Fijerena An’izao Tontolo Izao
Fandotoana sy Kansera Mpahazo ny Zaza
Rehefa avy namakafaka ny fandinihana iray naharitra 27 taona, natao tamin’ankizy britanika 22 400, ny ekipan’ny manam-pahaizana momba ny valanaretina, dia nahita fa manan-tombo 20 isan-jato ny mety hahafatin’ny leucémie (kanseran’ny ra) sy kansera hafa mpahazo ny zaza, an’ireo ankizy teraka tao anatin’ny dimy kilaometatra avy teo amin’ny loharanom-pandotoana iray, raha oharina amin’ny ankizy hafa. Ny fifohana fandoto entin’ny rivotra no “azo inoana mihitsy fa antony” niteraka fitomboan’ny kansera mpahazo ny zaza, hoy ny tatitra nataon’ny The Times any Londres. Ny fandoto nahatonga izany dia hita fa ny setroka avoakan’ny milina mandeha amin’ny gasoil na ny fangaro simika karbônika mora mietona hafa izay avoakan’ireo orinasa, toy ny orinasa fanadiovan-tsolitany, fanamboarana fiarakodia, ny foiben-kerin’aratra tsy niokleary, ny orinasa fanamboarana tsy sy simenitra. Manao tatitra koa ilay fandinihana fa mihamitombo ny fahafatesana noho ny kansera, eo amin’ireo ankizy teraka tao anatin’ny efatra kilaometatra avy teo amin’ny lalam-be migodana sy ny lalamby. Azo inoana fa ny gasoil sy ny lasantsy no miteraka izany, hoy ireo olona nanao ilay tatitra.
Ny Fivavahana any Brezila
Mampiseho ny fanadihadiana iray vao haingana fa “mino an’Andriamanitra ny 99 isan-jaton’ireo Breziliana”, hoy ny tatitra nataon’ny ENI Bulletin. Araka io fanadihadiana natao tamin’ny olona efa ho 2 000 io, dia 72 isan-jato no nitonona ho Katolika, 11 isan-jato ho Protestanta, ary 9 isan-jato ho tsy anisan’ny fivavahana manokana na inona na inona. Ny sisa dia nanaraka ny fivavahana breziliana sy afrikana-breziliana. “Rehefa nanontaniana izy ireo raha nankany amin’ny eglizy na fiangonana nandritra ny faran’ny herinandro lasa, dia nilaza ny 57 isan-jato hoe tsia”, hoy ny ENI. Ny 44 isan-jato monja no mino ny famaizana mandrakizay. Raha mino ny fiakarana ho any an-danitra ny 69 isan-jaton’ireo Breziliana, dia ny 32 isan-jato monja no manantena ny ho any.
Iza no Manjaka Amin’ny Télécommande?
Vao haingana, ireo mpanao fikarohana ao amin’ny EURISPES (Ivon-toerana momba ny fandinihana ara-politika sy ara-toe-karena ary ara-tsosialy) any Italia, dia namoaka ny vokatry ny fandinihana momba ny fahazarana eo amin’ny fijerena televiziona. Fianakaviana italiana efa ho 2 000 no nanaovana fanadihadiana. Ankoatra ny fanontaniana hafa, dia nanontaniana izy ireo hoe iza ao amin’ny fianakaviana no azo inoana kokoa fa manjaka sy mampiasa ny télécommande-n’ny televiziona, izay nantsoin’ny lahatsoratra an-gazety iray hoe ny tehim-pahefana maoderina ao amin’ny fianakaviana. Tamin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia ny ray no voalaza fa ny voalohany manjaka. Ny ankizy no faharoa, mpanao fanapahan-kevitra mahakasika ny fanovana canal. Ny reny no farany eo amin’ilay ady mba hahazoana fahefana amin’ny télécommande, ao amin’ny fianakaviana.
Firaisan’ny Lahy sy ny Vavy eo Amin’ny Zatovo
Araka ilay gazety nizeriana hoe Weekend Concord, dia nisy fandinihana vao haingana nampiseho fa “ireo zatovo nizeriana no anisan’ireo zatovo mpanao firaisana indrindra eo amin’izao tontolo izao”. Eo amin’ny 68 isan-jaton’ny ankizilahy sy 43 isan-jaton’ny ankizivavy, eo anelanelan’ny 14 sy 19 taona, no niaiky fa efa nanao firaisana “raha vao niandoha kely ny taona naha-maoty”, azy ireo. Vokatr’izany dia betsaka ny nanana anaka tsy nirina. Mampiseho ny fandinihana iray mitokana fa “ny 71 isan-jaton’ny vehivavy tanora rehetra maty talohan’ny faha-19 taonany, any Nizeria, dia noho ny zavatra nisy nifandraisany tamin’ny fahasarotan’ny fanalana zaza”, hoy ny Concord.
Tsy Fanasana Tanana Intsony
Ny lahatsoratra iray vao haingana tao amin’ilay gazety ara-pitsaboana frantsay hoe Le Quotidien du Médecin, dia nanasongadina fironana mampanahy iray izay toa mihamitombo — ny tsy fanasana tanana alohan’ny sakafo na rehefa avy tany an-kabine. Araka ny tenin’ny Dr. Frédéric Saldmann, io tsy fahampiam-pahadiovana ara-batana tsotra io dia mety hampidi-doza lehibe ara-tsakafo, ary toa olana miely patrana. Ilay lahatsoratra dia manonona ny vokatry ny fandinihana iray, izay nahitana fa nisy soritra fivalanan-dranon’olona 12 samy hafa teo amin’ny vilia baolina fasiana voanjo, tao amin’ny trano fisotroan-toaka iray tany Angletera. Nampiharihary ny fandinihana iray hafa tany amin’ny sekoly amerikana iray fa ny fanasana tanana tsy tapaka, teo ambany fanaraha-mason’ny mpampianatra, dia nampihena 51 isan-jato ny isan’ny ankizy tsy tonga nianatra noho ny olana ara-pandevonan-kanina, ary 23 isan-jato ny tsy tonga nianatra noho ny olana ara-pisefo. Mamarana ny teniny ilay lahatsoratra amin’ny fanamafisana ny maha-zava-dehibe ny hampianarana ny ankizy, dieny mbola zazakely, ireo lalàna fototra momba ny fahadiovana.
Fisondrotan’ny Toe-karena sy Fitomboan’ny Fahantrana
Na dia nisondrotra 40 isan-jato aza ny toe-karena maneran-tany nanomboka tamin’ny 1975 ka hatramin’ny 1985, “ny isan’ny mahantra maneran-tany dia nitombo 17%”, hoy ny fanamarihan’ny HCHR News, gazetikelin’ny Biraon’ny Sampan-draharaha Ambonin’ny Firenena Mikambana Momba ny Zon’olombelona. Amin’izao andro izao, any amin’ny tany 89, ny olona dia ao anatin’ny tarehin-javatra ara-toe-karena ratsy kokoa noho ny tamin’ny folo taona lasa, na mihoatra. Any amin’ny tany 70 an-dalam-pandrosoana, ny fidiram-bola dia latsaka kokoa noho ny tamin’ny 20 taona lasa, ary amin’ny toe-javatra sasany, dia latsaka kokoa noho ny tamin’ny 30 taona lasa, mihitsy aza. “Firenena vitsy dia vitsy” monja no nandray soa tamin’ny fisondrotan’ny toe-karena, hoy ny fanatsoahan-kevitry ny HCHR News.
Rafitra Tsy Azo Antoka any Italia
Nandritra ny taonjato lasa, dia namono olona maherin’ny 120 000 ny horohoron-tany, tany Italia. Kanefa, Italiana tokony ho 25 tapitrisa no monina any amin’ny faritra izay “tsy azo antoka rehefa misy horohoron-tany ny 64 isan-jaton’ny trano” ao aminy, hoy ny tatitra nataon’ny Corriere della Sera. Anisan’ireo rafitra tsy azo antoka ny hopitaly, ny tobin’ny mpamonjy hain-trano, ary ny trano hafa izay hanjary foibe amin’ny vonjy taitra, raha mitranga ny loza. Vola italiana 7 000 arivo tapitrisa (23 000 000 000 FMG eo ho eo) amin’ny antsalany no lanina isan-taona hanamboarana ny simba nateraky ny loza jeôlôjika sy indostrialy, any Italia. Manazava ny manam-pahaizana iray fa “matetika ireny vola be lanina aorian’ny loza ireny (...) no nanamboarana indray [trano] araka ilay fomba tsy mety teo aloha iny ihany, sy eo amin’ilay toerana tena mety hampidi-doza teo aloha iny ihany”.
Ny Ra sy ny Fifindran’ny Otrikaretina VIH
Amin’ireo olona efa ho 22 tapitrisa mitondra otrikaretina VIH/SIDA maneran-tany, dia maherin’ny 90 isan-jato no mipetraka any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana. “Hatramin’ny 10 isan-jaton’ny olona vao nifindran’ny VIH any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana no nahazo izany avy tamin’ny fampidiran-dra”, hoy ny tatitra nataon’ny Panos, fikambanana mpilaza vaovao any Londres. Any amin’ny tany maro, ny tahirin-dra dia tsy azo antoka satria tsy azo atao ny mitoky tanteraka amin’ny fitiliana VIH ataon’ny laboratoara. Any Pakistan, ohatra, dia tsy ampy antsasaky ny isan’ireo banky mpitahiry ra rehetra akory no manana fitaovana fitiliana VIH. Ho vokany, dia ny 12 isan-jaton’ny olona rehetra vao nifindran’ny VIH any no nahazo izany avy tamin’ny fampidiran-dra. Nanomboka tamin’ny nanaovana tatitra momba ireo olona voalohany voan’ny SIDA, 15 taona mahery lasa izay, dia olona efa ho 30 tapitrisa maneran-tany no nahazo VIH, ilay virosy miteraka ilay aretina.
Tahotra Tafahoatra An’Andriamanitra
Tao amin’ny fandinihana iray vao haingana, dia nisy fanadihadiana natao tamin’ankizy breziliana nijaly noho ny fihenjanana. Hita fa mahatsapa tebiteby mifandray amin’ny tahotra tafahoatra an’Andriamanitra ny ankamaroan’ireo ankizy, araka ny ENI Bulletin. Raha ny 25 isan-jaton’ny ankizy no mahatsapa fihenjanana mifandray amin’ny olana ara-pianakaviana na ny fahafatesan’ny havana, dia 75 isan-jato kosa no ahitana taratry ny tebiteby satria mihevitra an’Andriamanitra ho mpamaly faty mikendry ny hanafay. Ilay fandinihana dia “nampirisika mafy ny ray aman-dreny hampianatra ny zanany hoe hanampy azy ireo sy ho afaka hahatakatra ny fihevitr’izy ireo, Andriamanitra”, hoy ny tatitra nataon’ny ENI.
Fifampiresahan’ny Elefanta
Goavana aoka izany ny hoza-peon’ny elefanta, hany ka ny hatetik’onja fototr’ireo feo izay avoakan’izy ireo dia mitsingerina in-20 na latsaka isan-tsegondra — ambany be raha oharina amin’ny feo mety ho ren’ny sofin’olombelona. Lasa lavitra tokoa ny feo ambany midoboka toy izany, ary afaka mamantatra azy ireny avy any amin’ny iray kilaometatra sy sasany ny elefanta. Afaka mamantatra antso samy hafa hatramin’ny 150 karazana, koa izy ireo, ary mamaly tsara ny antson’ny mpianakaviny sy ireo iray andiany aminy. Mazàna ny elefanta dia tsy miraharaha ny antson’ireo elefanta vahiny na manjary taitaitra rehefa mandre izany. Taorian’ny nanaovany fandinihana fikarohana tao amin’ny Valam-pirenena Amboseli, atsy Kenya, ny Dr. Karen McComb, mpandinika ny fihetsiky ny biby, avy ao amin’ny Oniversiten’i Sussex, any Grande-Bretagne, dia nanazava fa “tsy hita eo amin’ny biby mampinono hafa ny fomba fifampiresahana lasa lavitra toy izany”, hoy ny tatitra nataon’ny The Times, any Londres.