FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/12 p. 4-8
  • Areti-mandringana Amin’izao Taonjato Faha-20 Izao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Areti-mandringana Amin’izao Taonjato Faha-20 Izao
  • Mifohaza!—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Manjary mahafaty kokoa ireo aretina tranainy
  • Aretina sy fahantrana
  • Aretina fantatra vao haingana
  • Anton-javatra mampiroborobo ny mikraoba
  • Areti-mifindra—Mampidi-doza Nefa Azo Sorohina
    Mifohaza!—2001
  • Hanjavona ve ny aretina indray andro any?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Ahoana no Niverenan’ireo Mikraoba Mahery?
    Mifohaza!—2003
  • Hahavita Hanafoana ny Aretina ve ny Mpahay Siansa?
    Mifohaza!—2007
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/12 p. 4-8

Areti-mandringana Amin’izao Taonjato Faha-20 Izao

TSY nitarika ho amin’ny faran’izao tontolo izao, araka ny nambaran’ny olona maro mialoha, ny Pesta Mainty tany Eoropa tamin’ny taonjato faha-14. Ahoana anefa ny amin’izao androntsika izao? Moa ve ireo valanaretina sy aretina amin’izao androntsika izao manondro fa miaina ao amin’ilay antsoin’ny Baiboly hoe “andro farany” isika? — 2 Timoty 3:1, NW.

‘Azo antoka fa tsia’, hoy ny mety ho eritreritrao. Ankehitriny, dia efa nanao zavatra betsaka kokoa noho ny tamin’ny fotoana na oviana na oviana teo amin’ny tantaran’ny olombelona, ny fandrosoana ara-pitsaboana sy ara-tsiansa, mba hanampiana antsika hahatakatra ny mombamomba ny aretina sy hiady aminy. Ireo mpahay siansa momba ny fitsaboana dia efa namokatra antibiotika sy vaksiny maro karazana — fiadiana mahery amin’ny aretina sy ny mikraoba mahatonga azy ireny. Nanampy teo amin’ny ady amin’ny areti-mifindra koa ny fanatsarana ny fikarakaran’ny hopitaly, ary koa ny fanadiovana ny rano, ny fitandroana ny fahadiovana, ary ny fikarakarana sakafo.

Am-polony taona vitsivitsy lasa izay, dia nihevitra ny maro fa efa ho vita ilay ady. Efa fongotra ny nendra, ary tarigetra ny hamongorana aretina hafa. Nandaitra ireo fanafody ary naharesy aretina tsy tambo isaina. Nibanjina ny hoavy tamim-panantenana ireo mpiasan’ny fahasalamana matihanina. Ho resy ny areti-mifindra; hisesy ireo fandresena. Handresy ny siansa ara-pitsaboana.

Tsy nandresy anefa izy io. Amin’izao andro izao, dia mbola ny antony voalohany indrindra miteraka fahafatesana maneran-tany ihany ny areti-mifindra. Tamin’ny 1996 fotsiny izy io dia namono olona maherin’ny 50 tapitrisa. Soloan’ny fanahiana mihamitombo momba ny hoavy ilay fanantenana fihatsaran-javatra tamin’ny lasa. Mampitandrina toy izao ny The World Health Report 1996, avoakan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS): “Ankehitriny dia mety ho very maina ny ankamaroan’ny fandrosoana vita ho fanatsarana ny fahasalaman’ny olona, tato anatin’ireo folo taona faramparany. Eo an-tokonan’ny fotoan-tsarotra maneran-tany isika raha ny momba ny areti-mifindra. Tsy misy tany voaro amin’izy io.”

Manjary mahafaty kokoa ireo aretina tranainy

Ny antony iray mampanahy dia satria miverina indray amin’ny endriny mahafaty kokoa sy sarotra tsaboina kokoa ireo aretina fantatra tsara, izay noheverina hoe resy teo aloha. Ohatra iray ny raboka, aretina noheverina hoe saika voasakana tanteraka teo aloha, tany amin’ny tontolo mandroso. Tsy nanjavona anefa ny raboka; ankehitriny izy io dia mamono olona tokony ho telo tapitrisa isan-taona. Raha tsy misy fanatsarana ireo fepetra fisakanana, dia olona tokony ho 90 tapitrisa no ampoizina ho voan’ilay aretina mandritra ireo taona 1990. Miely any amin’ny tany maro ny raboka tsy andairam-panafody.

Ohatra iray hafa momba ny aretina mipoitra indray ny tazomoka. Nanantena ny hamongotra haingana ny tazomoka ireo dokotera, 40 taona lasa izay. Amin’izao andro izao, dia mamono olona tokony ho roa tapitrisa isan-taona ilay aretina. Efa raikitra, na misy foana any amin’ny tany maherin’ny 90 ny tazomoka, ary mandrahona ny 40 isan-jaton’ny mponina maneran-tany. Nanjary tsy andairam-panafody famonoana bibikely ireo moka izay mitondra ny katsentsitry ny tazomoka, ary ireo katsentsitra ireo indray dia nanjary tsy andairam-panafody aoka izany, hany ka matahotra ireo dokotera sao tsy ho azo tsaboina ny karazany sasany amin’ny tazomoka, atsy ho atsy.

Aretina sy fahantrana

Misy aretina hafa mamono tsy an-kijanona, na dia eo aza ny fiadiana mandaitra hanoherana azy. Hevero, ohatra, ny méningite spinale (aretin’ny fonon’atidoha sy ny fonon’ny tsokan-damosina). Misy ny vaksiny hisorohana ny méningite sy ny fanafody hitsaboana azy. Nirongatra mafy ny méningite tany atsimon’i Sahara, atsy Afrika, tany am-piandohan’ny taona 1996. Azo inoana fa tsy nandre firy momba azy io ianao; na dia izany aza, dia namono olona mihoatra ny 15 000 izy io — ny ankamaroan’ireo olona ireo dia mahantra sy ankizy.

Mamono olona efatra tapitrisa isan-taona, ankizy ny ankamaroany, ny aretin’ny tapany ambany amin’ny taovam-pisefoana, anisan’izany ny pnemonia. Mamono ankizy iray tapitrisa isan-taona ny kitrotro ary mamono ankizy 355 000 fanampiny ny kohadavareny. Ho azo nosorohina tamin’ny alalan’ny vaksiny tsy lafo vidy koa ny ankamaroan’ireo fahafatesana ireo.

Ankizy valo arivo eo ho eo no maty isan’andro noho ny fahaverezan-drano vokatry ny aretim-pivalanana. Saika izany fahafatesana rehetra izany no ho azo nosorohina tamin’ny alalan’ny fitandroana tsara ny fahadiovana na ny rano fisotro madio, na ny fampisotroana ranom-panafody toy ny ODIVA.

Any amin’ny tontolo an-dalam-pandrosoana, izay be mahantra, no itrangan’ny ankamaroan’ireo fahafatesana ireo. Olona tokony ho 800 tapitrisa — ampahany lehibe amin’ny mponina amin’ny tany — no tsy manana fahafahana hitsabo tena. Hoy ny The World Health Report 1995: “Efa ho any amin’ny faran’ny lisitra Fisokajiana Iraisam-pirenena Momba ny Aretina no nasiana ilay mpamono lehibe indrindra maneran-tany sy ilay antony lehibe indrindra mahatonga tsy fahasalamana sy fijaliana manerana ny gilaoby. Izany dia nomena ny marika Z59,5 — fahantrana faraidiny.”

Aretina fantatra vao haingana

Mbola misy aretina hafa vaovao, tsy fantatra raha tsy vao haingana. Nanambara toy izao vao haingana ny OMS: “Nandritra ireo 20 taona lasa, dia aretina vaovao 30 fara fahakeliny no nipoitra ka nandrahona ny fahasalaman’ny olona an-jato tapitrisany maro. Tsy misy fitsaboana na fanafody na vaksiny ho an’ny ankamaroan’ireny aretina ireny, ary voafetra ny fahafahana hisoroka na hisakana azy ireny.”

Hevero, ohatra, ny VIH sy ny SIDA. Vao 15 taona monja izay no nahafantarana azy ireo, ary ankehitriny izy ireo dia mahavoa olona any amin’ny kontinanta rehetra. Amin’izao fotoana izao, dia olon-dehibe tokony ho 20 tapitrisa no mitondra VIH, ary mihoatra ny 4 tapitrisa sy sasany no voan’ny SIDA. Araka ny voalaza ao amin’ny Human Development Report 1996, dia antony voalohany indrindra mahatonga fahafatesan’olon-dehibe latsaka ny 45 taona any Eoropa sy any Amerika Avaratra izao ny SIDA. Maneran-tany, dia olona 6 000 eo ho eo no voa isan’andro — iray isaky ny 15 segondra. Ny fanombanana dia toa manondro fa hanohy hitombo haingana ny isan’ny olona voan’ny SIDA. Amin’ny taona 2010, dia ampoizina hidina any amin’ny 25 taona ny halavam-piainan’ny mponina any amin’ireo firenena afrikana sy aziatika voa mafy indrindra noho ny SIDA, araka ny nolazain’ny fikambanana amerikana iray.

Moa ve ny SIDA aretina maningana, tsy roa aman-tany, sa mety hisy valanaretina hafa hipoitra ka hiteraka fandripahana mitovy amin’ny azy, na ho ratsy kokoa mihitsy aza? Mamaly toy izao ny OMS: “Tsy isalasalana fa misy aretina mbola tsy fantatra, nefa mety ho ny SIDA-n’ny ampitso, efa mamitsaka ao amin’ny maizimaizina.”

Anton-javatra mampiroborobo ny mikraoba

Nahoana ireo manam-pahaizana momba ny fahasalamana no manahy momba ny fihanahan’ny aretina ho avy? Antony iray ny fitomboan’isan’ny mponina any amin’ireo tanàn-dehibe. Zato taona lasa izay, dia 15 isan-jato eo ho eo monja tamin’ny mponina naneran-tany no nonina tany an-tanàn-dehibe. Ny fanombanana anefa dia mampiseho fa amin’ny taona 2010, dia ho maherin’ny antsasaky ny mponina maneran-tany no honina any amin’ny faritra an-tanàn-dehibe, indrindra fa any amin’ireo tanàn-dehibe goavana any amin’ireo tany tsy mandroso firy.

Mirobona any amin’ireo faritra be mponina ireo otrikaretina. Raha manana trano fonenana mahasalama, ary koa fanarian-drano maloto sy famatsian-drano ampy ary fikarakaram-pahasalamana tsara ny tanàn-dehibe iray, dia hihena ny mety hisian’ny valanaretina. Ireo tanàn-dehibe any amin’ny tany mahantra anefa no mihabe mponina haingana indrindra. Tsy manana afa-tsy kabine iray ho an’ny olona 750 na mihoatra ny tanàn-dehibe sasany. Tsy manana trano mahasalama sy rano fisotro madio ary koa toeram-pitsaboana, ny faritra maro an-tanàn-dehibe. Rehefa miara-mifanizina ao anatin’ny loto ny olona ana hetsiny maro, dia mety hifindra be ny aretina.

Midika ve izany fa ny valanaretina hoentin’ny hoavy dia ho voafetra any amin’ny tanàn-dehibe goavana be mponina loatra sy mahantra faraidiny? Mamaly toy izao ilay gazety hoe Archives of Internal Medicine: “Tsy maintsy takatsika marina fa ny faritra kely faran’izay mahantra sy ny tsy fananana fanantenana ara-toe-karena ary ny vokatra aterak’izany dia manome ny saha lonaka indrindra hamafazana areti-mifindra, ary mandifotra ny teknôlôjian’ny sisa amin’ny taranak’olombelona.”

Tsy mora ny mihazona ny aretina ho eo amin’ny faritra iray ihany. Sesehena ny olona mifindrafindra toerana. Isan’andro, dia misy olona tokony ho iray tapitrisa miampita ny sisin-tany iraisam-pirenena. Isan-kerinandro, dia olona iray tapitrisa no mifamezivezy eo amin’ny tany manankarena sy ny tany mahantra. Rehefa mifindrafindra toy izany ny olona, dia manaraka azy ireo koa ny mikraoba mahafaty. Manamarika toy izao ny The Journal of the American Medical Association: “Ankehitriny, ny valanaretina iray mitranga na aiza na aiza, dia tsy maintsy heverina ho fandrahonana ho an’ny ankamaroan’ireo firenena, ary indrindra ho an’ireo foibe lehibe amin’ny dia iraisam-pirenena.”

Araka izany, na dia eo aza ny fandrosoana ara-pitsaboana amin’izao taonjato faha-20 izao, ny areti-mandringana dia manohy mijinja ain’olombelona ihany ary matahotra ny maro sao mbola ho avy ny ratsy indrindra. Inona anefa no lazain’ny Baiboly momba ny hoavy?

[Teny notsongaina, pejy 4]

Mbola ny antony voalohany indrindra miteraka fahafatesana maneran-tany ihany ny areti-mifindra, ka mamono olona maherin’ny 50 tapitrisa, tamin’ny 1996 fotsiny

[Efajoro, pejy 6]

Tsy Andairan’antibiotika

Manjary sarotra tsaboina kokoa ny areti-mifindra maro noho izy ireo nanjary tsy andairan’antibiotika. Toy izao no mitranga: Rehefa tafiditra ao amin’ny olona iray ny bakteria, dia mitombo isa tsy an-kijanona izy ireo, ka mamindra ny toetoetrany zenetika amin’ny taranany. Isaky ny misy bakteria vaovao teraka, dia mety hisy fiovana eo amin’ny foto-tarazo — fahadisoana kely eo amin’ny fahaterahana izay hahatonga an’ilay bakteria vaovao hanana toetoetra vaovao. Faran’izay kely ny mety hisian’ny fiovana eo amin’ny bakteria iray ka hahatonga azy ho afaka hahatohitra antibiotika. Kanefa, miteraka an’arivo tapitrisany maro ireo bakteria, indraindray aza mamokatra taranaka telo mifandimby ao anatin’ny adiny iray. Araka izany, dia tena mitranga tokoa ny tsy ampoizina — indraindray dia misy bakteria miforona izay sarotra vonoina amin’ny antibiotika iray.

Koa rehefa mampiasa antibiotika ny olona iray mitondra otrikaretina, dia voafongotra ireo bakteria tsy mahatohitra, ary mety hahatsapa ho tsaratsara kokoa ilay olona. Kanefa, ireo bakteria mahatohitra dia velona ihany. Ankehitriny anefa izy ireo dia tsy voatery miady amin’ny mikraoba namany intsony mba hahazoana sakafo sy faritany. Afaka miteraka malalaka tsy misy fanakantsakanana intsony, izy ireo. Koa satria ny bakteria iray afaka mitombo isa ka ho lasa bakteria 16 tapitrisa mahery ao anatin’ny indray andro monja, dia tsy ela akory dia manjary marary indray ilay olona. Ankehitriny anefa izy dia mitondra karazana bakteria tsy andairan’ilay fanafody tokony ho nahafaty ilay bakteria. Afaka mahavoa olon-kafa koa ireny bakteria ireny, ary rehefa mandeha ny fotoana, dia miova indray ka manjary tsy andairan’antibiotika hafa.

Manambara toy izao ny lahatsoratry ny mpampanonta ny gazety Archives of Internal Medicine: “Ny fitomboana haingana eo amin’ny fahatoheran’ny bakteria, ny virosy, ny holatra ary ny katsentsitra, an’ireo fitaovantsika ara-pitsaboana misy amin’izao fotoana izao, dia mahatonga hanontany tena hoe rahoviana isika no ho resy amin’itỳ ady ifanaovan’ny olombelona amin’ny tontolon’ny mikraoba itỳ, fa tsy hoe ho resy ve isika, sa tsia.” — Izahay no manao sora-mandry.

[Efajoro, pejy 7]

Areti-mifindra Vaovao Sasany Nanomboka Tamin’ny 1976

Toerana Nisehoany na Nahafantarana Azy Voalohany

Taona Nahafantarana Azy

Anaran’Aretina

1976 Aretin’ny lezionera Etazonia

1976 Cryptosporidiosis (aretim-pivalanana) Etazonia

1976 Tazo Ebola mampitosa-dra Zaïre

1977 Hantavirus (aretin-tratra) Korea

1980 Hépatite D Italia

1980 Virus du lymphome humain à cellule T Japon

1981 SIDA Etazonia

1982 Escherichia coli O157:H7 Etazonia

1986 Aretina Vache Folle* Royaume-Uni

1988 Salmonella enteritidis PT4 Royaume-Uni

1989 Hépatite C Etazonia

1991 Tazon’i Venezoela mampitosa-dra Venezoela

1992 Vibrionan’ny kôlerà O139 India

1994 Tazon’i Brezila mampitosa-dra Brezila

1994 Virosy mamely ny olona sy ny soavaly Aostralia

*Tsy mahakasika afa-tsy ny biby.

[Sary nahazoan-dalana]

Loharanon-kevitra: OMS

[Efajoro, pejy 8]

Miverina Indray ny Aretina Tranainy

Raboka: Olona maherin’ny 30 tapitrisa no ampoizina ho fatin’ny raboka mandritra ireo taona 90 diavintsika. Noho ny tsy fandairan’ny fitsaboana an’io aretina io tamin’ny lasa, ankehitriny dia mandrahona ny olona maneran-tany ny raboka tsy andairam-panafody. Amin’izao fotoana izao, dia misy karazana raboka sasany tsy andairan’ny fanafody izay tena nahafaty an’ilay bakteria tokoa teo aloha.

Tazomoka: Io aretina io dia mamely olona hatramin’ny 500 tapitrisa isan-taona, ka mamono ny 2 tapitrisa. Tsy nisy fanaraha-maso azo natao noho ny tsy fahampiam-panafody, na ny nampiasana azy tamin’ny fomba diso. Ho vokany, dia manjary tsy andairam-panafody izay namono azy teo aloha ny katsentsitry ny tazomoka. Mahatonga ilay olana hihasarotra ny fahatoheran’ny moka an’ireo fanafody famonoana bibikely.

Kôlerà: Mamono olona 120 000 isan-taona ny kôlerà, indrindra indrindra atsy Afrika, izay nahitana fa nanjary miely patrana kokoa sady mateti-piseho kokoa ilay valanaretina. Tsy fantatra tany Amerika Atsimo ny kôlerà nandritra ny am-polony taona maro, kanefa namely an’i Peroa izy io tamin’ny 1991 ary niely nanerana ilay kontinanta nanomboka tamin’izay.

Dengue: Tombanana ho 20 tapitrisa isan-taona ny olona voan’io virosy entin’ny moka io. Nandritra ny taona 1995, dia namely tany 14 fara fahakeliny tany Amerika Latina sy tany Caraïbes ny valanaretina dengue ratsy indrindra tao anatin’ny 15 taona. Mihamiely ny valanaretina dengue noho ireo tanàn-dehibe mihabe mponina sy noho ny fielezan’ny moka mitondra dengue ary noho ny fivezivezen’ny olona maro be voa.

Difiteria: Nisy fandaharana natao mba hanomezana fanefitra olona maro be, natomboka 50 taona lasa izay, ka nahatonga an’io aretina io ho faran’izay nahalana tany amin’ny tany mandroso. Nanomboka tamin’ny 1990 anefa, dia namely mafy tany amin’ny tany 15 tany Eoropa Atsinanana sy ny Firaisana Sovietika teo aloha ny valanaretina difiteria. Hatramin’ny ampahefatry ny olona voan’ilay aretina no maty. Nandritra ny enim-bolana voalohany tamin’ny taona 1995, dia olona voa tokony ho 25 000 no nanaovana tatitra.

Pesta mampisy atodintarina: Nandritra ny taona 1995, dia olona voan’ny pesta, 1 400 fara fahakeliny, no nanaovana tatitra tany amin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS). Tany Etazonia sy tany an-toeran-kafa, ilay aretina dia niely tany amin’ny faritra izay tsy nahitana pesta nandritra ny am-polony taona maro.

[Sary nahazoan-dalana]

Loharanon-kevitra: OMS

[Sary, pejy 5]

Na dia teo aza ny fanatsarana ny fikarakaram-pahasalamana, dia tsy afaka nampitsahatra ny fielezan’ny areti-mifindra ny siansa ara-pitsaboana

[Sary nahazoan-dalana]

WHO photo by J. Abcede

[Sary, pejy 7]

Mora miely ny aretina rehefa miara-mifanizina ao anatin’ny loto ny olona

[Sary, pejy 8]

Olona tokony ho 800 tapitrisa any amin’ny tontolo an-dalam-pandrosoana no tsy manana fahafahana hitsabo tena

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara