FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/8 p. 12-14
  • Sakafo ho An’ny Rehetra — Nofinofy Fotsiny Ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sakafo ho An’ny Rehetra — Nofinofy Fotsiny Ve?
  • Mifohaza!—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Tsy fananana ahiahy ara-tsakafo” — Nahoana no sarotra aoka izany ny mahazo azy?
  • ‘Mila fanaovan-javatra izahay, fa tsy fihaonana an-tampony intsony’
  • Iza no hamahana ny noana?
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Mosary Amin’izao Andro Izao?
    Foto-kevitra Hafa
  • Tapa-kevitra ny Hanampy ny Ankizy Izy Ireo
    Mifohaza!—1993
  • Efa Hifarana Ilay “Loza Misoko Mangina”!
    Mifohaza!—2003
  • Sarotra ny Mamatsy ny Tanàn-dehibe
    Mifohaza!—2005
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/8 p. 12-14

Sakafo ho An’ny Rehetra — Nofinofy Fotsiny Ve?

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY ITALIA

“MANAN-JO ho afaka amin’ny hanoanana sy ny tsy fahampian-tsakafo ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy rehetra”, hoy ny fanambaran’ny Kaonferansy Iraisam-pirenena Momba ny Sakafo izay notohanan’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Sakafo sy ny Fambolena (FAO), tamin’ny 1974. Nisy antso natao tamin’izay fotoana izay mba hamongorana ny hanoanana tsy ho eo amin’izao tontolo izao, “ao anatin’ny folo taona”.

Kanefa, rehefa nihaona tao amin’ny foiben’ny FAO any Roma ny solontenan’ny tany 173, tany amin’ny faramparan’ny taon-dasa, ho amin’ny Fihaonana An-tampony Iraisam-pirenena Momba ny Sakafo naharitra dimy andro, dia ny hanontany hoe: “Inona no tsy nety?” no zava-nokendren’izy ireo. Tsy vitan’ny hoe tsy tontosa ny fanomezana sakafo ho an’ny rehetra, fa ankehitriny, mihoatra ny 20 taona atỳ aoriana, dia vao mainka ratsy kokoa ny tarehin-javatra.

Ilana fikarakarana maika ny raharaha lehibe mahakasika ny sakafo sy ny mponina ary ny fahantrana. Araka ny neken’ny tahirin-kevitra iray navoaka tamin’io fihaonana an-tampony io, raha tsy voalamina ireo zava-manahirana ireo, dia “mety hisy fiantraikany lehibe eo amin’ny tsy fihilangilanana ara-tsosialin’ny tany sy ny faritra maro, angamba aza hanimba ny fandriampahalemana maneran-tany mihitsy izany”. Niteny tamin’ny fomba mazava kokoa ny mpandinika iray hoe: “Ho hitantsika ny faharavan’ny sivilizasiona sy ny kolontsaim-pirenena.”

Araka ny tenin’i Jacques Diouf, Tale Jeneralin’ny FAO, dia “olona 800 tapitrisa mahery amin’izao andro izao no tsy afaka mahazo sakafo amin’ny fomba ampy; misy ankizy 200 tapitrisa anisan’izy ireo”. Tombanana fa any amin’ny taona 2025, ny mponina maneran-tany izay miisa 5 800 tapitrisa izao, dia hiakatra ho 8 300 tapitrisa, ka avy any amin’ny tany eo an-dalam-pandrosoana ny ankamaroan’ny fitomboana. Nilaza ny alahelony toy izao i Diouf: “Ambony amin’ny fomba tsy azo ekena ny tontalin’isan’ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy tsy nomena ny zony tsy azo esorina aminy, dia ny zo ho amin’ny fiainana sy ny fahamendrehana izany. Ny fitarainan’ny noana dia mifanindran-dalana amin’ny fangirifiriana manginan’ny nofon-tany simba, ny ala mihakaoka ary ny toeram-panjonoana mihavitsy hazandrano.”

Inona no fanafody aroso? Milaza i Diouf fa ny vahaolana dia ao amin’ny “fanaovan-javatra amin-kerim-po”, amin’ny fanomezana “tsy fananana ahiahy ara-tsakafo” ho an’ireo tany tsy ampy sakafo, ary koa fahaizana, sy vola ary teknôlôjia izay hahafahan’izy ireo hamahan-tena.

“Tsy fananana ahiahy ara-tsakafo” — Nahoana no sarotra aoka izany ny mahazo azy?

Araka ny tahirin-kevitra iray navoakan’ilay fihaonana an-tampony, dia “hisy ny tsy fananana ahiahy ara-tsakafo rehefa afaka mahazo sy mividy sakafo ampy sy azo antoka ary mahavelona ny olona rehetra, amin’ny fotoana rehetra, mba hanomezany fahafaham-po ny zavatra ilainy ara-tsakafo sy hihinanany izay sakafo tiany, ka hananany fiainana marisika sy mahasalama”.

Ny fotoan-tsarotra hitan’ireo mpitsoa-ponenana tany Zaïre dia nanazava hoe tamin’ny ahoana no nety hahatandindomin-doza ny tsy fananana ahiahy ara-tsakafo. Raha mbola mosarena ny mpitsoa-ponenana rwandais iray tapitrisa, ireo masoivohon’ny ONU kosa, dia nanana tahirin-tsakafo azo noraisina mba hamahanana azy ireo. Nitaky fanomezan-dalana avy amin’ny fitondram-panjakana sy fiaraha-miasan’ny manam-pahefana teo an-toerana — na mpitari-tafika teo an-toerana, raha toa nifehy ny tobin’ny mpitsoa-ponenana izy ireo — anefa ny fandaharam-pitaterana sy fizarana ireo sakafo. Ny zavatra nilana fikarakarana maika tany Zaïre dia mampiseho indray hoe toy inona moa ny hasarotry ny hamahanan’ny fiaraha-monina iraisam-pirenena ny noana, na dia rehefa misy sakafo azo raisina aza. Hoy ny fanamarihan’ny mpandinika iray: “Fikambanana sy antokon’olona maro be no tsy maintsy hierana sy hanaovana fitalahoana vao misy zavatra azo atao.”

Araka ny nomarihin’ny tahirin-kevitra iray avy tamin’ny Minisiteran’ny Fambolena any Etazonia, dia misy antony fototra maromaro mety hikiky mafy miandalana ny tsy fananana ahiahy ara-tsakafo. Ankoatra ny loza araka ny natiora, dia tafiditra amin’ireo antony ireo ny ady sy ny ady an-trano, ny tetik’asam-pirenena tsy mety, ny tsy fahampian’ny fikarohana sy ny teknôlôjia, ny fahasimban’ny tontolo iainana, ny fahantrana, ny fitomboan’ny isan’ny mponina, ny tsy fitovian-jon’ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny tsy fahasalamana.

Nisy zava-bita sasany. Nanomboka tamin’ireo taona 1970, ny vatsin’angôvo ara-tsakafo, izay manondro ny sakafo lany, dia avy teo amin’ny 2 140 kalôria no niakatra ho 2 520 kalôria isan’olona, isan’andro, any amin’ireo firenena eo an-dalam-pandrosoana. Araka ny nambaran’ny FAO anefa, noho ny fitomboan’ny isan’ny mponina hahatratra an’arivo tapitrisany maromaro any amin’ny taona 2030, “ny fihazonana fotsiny ny habetsahan-tsakafo azo raisina amin’izao fotoana izao, dia hitaky fitomboana haingana sady azo tazonina maharitra eo amin’ny famokarana, mba hampitomboana maherin’ny 75 isan-jato ireo vatsy, kanefa tsy ho voatery hanimba ny loharanon-karena voajanahary izay iankinan’ny aintsika rehetra”. Asa manjombona, araka izany, ny fanomezana sakafo ho an’ireo mponina mosarena.

‘Mila fanaovan-javatra izahay, fa tsy fihaonana an-tampony intsony’

Niantefan’ny fanakianana maro ny fomba fanaovan-javatry ny Fihaonana An-tampony Iraisam-pirenena Momba ny Sakafo sy ireo fifanekena nataony. Nisy solontena iray avy any Amerika Latina nanameloka ho zavatra “mahamenatra” ny “hakelin’ny” fanomezan-toky hampihenana ny isan’ny olona tsy ampy sakafo ho antsasaky ny isany amin’izao fotoana izao monja. Firenena 15 no naneho tsy fitovian-kevitra teo amin’ny fanazavany ny volavolan-kevitra neken’ilay fihaonana an-tampony. Na dia mba hahatongavana amin’ny famolavolana fanambarana sy tetik’asa tsotra aza, hoy ny gazety italiana La Repubblica, dia “nilaina ny fifanatrehana sy ny fikaonan-doha naharitra roa taona. Nolanjalanjaina tsara ny teny tsirairay sy ny faingo tsirairay mba tsy hahatonga ilay fery nisokatra (...) hanomboka handeha ra indray”.

Maro tamin’ireo nanampy mba hanomanana ireo tahirin-kevitr’ilay fihaonana an-tampony no tsy faly tamin’ireo vokatra azo. “Faran’izay be fisalasalana izahay raha ny amin’ny hahatanteraka na tsia ireo volavolan-kevitra tsara izay nambara”, hoy ny iray. Ny antony iray nifandirana dia hoe tokony hofaritana hoe “zo ekena maneran-tany” ve ny fahazoana sakafo sa tsia, satria ny “zo” dia azo arovana ao amin’ny fitsarana. Nanazava toy izao ny lehilahy kanadiana iray: “Natahotra ireo Fitondrana manankarena sao hoterena hanolotra fanampiana. Izany no antony nanantitranterany hoe tokony hohalefahina ny soratra ao amin’ilay fanambarana.”

Noho ny resaka tsy nisy farany tao amin’ireo fihaonana an-tampony notohanan’ny ONU no nilazan’ny minisitry ny governemanta iray any Eoropa toy izao: “Noho izahay nandany fehin-kevitra maro be aoka izany tao amin’ny kaonferansy tany Le Caire [momba ny mponina sy ny fampandrosoana, natao tamin’ny 1994], dia tsapanay fa niverina teo amin’ny zavatra efa nodinihinay ihany izahay isaky ny kaonferansy nanaraka.” Nanoro hevitra toy izao izy: “Ny fanatanterahana tetik’asa no tsy maintsy hataonay loha laharana, fa tsy ny fanaovana Fihaonana An-tampony intsony, ho tombontsoan’ireo mpiara-belona amintsika.”

Nanazava koa ireo mpandinika fa na dia ny fanatrehana an’ilay fihaonana an-tampony aza dia fandaniana navesatra ho an’ny firenena sasany izay zara raha afaka nisahana izany. Nisy firenena afrikana kely iray nandefa solontena 14 niampy minisitra 2, ary nipetraka tao Roma nandritra ny tapa-bolana mahery izy rehetra ireo. Nanao tatitra ny gazety italiana Corriere della Sera fa ny vadin’ny filoham-pirenena afrikana iray dia nanaram-po be nandany 23 000 dolara (105 570 000 FMG eo ho eo) tany amin’ny faritra be fivarotan-javatra ara-damaody indrindra ao Roma. Latsaka ny 3 300 dolara (16 335 000 FMG eo ho eo) ny salan’ny fidiram-bolan’ny mponina ao amin’io tany afrikana io, isan’olona, isan-taona.

Misy antony tokony hinoana ve fa hahomby ilay Teti-drafitrasa nolanina tao amin’ilay fihaonana an-tampony? Mamaly toy izao ny mpanao gazety iray: “Ny hany azontsika antenaina izao dia ny handraisan’ireo fitondram-panjakana azy io ho zava-dehibe sy ny hanaovany dingana mba hahazoana antoka fa hotanterahina ny tolo-kevitra raketin’izy io. Hanao izany ve izy ireo? (...) Tsy manolotra afa-tsy antony kely hanantenana lafy tsaran-javatra ny tantara.” Io mpilaza vaovao io ihany no nisarika ny saina ho amin’ny zava-misy mandiso fanantenana hoe na dia teo aza ny fifanarahana tao amin’ny Fihaonana An-tampon’ny Planeta Tany, natao tany Rio de Janeiro tamin’ny 1992 mba hanangonana 0,7 isan-jaton’ny arin-karena faobe ho fandraisana anjara amin’ny fanampiana amin’ny fampandrosoana, dia “firenena vitsy dia vitsy monja no nahatratra io tanjona tsy nifanerena io”.

Iza no hamahana ny noana?

Nasehon’ny tantara tamin’ny fomba feno fa na dia eo aza ny fikasana tsara ananan’ny taranak’olombelona, dia “tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany”. (Jeremia 10:23). Koa tsy azo inoana ny hahafahan’ny olombelona, raha izy fotsiny, hanome sakafo ho an’ny rehetra. Ny fierenana sy ny tsy fahaiza-mitantana ary ny fitiavan-tena dia nitarika ny taranak’olombelona ho any anaty tevana. Nanazava toy izao i Diouf, Tale Jeneralin’ny FAO: “Rehefa dinihina, dia fanovana ny fo sy ny saina ary ny faniriana, no takina.”

Ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no afaka manao izany. Taonjato maro lasa izay, raha ny marina, dia naminany toy izao i Jehovah, momba ny vahoakany: “Hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.” — Jeremia 31:33.

Fony nanomana ny zaridaina tany am-boalohany ho fonenan’ny taranak’olombelona i Jehovah Andriamanitra, dia nanome ho an’ny olombelona “ny anana manintsam-boa rehetra izay ambonin’ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa” ho sakafo. (Genesisy 1:29). Fanomezana tondraka, nahavelona ary azo noraisina mora foana izany. Izany dia izay nilain’ny taranak’olombelona manontolo mba hanomezana fahafaham-po ny filany sakafo.

Tsy niova ny fikasan’Andriamanitra. (Isaia 55:10, 11). Nanome toky izy, tany aloha ela, fa izy irery ihany no hanome fahafaham-po ny zavatra rehetra ilain’ny taranak’olombelona, amin’ny alalan’ny Fanjakany tantanan’i Kristy, ka hanomezany sakafo ho an’ny rehetra, hanafoanany ny fahantrana, hifehezany ny loza araka ny natiora, ary hanafoanany ny ady. (Salamo 46:8, 9; Isaia 11:9; ampitahao amin’ny Marka 4:37-41; 6:37-44.) Amin’izany fotoana izany, ‘ny tany dia hahavokatra; hitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika’. “Hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza”. — Salamo 67:6; 72:16.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 12]

Dorothea Lange, FSA Collection, Library of Congress

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara