FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/6 p. 19-21
  • Arovy ny Sofinao!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Arovy ny Sofinao!
  • Mifohaza!—2002
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny feo rentsika
  • Fomba fiasan’ny sofintsika
  • Manimba ny sofintsika ny tabataba
  • Arovy ny sofinao ary ataovy izay handrenesana ela kokoa
  • Ny Fandrenesanao — Fanomezana Tokony Hankamamina
    Mifohaza!—1997
  • Arovy ny Fandrenesanao!
    Mifohaza!—1997
  • Sofina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fihainoana, Fandrenesana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/6 p. 19-21

Arovy ny Sofinao!

“Olona maherin’ny 120 tapitrisa no tsy mandre tsara intsony maneran-tany.”—Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana.

FANOMEZANA tokony hankamamina ny fandrenesana. Mihamarenina anefa isika rehefa mihantitra. Toa manafaingana izany ireo feo sy tabataba maro isan-karazany ateraky ny fandrosoana ankehitriny. Hoy ny manam-pahaizana iray ao amin’ny Kilasimandry ho An’ny Marenina any Saint Louis, any Etazonia: ‘Tsy ny fahanterana ihany no nahatonga ny fahavoazan’ny 75 isan-jaton’ny olona tsy mandre tsara any Amerika, fa ny zavatra nohenoiny koa.’

Mety hanimba ireo zavatra marefo ao amin’ny fara sofina ny fihainoana feo mafy be loatra ao anatin’ny fotoana fohy. Matetika kokoa anefa no lasa tsy mandre tsara ny olona iray satria “nitambatambatra ny vokatry ny tabataba tany am-piasana, sy tamin’ny fialam-boly”, hoy ny Dr. Margaret Cheesman, manam-pahaizana momba ny sofina. Inona no azonao atao mba hiarovana ny sofinao? Mba hamaliana izany dia tsara raha mahafantatra ny fomba fiasan’ny taovam-pandrenesana ianao.

Ny feo rentsika

Toa mihamitabataba hatrany ny tontolo iainantsika. Maro no tsy maintsy mandre feo isan-karazany isan’andro. Manomboka amin’ny feona fiara sy bisy ary kamiao eny an-dalana izany, ka hatramin’ny tabataba lavareny avy amin’ny fitaovana elektrika any am-piasana.

Mampitombo ilay olana isika indraindray, rehefa alefantsika mafy ireo zavatra henointsika. Maro no tia mihaino mozika amin’ny radio kasety na fihainoana kapila mangilatra (CD) entin-tanana, miaraka amin’ny fitaovana fihainoana. Araka ny tatitra nataon’i Marshall Chasin, momba ny fanadihadiana natao tany Kanada sy Etazonia dia mihamaro ny tanora tsy mandre tsara, satria mihaino mozika mafy be amin’ny fitaovana fihainoana.

Rahoviana anefa no lazaina fa mafy loatra ny feo? Zavatra telo no mampiavaka ny feo: ny faharetany sy ny onjany ary ny hamafiny. Ny faharetany dia manondro ny halavan’ny fotoana andrenesana ilay feo. Ny onjam-peo indray na ny haavony, dia refesina amin’ny alalan’ny hertza, na hatetiky ny onjam-peo isan-tsegondra. Ren’ny sofina ny onjam-peo, sady ara-dalàna no tsy mankarary sofina, rehefa eo anelanelan’ny 20 ka hatramin’ny 20 000 isan-tsegondra.

Ny hamafin’ny feo indray dia refesina amin’ny refy antsoina hoe desibela (dB). Manodidina ny 60 desibela eo ho eo ny haavon’ny feo rehefa miresaka. Milaza ny manam-pahaizana momba ny feo, fa arakaraka ny fotoana lanin’ny olona iray ihainoana feo maherin’ny 85 desibela no mety tsy handrenesan’ny sofiny tsara. Arakaraka ny hamafin’ilay feo no mampaharenina haingana kokoa an’ilay olona. Hoy ny gazety Herinandrom-baovao (anglisy): “Tsy hampaninona ny sofinao ny fihainoana feona milina fandoahana (100 dB) mandritra ny adiny roa. Tsy mahatanty mihoatra ny 30 minitra kosa izy, raha any amin’ny toerana filalaovana vidéo mitabataba be (110 dB). Avo folo heny noho ny tokony ho izy ny feo midona any am-poto-tsofina isaky ny miakatra 10 desibela ny hamafin’ny feo.” Nohamarinin’ny fanandramana natao, fa mankarary ny feo rehefa manodidina ny 120 desibela. Tsy mampino fa afaka mamoaka feo mihoatra ny 140 desibela ny fandefasam-peo sasany, toy ny radio kasety, fandefasana CD, sy ny sisa!—Jereo ny tabilao.

Nahoana no afaka manimba sofina ny feo mafy? Mba hanampiana anao hahatakatra izany, dia andeha hojerentsika izay mitranga rehefa tonga any anaty sofina ny onjam-peo.

Fomba fiasan’ny sofintsika

Natao hanangona ny onjam-peo sy handefa izany ao anaty lavatsofina ny ravintsofina, ilay tapany misongadina amin’ny sofina. Tonga ao amin’ny ampongantsofina izany onjam-peo izany avy eo ary mampihovitrovitra azy. Ilay ampongantsofina indray avy eo no mampihovitrovitra ireo taolana telo ao amin’ny sofina antenatenany. Tonga hatrany amin’ny fara sofina, paosy kely feno tsiranoka anaty taolana, ilay hovitrovitra. Mampihetsiketsika ilay tsiranoka anaty olika io hovitrovitra io. Ao anaty fara sofina no misy ny olika izay miendrika akorana sifotra sady misy sela voloina. Ilay tsiranoka ao anaty olika no manetsika ny fitatitra mankany amin’ny atidoha. Ary ny atidoha no mamadika izany hetsika izany ho ilay feo rentsika.

Ny atidoha no manavaka izay feo tokony hasiana fiheverana sy tsy horaharahaina. Mety tsy hahataitra ny renim-pianakaviana iray, ohatra, ny feon’ankizy milalao, fa hanoina avy hatrany kosa izy raha mandre kiakiaka. Manampy antsika handre feo maro be ny sofintsika roa. Tena mahasoa izany sady manampy antsika hamantatra ny fiavian’ireo feo. Hafatra iray isaky ny mandeha ihany anefa no azon’ny atidoha, raha resaka ilay izy. Hoy ny boky Ny Vavahadin-tsaina (anglisy): “Izany no antony tsy andrenesan’ny olona mora foana izay lazain’ny olona eo akaikiny, raha mbola mihaino olon-kafa ao amin’ny telefaonina izy.”

Manimba ny sofintsika ny tabataba

Mba hahatakaranao izany, dia diniho izao fampitahana izao. Nampitahaina tamin’ny vary eny an-tsaha ny sela voloina, ao amin’ny lahatsoratra iray momba ny aro loza any am-piasana. Nampitahainy tamin’ny rivotra kosa ny feo miditra ao anaty sofina. Manetsika ny tendron’ny vary, fa tsy manimba azy ny rivotra mitsoka mora, toy ny feo iva. Lasa mihetsiketsika be anefa ny tahon’ilay vary, raha vao mihamafy ilay rivotra. Mety ho simba tanteraka ary ho faty mihitsy ilay tahom-bary, raha misy rivotra mifofofofo tampoka, na rivotra tsy dia mafy, fa mitsoka maharitra.

Mitovy amin’izany ny feo sy ny sela voloina bitika ao anaty fara sofina. Mety hanimba ireo sela ao amin’ny fara sofina ny feo mipoaka be, ka hamela holatra izay hampaharenina mandrakizay. Ambonin’izany, dia mety hanimba tanteraka ireo sela voloina marefo ny feo maharitra iray, raha toa ka mampidi-doza ny hamafiny. Tsy misy sela vaovao misolo azy ireo intsony mantsy raha vao simba izy ireo. Mety handre feo mingonongonona, na maneno, na mireondreona koa ianao, vokatr’izany.

Arovy ny sofinao ary ataovy izay handrenesana ela kokoa

Mety tsy handre tsara isika satria tratran’ny loza tsy nampoizina na nanaranaka ilay izy. Afaka mitandrina anefa isika, mba hiarovana ny sofintsika sy handrenesana ela kokoa. Sarobidy mantsy izany. Fahendrena ny hamantarana mialoha ny zavatra mety hanimba sofina. Nisy manam-pahaizana momba ny sofina nilaza hoe: “Aleo misoroka toy izay mitsabo.”

Ny fomba fihainoantsika no olana matetika, fa tsy ny zavatra henointsika. Raha mampiasa fitaovana fihainoana, ohatra, ianao rehefa mandefa radio, dia tsara angamba raha ataonao iva ny feony mba hahafahanao handre izay feo eo amin’ny manodidina anao. Raha mandeha mafy be ny radio amin’ny fiaranao, na ao an-tranonao, ka tsy handrenesana resaka intsony, dia efa mety ho famantarana izany fa mafy loatra ilay izy, ka mety hanimba ny sofinao. Mampitandrina ny manam-pahaizana fa mety hanimba ny sofinao ny fihainoana feo 90 desibela mandritra ny adiny roa na telo. Tsara raha manao tampin-tsofina na aro sofina hafa ianao, rehefa mandeha any amin’ny toerana mitabataba.

Tokony hotadidin’ny ray aman-dreny fa mora voa kokoa noho ny an’ny olon-dehibe ny sofin’ny ankizy. Tsarovy fa mety hitera-doza ny kilalao mitabataba. Mety hahatratra 110 desibela tokoa mantsy ny korintsana!

Fitaovana saro-pady sy kely ary mahavariana ny sofintsika. Noho izy ireo dia afaka mandre feo maro samy hafa sady mahafinaritra isika eto amin’ny tontolo manodidina antsika. Mendrika ny harovana tokoa io fanomezana sarobidy io.

[Efajoro, pejy 20]

Tokotokony ho Haavon’ny Feo Mahazatra, Amin’ny Desibela

• Rehefa miaina—10 desibela

• Bitsibitsika—20 desibela

• Resaka—60 desibela

• Fifamoivoizana—80 desibela

• Milina fitotoana sakafo—90 desibela

• Lamasinina mandalo—100 desibela

• Tsofa elektrika—110 desibela

• Fiaramanidina mandalo —120 desibela

• Poa-basy—140 desibela

[Efajoro, pejy 21]

Famantarana fa efa Tsy Mandre Tsara Ianao

• Alefanao mafy ny radio na tele, nefa mahasorena ny hafa ny hamafiny

• Asainao mamerina izay lazainy foana ny olona

• Miketrona sy mandroso ary mitodika matetika ianao mba handrenesana izay lazain’ilay olona miresaka aminao

• Sahirana ianao vao mahare feo any amin’ny toerana be olona, na rehefa misy tabataba eny amin’ny manodidina, toy ny fiaraha-mikorana, na toeram-pivarotana be olona

• Miantehitra amin’olona ianao matetika mba hilaza aminao izay nambara

[Kisary, pejy 20]

(Jereo ny gazety)

Ravintsofina

Taolana telo ao amin’ny sofina antenatenany

Ampongantsofina

Fitatitra mankany amin’ny atidoha

Olika

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara