FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/6 p. 30
  • Avy Amin’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Avy Amin’ny Mpamaky
  • Mifohaza!—1997
  • Mitovitovy Aminy
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1997
  • Tokony Hanao Kilalao ao Amin’ny Ordinatera na Vidéo ve Aho?
    Mifohaza!—1996
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Pompéi — Nijanona ny Fotoana Tao
    Mifohaza!—1996
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/6 p. 30

Avy Amin’ny Mpamaky

Kilalao ao Amin’ny Ordinatera Fito ambin’ny folo taona aho ary tia kilalao mahery setra ao amin’ny ordinatera aho taloha. Nihevitra aho fa tsy nisy fiantraikany tamiko izy ireny, nefa nanjary tena andevon’ireny kilalao ireny aho — indrindra ilay karazany feno herisetra nolazalazainareo [tao amin’ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Tokony Hanao Kilalao ao Amin’ny Ordinatera na Vidéo ve Aho? (8 Septambra 1996)]. Ankehitriny dia nopotehiko avokoa ny disquettes-ko rehetra momba ny herisetra sy ny fandatsahan-dra. Ny vokany? Mahatsapa ny tenako ho metimety tokoa aho, ary manana fotoana betsaka kokoa holanina amin’ny fandinihana sy ny fianarana ary ny firesahana momba an’i Jehovah Andriamanitra.

S. A., Gresy

Fahavirjiniana Misaotra noho ilay lahatsoratra fohy nefa mahatalanjona hoe “Fahavirjiniana — Nahoana?” (8 Septambra 1996). Amin’izao andro sy vanim-potoana izao, izay iheveran’ny olona hoe tsy maintsy ho ratsy tarehy be ny tena matoa mifidy ny ho virjiny, dia tena mampahery ny mahita tanora maro tsara tarehy mifikitra amin’ny fari-pitsipik’i Jehovah. Misaotra indray!

R. D., Etazonia

Indiana Amerikana Tsy misy lahatsoratra nampihetsi-po ahy toa an’ireo lahatsoratra [“Indiana Amerikana — Inona no Tahirizin’ny Hoavy ho Azy Ireo?” (8 Septambra 1996)] ireo. Nanampy ahy izy ireo hahatakatra fa nanana fiheverana nanavakavaka sy tsy nifanaraka tamin’ny fotopoto-pitsipik’Andriamanitra aho raha ny amin’ireo Indiana. Nanomboka tamin’ny fotoana naha-mpianatra ahy, dia nihevitra aho fa ireo Indiana dia tsy inona fa olon-dia masiaka. Ireo bokin-tantara dia tsy nanome antsika tsotra izao fiheverana marina momba ny tontolo manodidina antsika. Ny lahatsoratrareo dia nanampy ahy hahita ny toe-piainana mampalahelo misy an’ireo Amerikana Tera-tany — io dia ohatra iray hafa mampiseho fa ‘manapaka ny namany ny olona ka mampiditra loza aminy.’ — Mpitoriteny 8:9.

M. M., Etazonia

Amin’ny maha-Amerikana Tera-tany ahy, dia namaky ireo lahatsoratrareo tamim-pientanana be aho. Nampilatsa-dranomaso ahy ny namaky ny fijaliana niaretan’ny olona izay nanana fitiavana toy izany ny zavatra noforonina. Endrey izany faniriako mafy ny hahatongavan’ny andro hitondran’Andriamanitra fanafoanana ny tsy rariny natao tamin’ny olombelona rehetra, sy hahafahantsika hiara-mipetraka eto an-tany zary paradisa.

N. S., Etazonia

Pompéi Tsy ela izay dia namaky sy nankafy tanteraka an’ilay lahatsoratrareo hoe “Pompéi — Nijanona ny Fotoana Tao” (8 Septambra 1996) aho. Toy ny hoe tany mihitsy ny tenako! Hankasitrahako anefa ny hahazo fanazavana momba ny hevitra iray. Milaza ilay lahatsoratra fa na iza na iza mitsidika an’i Pompéi dia “mbola afaka mahita ireo fitotoan-katsaka”. Ahitsio aho raha diso, fa angaha moa ny katsaka tsy voan-javatra avy any amin’ny kontinenta amerikana, izay tsy fantatry ny Eoropeana raha tsy tamin’ny andron’i Christophe Colomb?

R. D., Etazonia

Miala tsiny izahay raha nahatonga fifangaroan-kevitra tamin’io lafiny io. Ho tsara kokoa ny nilazana hoe ahitana fitotoana “voamadinika” any. Mahaliana fa ilay teny anglisy hoe “corn” (katsaka) dia mety hidika fotsiny hoe “voan-javamaniry madini-boa”, toy ny varimbazaha na “avoine”. — MPAMPANONTA.

Hatramin’ny fahazazako aho dia liana fatratra amin’ny tantara tranainy. Nambabo ahy foana tsy toy ny hafa rehetra ny tantaran’i Pompéi. Rehefa namaky ilay lahatsoratra aho, dia nahatsapa toy ny hoe nitsangantsangana nanerana an’ilay tanàna aho. Tena mahatalanjona! Nianatra tsipiriany maro izay vaovao tamiko aho. Tiako koa ilay fampitahana amin’ny fotoan’ny farany amin’izao androntsika izao. Misaotra noho ny fanampiana ahy hanjary hahalala toerana tsy azoko tsidihina.

J. S. A., Brezila

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara