Zavamaniry Miady Amin’ny Fandotoana
ASA maharitra sy andaniam-bola be ary matetika no sarotra atao ny fanesorana ny loto tsy ho ao amin’ny nofon-tany sy ny rano voaloto. Kanefa, voaporofo fa misy zavamaniry fahita mahazatra afaka manao izany asa izany, tsy ilana zavatra hafa.
Mihevitra ny hampiasa karazan-javamaniry any anaty rano sy voanenina fahita mahazatra ireo mpahay siansa mba hanadiovana ny toerana nanaovana basy sy tafondro fahiny, sy ho fanajariana ilay tany. Nisy andrana nahafahana nanala tsara aoka izany ny vanja TNT tamin’ny alalan’ny zavamaniry atao hoe Myriophyllum aquaticum sy ny voanenina, hany ka tao anatin’ny herinandro, dia tsy nisy sisam-banja tavela tao amin’ny tambatselan’ireo zavamaniry ireo, ary tsy nisy zavatra nipoaka rehefa nodorana izy ireo! Hitan’ny mpikaroka hafa fa afaka nihinana sy nandrava nitroglycérine ny sela sy ny menaky ny betiravy fahita mahazatra.
Ahoana ny amin’ny rano misy loto radiôaktifa betsaka? Toa manampy amin’izany ny tanamasoandro. Nampiasaina ny tanamasoandro, efa naniry enina herinandro, mba hamahana ny olana ny amin’ny rano maloto navoakan’ny orinasa iray mpanao uranium, orinasa efa tsy miasa intsony, tany Ohio, Etazonia. Inona no vokany? Raha 200 mikrôgrama isaky ny litatra, tamin’ny antsalany, ny uranium tao amin’izany rano maloto izany teo aloha, dia nihena ho 20 mikrôgrama isaky ny litatra, tarehimarika mbola latsaka ny fetra tsy ahitan-doza, izy io. Nisy fitsirihana hafa natao tao amin’ny famokarana angôvo niokleary, tany Tchernobyl, any akaikin’i Kiev, nampiseho fa nihinana ny 95 isan-jaton’ny strontium sy césium radiôaktifa ny tanamasoandro, tao anatin’ny folo andro!
Tsy ho ela, dia mety hampiasa ny voninkazo iris mavo sy ny karazan-jozoro ireo mpamboly mba hanesorana ny fanafody famonoana bibikely sy famonoana ahi-dratsy tsy ho ao amin’ny lakan-dranon’izy ireo. Mikraoba ao amin’ny fakan’ireo zavamaniry no manao ny ankabeazan’io fanadiovana io. Mandrava ny loto mantsy ireo mikraoba ireo, ka manadio ny rano.
Ireo ohatra voalaza eo ambony ireo dia manazava ny fahafahana mahatalanjona ananan’ny tany, hanadio tena.