FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/10 p. 28-29
  • Fijerena An’izao Tontolo Izao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fijerena An’izao Tontolo Izao
  • Mifohaza!—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fiarakodia Elektrika sy ny Tontolo Iainana
  • Tandremo: Toerana Fiampitan’ny Rajako Colobes
  • Tandremo: Mety Hampidi-doza ny Telefaonina
  • Fomba Fiadin’ny Indostrian-tsigara
  • Hadalana Momba ny Arivo Taona
  • Horohoron-tany Tsy Azo Ampoizina Mialoha
  • Zavamaniry Mihinana Vanja
  • Dihy Mampidi-doza
  • Sigara — Lavinao ve Izy Io?
    Mifohaza!—1996
  • Zavamaniry Miady Amin’ny Fandotoana
    Mifohaza!—1999
  • Aina An-tapitrisany Maro Manjavona Amin’ny Setroka
    Mifohaza!—1995
  • Ny sigara sy ny fahasalamanao — Misy ifandraisany tokoa ve?
    Mifohaza!—1990
Mifohaza!—1997
g97 8/10 p. 28-29

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Fiarakodia Elektrika sy ny Tontolo Iainana

Nisy fandinihana iray nataon’ny Kompania Alemà Momba ny Aotomobilina mba hahitana raha toa ka tsara kokoa ho an’ny tontolo iainana ny fiarakodia elektrika noho ny fiara ampandehanin’ny maotera mandeha amin’ny lasantsy na gasoil. Araka ilay gazety hoe Süddeutsche Zeitung, ilay fandinihana dia nahakasika mpamily 100 izay nanao dia 1,3 tapitrisa kilaometatra teo anelanelan’ny taona 1992 sy 1996. Hita ho nanana tombony maromaro ireo fiarakodia elektrika, na dia fohy kokoa aza ny halaviran-dalana vitany alohan’ny hamahanana azy indray: Tsy mba nitabataba izy ireo rehefa nandeha, ka tsy namoaka loto nivantana teny amin’ny rivotra, tany amin’izay nampiasana azy. Kanefa, mety hihoatra noho ireo tombony ireo ny olana iray lehibe. Ny famahanana indray ireo bateria dia mandany angôvo araka aratra betsaka kokoa noho ny lanin’ny fiara mandeha amin’ny lasantsy — avy eo amin’ny avo 1,5 heny ka hatramin’ny avo 4 heny, miankina be dia be amin’ny nampiasana azy — ary tsy maintsy vokarina any amin’ny toerana iray io angôvo io. Miankina amin’ny fomba amokarana io angôvo io, dia mety ho “lehibe kokoa noho ny ateraky ny fiarakodia mahazatra ny fanimbana ny tontolo iainana”, hoy ny fanazavan’ilay gazety.

Tandremo: Toerana Fiampitan’ny Rajako Colobes

Diani Forest, eo akaikin’ny moron-tsiraka atsimon’i Kenya no iray amin’ireo toerana vitsy atsy Afrika Atsinanana izay mbola itomboan’ny rajako colobes tsara. Ny fomba hiampitana soa aman-tsara ilay arabe be fifamoivoizana amoron-dranomasina no olana atrehin’ireo biby ireo. Araka ny fanombantombanana iray, dia rajako 12 fara fahakeliny no maty voadonan’ny fiarakodia eo amin’ilay arabe, isam-bolana, hoy ny tatitra ataon’ny Swara, ilay gazetibokin’ny Wild Life Society atsy Afrika Atsinanana. Nisy antokon’olona feno fanahiana mipetraka ao Diani nanapa-kevitra ny hanao zavatra mba hampihenana ilay fandripahana. Ankoatra ny fiangaviana ny mpamily fiarakodia mba hitandrina kokoa, tsy ela izay, dia nanorina tetezana tady teny ambonin’ny arabe izy ireo. Nahazo fampirisihana noho ny fahitana ireo rajako mampiasa ilay tetezana ireo mponina, ka manao fandaharana mialoha mba hanamboatra tetezana maro kokoa.

Tandremo: Mety Hampidi-doza ny Telefaonina

Izany no izy raha ampiasaina eo am-pamiliana fiarakodia izy io. Ny fandinihana iray navoaka tao amin’ny New England Journal of Medicine dia mahatsiahy fa ireo mpamily fiarakodia izay mampiasa telefaonina fitondra ao anaty fiara dia azo inoana ho tafiditra ao amin’ny lozam-pifamoivoizana inefatra heny noho ny mpamily izay tsy mifantoka afa-tsy amin’ny lalana ihany. Izany dia mety hahatonga ny familiana fiarakodia eo am-pampiasana telefaonina mila hampidi-doza mitovy amin’ny familiana fiarakodia nefa misy fatran’alkaola 0,1 isan-jato ao amin’ny ra. Ary ireo mpamily fiarakodia nampiasa micro tsy mila hazonina dia tsy hoe nanao tsara kokoa noho ireo nihazona ny telefaonina tamin’ny tanany. Mailaka ireo mpanao fikarohana hanazava fa raha ny telefaonina fotsiny dia tsy tompon’andraikitra amin’ireo lozam-pifamoivoizana, fa mandray anjara amin’ireo loza fotsiny, toy ny rehefa misy ady hevitra ka voavily ny sain’ny olona iray. Ambonin’izany, dia 39 isan-jaton’ny mpamily fiarakodia tafiditra tao amin’ny lozam-pifamoivoizana no nampiasa ny telefaoniny taorian’izay mba hiantsoana fanampiana. Misy fanoloran-kevitra hoe ireo izay manana telefaonina fitondra ao anaty fiara dia tokony hisoroka ny antso an-telefaonina tsy tena ilaina rehetra raha eo am-pamiliana fiara, sy hihazona ny resaka ifanaovany ho fohy. Ny tany sasany, toa an’i Brezila sy i Israely ary i Soisa, dia efa manana lalàna izay mamepetra ireo mpamily fiarakodia mba tsy hampiasa telefaonina fitondra mandehandeha.

Fomba Fiadin’ny Indostrian-tsigara

“Efa mba nanontany tena ve ianao hoe nahoana ny indostrian-tsigara no tsy nampiasa ny hery mitaona lehibe ara-politika ananany mba hitarihana ny Antenimieram-pirenen’i Etazonia hanalefaka na hanaisotra ireo soratra fampitandremana takina, tsy ho eo amin’ny dokam-barotra momba ny sigara sy ny fonosan-tsigara rehetra [any Etazonia]?”, hoy ny fanontanian’ny The Christian Century. “Tsotra ny valiny: satria miaro ny indostrian-tsigara amin’ny fitoriana any amin’ny fitsarana ny fampitandremana momba ireo loza entin’ny fifohana sigara. Raha manomboka mifoka ianao eo amin’ny faha-12 taonanao ary voan’ny kanseran’ny havokavoka no iafaranao eo amin’ny faha-45 taona, ka manapa-kevitra ianao fa te hitory ilay kompania izay nahatonga anao ho za-dratsy, dia hamaly mora foana ilay indostria hoe: ‘Efa nampitandrina anao izahay fa nety hampidi-doza ny fahasalamana ny fifohana sigara.’ ” Ny iray amin’ireo tetik’ady farany indrindra ampiasain’ny tsenam-barotra dia ny fampirisihana ny olona hifoka sigara amin’ny fanaovana izay hahatonga vehivavy manintona, izay mpilalao malaza ao amin’ny sinema sy mannequins, hankasitraka ampahibemaso an’ilay entam-barotra. Ny sigara anefa dia mandoto kokoa noho ny sigarety, ary mety hampidi-doza lehibe ny fahasalamana. “Tsy misy ataon’ny sigara amin’ny vehivavy afa-tsy ny mampitombo ny mety hahavoan’ny aretina mahafaty azy, sy ny mampihena ny heriny sy ny tanjany ilainy mba hahombiazana eo amin’ny fiainana”, hoy ny Dr. Neil Schachter, avy ao amin’ny Mount Sinai Medical Center, any New York.

Hadalana Momba ny Arivo Taona

“Ny taonjato faha-20 izay nanomboka tamin’ny naha-Taonjaton’ny Ady Lehibe azy sy nanjary Vanim-potoana Ataomika, dia toa hifarana amin’ny maha-Vanim-potoan’ny Fialam-boly azy”, hoy ny gazetiboky Newsweek. “Efa voafandrika sahady ireo hotely manerana ny gilaoby” ho amin’ny fankalazana ny Alin’ny Taom-baovao 1999. Kanefa, nisy fiadian-kevitra be momba ny hoe aiza ihany no hanomboka ny arivo taona. “Tao amin’ny firenen’i Kiribati no nanomboka ilay disadisa”, hoy ny fanamarihan’ny U.S.News & World Report. “Taloha dia nanapaka namakivaky ilay fitohitohiza-nosy indrindra ny tsipika iraisam-pirenena mamaritra ny daty: Rehefa alahady ny andro any Kiribati atsinanana, dia alatsinainy any Kiribati andrefana.” Nalamin’ilay firenena ilay olana tamin’ny fanambarana fa nanomboka tamin’ny 1 Janoary 1995 no ho mankatỳ, ilay tsipika mamaritra ny daty dia hanodidina an’i Caroline, ilay nosiny farany atsinanana indrindra. Hidika izany fa i Kiribati no ho ny tany voalohany hahita ny fanombohan’ny andro vaovao iray. Kanefa, ireo firenena hafa, toa an’i Tonga sy i Nouvelle-Zélande, dia naniry hahazo ny hoe “voalohany”. Araka ny Royal Greenwich Observatory, dia tsy raharaha lehibe izany. “Koa satria mibaliaka any amin’ny Tendron-tany Atsimo manomboka amin’ny ekinôksan’ny Septambra ka hatramin’ny ekinôksan’ny Martsa ny masoandro, ny arivo taona dia hanomboka voalohany any amin’ny farany atsimo amin’ny Tany”, hoy ny fanambaran’ilay tatitra. Kanefa, hoy ny anampin’ny Observatory, any amin’ny 1 Janoary 2001 vao hisy izany — fa tsy amin’ny taona 2000.

Horohoron-tany Tsy Azo Ampoizina Mialoha

Vao haingana izay, dia nisy antokona manam-pahaizana iraisam-pirenena momba ny horohoron-tany nivory tany Londres, mba handinika ny fahafahan’ny siansa milaza mialoha ny fisehoan’ny horohoron-tany. Ny faminavinany? “Nandritra ny 100 taona mahery izao dia nihevitra ny mpahay siansa maro momba ny tany fa [ny horohoron-tany lehibe] dia miharihary fa tsy maintsy ialohavan’ny fambara mialoha azo dinihina sy azo fantarina izay azo ampiasaina ho fototry ny fanairana alefa”, hoy ny nosoratan’ny Dr. Robert Geller, avy amin’ny Oniversiten’i Tokyo, ao amin’ilay boky hoe Eos. Takina kosa ny hanaovana fanitsiam-piheverana fototra satria “toa azo inoana fa tsy azo fantarina mialoha mihitsy ny fisehoan’ny horohoron-tany mandeha tsirairay”. Na dia mety tsy ho azo atao aza ny hilaza mialoha amin’ny fomba voafaritra mazava, ireo mpahay siansa dia afaka manombana hoe ho toy inona ny horohoron-tany sy ny mety ho hamafiny ho an’ny faritra isehoan’ny horohoron-tany betsaka voarakitra an-tsoratra. Ohatra, ny sarintany iray vaovao navoakan’ny Geological Survey any Etazonia dia manondro hoe aiza no mety hitrangan’ny fihovotrovotra mafy ao anatin’i Etazonia mandritra ny 50 taona hanaraka. Miorina amin’io fanazavana araka ny zava-misy io, ireo sampan-draharaham-panjakana dia manipy hevitra fa ny 70 isan-jato maherin’ny mponin’i Kalifornia dia mipetraka ao amin’ny faritra mety hampidi-doza.

Zavamaniry Mihinana Vanja

Mahay manala ny vanja avy ao amin’ny nofon-tany sy ny rano any amin’ny toerana nanaovana basy sy tafondro fahiny, sy mampisaratsaraka soa aman-tsara ireo taharony, ny beteravy sy ny karazana zavamaniry any anaty rano, hoy ny tatitra nataon’ny gazetiboky New Scientist. Nofahanan’ireo mpahay siansa ao amin’ny Oniversite Rice, any Houston, Texas, tamin’ny T.N.T. (trinitrotoluène) ny vonenina Catharanthus roseus sy ilay zavamaniry fahita any anaty rano atao hoe Myriophyllum aquaticum. Tao anatin’ny herinandro dia tsy nisy sisam-banja tavela tao amin’ireo tambatselany, ary tsy nisy zavatra nipoaka rehefa nodorana ireo zavamaniry ireo. Etsy an-danin’izany, ireo mpanao fikarohana tao amin’ny Oniversiten’i Maryland dia nahita fa afaka mihinana sy mandrava ny nitroglycérine ny sela sy ny menaky ny beteravy mahazatra. Samy nanala ny zavamiaina bitika dia bitika tamin’ireo zavamaniry ireo antokona mpahay siansa roa ireo mba hanaporofoana fa tsy nahazo fanampiana avy tamin’izany zavamiaina bitika dia bitika izany ireo zavamaniry ireo. “Amin’izao fotoana izao, dia mazàna mampidi-doza sy lafo loatra ny hanarenana ny toerana nanaovana basy sy tafondro fahiny mba hanaovana fanorenana eo amboniny, nefa mety hiova izany raha misy zavamaniry tsy lafo ny fambolena azy hampiasaina mba hanala ireo vanja amin’ny nofon-tany sy ny rano ary hampisaratsaraka azy soa aman-tsara”, hoy ilay lahatsoratra. Ilaina maika dia maika izany satria “eo am-pitsaharana ny fahazarana manary fitaovam-piadiana any an-dranomasina”.

Dihy Mampidi-doza

Tsy zavakanto mihaja intsony, fa niova “ho fanatanjahan-tena misy fifaninanana amin-kerisetra, izay hahazoam-bola be” ny dihy sasany iarahan’olon-droa, hoy ny tatitry ny The Times any Londres. Ny fifandonana mafy sy ny daka ambony, izay mandratra amin’ny fomba tsy ampoizina an’ireo mpandihy mpanao fifaninanana, dia mampitranga loza eo amin’ny faritra natao handihizana. Ny mbola ratsy kokoa noho izany aza, dia misy dihy sasany mampidi-doza iniana tontosaina “rehefa avy nandinika tsara tsy nisy fiantrana mihitsy”, araka ny tenin’i Harry Smith-Hampshire, lehiben’ny mpitsara dihy. Mampiditra “ireo fomba amam-panao eny amin’ny kianja fanaovam-baolina sy eny ambony ringa fanaovana ady totohondry” ireo mpifaninana, hoy ny voalazan’ny The Times. Mety hekena ho anisan’ny lalao olympika tsy ho ela ny dihy iarahan’olon-droa, hany ka nanangana “fitsipi-dalao” ofisialy ireo mpanazatra sy mpitsara matihanina mba ho fitsipika ifehezana ilay taranja fanatanjahan-tena.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara