Ny Fiheveran’ny Baiboly
Ratsy ve ny Mihinan-kena?
“INDRO, EFA NOMEKO ANAREO NY ANANA MANINTSAM-BOA REHETRA IZAY AMBONIN’NY TANY REHETRA ARY NY HAZO REHETRA IZAY MISY VOA SADY MANINTSAM-BOA; DIA HO FIHINANA HO ANAREO IRENY.” — Genesisy 1:29.
NIOMBON-KEVITRA tsy tamim-pisalasalana tamin’ny toromarik’Andriamanitra momba ny sakafo, nomeny an’i Adama, lehilahy voalohany, i Sujata, 18 taona, avy amin’ny fianakaviana hindoa tsy mihinan-kena. Nanontany avy hatrany anefa izy hoe: “Nahoana àry ny olona no mamono biby atao sakafo, kanefa misy zavatra hafa maro be azo hanina?”
Olona maro maneran-tany no manontany tena toy izany koa. Olona ana hetsy tapitrisany maro any Atsinanana no tsy mihinan-kena. Fanampin’izany, dia mihamitombo ny isan’ny olona tsy mihinan-kena any Andrefana. Any Etazonia fotsiny, dia olona tokony ho 12,4 tapitrisa no milaza ho tsy mihinan-kena, mihoatra tokony ho 3 tapitrisa noho ny tamin’ny folo taona lasa.
Nahoana no aleon’ny olona maro aoka izany tsy mihinan-kena? Inona no fiheverana mety momba ny biby? Moa ve mampiseho tsy fanajana ny aina ny fihinanan-kena? Rehefa heverina izay voalaza ao amin’ny Genesisy 1:29, ratsy ve ny mihinan-kena? Voalohany aloha, dia diniho ny antony mahatonga ny sasany tsy hihinan-kena.
Nahoana ny sasany no tsy mihinan-kena?
Ho an’i Sujata, dia mifamatotra akaiky amin’ny zavatra inoany ara-pivavahana ny sakafo haniny. “Nihalehibe tao amin’ny fivavahana hindoa aho, nino ny foto-pinoana ny amin’ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao”, hoy ny fanazavany. “Koa satria afaka miverina amin’ny endriky ny biby ny fanahin’olombelona, dia heveriko ho mitovy amiko ny biby. Ary noho izany, dia hita fa ratsy ny mamono azy ireny hatao sakafo.” Misy fivavahana hafa koa manohana ny tsy fihinanan-kena.
Misy anton-javatra hafa koa, ankoatra ny zavatra inoana ara-pivavahana, mitaona ny olona eo amin’ny zavatra fidiny hohanina. Ohatra, manantitrantitra amin’ny fomba tsy miolakolaka toy izao ny Dr. Neal Barnard: “Ny hany antony ihinanan-kena dia ny fahazarana na ny tsy fahalalana.” Miorina amin’ny fiheverany mikasika ny loza ara-pahasalamana mety ho azo amin’ny fihinanan-kena, toy ny aretim-po sy ny kansera, ny fijoroany mafy amin’ny heviny.a
Any Etazonia, dia voalaza fa eo amin’ny zatovo no mitombo haingana indrindra ny isan’ny tsy mihinan-kena. Ary antony iray mahatonga izany ny fiahiana ny biby. “Tia biby ny ankizy”, hoy i Tracy Reiman ao amin’ny People for the Ethical Treatment of Animals (fikambanana miahy ny biby). “Rehefa manomboka mahafantatra momba izay mitranga amin’ny biby alohan’ny hamonoana azy ireny hatao sakafo izy ireo, dia manamafy tsotra izao ny fangorahana tsapan’izy ireo izany.”
Olona maro miahy ny tontolo iainana koa no mampifandray ny sakafo haniny sy ny fandaniana goavana loharanon-karena voajanahary eo amin’ny fiompiana biby atao sakafo. Ohatra, rano tokony ho 3 300 litatra no ilaina mba hamokarana henan’omby iray kilaograma monja ary rano 3 100 litatra no ilaina isaky ny henan’akoho iray kilaograma. Ho an’ny sasany, izany àry dia manjary antony iray tsy hihinanan-kena.
Ahoana ny aminao? Tokony hifady ny fihinanan-kena ve ianao? Alohan’ny hamaliana io fanontaniana io, dia diniho ny fomba fijery hafa iray. Araka ny hita ao amin’ny Salamo 50:10, 11, dia hoy i Jehovah Andriamanitra, Mpanao ny zava-drehetra: “Ahy ny biby rehetra any an-ala, sy ny biby fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra. Fantatro ny vorona rehetra eny an-tendrombohitra; ary eto amiko ny zava-mihetsiketsika eny an-tsaha.” Koa satria tena an’Andriamanitra tokoa ny biby rehetra, dia zava-dehibe ny hahatakarana ny fomba fihevitry ny Mpamorona momba ny biby sy ny fampiasan’ny olona azy ho sakafo.
Ratsy ve ny mamono biby?
Ny sasany, toa an’i Sujata, izay mihevitra ny biby ho mitovy amin’ny olombelona, dia mihevitra mafy fa ratsy ny manaisotra ny ain’ny biby noho ny zava-kendrena na inona na inona — mainka moa fa ny mamono azy ireny hatao sakafo. Na dia izany aza, dia tondroin’ny Soratra Masina fa manisy fanavahana eo amin’ny ain’ny biby sy ny ain’olombelona Andriamanitra ary manome lalana ny hamonoana biby noho ny antony maro samihafa. Teo amin’ny Isiraely, dia azo novonoina, ohatra, ny biby iray rehefa nandrahona ain’olona na ny biby fiompin’ny tena. — Eksodosy 21:28, 29; 1 Samoela 17:34-36.
Hatrany am-boalohany indrindra, dia nankasitraka ny fanolorana biby ho fanatitra teo amin’ny fanompoam-pivavahana Andriamanitra. (Genesisy 4:2-5; 8:20, 21). Nanome toromarika ny Isiraelita koa izy mba hahatsiarovan’izy ireo ny Fifindrany Rodobe avy tany Egypta amin’ny fankalazana isan-taona ny Paska, izay nahafaoka fanaovana sorona zanak’ondry na osy iray sy ny fihinanana ny nofony. (Eksodosy 12:3-9). Ary teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy, dia nisy fotoana hafa nanaovana fanatitra biby.
Tamin’ny namakiany voalohany ny Baiboly, dia hitan’ny vehivavy hindoa iray 70 taona ho tsy nahafinaritra ny nieritreritra ny amin’ny sorona biby. Rehefa nandroso tamin’ny fahalalany ny Soratra Masina anefa izy, dia hitany fa nanan-java-kendrena ny sorona nandidian’Andriamanitra. Nanondro mialoha ny soron’i Jesosy Kristy, izay tokony hanatanteraka ny zavatra notakin’ny lalàna mba hahazoana famelan-keloka, izy ireny. (Hebreo 8:3-5; 10:1-10; 1 Jaona 2:1, 2). Tamin’ny toe-javatra maro, ireo fanatitra koa dia natao ho sakafon’ireo mpisorona ary indraindray sakafon’ireo mpivavaka. (Levitikosy 7:11-21; 19:5-8). Afaka nanorina ara-drariny fandaharana toy izany noho ny zava-kendrena iray Andriamanitra, izay tompon’ny zavaboary velona rehetra. Mazava ho azy fa raha vantany vao maty i Jesosy, dia tsy notakina teo amin’ny fanompoam-pivavahana intsony ny sorona biby. — Kolosiana 2:13-17; Hebreo 10:1-12.
Fampiasana biby atao sakafo
Ahoana anefa ny amin’ny famonoana biby atao sakafo? Marina fa tsy nihinan-kena ny olona tany am-boalohany. Nitarin’i Jehovah anefa tatỳ aoriana ny sakafon’ny olona ka nampidirany nofom-biby. Tokony ho 4 000 taona lasa izay — tamin’ny andron’i Noa, lehilahy marina — dia nahatonga safo-drano naneran-tany i Jehovah ka namarana ny faharatsiana nisy teto an-tany tamin’izany fotoana izany. Tafita velona tamin’ny Safo-drano ry Noa mianakavy sy ny zavamananaina velona nampidiriny tao amin’ny sambo fiara. Rehefa avy nivoaka avy tao amin’ny sambo fiara izy ireo, dia vao voalohany no nitenenan’i Jehovah hoe: “Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo; dia efa nomeko anareo toy ny zava-maitso izy rehetra.” (Genesisy 9:3). Tetsy an-danin’izay anefa, dia nanome izao lalàna izao Andriamanitra: “Izay mandatsaka ny ran’olona, dia mba halatsak’olona kosa ny rany, satria tahaka ny endrik’Andriamanitra no nanaovany ny olona.” (Genesisy 9:6). Mazava àry fa tsy nampitovy lanja ny biby sy ny olombelona Andriamanitra.
Raha ny marina, ny hevitra neken’i Sujata mafy momba ny biby dia niorina tamin’ny finoany ny foto-pinoana ny amin’ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao. Amin’io lafiny io, dia hazavain’ny Baiboly fa na dia fanahy (âme) aza ny olombelona sy ny biby, dia tsy hoe tsy mety maty akory ny fanahy (âme). (Genesisy 2:7, NW; Ezekiela 18:4, 20; Asan’ny Apostoly 3:23, NW; Apokalypsy 16:3, NW ). Amin’ny maha-fanahy (âme) azy, na ny olombelona na ny biby dia maty ary mitsahatra tsy misy. (Mpitoriteny 3:19, 20). Manana fanantenana mahatalanjona ny hatsangana amin’ny maty ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra anefa ny olombelona.b (Lioka 23:43, NW; Asan’ny Apostoly 24:15). Manondro koa izany fa tsy mitovy amin’ny olombelona ny biby.
“Na dia izany aza, inona no anton’ilay fanovana teo amin’ny sakafo?”, hoy i Sujata ta hahafantatra. Miharihary fa nandia fiovana tanteraka ny toe-tany teto ambonin’ny tany noho ny Safo-drano. Tsy lazain’ny Baiboly raha toa ka noho i Jehovah efa nahatsinjo mialoha izay hilain’ny taranaka ho avy hipetraka any amin’ny faritra tsy hisy zavamaniry firy, no nahatonga azy hampiditra ny hena ho anisan’ny sakafon’ny olombelona, na tsia. Azon’i Sujata nekena anefa ny hoe nanana zo hampiditra fanovana ilay Tompon’ny zavamananaina rehetra.
Fampisehoana fanajana ny ain’ny biby
Kanefa, nanontany tena i Sujata hoe: ‘Tsy tokony hampiseho fanajana ny ain’ny biby ve anefa isika, fara faharatsiny?’ Eny, izany tokoa. Ary nilaza tamintsika ny fomba azontsika anaovana izany ilay Mpamorona ny zava-drehetra. “Kanefa ny nofo izay mbola misy aina (dia ny rany) no aza haninareo”, hoy ny didiny ao amin’ny Genesisy 9:4. Nahoana no asiana fameperana ny fihinanan-dra? “Fa ny ain’ny nofo dia amin’ny ra”, hoy ny Baiboly. (Levitikosy 17:10, 11). Izao no notakin’i Jehovah: ‘Aidino amin’ny tany toy ny rano ny ran’ny biby novonoina’. — Deoteronomia 12:16, 24.
Tsy midika akory izany hoe ny fanomezana fahafahana hihinan-kena dia fanomezan-dalana hanaram-po amin’ny fandatsahana ram-biby tsy amin’antony, noho ny fientanentanana be entin’ny fihazana na ny fanehoana ny herim-pon’ny tena. Miharihary fa nanao toy izany i Nimroda. Ampahafantarin’ny Baiboly hoe “mpihaza mahery nanohitra an’i Jehovah” izy. (Genesisy 10:9, NW ). Na dia amin’izao andro izao aza, dia mety hitombo mora foana ao amin’ny olona sasany ny fahataitairana amin’ny fihazana sy ny famonoana biby. Mifamatotra akaiky amin’ny fanamavoana tsy ahoan-tsy ahoana ny ain’ny biby anefa ny toe-tsaina toy izany, ary tsy ankasitrahan’Andriamanitra izany.c
Fangorahana biby
Ny olona sasany tsy mihinan-kena amin’izao andro izao dia manahy amim-pahatsorana koa noho ny fomba fitondran’ny indostrian-kena maoderina, ny biby. “Tsy miahy firy ny amin’ny fihetsika voajanaharin’ny biby ny fandraharahana mikarakara ny vokatry ny fiompiana”, hoy ny fanazavan’ny The Vegetarian Handbook. “Ompiana ao anaty trano tery mahatsiravina sy faritra manodidina tsy araka ny natiora ny biby amin’izao andro maoderina izao ka hararaotina tanteraka kokoa mbola tsy nisy toy izany mihitsy”, hoy ny fanamarihan’ilay boky.
Na dia tsy mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra aza ny fampiasana ny biby atao sakafo, dia tsy toy izany kosa ny fitondrana azy amin-kalozana. “Ny marina mitsimbina ny ain’ny bibiny”, hoy ny Baiboly ao amin’ny Ohabolana 12:10. Ary nandidy ny hikarakarana araka ny tokony ho izy ny biby fiompy ny Lalàn’i Mosesy. — Eksodosy 23:4, 5; Deoteronomia 22:10; 25:4.
Tokony tsy hihinan-kena ve ny Kristiana?
Araka ny naseho teo aloha, dia raharaha momba ny fanapahan-kevitry ny tsirairay tanteraka ilay hoe hanjary tsy hihinan-kena — na hitoetra tsy hihinan-kena. Noho ny antony ara-pahasalamana, ara-bola, araka ny tontolo iainana, na noho ny fangorahana biby, dia mety hifidy ny tsy hihinan-kena ny olona iray. Tsy maintsy ekeny anefa fa iray monja amin’ny safidy ara-tsakafo izany. Tsy tokony hanakiana an’ireo izay mifidy ny hihinan-kena izy, tsy misy hafa amin’ny tsy tokony hanamelohan’ny mihinan-kena ny tsy mihinana. Tsy mahatonga ny olona iray ho tsara kokoa ny fihinanan-kena na ny fitanan-tena tsy hihinana. (Romana 14:1-17). Tsy tokony hanjary ho ny vaindohan-draharaha eo amin’ny fiainan’ny olona iray koa ny sakafo haniny. “Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona”, hoy i Jesosy, “fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.” — Matio 4:4.
Raha ny amin’ny halozana ampiharina amin’ny biby sy ny fampiasana amin’ny fomba ratsy ny loharanon-karenan’ny tany, dia nampanantena i Jehovah fa hamarana itỳ fandehan-javatra ratsy fitondran-tena sy mierina itỳ ka hanolo azy amin’ny tontolo vaovao hamboariny. (Salamo 37:10, 11; Matio 6:9, 10; 2 Petera 3:13). Ao amin’io tontolo vaovao io, ny olombelona sy ny biby dia hihavana mandrakizay, ary ‘hahavoky soa ny zava-miaina rehetra’ i Jehovah. — Salamo 145:16; Isaia 65:25.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny Mifohaza! 8 Jolay 1997, pejy faha-3-13.
b Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 May 1997, pejy faha-3-8, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 21]
Punch