Fijerena An’izao Tontolo Izao
Varotra Andevo Tany Brezila
“Avo folo heny noho ny isan’ny andevo naondrana an-tsambo nankany Etazonia no naondrana nankany Brezila — kanefa ambony aoka izany ny taham-pahafatesan’ny andevo nalefa tany Brezila, hany ka tamin’ny 1860, ny isan’ny mponina mainty hoditra tany Brezila dia antsasaky ny tany Etazonia monja”, hoy ny tatitra nataon’ny ENI Bulletin avoakan’ny Filan-kevitry ny Fiangonana Maneran-tany. Tombanana fa ny 40 isan-jaton’ireo andevo afrikana no maty teny ambony sambo. Mba hampitomboana ny vidiny, dia niara-natao batisa ireo andevo afrikana tamin’ny namafazana rano taminy, raha mbola nanonona “ny tsodranon’ny batemy” ireo pretra. Niteny tao amin’ny fotoam-pivavahana ho “fahatsiarovana, fibebahana, sy fampihavanana” natao tany Salvador, any Brezila, i Aaron Tolen, iray amin’ny mpitarika ny Filan-kevitry ny Fiangonana Maneran-tany avy any Cameroun, ka nanamarika hoe: “Tsy ireo izay nitondra antsika teto ihany no nahatonga izao tarehin-javatra mampalahelo izao. Anisan’ny tompon’andraikitra koa isika Afrikana. Nampikororosy tena isika tamin’ny nivarotantsika ny rahalahintsika sy ny anabavintsika toy ny entam-barotra.”
Mpifoka any Eoropa
Ny Eoropeana sy ny Sinoa no mpifoka sigara betsaka indrindra eo amin’izao tontolo izao, raha oharina amin’ny isan’ny mponina, hoy ny tatitra nataon’ny Nassauische Neue Presse any Francfort, Alemaina. Ao amin’ny Vondrona Eoropeana, dia ny 42 isan-jaton’ny lehilahy sy ny 28 isan-jaton’ny vehivavy no mifoka sigara. Ambony be anefa ireo ampahany isan-jato eo amin’ny olona eo anelanelan’ny 25 ka hatramin’ny 39 taona. Mamono olona 100 000 any Alemaina sy olona 100 000 hafa any Grande-Bretagne isan-taona ny fifohana sigara. Vao haingana izay, i Václav Havel, prezidàn’ny République tchèque, mpifoka raindahiny hatramin’ny taona maro, dia notsaboina noho ny kanseran’ny havokavoka. Nanao tatitra ny Süddeutsche Zeitung fa nanoratra tany amin’ilay fikambanana eoropeana antsoina hoe Smoking or Health (Fifohana Sigara sa Fahasalamana) ilay prezidà. Nolazainy fa midera ny herim-pon’ny olona na iza na iza mahavita miala amin’ilay fahazarana mifoka sigara izy.
Mararin’ny Tabataba Hoe?
Mety hankarary anao ny fandrenesana tabataba, na dia somary tsy mafy aza, araka ny fandinihana nanaovana tatitra ao amin’ny gazetiboky New Scientist any Grande-Bretagne. Rehefa nihevitra ny vokatry ny fandinihana toy izany ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana, dia nanitsy indray ny toro lalany momba ny hamafin’ny tabataba tsy mampaninona amin’ny alina. Mampanahy manokana ny porofo manondro fa mety hotandindomin-doza indrindra ny ankizy. Hitan’ny fandinihana iray fa nanana tosidra ambony kokoa sy tahan’ny adirenalinina ambony kokoa ny ankizy nipetraka teny akaikin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena any Munich. Hitan’ireo mpikaroka koa fa sahirana noho ny fahasimban’ny fahaizany mamaky teny sy ny fahasimban’ny fitadidiany maharitra ireo ankizy. Ny olona toa mahay mizatra amin’ny tabataba dia mahavita izany, “saingy mitondra faisana foana ny vatany”, hoy i Arline Bronzaft, manam-pahaizana manokana momba ny tabataba. “Miteraka fihenjanana ny tabataba ary amin’ny farany dia tsy mahatanty intsony ny vatana.”
Loza Entin’ny Fanafody Famonoana Bibikely
Araka ny Ivon-toerana Iraisam-pirenena Manao Fikarohana Momba ny Vary any Philippines, dia ho nitovy ihany ny vary vokatra raha tsy nampiasa fanafody famonoana bibikely mihitsy ny mpamboly. Nampahafantatra ny Fihaonana An-tampony Iraisam-pirenena Momba ny Sakafo natao tany Philippines ny mpahay siansa iray tao amin’ilay ivon-toerana momba ny vary, fa sady mandanilany foana no tsy ilaina ny famafazana ranom-panafody be dia be eo amin’ny voly. Tsy vitan’ny hoe mamafy fanafody amin’ny fotoana tsy mety ao anatin’ny taona ireo mpamboly, hoy ny tatitra nataon’ny gazetiboky New Scientist, fa raha ny marina, dia mamono ny bibikely tsy tokony hovonoina izy ireo. Ambonin’izany, dia mpamboly maro no minia tsy miraharaha ny torohevitra momba ny fiarovana rehefa mandraraka ireo fanafody simika, ka mampiasa fitaovana madini-maso famafazana fanafody, izay mora voatroka. Na koa, mampifangaro ny fanafody famonoana ahitra amin’ny nofon-tany izy ireo ka manely izany amin’ny tanana. Manao tatitra ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana fa maneran-tany, dia mahatonga fahafatesan’olona 220 000 sy fanapoizinana mafy olona telo tapitrisa isan-taona, ny fanafody famonoana bibikely, amin’izao fotoana izao.
Milazalaza ny Atao hoe Ray Aman-dreny Filamatra ny Zatovo
Ahoana no hilazalazan’ny zatovo ny atao hoe ray na reny filamatra? Mba hahafantarana izany, dia nanadinadina zatovo maherin’ny 600 i Scott Wooding, mpanolo-tsaina any an-tsekoly sady psikology. Koa satria nanantena i Wooding hoe hidera ny fileferana be ny tanora, dia nahagaga azy ny valin-tenin’izy ireo. Tsy niovaova ny filazan’ireo zatovo fa iriny ny “tsy fiangarana, ny fiahiana (‘iriny ny handre teny hoe: “Tiako anie izany zanako izany e!” ’), ny fahaizana mivazivazy, [sy] ny fanomezana ohatra tsara”, hoy ny tatitra nataon’ny gazety The Toronto Star. Hitan’i Wooding koa fa irin’ireo zatovo ny hanampian’ny ray aman-dreniny azy hampitombo tsikelikely fahatsapana andraikitra. Rehefa nanao zavatra tsy mety izy ireo, dia miandry famaizana. Ny zava-dehibe indrindra dia ny nilazan’ny tanora fa iriny mafy ny hiarahan’ny ray aman-dreniny handany fotoana bebe kokoa aminy.
Fitsaboana Tsy Ampiasana Ra
“Ny tahotra aretina entin’ny ra sy ny tsy fahampian’ny ra omena, tsy fahampiana efa raiki-tampisaka, dia nandrisika ny hanaovana ezaka lehibe mba hanafoanana ny fampidiran-dra, isaky ny azo atao izany”, hoy ny tatitra nataon’ny gazety The Globe and Mail. Miantehitra amin’ny fifehezana amim-pitandremana fatratra ny fahaverezan-dra ny fitsaboana sy ny fandidiana tsy ampiasana ra, ary “teknika vaovao maro no nampiasaina tany am-boalohany mba hitsaboana ny Vavolombelon’i Jehovah”, hoy ny Globe. Niaiky toy izao ny Dr. James A. Robblee, anestezista ao amin’ny Oniversiten’ny Ivon-toerana Momba ny Fo any Ottawa, iray amin’ireo hopitaly maro nanatontosa ny fandaharam-pandidiana tsy ampiasana ra: “Tena heveriko tokoa fa izy ireo [ny Vavolombelon’i Jehovah] no nanaitra be tokoa ny sainay momba io raharaha io.”
Avy eo Amin’ny “Vanim-potoan’ny Vato” ka Hatreo Amin’ny Basy
Fonenan’ny Indiana yanomami ny ala mikitroka midadasika iray izay toerana voatokana eo anelanelan’i Brezila sy i Venezoela. Tamin’ireo taona 1960 no sambany vao “hita” ireo Yanomami, ary nampahafantarina tsikelikely ny zava-bita maoderina toy ny fintana, ny fitaratra, ny afokasoka, sy ny radio, izy ireo. Kanefa, mitondra fandrahonana ho “an’ilay foko farany avy tamin’ny Vanim-potoan’ny Vato, any amin’ireo tanin’i Amerika”, ny fitaovana maoderina tonga farany indrindra any aminy, dia ny basy, hoy ny tatitra nataon’ny The Daily Journal any Caracas, Venezoela. Tamin’ny alalan’ny takalo sy ny varotra, ny mpitrandraka volamena, ny mpivaro-mandeha any anaty ala, sy ny misionera, no nampidirana ny basy tao amin’ny kolontsaina tsotsotran’ny Yanomami. Ny nahafaty tsy nahy Yanomami telo voatifitra tao anatin’ny herinandro anefa, dia fampahatsiahivana manaitra izaitsizy hoe amin’ny ahoana ny fifandraisana amin’ny sivilizasiona maoderina no mety hitondra vokany mampidi-doza. Hoy ny filazan’i Claudia Andujar, lehiben’ny Vaomiera Manohana ny Yanomami, azy: “Eritrereto hoe mety ho zava-doza toy inona moa ny fanomezana tampoka basy sy vanja ny foko iray izay mirehareha noho ny fahaizany miady amin’ny alalan’ny zana-tsipìka misy poizina, sy ny vato ary ny langilangy.”
Miverina Indray ny Trozona Manga
Nasiana lalàna hentitra ny fihazana trozona manga nanomboka tamin’ny 1946. Tamin’izany fotoana izany, ireo biby mampinono matanjaka mirefy 30 metatra sy milanja 150 taonina ireo dia nohazaina mandra-pahatongany ho saika lany tamingana. Ankehitriny anefa, noho ny fanampian’ny U.S. Navy’s Sound Surveillance System, dia naharihary fa ny Atlantika Avaratra no onenan’ny trozona somary maromaro ihany, anisan’izany ny trozona rorqual ary koa ny trozona lava vombo sy ny trozona kely ary ny trozona manga tsy fahita firy. “Misy trozona maro kokoa noho ny noheverina teo aloha avy eo amin’ny moron-tsirak’i Grande-Bretagne”, hoy ny The Sunday Telegraph any Londres. Tany am-boalohany, dia natao mba hanarahana ny dian’ny sambo mpisitrika ny fitaovana fihainoana feo napetraka teo amin’ny fanambanin-dranomasina lalina hatrany amin’ny 3 000 metatra. Kanefa, hita fa tena tsara koa izy ireny mba hahazoana ny antson’ny trozona manana hatetik’onjam-peo ambany. Voalaza fa mamakivaky 3 000 kilaometatra any anaty rano ny antson’ny trozona manga.
Kilasy ho An’ny Hisara-panambadiana Hoe?
Any amin’ny Faritanàna Pima, Arizona, Etazonia, dia takina amin’ny ray aman-dreny maniry hisara-panambadiana ny hanatrehany seminera maharitra adiny efatra sy sasany mba hahatakarany ny ho vokatr’izany eo amin’ny zanany, hoy ny tatitra nataon’ny The Dallas Morning News. Novolavolaina ireo kilasy mba hanampiana ny ray aman-dreny hahafantatra “ny fomba hanamboarana fandaharam-potoana fitsidihana” ny zanany sy handinihana “ny fotoana mety haha-ampy taona ny zaza iray mba hiara-mipetraka amin’ny rainy na ny reniny tsy nanankinana azy, mandritra ny vakansy lehibe”. Mbola zava-dehibe kokoa fa ampiana hahatakatra ny hevitry ny fisaraham-panambadiana araka ny fomba fijerin’ny zanaka azy, ny ray aman-dreny, hoy i Frank Williams, talen’ilay kilasy. “Manontany tena anefa aho hoe nahoana ny fampianarana toy izao no tsy maintsy atao eto am-pifaranan’ilay fangatahana fisaraham-panambadiana”, hoy i Alyce Pennington, mpisolovavan’ny fianakaviana. Nahoana no tsy “mandalo amin’ny kilasy toy izany, alohan’ny hanambadiana mihitsy aza?”
Be Voafonja Indrindra Maneran-tany
Tamin’ny 1995, dia nisy olona 615 tany am-ponja isaky ny mponina 100 000 tany Etazonia, hoy ny Minisiteran’ny Fitsarana any Etazonia. Avo roa heny noho ny isan’ny voafonja tamin’ny 1985 izany, ka mahatonga azy io ho ny be indrindra maneran-tany, hoy ny tatitra nataon’ny The Wall Street Journal. Laharana faharoa i Rosia, satria nanana voafonja 590 isaky ny olona 100 000, araka ny fanazavana azo farany indrindra (1994).
Mety ny Fanodinana Indray Zavatra Efa Nampiasaina
Araka ny gazety El Universal any Caracas, Venezoela, ny fanodinana indray boaty viraty fasiana zava-pisotro dia mitsitsy 90 isan-jaton’ny angôvo ampiasaina hanamboarana boaty vaovao. Mety amin’ny tontolo iainana koa ny fanodinana indray taratasy efa nampiasaina. Latsaka 50 isan-jato amin’ny angôvo ampiasaina mba hamokarana taratasy vaovao ny angôvo ampiasaina mba hanodinana indray taratasy efa nampiasaina, mihena 58 isan-jato ny fandotoana ny rano, ary mihena 74 isan-jato ny fandotoana ny rivotra. Tsara kokoa mihitsy aza ny zavatra toy ny tavoahangy satria azo ahodina indray tanteraka amin’ny fomba miverimberina.