FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/10 p. 19-22
  • Ny Fandrenesanao — Fanomezana Tokony Hankamamina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fandrenesanao — Fanomezana Tokony Hankamamina
  • Mifohaza!—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Zava-dehibe ny sofinao ivelany
  • Ny sofinao antenatenany — Mahatalanjona ny fiasany mekanika
  • Mahazendana ny fara sofinao
  • Ny atidohanao sy ny fandrenesanao
  • Fanomezana tokony hankamamina
  • Arovy ny Sofinao!
    Mifohaza!—2002
  • Fihainoana, Fandrenesana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Sofina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ankasitraho ny Fahaizana Manokana Anananao
    Mifohaza!—2011
Mifohaza!—1997
g97 8/10 p. 19-22

Ny Fandrenesanao — Fanomezana Tokony Hankamamina

MANOLOTRA fahafahana hankafy ireo feo malefaky ny alina ny takariva milamindamina any ambanivohitra, lavitra ny tabataban’ny fiainana an-tanàn-dehibe. Mampikasaosaoka moramora ny ravinkazo ny tsio-drivotra. Eo koa ny antson’ny bibikely sy ny vorona ary ny biby any lavitra any. Fahatsapana mahatalanjona erỳ ny mandre feo malefaka toy izany! Renao ve izy ireo?

Mahazendana tsotra izao ny hoe inona avy no mety ho ren’ny olombelona. Mipetraha mandritra ny antsasak’adiny ao amin’ny efitra iray tsy manako — efitra nofefena tamin-javatra misakana ny feo tsy hiampita, ka natao tsy hampanako feo — ary dia ‘hitombo’ tsikelikely ny haladin’ny sofinao. Amin’izay ianao dia manomboka mandre feo tsy mahazatra avy ao amin’ny vatanao ihany. Milazalaza ilay fanandraman-javatra ao amin’ilay boky hoe The Master Handbook of Acoustics i F. Alton Everest, mpahay siansa momba ny fandrenesana. Voalohany aloha, dia manjary renao mafy ny fitepon’ny fonao. Aorian’ny adiny iray eo ho eo nijanonana tao amin’ilay efitra, dia renao ny fikorianan’ny ranao manerana ny lalan-dra. Farany, raha malady sofina tsara ianao, “dia valian-tsoa ny faharetanao amin’ny fandrenesanao feo hafahafa toa misioka eo anelanelan’ny feon’ny ‘fitepon’ny fo’ sy ny an’ny fisosan’ny ra. Inona izany? Ny feon’ny zavatra bitika amin’ny rivotra mipaka amin’ny ampongantsofinao”, hoy ny fanazavan’i Everest. “Ny fihetsehan’ny ampongantsofina vokatr’io feo toa misioka io dia kely dia kely — ampahazato tapitrisan’ny iray santimetatra monja!” Io no “tokonan’ny fandrenesana”, izany hoe ny fetra ambany ahafahanao mandre feo. Tsy hilainao ny halady kokoa noho izany satria ho voasaron’ny tabataban’ny fandehan’ireo zavatra bitika amin’ny rivotra ny feo ambany kokoa.

Noho ny fiaraha-miasan’ny sofina ivelany sy ny sofina antenatenany ary ny fara sofina, miaraka amin’ny fiasan’ny rafi-pitatitsika sy ny atidohantsika, no mahatonga antsika ho afaka handre. Mamakivaky ny rivotra ny feo, amin’ny endrika onjam-peo miovaova fipararetra. Mampihetsiketsika ny ampongantsofintsika ireo onjam-peo ireo, ary io fihetsehana io indray kosa dia ampitain’ny sofina antenatenany ho ao amin’ny fara sofina. Ao indray ilay fihetsehana dia miova ho fahatairan’ny fitatitra izay fantarin’ny atidoha hoe feo.a

Zava-dehibe ny sofinao ivelany

Antsoina hoe ravintsofina ilay tapany misongadina etỳ ivelany izay mety milefitra sady mivalombalona. Manangom-peo ny ravintsofina, kanefa tsy izay ihany no ataony. Efa mba nanontany tena ve ianao hoe nahoana ny sofinao no misy an’ireny fivalombalona kely rehetra ireny? Somary miova ireo onjam-peo mipaka amin’ireo faritra samihafa ivelany amin’ny ravintsofina, arakaraka ny zoron’ny fahatongavany. Afaka manavaka ireny fiovaovana madinika ireny ny atidoha ka mamantatra ny toerana iavian’ilay feo. Izany no ataon’ny atidoha ho fanampin’ny fampitahany ny fotoana sy ny hamafin’ny feo iray, rehefa miditra ao amin’ny sofinao tsirairay ilay feo.

Mba hampisehoana izany, dia sady ataovy miaka-midina mivantana eo anoloan’ny olona iray mikimpy ny tananao no akasohy hipoaka ny rantsantananao roa. Na dia mitovy hatrany aza ny elanelana avy amin’ireo rantsantananao sy ny sofina tsirairain’ilay olona, dia mbola ho afaka hamantatra ihany izy raha avy any ambony, avy any ambany, na avy eo antenatenany, ilay feo. Raha ny marina, na dia ny olona iray tsy mandre tsara afa-tsy amin’ny sofiny iray monja aza, dia mbola afaka mamantatra tsara ny toerana iavian’ny feo.

Ny sofinao antenatenany — Mahatalanjona ny fiasany mekanika

Ny asa voalohany indrindran’ny sofinao antenatenany, dia ny mampita ny fipararetran’ny ampongantsofinao ho ao amin’ilay ranoka mameno ny fara sofinao. Mavesatra kokoa noho ny rivotra io ranoka io. Noho izany, toy ny amin’ny mpitaingina bisikileta miakatra havoana mideza iray, dia ilaina ny ‘fitaovana mampisosa’ araka ny tokony ho izy mba hampitana ilay angôvo amin’ny fomba mandaitra araka izay azo atao. Ao amin’ny sofina antenatenany, ilay angôvo dia ampitain’ny taolana bitika telo, antsoina amin’ny fomba mahazatra hoe ny tantanana sy ny riandriana ary ny anjataolana, noho ny bikany. Mahefa ny asan’ny ‘fitaovana mampisosa’ saika tonga lafatra ho an’ny fara sofina io tohin-taolana bitika mekanika io. Tombanana fa raha tsy misy azy io, dia 97 isan-jaton’ilay angôvon’ny feo no ho very!

Misy hozatra marefo roa miraikitra amin’ilay tohin-taolana ao amin’ny sofinao antenatenany. Ao anatin’ny ampahazaton-tsegondra andrenesanao feo mafy manana hatetik’onja ambany, dia mikainkona ho azy ireo hozatra ireo, ka mametra be dia be ny fihetsehan’ilay tohin-taolana ary amin’izany dia misakana mialoha ny mety hahasimba ny fandrenesana. Haingana ny fanaovany izany mba hiarovana anao amin’ny saika ny feo mafy rehetra eo amin’ny natiora, na dia tsy miaro amin’ny feo rehetra ateraky ny fitaovana mekanika sy elektronika aza izany. Ambonin’izany, dia tsy afaka mitana io fikainkona miaro io afa-tsy hatramin’ny folo minitra monja ireo hozatra kely ireo. Manome fahafahana anao handositra ilay feo manorisory anefa izany. Mahaliana fa rehefa miresaka ianao, ny atidohanao dia mandefa baiko any amin’ireo hozatra ireo mba hampihenana ny haladin’ny fandrenesanao, hany ka tsy mafy loatra aminao ny feonao.

Mahazendana ny fara sofinao

Ao anatin’ny olika, izay nomena io anarana io noho ny bikany toy ny akoran’ny sifotra, no misy ny ampahany amin’ny fara sofinao mandray anjara amin’ny fandrenesana. Ny taolana mafy indrindra ao amin’ny vatanao no fono miaro an’io taova marefo io. Ao anatin’ny fiolakolahan’izy io no misy ny “membrane basilaire”, iray amin’ireo tambatsela maromaro mizara ny olika manaraka ny lavany, ho fantsona maromaro. Manaraka ny lavan’ny membrane basilaire no misy ny taovan’i Corti, izay itoerana sela mitsibolo an’arivony maro — selam-pitatitra izay toy ny volo ny tendrony tonga hatrao amin’ilay ranoka mameno ny olika.

Rehefa mampipararetra ny vavaatisofina ao amin’ny olika ny fihetsehan’ireo taolana ao amin’ny sofina antenatenany, dia miteraka onja eo amin’ilay ranoka. Mampihetsika ireo fono manefitra ny olika ireo onja, tsy misy hafa amin’ny onjan-drano eo amin’ny farihy iray mampiakatra sy mampidina ravinkazo mitsinkafona. Mampilefitra ilay membrane basilaire ireo onja, eo amin’ny toerana mifanitsy amin’ny hatetik’onjam-peo voafaritra tsara. Avy eo ireo sela mitsibolo eo amin’ireo toerana ireo dia mikasika ilay fonon’ny taovan’i Corti eo amboniny. Mampihetsika ireo sela mitsibolo io fikasihana io ary ireo sela indray kosa dia miteraka fahatairana izay alefany any amin’ny atidohanao. Arakaraka ny hamafin’ilay feo no mahataitra kokoa ireo sela mitsibolo sy mahahaingana kokoa ny fahatairany. Noho izany, dia mahare feo mafy kokoa ny atidoha.

Ny atidohanao sy ny fandrenesanao

Ny atidohanao no tapany lehibe indrindra amin’ny rafi-pandrenesanao. Mampitolagaga ny fahaizany manova ny fanazavana maro be voarainy amin’ny endrika fahataitairan’ny fitatitra, ho feo ren’ny saina. Izany anjara asa lehibe izany dia mampiseho tsara ny fifandraisana manokana misy eo amin’ny eritreritra sy ny fandrenesana, fifandraisana izay dinihina ao amin’ny sehatra fantatra hoe psychoacoustiques. Ohatra, mahatonga anao ho afaka handre resadresaka iray ao anatin’ny resadresaka maro ao anatin’ny efitra iray feno olona, ny atidohanao. Tsy afaka manao toy izany ny micro, hany ka ny feo nalaina tamin’ny cassette tao amin’io efitra io ihany dia mety tsy hazava mihitsy.

Mampiseho ny lafiny iray hafa amin’io fifandraisana io ny fahasorisorena ateraky ny feo tsy irina. Na dia iva toy inona aza ny feo iray, raha mbola afaka mandre azy io ihany ianao, na dia kely fotsiny aza rehefa tsy tianao izany, dia mety hanorisory anao izy io. Ohatra, tena ambany ny feon’ny rano mitete avy amin’ny raobine. Mety ho hitanao fa faran’izay mahasosotra anefa ilay izy, raha toa ka tsy mampahita tory anao amin’ilay fotoana mangina indrindra amin’ny alina iny!

Eny tokoa, mifamatotra akaiky amin’ny taovam-pandrenesantsika ny fihetseham-pontsika. Eritrereto fotsiny ny vokatry ny hehy avy amin’ny fo eo amin’ny hafa, na ny fihetseham-po mafana vokatry ny teny iray maneho firaiketam-po na fiderana. Toy izany koa fa, amin’ny alalan’ny sofintsika no ahazoantsika ny ankabeazan’izay ianaran’ny saintsika.

Fanomezana tokony hankamamina

Maro amin’ireo zava-miafina mahavariana momba ny fandrenesantsika no mbola tsy fantatra. Kanefa, mampitombo ny fankasitrahantsika ny fahakingan-tsaina sy ny fitiavana miharihary amin’ny alalan’izy io, ny fahatakaran-javatra ara-tsiansa efa azo. “Rehefa dinihina lalina ny rafi-pandrenesan’ny olombelona”, hoy ny nosoratan’i F. Alton Everest, mpikaroka momba ny fandrenesana, “dia sarotra ny tsy hanatsoaka hevitra hoe manondro ny fisian’ny mpanao asa soa iray namolavola azy io, ny fiasany sy ny firafiny be kojakojany.”

Tsy nanana ny fahalalana ara-tsiansa amin’izao andro izao momba ny fiasan’ny fandrenesantsika ao anaty ao i Davida mpanjakan’ny Isiraely fahiny. Na dia izany aza, dia nandinika ny vatany sy ny fanomezana maro eo amin’izy io izy ka nihira toy izao ho an’ilay Mpanao azy: “Mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; mahagaga ny asanao”. (Salamo 139:14). Ny fikarohana ara-tsiansa momba ireo zava-mahagaga sy zava-miafin’ny vatana, anisan’izany ny fandrenesana, dia manome porofo fanampiny fa marina ny tenin’i Davida — nataon’ny Mpamorona hendry sy be fitiavana tamin’ny fomba mahatalanjona isika!

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ny Mifohaza! (frantsay) 22 Janoary 1990, pejy 18-21.

[Efajoro/Sary, pejy 22]

Fanampiana ho An’izay efa Misy Simba ny Fandrenesany

Miteraka fahasimbana maharitry ny fandrenesana ny fihainoana feo mafy mitohy tsy an-kijanona. Tsy mendrika tsotra izao ny hahazoana fahavoazana toy izany ny fihainoana mozika mafy loatra, na ny fiasana eo akaikin’ny fitaovana mitabataba be, kanefa tsy arovana ny sofina. Afaka manampy kely ihany an’ireo lalodalovana, ary na dia ny olona sasany teraka marenina mihitsy aza, ny fitaovana fandrenesana. Ho an’ny olona maro, dia mamerina amin’ny laoniny ny fahafahany mandre karazam-peo maro ireny fitaovana ireny. Rehefa sambany vao nametahana fitaovana fandrenesana ny vehivavy iray, dia nahamarika feo hafahafa tany ivelan’ny varavarankelin’ny lakoziany. “Vorona izany!”, hoy ny fihiakany. “Efa ela be aho no tsy nahare vorona!”

Na dia tsy simba be aza ny fandrenesana, ny fahanterana dia mazàna no mampihena ny fahafahantsika mandray feo avo. Mampalahelo fa anisan’izany ny hatetik’onjan’ireo renifeo — ireo feo matetika tena manan-danja mba hahazoana izay lazaina. Noho izany, amin’ny be taona, ny resadresaka dia mety hotapatapahin’ny feo mahazatra ao an-trano, toy ny feon’ny rano mandeha na ny taratasy aforiporitra, satria izy ireny manana hatetik’onjam-peo ambony izay manakantsakana ny renifeo. Mety hanamaivana kely ihany ireo fitaovana fandrenesana, kanefa manana ny tsininy koa. Voalohany aloha, dia lafo be ireo fitaovana fandrenesana karazany tsara — tsy takatry ny volan’ny olon-tsotra velively any amin’ny tany maro. Ary na ahoana na ahoana, dia tsy misy fitaovana fandrenesana afaka mamerina tanteraka ny fandrenesanao ara-dalàna. Koa inona àry no azo atao?

Tena mahasoa ny fanehoana fiheverana. Alohan’ny hiresahanao amin’ny olona iray efa misy voa ny fandrenesany, dia ataovy azo antoka fa fantany hoe handeha hiteny ianao. Miezaha manatrika ilay olona. Mamela azy hahita ny fihetsehan’ny vatanao sy ny molotrao ary handre tanteraka ireo renifeo amin’ny teninao, izany. Manatòna akaiky kokoa an’ilay olona, raha azo atao, ary mitenena miadana sy mazava; aza mikiakiaka. Raha ny marina, dia mampijaly olona lalodalovana maro ny feo mafy. Raha tsy azony ny filazana iray, dia iezaho lazaina amin’ny fomba hafa indray fa aza averina. Toy izany koa fa raha tsy tsara toy ny teo aloha intsony ny fandrenesanao, dia afaka manamora ny firesahan’ny hafa aminao ianao amin’ny fanatonana akaiky an’ilay olona miteny sy amin’ny fanehoana faharetana. Mety hitondra vokany tsara ireo ezaka fanampiny ireo mba hanatsarana ny fifandraisana ary afaka manampy anao handre hatrany an’izay manodidina anao.

[Sary]

Rehefa miresaka amin’ny olona iray efa misy voa ny fandrenesany, dia manatreha azy ary mitenena miadana sy mazava

[Kisary, pejy 21]

(Jereo ny gazety)

Ny sofina

Ravintsofina

Lavatsofina

Ampongantsofina

Tantanana

Riandriana

Anjataolana

Vavaatisofina

Vavaatisofina

Olika

Fitatipeo

Taovan’i Corti

Fitatipeo

Sela mitsibolo

Fonon’ny taovan’i Corti

Tsira-pitatitra

Membrane basilaire

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara