Ny Tontolo Mareva-dokon’ny Haran-dranomasina
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY PAPOUASIE-NOUVELLE-GUINÉE
MANARAKA saiky ny moron-tsiraka manontolon’i Papouasie-Nouvelle-Guinée ny haran-dranomasina. Tamin’ny lasa, ireo tantsambo dia nihevitra azy ireny ho tsy inona fa zavatra mety hahitan-doza. Fa ho an’ireo izay efa nizaha ny rano manodidina azy ireny kosa, dia fidirana ho ao amin’ny tontolo iray tsara tarehy tokoa, sy miloko ary milamina ireo haran-dranomasina — fijeremanamaro (kaléidoscope) iray any anaty rano!
Tena zava-tsarotra ny hoe hanandrana haka sary an’io tontolo any anaty rano io. Voalohany aloha, ny fahitana ny zavatra any anaty rano dia toa sahabo ho telo ampahefatry ny tena halavirany; sarotra araka izany ny fikendrena mazava. Mitelina sy manaparitaka ary mampivily ny hazavana ny rano. Mety hiovaova be koa ny lokon-javatra arakaraka ny toetr’andro, ny zoron’ny tara-masoandro, ny fisian’ny ahidrano sy biby sy zavamaniry bitika, ny halalin’ny rano, ary ny karazan’ny fanambanin’ny ranomasina sy ny lokony. Ambonin’izany rehetra izany, ny rano, ilay zavatra alaina sary, sy ilay mpaka sary mihitsy dia mihetsiketsika foana!
Na dia izany aza, dia nahomby kely ihany ny mpaka sary sasany teo amin’io lafiny io. Ireo sary izay hitanao eto dia nalaina nandritra ny fitsangantsanganana tany anaty rano. Andeha ianao ampahafantarinay efatra amin’ireo zavaboary mambabo, azo sary tany ambanin’ireo onja.
Ny sary 1 dia mampiseho sifotra tigra (Cypraea tigris) tsara tarehy, mponin’ny ranomasimbe. Hafahafa izany anarana izany, rehefa heverina fa misy pentimpentina, fa tsy tsipitsipika, ny akorany manam-bika voakaly tsara. “Any aminy” ny sifotra tigra ao, satria ny haran-driaka sy ny sponjy no fihinany. Nampiaiky volana aoka izany ny Sinoa fahiny izy io, hany ka nampiasainy ho toy ny vola ny akoran’izy io. Eto Papouasie-Nouvelle-Guinée, ny akoran’ny sifotra tigra dia mbola ampiasaina ho vola madinika any amin’ireo tsenan’ny teratany. Ny ankamaroan’ny mponina eto an-toerana anefa dia mitsimpona azy ireny noho ny hatsaran-tarehiny malambolambo fotsiny.
Ny sary 2 dia karazana kankan-driaka (Spirobranchus giganteus) miloko tsara tarehy. Mety hipetraka ao amin’ny haran-driaka efa maty izy, na mety hanao lavaka ao amin’ny haran-driaka mbola velona. Toy ny voninkazo izy rehefa tsy mihetsika. Rehefa noana anefa izy, dia manodinkodina haingana an’ireo tandrony mba hanome endrika “harato”, hahazoana haingana poti-kanina mandalo. Rehefa mihetsika ireo tandrony voloina, dia toy ny laharana mpandihy madinika manofahofa ny fikopany. Tsy mirefy afa-tsy folo milimetatra ny sakan’io karazany iray io. Tsy maintsy mitandrina anefa ny mpaka sary mba tsy hanao fihetsika tampoka. Raha vao misy famantarana loza, toy ny indray mipy maso, dia misitrika ao anaty tranony mafy ireto zavaboary madinika kely tsara tarehy ireto.
Ny sary 3 dia ny sponjy. Tsy misy itoviana firy amin’ilay sponjy sentetika mitsinkafona ao anaty fandroanao izy io. Biby velona ny sponjy raha ny marina, fa tsy zavamaniry. Antontan-tsela misy lavadavaka madinika izay miara-miasa amin’ny fomba faran’izay manokana, izy io. Milaza ilay boky hoe The Undersea fa ireo selan’ny sponjy “dia sady tsy voalamina hiara-miasa akaiky no tsy mifampiankina. Araka izany, raha potipotika ny sponjy velona iray, ny sombintsombiny tsirairay dia mahaforona sponjy iray vaovao amin’ny farany. Na dia voasaratsaraka aza ireo sela tsirairay, dia mikisaka miolanolana tahaka ny amiba izy mandra-pitambany ka hahaforona sponjy manontolo indray”.
Tsy mba tahaka ny zavamaniry, izay manamboatra ny sakafon’ny tenany ihany ny sponjy, fa “mihaza” ny sakafony. Mitroka ny rano manodidina izy ary mitantavana azy io mba hahazoana tenan-javatra. Tahaka ny biby hafa rehetra, dia mandevona ny sakafony izy ary mamoaka ny malotony. Miraikitra amin’ny vato na amin’ny akorandriaka ao amin’ny fanambanin’ny ranomasina no hahitanao ny sponjy.
Farany, eo amin’ny sary 4, dia misy palourde “mimpirimpirina”. Tsy mifindrafindra toerana izy io ary azo atao ny mahita azy mora foana any amin’ny haram-bato na mipetraka fotsiny ao amin’ny fanambanin’ny ranomasina. Ny ankamaroany dia mamahan-tena amin’ny fanatantavanana ny rano mba hahazoana biby sy zavamaniry bitika. Antsoina hoe karazan-tsifotra roa fonony ny palourde noho izy manana akorany, na fonony roa. Misy rohinofo iray mihazona azy ireo hitambatra ary misy ozatra matanjaka roa manokatra sy manidy azy. Rehefa mila mandeha ny palourde iray dia misokatra izy ary mivoaka kely ny tongony vory nofo. Raha misy fahavalo manatona anefa, dia misitrika ao anaty akorany izy ary ‘mangina’!
Ireto sary ireto dia tsy manome afa-tsy topy maso kely fotsiny ny amin’ny zavatra tazana mahatalanjona izay mety ho hita ao amin’ny ranomasina feno akorandriaka — mbola toerana iray hafa ampirantina ny fahendren’i Jehovah mitory fahaiza-mamorona. — Romana 1:20.
[Sary, pejy 16, 17]
1. Mbola ampiasaina ho vola ny sifotra tigra
2. Ireto “voninkazo” ireto dia karazana kankan-driaka, raha ny marina
3. Biby ny sponjy, fa tsy zavamaniry
4. Mihinana biby sy zavamaniry bitika ny “palourde” (ny vavany no aseho)