Avy Amin’ny Mpamaky
Fandroahana Nankasitrahako ilay lahatsoratra hoe “Ny fiheveran’ny Baiboly: Ny Antony Maha-fandaharana Feno Fitiavana ny Fandroahana”. (8 Septambra 1996). Voaroaka ny tenako tamin’ny 1987 ary voaray indray tamin’ny 1988, rehefa avy niana-javatra avy tamin’izany. Io fandaharana feno fitiavana io dia nanampy ahy hanova ny fomba fiainako sy ny namako. Voatahy toy inona moa isika manana fandaminana manaiky ny fari-pitsipiky ny Baiboly!
R. R., Etazonia
Voaroaka avy tao amin’ny kongregasiona koa aho. Nihevitra aho tamin’io fotoana io fa henjana ilay izy ary izany no zavatra feno hasomparana indrindra azo atao amin’ny olona iray. Diso hevitra aho! Talohan’ilay fandroahana, ireo loholon’ny kongregasiona dia efa niezaka mafy aoka izany hanampy ahy hibebaka. Tsy nankasitraka tsotra izao ilay fanampiana aho tamin’izany fotoana izany. Ny naha-voaroaka ahy dia nampanetry tena ahy be. Nanosika ahy izany hahita hoe zava-dehibe toy inona moa ny fifandraisantsika amin’i Jehovah.
B. T., Etazonia