“Mena Sarobidy” avy atỳ Mediterane
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ITALIA
NISY fotoana tsy nampitovy hevitra ny manam-pahaizana hoe zavamaniry izy io sa mineraly. Efa hatramin’ny ela ny olona no voasariky ny lokony marevaka. Nandritra ny taonjato maro, dia natao fitaovana fandravahana izy, akora fampiasan’ny mpanao asa tanana, ody atao fiaro, fanafody, ary takalona entam-barotra mihitsy aza. Firavaka no tena amboarina aminy izao. Fa inona ilay izy? Vato harana mena avy atỳ Mediterane. Tena lafo vidy izy io ka nantsoina hoe mena sarobidy.
Fa inona moa ny vato harana mena? Amin’ny fomba ahoana no iforonany ary aiza? Inona avy no fomba nakana azy? Ahoana no nanamboarana azy taloha? Ary ankehitriny?
Biby sa zavamaniry sa mineraly?
Efa ela ny mpandinika zavaboary no niresaka ny amin’ny vato harana mena (Corallium rubrum) sy ny fomba fakana azy ary ny fampiasana azy. Tamin’ny taonjato faha-18 anefa vao tena fantatra fa taolam-bibikely izy ireny. Toy izany daholo ny vato harana rehetra. Tanan’ireo bibikely ireo ilay toy ny hoe voninkazo eo amina rantsankazo madinika any an-dranomasina. Karibonetra mafy misy kalsioma, avoakan’izy rehetra hiarovany ny tenany ireny toy ny rantsankazo ireny, ary mahatratra 25 ka hatramin’ny 30 santimetatra ny halavany. Mena, amin’ny ankapobeny, ny lokon’ny rantsana tsirairay, saingy mety hisy karazany maromaro izany loko izany. Hita any amin’ny toerana mafy tsara ny vato harana mena: Eny ambony vato na sambo rendrika, na eny ambonin’ireny bala-tafondro taloha ireny mihitsy aza. Any amin’ny 250 metatra ambanin’ny ranomasina no misy azy. Ranomasina tony, madio, bebe sira ary mafampana (10 ka hatramin’ny 29 degre) vao mahavelona tsara ny vato harana mena. Ahitana azy io atỳ amin’ny Ranomasina Mediterane akaikin’i Albania, Alzeria, Espaina, Frantsa, Gresy, Iogoslavia, Italia, Maroc, ary Tonizia. Misy koa any amin’ny Ranomasina Atlantika akaikin’i Cap-Vert sy Maroc. Mihalava 4 ka hatramin’ny 8 milimetatra isan-taona eo ho eo ny vato harana mbola tanora ary mitombo 1,5 milimetatra eo ho eo ny savaivony.
Sarobidy efa hatramin’ny taloha
Hita tamin’ny fikarohana natao fa efa hatramin’ny ela no sarobidy ny vato harana. Efa ela koa izy io no nanamboarana zavatra sy namidy. Mety ho ireo rantsana natosiky ny onja teny amin’ny torapasik’i Mediterane ihany, tamin’ny voalohany, no nalain’ny olona. Nisy tapatapaka vato harana mena, izay angamba nampiasaina ho ody atao fiaro, hita tany amin’ny fasana fahiny any Soisa. Nisy vato harana mena niaraka tamin’ny firavaky ny andriamanitra somerianina iray. Tena sarobidy tamin’ny Ejipsianina koa izy io. Nitovy ny hasarobidin’ny vato harana, izay antsoin’ny Baiboly hoe voahangy, sy ny volafotsy ary ny volamena voafantina, teo amin’ny Jiosy fahiny. (Ohabolana 8:10, 11; Fitomaniana 4:7) Tena sarobidy koa izy io tamin’ireo Selta ka nampihaingoany ny fiadiany sy ny lamboridin-tsoavaliny.
Milaza i Pline, mpandinika zavaboary romanina fa tamin’ny taonjato voalohany, dia nisy vato harana mena nangonina tany amin’ny Golfe du Lion sy nanamorona ny moron-tsiraka andrefan’ny saikinosy italianina ary nanodidina an’i Sicile. Nosintonina tamin’ny harato izy ireny na notapahina tamin’ny vy maranitra. Nihevitra ny olona tamin’izany fa nanasitrana ny fanaviana sy ny fisian’ny vato ao amin’ny voa ary ny areti-maso ny vato harana mena. Noeritreretina koa hoe niaro ny tompony tamin’ny rivo-doza sy ny tselatra izy io.
Nanamboatra fitaovana fanangonana vato harana ny Arabo avy any Afrika Avaratra, tamin’ny taonjato fahafolo. Hazo lehibe miendrika X izany, ka 4 na 5 metatra eo ho eo ny halavany. Vesarana vato be ireo hazo ireo ary ametahana harato eo afovoany sy eo amin’ny zorony, ka 8 metatra eo ho eo ny halavan’ireo harato ireo. Ampidinina avy eo amin’ny sambo ilay fitaovana mba hilatsaka eo ambonin’ireo vato harana, ary sarihana hanaraka azy ireo. Tapatapaka ny rantsan’izy ireo rehefa voasaringotry ny harato. Ampiakarina amin’izay ilay fitaovana rehefa azo ireo vato harana. Nisy karazany maro tamin’io fitaovana io nampiasaina hatramin’izay. Norarana anefa izany, efa ho taona vitsivitsy izao, ka mpilomano mpanao antsitrika indray no nasaina nanangona ny vato harana, satria atahorana ho simba ny fanambanin’ny ranomasina sy ny biby any. Afaka mifidy kokoa izay vato harana halaina mantsy ny mpilomano mpanao antsitrika sady tsy manimba zavatra loatra. Hita anefa fa alain-dry zareo daholo, indraindray, izay vato harana hitany any ambany ranomasina.
Asa tanana italianina nentim-paharazana
Nanamboaran’ny mpanao asa tanana romanina fahiny ody atao fiaro sy vakana fanao amin’ny rojo ary sary sokitra mampiseho zavatra ao amin’ny angano na zavatra tena nisy ny vato harana mena. Nandeha be ny fanondranana entam-barotra toy ny vakana sy bokotra, avy any Gênes nankany Constantinople sy ny seranana hafa tatỳ Mediterane, tamin’ny taonjato faha-12. Be mpitady ny vato harana mediteraneanina, tany Inde sy Indochine, tamin’ny andron’i Marco Polo (taonjato faha-13). Tongan’ny mpivarotra arabo hatrany Chine mihitsy aza izy io.
Betsaka ny fitaovana fandravahana malamalama natao tany Trapani, Naples, Gênes, ary ny tanàna hafa. Nalaza ny asa tanana avy any Trapani tamin’ny taonjato faha-16 hatramin’ny taonjato faha-18. Nisy zavatra isan-karazany vita tamin’ny hazo na metaly nasiana ankoso-bolamena, ohatra, noravahana vato harana kely. Anisan’izany ny fitoerana firavaka, vilia, tabilao fasiana sary, fitaratra, ary fitaovana fandravahana trano fiangonana. Natao tamin’ny vato harana ny sary sokitra be pitsony mampiseho ny nahaterahan’i Jesosy, ary nasiana vakana kely an’arivo vita tamin’ny vato harana ny akanjo sarobidy sy ny lamban’ny alitara. Be dia be mihitsy ny karazana firavaka namboarina tamin’ny vato harana, indrindra tamin’ny taonjato faha-19. Anisan’ireny ny fehiloha, kavina, rojo na zavatra ahantona eo aminy, sary sokitra kely, haingon’akanjo, na haba natao endrika voninkazo, ravinkazo, biby, ary sary tamin’ny andron’ny Grika sy ny Romana fahiny.
Ny tanànan’i Torre del Greco, any amin’ny Helodranon’i Naples, eto Italia, no tena manao asa tanana amin’ny vato harana mena. Mampiasa ny 90 isan-jato eo ho eo amin’ny vato harana mena angonina maneran-tany io tanàna io. Mampiasa tsofa boribory ny mpanao asa tanana mahay eto Torre del Greco mba hanapatapahana ny vato harana. Amboarina amin’ny milina kosa ny vato harana sasany mba ho lasa vakana boribory. Misy koa amboarina amin’ny tanana, arakaraka izay endrika sy habeny tadiavina. Atao malama tsara ilay izy avy eo ary apetaka amin’ny peratra, kavina, na zavatra hafa. Efa ho ny telo ampahefany amin’ny vato harana no very na ariana eo am-panamboarana zavatra aminy. Izany no anisan’ny antony maha lafo kokoa ny iray grama amin’ny firavaka vita amin’ny vato harana noho ny firavaka volamena.
Nisy fotoana nampandeha be an’io indostria io, ka nahazoana vola be. Mampalahelo anefa, hoy ny boky Il Corallo Rosso (Vato Harana Mena), fa misy olona “matimatim-bola” ka mahavita maka izay vato harana rehetra hitany eo amin’ny faritra iray, hany ka ‘tsy misy miangana intsony izy ireny.’ Manahy ny amin’ny hiafaran’io vato harana io sy ny indostria miankina aminy ny olona voakasik’izany, ka manoro hevitra hoe tokony holanjalanjaina ny fakana azy. Tsy sokajina ho anisan’ny zavaboary efa ho lany tamingana ny vato harana mena, nefa efa mihamanahirana izao ny mahita rantsana lehibe hahavitana firavaka. Avy any Pasifika koa ny vato harana sasany anaovan’ny Italianina firavaka. Alaina any amin’ny manodidina an’i Japon sy Taïwan ny karazany hafa, ka 320 metatra eo ho eo any ambanin’ny ranomasina no misy azy. Sambo kely mpisitrika sy milina baikoina avy etỳ an-tanety mihitsy no ampiasaina amin’izany. Any amin’ny 2 000 kilaometatra, avaratrandrefan’i Hawaii, dia 1 500 metatra ambanin’ny ranomasina vao misy vato harana sarobidy.
Tena nahay ireo olona nanao izay hampandeha an’io asa tanana nentim-paharazana miavaka io. Hita izany amin’ireo firavaka sy sary sokitra tsara tarehy vita amin’ny vato harana. Ny “mena sarobidy” avy atỳ Mediterane, dia anisan’ireo fanomezana tsy hita isa nomen’ny Mpamorona mba hahafaly ny olombelona, indrindra ireo finaritra mandinika ny asa tanany.—Salamo 135:3, 6.
[Sary, pejy 16]
Rojo tamin’ny taonjato faha-19 vita tamin’ny vakana 75 000 avy amin’ny vato harana
[Sary nahazoan-dalana]
Per gentile concessione del Museo Liverino, Torre del Greco
[Sary, pejy 17]
Vato harana mbola velona
[Sary, pejy 18]
Fehiloha
Kalisy tamin’ny taonjato faha-17
Firavaka isan-karazany
[Sary nahazoan-dalana]
Sary rehetra: Per gentile concessione del Museo Liverino, Torre del Greco
[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]
Per gentile concessione del Museo Liverino, Torre del Greco