny mpihaza indray ilay sisa velona rehefa avy eo. Tian’ny olona koa ny adina liona sy tigra, na elefanta sy orsa. Naneho ny talentany tamin’ny famonoana biby vahiny ny mpihaza, na ohatrinona na ohatrinona vidin’izy ireny. Anisan’ireny ny leoparda, tokantandroka, lalomena, zirafy, hyène (karazana alikadia), rameva, amboadia, lambo, ary antilopa.
Nahatonga ilay fihazana tsy ho hay hadinoina ny endrik’ilay sehatra. Nasiana vato sy kamory ary hazo teo an-tsehatra mba hitovitovizany tamin’ny ala. Nipoitra tampoka ireo biby, tany amin’ny kianja sasany, satria nisy fitaovana nampakarana azy ireny avy tany ambanin’ny tany. Nahaliana koa ny nety ho fihetsik’ilay biby. Ny fampijalijaliana anefa no nety ho tena nahasarika ny olona tamin’ny fihazana.
Ny famonoana olona indray no fandaharana nanaraka. Nezahina naseho tamin’ny fomba hafakely izy ireny. Nolalaovina an-tsehatra, ohatra, ireo angano ary tena maty tokoa ireo mpilalao tamin’izany.
Ny tolakandro kosa, dia nifanandrina ny antokona gladiatera. Samy nanana ny fiadiany, ary nahazo fampiofanana samihafa, izy ireo. Niakanjo toy ny andriamanitry ny any ankoatra ny sasany tamin’ireo nanala an’ireo faty.
Ny vokany teo amin’ny mpijery
Te hahita ady foana ireo vahoaka, hany ka raha niahotrahotra ireo mpiady dia novelezina tamin’ny karavasy, na nasiana tomboka vy nahamay. Niantsoantso ny vahoaka hoe: “Maninona koa àry izy no matahotra sabatra ohatran’io? Maninona koa àry izy no mamely mora kely ohatran’izany? Maninona anefa raha [mitolo-tena] ho faty e? Karavasio izy, amin’izay dia miady! Aza asiana fiarovana ny tratrany, amin’izay dia voa foana!” Nilaza i Sénèque, mpitondra fanjakana romanina, fa nisy filazana toy izao nandritra ny fiatoana, indray mandeha: “Hisy famonoana olona mandritra ny fiatoana mba hitohizan’ny fialam-boly!”
Tsy mahagaga raha niaiky i Sénèque, fa lasa “tsy nifaditrovana kokoa” izy nony nandeha nody. Tokony hosaintsainintsika tsara ny fieken’io mpijery io. Mety ho lasa “tsy mifaditrovana kokoa” toy izany koa ve ny mpijery ireo fanatanjahan-tena sasany misy ankehitriny?
Nety ho niarahaba tena aza ny sasany fa tafody soa aman-tsara tany an-trano. Nasain’i Domitien emperora nesorina teo amin’ny toerany, ary nalefa hohanin’ny alika, ohatra, ny mpijery iray, rehefa nanao fanamarihana nahatsikaiky momba azy. Nasain’i Caligula nosamborina, ary nalefa hohanin’ny bibidia ny ampahany tamin’ny mpijery, satria tsy ampy ny jiolahy hovonoina. Ary rehefa tsy nety araka ny nitiavan’i Claude azy ny fitaovana nampihetsika zavatra teo ambony sehatra, dia nasainy niady teny amin’ny kianja ilay olona mpikarakara an’ireo fitaovana ireo.
Samy nirehidrehitra koa ny mpijery, ka niteraka loza sy korontana izany. Nianjera ny kianja filalaovana iray tany avaratr’i Roma, ary voalaza fa an’arivo no maty. Raikitra ny rotaka nandritra ny fampisehoana iray tany Pompéi, tamin’ny taona 59. Nilaza i Tacite fa nanomboka tamin’ny fifanompana, avy eo tora-bato, ary nifarana tamin’ny fampiasana sabatra ny fifandonana teo amin’ny vahoaka mpampiantrano sy ny mpifanandrina avy tamin’ny tanàna teo akaiky teo. Nisy tapa-tanana na tongotra, na naratra, ary betsaka no maty.
Lesona mazava
Hita taratra tamin’ilay fampirantiana nisy fampisehoana vidéo (Sangue e arena, “Ra sy Fasika”) natao vao haingana, tany amin’ny kianja filalaovana tany Roma, fa misy munus koa amin’izao andro izao. Naseho tamin’ilay vidéo tokoa ny lalao tolon’omby, ady totohondry, loza nahatsiravina tamin’ny fifaninanana amin’ny fiarakodia sy môtô, ady tsy nisy fitsipika nataon’ireo atleta, ary ny ady nataon’ireo mpijery nirotaka. Sarin’ilay toeram-pilalaovana romanina avy eny ana habakabaka no namaranana ilay fampisehoana. Inona no fanatsoahan-kevitr’ireo mpitsidika, araka ny hevitrao? Firy no nandray ilay lesona?
Fahita any amin’ny tany maro ankehitriny ny fampiadiana alika, akoholahy, tolon’omby, ary ny fanatanjahan-tena mahery vaika. Ain’olona maro no mety hafoy noho ny fitiavana hampifaly ireo vahoaka maro be, mijery fifaninanana amin’ny fiarakodia sy môtô. Eritrereto koa ny zavatra aseho isan’andro ao amin’ny tele. Nasehon’ny fanadihadiana tany amin’ny tany tandrefana iray, fa mety hahita vonoan’olona 10 000 sy fampijalijaliana 100 000, ny ankizy mpijery tele, amin’ny antsalany, raha mbola tsy feno folo taona akory.
“Tsy mifanaraka amin’ny fivavahana marina sy ny tena fankatoavana an’ilay Andriamanitra marina” ny fahafinaretana mijery fampisehoana toy izany, hoy i Tertullien, mpanoratra tamin’ny taonjato fahatelo. Noraisiny ho mpiray tsikombakomba tamin’ireo mpamono olona koa ireo nanatrika izany. Ahoana ny amin’izao andro izao? Mety hisy hanontany tena hoe: ‘Mahafinaritra ahy ve ny mijery fandatsahan-dra, na famonoana olona, na herisetra ao amin’ny tele, na Internet?’ Tsara hotadidina ny tenin’ny mpanao salamo hoe: “Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan’ny fanahiny.”
[Efajoro, pejy 28]
Ady mba “Hampitonena ny Maty”
Nilaza toy izao i Tertullien, mahakasika ny niandohan’ny adin’ny gladiatera: “Noheverin’ny olona fahiny ho fanompoana ny maty ny fanaovana fampisehoana toy izany. Mody natao hoe lalao ilay fampisehoana tsy nifaditrovana. Nihevitra izy ireo fa nampitony ny fanahin’ny maty ny ran’olombelona. Noho izany, dia nataon’izy ireo sorona nandritra ny fandevenana, ireo babo, na andevo tsy dia tsara novidiny. Hitan’izy ireo, tatỳ aoriana, fa tsara raha natao fialam-boly ilay faharatsian’izy ireo, mba tsy hiharihary loatra. Nampiofanina hampiasa ireo fiadiana nisy tamin’izany fotoana izany, araka izay farany hainy ireo olona hataony sorona, ary nampiofanina ho faty koa! Noho izany, dia maty teny am-pasana, tamin’izay fandevenana voatondro, izy ireo. Nahita fampiononana tamin’ny famonoana olona àry ireo olona fahiny. Izany no niandohan’ny munus. Rehefa nandeha ny fotoana dia sady nitombo ihany ny herisetra tao amin’ireo fampisehoana, no namboamboarina hatrany koa ny fomba fampisehoana. Tsy ho feno mihitsy mantsy ilay fahafinaretany raha tsy nandray anjara tamin’ny fandrotehana olona koa ny bibidia. Noheverina ho anisan’ny fombafomba tamin’ny fandevenana koa ireo sorona natao hampitonena ny maty.”
[Sary, pejy 27]
Fiarovan-doha sy fiarovan-dranjon’ny gladiatera fahiny
[Sary, pejy 29]
Tsy nankasitraka ny fialam-boly nahery setra ny Kristianina fahiny. Ary ianao?
[Sary nahazoan-dalana]
Ady totohondry: Dave Kingdon/Index Stock Photography; lozam-piarakodia: AP Photo/Martin Seppala
[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]
Phoenix Art Museum, Arizona/Bridgeman Art Library