Ny Fahafatesana Entin’ny Elatra Manify
Tsy ady mandrombaka ny pejy voalohany amin’ny gazety izany, kanefa maka ain’olombelona tsy tambo isaina. Tsy ady atao amin’ny alalan’ny baomba sy bala izany, kanefa mifaninana na mihoatra noho ireny ady ireny ny fahoriana sy famoizana aina entiny. Tsy avy ao an-kibon’ireo fiaramanidina fahavalo mpandatsaka baomba no iavian’ny fahafatesana amin’io ady io, fa entin’ny elatra marefon’ny moka vavy.
Avy amin’ny masoivohon’ny Mifohaza! any Nigéria
ALINA ny andro; matory ny ao an-trano. Miditra ao amin’ny efitrano fandriana ny moka iray, ny elany mikopakopaka eo amin’ny in-200 ka hatramin’ny in-500 isan-tsegondra eo. Mangetaheta ran’olombelona izy. Midina moramora mankeo amin’ny sandrin’ny zazalahy iray izy. Tsy mihetsika ilay zazalahy satria telo miligrama monja ny lanjan’ilay moka. Avy eo izy dia mamoaka avy ao anatin’ny tranony matsilotsilo eo amin’ny faritry ny vavany, fanjaitra mikinifinify iray izay anindronany ny hoditr’ilay zazalahy eo amin’ny lalan-dra iray faran’izay madinika. Misy paompy roa avy ao amin’ny lohany mitsentsitra ny rany. Mandritra izany fotoana izany, ny katsentsitry ny tazo dia mifindra avy amin’ny fihary roran’ilay moka mankao amin’ny ran’ilay zazalahy. Ao anatin’ny indray mipy maso dia vita izany rehetra izany; tsy mahatsapa na inona na inona ilay zazalahy. Lasa manidina, voky ra efa ho avo intelo heny noho ny lanjany ilay moka. Andro vitsivitsy monja atỳ aoriana dia marary efa ho faty ilay zazalahy. Voan’ny tazomoka izy.
Niverimberina inarivony tapitrisany maro izany zava-niseho izany. Fahoriana sy fahafatesana amin’ny lafiny goavana no vokany. Tsy isalasalana fa fahavalo lozabe sy tsy manana indrafo ho an’ny taranak’olombelona ny tazomoka.
Fikarohana amim-paharetana ilay fahavalo
Ny iray amin’ireo zavatra hita lehibe indrindra tamin’ny ady atao amin’ny tazomoka, dia tsy nataon’ireo mpahay siansa malaza tany Eoropa, fa nataon’ny mpandidy iray tao amin’ny Tafika Britanika tany India. Ireo mpahay siansa sy ireo dokotera tamin’ny taonjato faha-19, nifanaraka tamin’ny fisainana roa arivo taona teo aloha, dia nihevitra fa nahazo ilay aretina tamin’ny fifohana rivotra maloto sy mando ny olona.a Nifanohitra tamin’izany, ny Dr. Ronald Ross kosa dia nino fa nifindrafindra tamin’ny olona tamin’ny alalan’ny moka ilay aretina. Na dia rehefa fantatra aza fa nifandray tamin’ny fisian’ny katsentsitra tao amin’ny ran’olombelona no nahatonga ny tazomoka, dia nanohy nitady porofo teny amin’ny rivotra sy tao amin’ny ranon’ny honahona ireo mpanao fikarohana. Nandritra izany fotoana izany kosa i Ross dia nandinika ny tao anatin’ny kibon’ny moka.
Rehefa heverina ny fitaovana tsotra be tao amin’ny laboratoara tsy maintsy nampiasainy, dia hita fa tsy zavatra mora natao ny fandinihana ny tao anatin’ny kibon’ny moka. Raha teo am-piasana izy, dia moka sy bibikely sesehena no nirohotra nanodidina azy, tapa-kevitra, araka ny filazan’i Ross, hamaly faty “noho ny fahafatesan’ireo sakaizany”.
Tamin’ny farany, ny 16 Aogositra 1897, dia nahita tao amin’ireo soson’ny kibon’ireo moka anofela, organisma boribory izay nitombo habe nandritra ny alina, i Ross. Ny katsentsitry ny tazomoka io!
Nibitaka noho ny hafaliana i Ross ary nanoratra tao amin’ny boky fanamarihany fa nahita ny tsiambaratelo izay hamonjy “olona an’alinaliny” izy. Nanoratra andininy iray avy ao amin’ny bokin’ny Baiboly ao amin’ny Korintiana koa izy, manao hoe: “Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?” — Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 15:55.
Fandripahana entin’ny tazomoka
Dingana iray tamin’ny ady atao amin’ny tazomoka ny zavatra hitan’i Ross, dingana iray izay nanokatra ny lalana ho an’ny taranak’olombelona mba hanaovana ny fanafihana lehibe voalohany namelezana ilay aretina sy ireo bibikely mpitondra azy io.
Nandritra ny ankamaroan’ny tantaran’ny olombelona dia be dia be sady naharitra ny isan’ny aina nafoy noho ny tazomoka. Hamarinin’ireo soratra an-tsary egyptiana sy ireo soratra natao tamin’ny papyrus fa efa 1 500 taona talohan’i Kristy no nandripaka olona ny tazomoka. Izy io no nandrava ireo tanàna meva teny amin’ny lemak’i Grisia fahiny sy nahafaty an’i Aleksandra Lehibe teo amin’ny fahatanorany. Izy io no nandripaka ireo tanàna romana sy nahatonga ireo mpanankarena hifindra teny amin’ny havoana. Nandritra ireo Kroazada sy ny Ady An-trano Amerikana ary ireo ady lehibe roa dia namono olona maro kokoa noho ny maty tamin’ireo fifamelezana lehibe izy io.
Tatsy Afrika, dia nahatonga ny fahazoan’i Afrika Andrefana ny anarana hoe “Fasan’ny Vazaha” ny tazomoka. Raha ny marina, dia nanakantsakana aoka izany ny ady nifaninanan’i Eoropa mba hanjanahana an’i Afrika ny tazomoka, hany ka nambaran’ny oniversite iray tatsy Afrika Andrefana ho ny mahery fom-pirenena ny moka! Tany Amerika Afovoany, ilay aretina dia nandrava ny fiezahan’i Frantsa hanorina ny Andilan-dranomasin’i Panama. Tany Amerika Atsimo, tamin’ny fanamboarana ny lalamby Mamoré-Madeira tany Brezila, dia voalaza ho naka ain’olona iray isaky ny hazo rairaindrihana napetraka ny tazomoka.
Ady atao mba handresena
Niitatra efa ho an’arivony taona maro ny fiarovana tamin’ny moka, fa tsy ny fiarovana tamin’ny tazomoka. Tamin’ny taonjato faha-16 al.f.i., dia nampiasa ny menak’ilay hazo atao hoe Balanites wilsoniana mba hampandosirana ny moka ireo Egyptiana. Arivo taona tatỳ aoriana, dia nanoratra i Hérodote fa tamin’ny alina, dia nanarona ny fandrianany tamin’ireo haratony ireo mpanjono egyptiana mba hampanalavirana ny bibikely. Taonjato fito ambin’ny folo tatỳ aoriana, dia nitantara i Marco Polo fa ireo mponina mpanankarena tany India dia natory teo amin’ny fandriana nisy lamba fiarovana, izay azo nakatona tamin’ny alina.
Tany an-toeran-kafa, dia nahita fanafody voajanahary izay tena tsara tokoa ny olona. Tany Sina, nandritra ny 2 000 taona mahery, ny tazomoka dia notsaboina tamin’ny fomba nandaitra tamin’ny alalan’ny zavamaniry iray antsoina hoe qinghaosu, ravin-kazo atao fanafody vao nampiasaina indray tamin’izao taona faramparany izao. Tany Amerika Atsimo, dia nampiasa ny hodi-kazon’ny quinquina ireo Indiana tany Peroa. Tonga tany Eoropa tamin’ny taonjato faha-17 ny quinquina, ka tamin’ny 1820, dia nisy farmasianina roa tao Paris naka avy amin’izy io singa iray nantsoina hoe quinine.
Fitaovam-piadiana vaovao
Ela vao nekena ny naha-tsara ny quinine tamin’ny fisorohana sy ny fitsaboana ny tazomoka, nefa rehefa nekena izany, dia nanjary ny fanafody atolotra mba hiadiana amin’ny tazomoka nandritra ny zato taona izy io. Taorian’izany, teo am-piandohan’ny ady lehibe faharoa, dia namabo fambolena quinquina be dia be tany Extrême-Orient ny tafika japoney. Nahatonga ny fanaovana fikarohana nitombo momba ny fanafody iray voatr’olombelona mba ho fiarovana amin’ny tazomoka ny tsy fahampiana quinine mafy tany Etazonia. Vokatr’izany ny chloroquine, fanafody iray tsy manimba sy mandaitra aoka izany ary tsy lafo amboarina.
Vetivety dia nanjary ny fitaovam-piadiana lehibe hiadiana amin’ny tazomoka ny chloroquine. Nampidirina tamin’ireo taona 1940 koa ny DDT, fanafody famonoana bibikely, izay mahery mba hamonoana ny moka. Tsy hoe mamono ireo moka amin’ny fotoana amafazana azy fotsiny ny DDT, fa mamono ireo bibikely koa atỳ aoriana, amin’ny famelana ny sisany eny amin’ny rindrina nofafazana.b
Valim-panafihana mahabe fanantenana
Taorian’ny ady lehibe faharoa, dia nandamina valim-panafihana maneran-tany hamelezana ny tazomoka sy ny moka, ireo mpahay siansa nirongo ny DDT sy ny chloroquine. Roa ny vava ady natrehina — hampiasaina mba hamonoana ireo katsentsitra ao amin’ny tenan’olombelona ny fanafody, ary etsy an-kilany dia hatao mba hamongorana ny moka ny famafazana be dia be ireo fanafody famonoana bibikely.
Ny fandresena tanteraka no tanjona. Tsy maintsy fongorana ny tazomoka. Nitarika ny fanafihana ny Fandaminana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS) vao niforona, izay nanome ho an’ny fandaharam-pamongorana ny laharam-pahamehana voalohany. Notohanana ara-bola ny fahatapahan-keviny. Teo anelanelan’ny 1957 sy 1967, dia vola 1 400 000 000 dolara no nolanin’ireo firenena tamin’ny fanatontosana ilay ady maneran-tany. Nampitolagaga ny vokatra azo teo am-piandohana. Resy tanteraka ilay aretina tany Eoropa, tany Amerika Avaratra, tany amin’ny Firaisana Sovietika, tany Aostralia, ary tany amin’ny tany sasantsasany tany Amerika Atsimo. Nilaza ny heviny toy izao ny profesora L. J. Bruce-Chwatt, miaramila menavazana amin’ny ady atao amin’ny tazomoka: “Ho sarotra ankehitriny ny hilazalaza ny hafanam-po lehibe nentin’ny fieritreretana ny hamongotra ilay aretina naneran-tany nandritra izany vanim-potoana niadana izany.” Nangozohozo ny tazomoka! Nirehareha toy izao ny OMS: “Nanjary zava-misy azontsika tanterahina ny famongorana ny tazomoka.”
Miverina manafika indray ny tazomoka
Tsy natao ho azo anefa ny fandresena. Nanjary tsy nandairan’ireo fanafody famonoana bibikely ireo taranaka moka maro be izay tsy maty tamin’ilay famelezana simika mafy. Tsy mamono mora foana azy ireny toy ny teo aloha intsony ny DDT. Tahaka izany koa, dia nanjary tsy andairan’ny chloroquine ireo katsentsitry ny tazomoka ao amin’ny tenan’olombelona. Nitondra faharesena mahatsiravina tany amin’ny tany sasany, izay toa nahazoana fandresena, ireny zava-manahirana ireny sy ny hafa. Tany Sri Lanka, ohatra, izay niheverana ny tazomoka ho toy ny efa fongotra tamin’ny 1963, dia olona an-tapitrisany maro no voa noho ny fielezan’ilay aretina, dimy taona monja tatỳ aoriana.
Tamin’ny 1969, dia saika neken’ny rehetra fa fahavalo tsy laitra resena ny tazomoka. Ho solon’ilay teny hoe “famongorana”, dia ny fitenenana hoe “fampihenana” no nanjary be mpampiasa. Inona no tiana hambara amin’ny hoe “fampihenana”? Nanazava toy izao ny Dr. Brian Doberstyn, lehiben’ny sampana mikarakara ny tazomoka ao amin’ny OMS: “Ny hany azontsika atao izao dia ny manandrana mametra ny fahafatesana sy ny fijaliana mba tsy ho be loatra.”
Nilaza ny alahelony toy izao ny manam-pahefana hafa iray ao amin’ny OMS: “Taorian’ny fiezahana natao tao anatin’ireo taona 1950 mba hamongorana ny tazomoka sy ny fampiasana ny DDT mba hamonoana ny bibikely, dia nanao tsirambina ny ady atao amin’ny tazomoka ny fitambaran’olona iraisam-pirenena. Nahatonga ny faharetan’ilay aretina ny fahantrana, ny tsy fisian’ny rafitra fototra, ny tsy fandairan’ny fanafody atao ho an’ny olona sy ny fanafody famonoana bibikely. Raha ny marina, dia isika no resin’ilay aretina.”
Anton-javatra hafa iray mbola nanampy izany, ny fialan’ireo indostria mpanamboatra fanafody tamin’ny fikarohana nataony. Nilaza toy izao ny manam-pahaizana iray momba ny tazomoka: “Ny zava-manahirana dia hoe mila vola be izany, nefa tsy misy mihitsy tombony sy fanampiana.” Eny, na dia fandresena maro be aza no efa azo, dia tsy mbola vita velively ny ady atao amin’ny tazomoka. Miresaka ny amin’ny fotoana iray efa antomotra anefa ny Baiboly, rehefa ‘tsy hisy amin’ny mponina hilaza hoe: marary aho’. — (Isaia 33:24). Mandra-pahatongan’izany, dia mbola hoentin’ny elatra manify ny aretina sy ny fahafatesana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny teny hoe “malaria” anarana hafa ho an’ny tazomoka dia avy amin’ny teny italiana hoe mala (ratsy) aria (rivotra).
b Hita fa nanimba ny tontolo iainana ny DDT, ka norarana na nasiana fameperana mafy ny fampiasana azy any amin’ny tany 45.
[Efajoro, pejy 20]
Ady Ataon’ny Moka Amin’ny Olona
Mandrahona mivantana efa ho ny antsasaky ny mponina any amin’ny tany maherin’ny zato ny tazomoka, indrindra fa ireo monina any amin’ny tany mafana. I Afrika no toerana ifaharany indrindra.
Fantatra fa ny fiaramanidina no mitatitra ny moka avy any amin’ireo faritra mafana ka mamindra aretina amin’ireo olona monina eny akaikin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena.
Fahavoazana Entiny. Mamely olona 270 tapitrisa isan-taona izy io, ka mahafaty olona efa hatramin’ny 2 tapitrisa. Mahery vaika indrindra izy io eo amin’ny vehivavy bevohoka sy ny ankizy, ary mamono ankizikely roa isa-minitra amin’ny antsalany.
Mamely ireo mpitsidika ny tany mafana izy io. Isan-taona, araka ny voalazan’ny tatitra, i Eoropa dia “mampiditra avy any ivelany” olona mararin’ny tazomoka efa ho 10 000 ary i Amerika Avaratra olona maherin’ny 1 000.
Fomba Enti-Miady. Amin’ny alina indrindra no mamindra aretina amin’ny olona ilay moka vavy anofela. Mifindra amin’ny alalan’ny fampidiran-dra koa ny tazomoka, ary indraindray amin’ny alalan’ny fanindronana maloto .
Tsy nanana ny fahalalana sy ny fomba nentina nanafihana azy ny taranak’olombelona raha tsy vao tao anatin’izao taona faramparany izao. Na dia eo aza ny fiezahana mitambatra ataon’ny tany 105 izay manandrana mandresy ilay loza, dia mihamahazo vahana izy io.
[Efajoro/Sary, pejy 21]
Fiarovana Amin’ny Kaikitry ny Moka
Matoria amin’ny fandriana misy lay aro moka. Ireo lay aro moka vontom-panafody famonoana bibikely no tena tsara.
Ampiasao ny fitaovana fampangatsiahana efitrano amin’ny alina raha misy azo ampiasaina, na matoria ao amin’ny efitrano misy varavarankely sy varavarana misy makarakara fiarovana. Raha tsy misy makarakara fiarovana dia hidio tsara ny varavarana sy ny varavarankely.
Aorian’ny filentehan’ny masoandro, dia tsara kokoa ny manao akanjo lava tanana sy pataloa lava. Manintona ny moka ny loko matroka.
Hosory fanafody mampandositra bibikely ny faritra amin’ny tenanao tsy voaron’ny akanjo. Ireo misy ny atao hoe diéthyl-m-toluamide na diméthyl-phthalate fidina.
Mampiasà famonoana moka afantsitsitra, famonoana moka ara-aratra, na horonana emboka dorana mba hampandosirana ny moka.
Loharano nanovozana: Fandaminana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana.
[Sary nahazoan-dalana]
H. Armstrong Roberts
[Efajoro, pejy 22]
“Tsy Misy ny Atao hoe ‘Bala Majika’”
Na dia toa lavitra aza ny fahatsinjovana fandresena tanteraka, dia mitohy ny ady atao amin’ny tazomoka. Tao amin’ny konferansa iraisam-pirenena momba ny tazomoka, natao tamin’ny Oktobra 1991 tany Brazzaville, Congo, ireo solontenan’ny OMS dia nanao antso mba hialana amin’ny “fihetsika fahita fa hoe tsy misy azo atao intsony” ary nanolo-kevitra mba hanaovana fanetsiketsehana maneran-tany indray mba hampihenana ny tazomoka. Ahoana no ho fahombiazan’ny fiezahana toy ireny?
“Tsy misy ny atao hoe ‘bala majika’ hamonoana ny tazomoka”, hoy ny fanambaran’i Hiroshi Nakajima, tale jeneralin’ny OMS tsy ela izay. “Amin’ny vava ady maro àry no tsy maintsy iadiantsika amin’izy io.” Ireto ny vava ady telo izay nampahalalaina betsaka vao haingana:
Ny Vaksiny. Niasa an-taonany maro tamin’ny fikarohana vaksiny fanefitra amin’ny tazomoka ireo mpahay siansa, ary indraindray dia manao tatitra ny amin’ny “fanafihana nandresena tosika” notanterahin’ny fikarohana, ireo fampitam-baovao. Mampangina izay mety ho fanantenana fihatsaran-javatra tafahoatra anefa ny OMS, ary mampitandrina ny amin’ny “fahadisoan-kevitra amin’ny mety ho azo ampiasana vaksiny fanefitra amin’ny tazomoka amin’ny hoavy tsy ho ela”.
Iray amin’ireo zava-manahirana amin’ny fitadiavana vaksiny dia ny fahaizana mahavariana ananan’ilay katsentsitry ny tazomoka ao amin’ny tenan’ny olona, misoroka ireo fiezahan’ny rafi-kery fanefitra hamono azy io. Na dia rehefa niverimberina taona maro aza ilay aretina, dia tsy mampitombo afa-tsy fiarovan-tena voafetra amin’izy io ny olona. Manao izao fanamarihana izao ny Dr. Hans Lobel, mpikaroka ao amin’ny Foibe Amerikana Fanaraha-maso ny Aretina any Atlanta: “Tsy mampitombo hery fiarovana ny tena na dia taorian’ny fihetsehana aretina vitsivitsy aza. Noho izany, dia miezaka manatsara ny natiora fotsiny ianao [amin’ny fitadiavana hanao vaksiny iray].”
Ny Fanafody. Koa satria ireo fanafody efa misy tsy mandaitra hatrany amin’ny katsentsitry ny tazomoka, dia mampahafantatra ilay fanafody vaovao antsoina hoe artémisinine ny OMS, fanafody namboarina avy amin’ny qinghaosu, ahitra sinoa.c Antenain’ny OMS fa ny qinghaosu dia mety hahazoana karazam-panafody vaovao tanteraka vita nanahary, izay ho azon’ny olona maneran-tany ampiasaina ao anatin’ny folo taona.
Ny Lay Aro Moka. Mbola mandaitra itỳ fiarovana tranainy amin’ny moka, efa roa arivo taona itỳ. Amin’ny alina mazàna no mamely ny moka mpamindra tazo, ary ny lay aro moka dia mampanalavitra azy ireny. Tena mandaitra ireo lay aro moka nasoka tao amin’ny ranoka famonoana bibikely toy ny permethrine. Asehon’ny fandinihana natao tatsy Afrika fa tao amin’ireo tanàna kely nampidirana ireo lay aro moka nasoka dia nihena 60 isan-jato ny fahafatesana vokatry ny tazomoka.
[Fanamarihana ambany pejy]
c Ny Qinghaosu dia nalaina avy amin’ny ahitra mangidy atao hoe Artemisia annua.
[Efajoro/Sary, pejy 23]
Hanao Dia ho any Amin’ny Tany Mafana ve Ianao?
Tokony hanaraka ireto torohevitra manaraka ireto ianao raha manam-pikasana ho any amin’ny faritra misy tazomoka:
1. Manatòna dokotera na toerana fanaovana vaksiny.
2. Araho amin’ny fomba hentitra ireo torolalana omena anao, ary raha toa ianao mihinam-panafody fiarovana amin’ny tazomoka, dia tohizo mandritra ny iray volana aorian’ny nandaozanao ilay faritra misy tazomoka izany.
3. Miarova tena amin’ny kaikitry ny moka.
4. Fantaro ireo soritr’aretin’ny tazomoka: fanaviana, aretin’andoha, hozatra manakotsako, fandoavana, ary/na aretim-pivalanana. Tadidio fa ny tazomoka dia mety hiseho herintaona aorian’ny nandaozanao ny faritra misy tazomoka, na dia nampiasa fanafody fiarovana amin’ny tazomoka aza ianao.
5. Raha miseho ny soritr’aretina, dia manatòna dokotera. Mety hihamafy haingana dia haingana ny fihetsehan’aretina ary afaka hitarika fahafatesana, latsaka ny 48 ora aorian’ny nisehoan’ireo soritr’aretina voalohany.
Loharano nanovozana: Fandaminana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 19]
H. Armstrong Roberts