Miverina Amin’ny Zavatra Fototra Ilaina eo Amin’ny Ady Amin’ny Tazomoka
Tsy anisan’ny vaovao amin’ny fotoana maha-be mpijery ny televiziona velively ny fahafatesana vokatry ny tazomoka, satria mifantoka amin’ny ady an-trano, ny heloka bevava, ny tsy fananana asa, sy ny krizy hafa ny sain’izao tontolo izao. Na dia izany aza, dia efa ho ny antsasaky ny mponina maneran-tany, hoy ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS), no rahonan’ny tazomoka ankehitriny, ary olona 300 tapitrisa ka hatramin’ny 500 tapitrisa eo ho eo no voan’izy io isan-taona, ka manjary “ny aretina miely patrana indrindra amin’ny aretina tropikaly rehetra sy iray amin’ny mahafaty indrindra”, ny tazomoka. Firy ny isan’ny matiny?
Isaky ny 20 segondra dia misy olona iray matin’ny tazomoka. Maherin’ny 1,5 tapitrisa no maty isan-taona — mira sanda amin’ny mponina manontolon’ny firenen’i Botswana atsy Afrika — raha araka io tarehimarika io. Atỳ Afrika tropikaly no itrangan’ny fahafatesana sivy amin’ny folo vokatry ny tazomoka, ary ankizy kely ny ankamaroan’ny maty. Any amin’ireo tanin’i Amerika, dia tao amin’ny faritr’i Amazonia no nanamarihan’ny OMS ny fisehoan’ny tazomoka be indrindra. Narahin’ny fitomboan’ny isan’ny olona voan’ny tazomoka ao amin’io tapany amin’izao tontolo izao io, ny fandripahana ala sy ny fiovana hafa eo amin’ny tontolo iainana. Any amin’ny fiaraha-monina sasany ao amin’ny faritr’i Amazonia any Brezila, dia nanjary lehibe aoka izany ilay olana, hany ka olona maherin’ny 500 isaky ny mponina 1 000 no voan’ny tazomoka.
Na atsy Afrika, na any amin’ireo tanin’i Amerika, na any Azia, na any an-toeran-kafa, dia ny antokon’olona mahantra indrindra no asian’ny tazomoka voalohany indrindra. Ireo olona ireo, hoy ny fanamarihan’ny OMS, no “manana fahafahana kely indrindra hahazo fikarakarana ara-pahasalamana sy hahasahana ny lany amin’ny fiarovan-tena, ary ny lavitra indrindra tsy tratran’ny fikambanana manara-maso ny tazomoka”. Na dia izany aza, dia tsy hoe tsy misy fanantenana akory ny toe-javatra mampahonena misy ireny mahantra ireny. Tato anatin’ireo taona faramparany, hoy ny TDR News, gazety kely mikasika ny fikarohana momba ny aretina tropikaly, dia nanjary azo nampiasaina kokoa ny iray amin’ireo fomba mahabe fanantenana indrindra mba hisorohana ny fahafatesana vokatry ny tazomoka. Ny anaran’io mpamonjy aina io? Lay aro moka vontom-panafody famonoana bibikely.
Tombony azo avy amin’ny lay
Na dia vahaolana miverina amin’ny zavatra fototra aza ny fampiasana lay aro moka, ny Dr. Ebrahim Samba, talen’ny biraon’ny OMS atsy Afrika, dia nilaza tamin’ny Panos Features, gazety kelin’ny Ivon-toerana Panos, fa nampiseho “vokany tena nampientanentana” ireo andrana natao hitsapana ny fandairan’ny lay aro moka eo amin’ny ady amin’ny tazomoka. Any Kenya, ohatra, dia nihena ampahatelony ny fahafatesana amin’ny ankapobeny, fa tsy ny fahafatesana vokatry ny tazomoka ihany, teo amin’ny ankizy latsaka ny dimy taona, noho ny nampiasana lay aro moka vontom-panafody famonoana bibikely. Ankoatra ny famonjena aina, “ny lay dia afaka mampihena tanteraka ny enta-mavesatry ny sampan’asa mikarakara ny fahasalamana”, satria ho vitsy kokoa ny mararin’ny tazomoka hila fitsaboana any amin’ny hopitaly.
Misy olana iray anefa mbola mila hovahana: Iza no handoa ny vidin’ireo lay? Rehefa nangatahina handray anjara ny olona tao amin’ny firenena afrikana iray, dia tsy nety ny ankamaroany. Ary tsy mahagaga izany, satria ho an’ny olona mipetraka any amin’ny firenena izay mandany latsaka ny dimy dolara (24 750 FMG eo ho eo) isan-taona, isaky ny olona, amin’ny fikarakaram-pahasalamana, dia haitraitra na dia ny lay aro moka aza — misy fanafody famonoana bibikely na tsia. Kanefa, satria ho kely kokoa noho ny lany amin’ny fitsaboana ny mararin’ny tazomoka ny ho lanin’ny fitondram-panjakana amin’io fomba fisorohana io, dia nomarihin’ny manam-pahaizana manokana ao amin’ny ONU fa “ho fomba iray mandaitra indrindra hitsitsiana ny tahirim-bolan’ny fitondram-panjakana efa manify ny fizarana sy ny fanokanam-bola ho amin’ny lay vontom-panafody”. Eny tokoa, ho an’ny fitondram-panjakana, dia mety ho fomba iray hitsitsiam-bola ny fanomezana lay aro moka. Ho an’ny olom-pireneny mahantra an-tapitrisany maro anefa, dia mihoatra lavitra noho izany izy io — fomba iray hamonjena ny ain’izy ireo izy io.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]
CDC, Atlanta, Ga.