Hanjavona ve ny aretina indray andro any?
RAHA voan’ny homamiadana teo amin’ny taolanao ianao folo taona lasa izay, dia ho nanjombona tokoa ny ho avinao tamin’izay. Araka ny “National Cancer Institute”, folo taona lasa izay, ny 80 isan-jato amin’ny olon-dehibe tanora voan’ny homamiadana teo amin’ny taolany dia maty tao anatin’ireo 3 taona nanaraka. Ankehitriny anefa, noho ny fandrosoana vitan’ny siansa, dia ambara fa ny 90 isan-jato amin’ireo voan’io aretina io dia sitrana tanteraka telo taona aorian’ny ahitana ilay aretina ao aminy.
Fandrosoana toy izany no natao teo amin’ny fitsaboana aretina hafa. Tamin’ny 1979, ohatra, dia nisy fitambaran’olona notendren’ny Fandaminana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana nanambara fa foana tsy misy intsony maneran-tany ny nendra. Raha ny amin’ny raboka kosa, na dia mbola misy olona 3 tapitrisa maty noho izany ihany aza isan-taona, dia hoy ny nambaran’ny gazety world Health: “Efa eo an-tananay izao ireo fiadiana ilaina mba hanafoanana ny raboka. Ny hany ilainay mba handresena azy mandrakizay, dia ny fahafahana eo amin’ny ara-bola sy ny faniriana hanao izany avy amin’ny lafiny ara-politika”.
Tsy azo lavina mihitsy fa nanao dingan-dava lehibe tokoa ny siansa eo amin’ny ady atao amin’ny aretina. Kanefa dia mbola eo ihany izao zava-misy izao. Mbola lavitra ny handresen’ny siansa ny faharariana sy ny aretina. Ny aretim-po, ohatra, dia mbola mijanona ho ny antony voalohany mahatonga fahafatesana alohan’ny fotoana any amin’ny tany mandroso. Fanampin’izany dia diniho kely ilay tabilao miaraka amin’ity lahatsoratra ity hoe: “Eo am-pamaranana ny aretina ve ny Siansa?” Izy io dia manondro ireo aretina hafa izay mbola manohy mahasanganehana ny manam-pahaizana amin’ny fitsaboana ihany.
Mahavery fanantenana fa toa mihalava ny lisitry ny aretina mahafaty, ny taloha mbola eo ihany ary ampian’ny vaovao. Mazava fa, raha nanao fandrosoana lehibe ny siansa ka nanome antsika zavatra be dia be izay tokony hahavelom-pankasitrahana antsika, dia tsy mahafoana velively ny faharariana sy ny aretina izy. Tsy misy fanantenana mihitsy ve ny amin’ny ho avy?
Fototry ny fanantenana
Tena misy antony hanantenana tokoa fa ny faharariana sy ny aretina dia hifarana. Kanefa tsy noho ny asa feno fandavan-tenan’ireo mpahay siansa akory izany. Izany kosa dia ho avy amin’ny loharano ambony lavitra.
Mba handresena ny aretina mandrakizay, dia zavatra anankiroa tena lehibe no ilaina, dia 1) ny fahafahana sy 2) ny faniriana. Tsy hanjary ny iray monja. Tsarovy fa nanambara ilay Gazety World Health fa afaka ny hamafa tanteraka ny raboka ny olona, saingy tsy manana “ny fahafahana eo amin’ny ara-bola sy ny faniriana avy amin’ny lafiny ara-politika” izy.
Tsy misy afa-tsy olona iray ihany manerana izao rehetra izao amin’ny farany no manana ny fahafahana sy ny faniriana ny hamafa mandrakizay ny aretina rehetra—dia ny tenan’Andriamanitra ihany! Fony teto an-tany i Jesosy Kristy, izay nanome taratry ny toetra tsaran’ny Rainy tamin’ny fomba tanteraka, dia nampiseho tamin’ny fomba mahatalanjona ny fahaizan’ny hery avy amin’Andriamanitra handresy ny aretina sy ny kilema.—Jaona 14:9.
Tsy misy iadian-kevitra mihitsy fa i Jesosy Kristy, tamin’ny alalan’ny “herin’Andriamanitra”, dia afaka nandresy ny aretina. (Lioka 9:43, MN.) Tamin’ny heviny ara-bakiteny, i Jesosy dia namerina ny fahasalaman’ireo olona narary, kilemaina sy tsy afa-nihetsika—dia ny mandringa, ny kilemaina sy ny jamba (Matio 15:30, 31), ny voan’ny androbe sy ny voan’ny paralysisa (Matio 4:24), ny boka (Lioka 17:12-14), ny vehivavy voan’ny fandehanan-dra foana iray (Marka 5:25-29), ny lehilahy maty tanana iray (Marka 3:3-5), lehilahy manirano iray (Lioka 14:2-4) ary olona voan’ny “aretina samy hafa”. (Lioka 4:40.) Nisy koa aza tarehin-javatra telo voamarina tsara izay nananganan’i Jesosy olona tamin’ny maty! (Lioka 7:11-15; 8:49-56; Jaona 11:38-44). Tamin’ny ankamaroan’ireo ohatra ireo, ny fanasitranana dia nitranga avy hatrany, ary tsy nitaky vanim-potoana fihatsaran’ny avy narary ny fanazaran-tena indray.
Marina fa hita mazava avy amin’ireo fanasitranana maro be izay nataony fa naniry ny handresy ny aretina i Jesosy. Kanefa, asehon’ny Baiboly amin’ny fomba mampihetsi-po ny faniriana avy amin’ny fo ny hamerina fahasalamana amin’ny hafa nananan’i Jesosy.
Taorian’ny nandrenesany ny nahafatesan’i Jaona Mpanao batisa, i Jesosy dia nandeha an-tsambokely ho any amin’ny toerana mitokana mba ho irery. Toa nisy vahoaka maro be anefa nahita ilay sambo nandeha ka nahafantatra izay nalehany. Niandry an’i Jesosy izy ireo raha tonga teny izy. Nanao ahoana ny fihetsik’i Jesosy? Moa ve izy tezitra? Sa sosotra? Raha ny tena izy, moa ve izy tsy nanana zo ny hiala sasatra sy hipetraka? Tsy nataony hahasosotra azy velively anefa izy ireo, araka ny fanazavan’ny fitantarana: “Ary nony nivoaka Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka, ary onena azy ka nahasitrana ny marariny”. (Matio 14:13, 14). Milaza toy izao, momba ilay teny grika nadika hoe “onena”, ny mpandinika Baiboly iray: “[Izany no] teny mahery indrindra amin’ny teny grika mba hilazana ny fitserana amim-pangoraham-po. Izany dia voaforona avy amin’ny teny hoe splagkhna, izay midika ara-bakiteny hoe ny tsinay, ary mampiseho ny fitserana sy ny fangorahana izay manetsika ny olona iray hatrany amin’ny lalina indrindra amin’ny tenany”. Eny, tsy zakan’i Jesosy ny nijery ny fahorian’ny hafa kanefa tsy nanalefaka izany.—Lioka 5:12-14.
Tsy misy iadian-kevitra mihitsy ny amin’izany. Noho ny hery avy amin’Andriamanitra, i Jesosy Kristy dia sady afaka no naniry ny handresy ny aretina. Ary mbola toy izany ihany izy! (Hebreo 13:8). Ireo fanasitranana nataony fony izy teto an-tany dia nampiseho mialoha ireo fitahiana mahasitrana izay hitarina amin’ny olombelona maneran-tany eo ambany fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra. ‘Rahoviana anefa noho ho tonga izany’? hoy ianao.
Efa antomotra ny faran’ny aretina!
Toy ny efa naseho imbetsaka tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana, ilay “famantarana” mitambatra, izay ny ‘areti-mandringana’ na ny aretina dia anisany, dia efa hita maso tsy misy diso hatramin’ny 1914. Raha dinihinao ny porofo, dia tsy misy isalasalana mihitsy fa tanteraka ny tenin’i Jesosy. Maro be amin’ireo faharariana sy aretina hitantsika izao àry no tena fahatanterahan’ny faminanian’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:3-7 [MN] sy Lioka 21:10, 11. Izany dia midika fa miaina amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” isika!
Tsy ho ela ny Fanjakan’Andriamanitra dia hanafoana ity fandehan-javatra ratsy ankehitriny ity ka hanolo azy amin’ny fandehan-javatra vaovao tsy marina (II Petera 3:13). Amin’izay, eo ambany fanapahan’ny Fanjakany, ny areti-mandringana, na ny aretina, dia tsy hanala amintsika intsony ny fahasalamana sy ny fiainana.
Tokony hanao ahoana re ny fankasitrahantsika noho ny fahafahana sy ny faniriana hamafa tanteraka ny faharariana sy ny aretina mandrakizay ananan’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra!—Apokalypsy 21:3, 4.
Ho tianao ve ny hahafantatra betsaka kokoa momba ireo fitahiana nampanantenain’Andriamanitra sy ireo izay tokony hataonao mba hahazoana soa avy aminy? Ireo Vavolombelon’i Jehovah dia ho faly hanampy anao. Nahoana ianao raha mifandray amin’ireo eo amin’ny misy anao na manoratra amin’ireo mpanonta ity gazety ity?
[Efajoro, pejy 7]
Handresy ny aretina ve ny siansa?
Ny homamiadana: Voatombana fa amin’ity taona ity fotsiny dia hisy olona eo amin’ny 835 000 vao ho voan’ny homamiadana any Etazonia. Ao anatin’izany fotoana izany ihany dia olona eo amin’ny 430 000 no ho fatin’ny homamiadana. Ary ny Fandaminana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana dia manambara fa ny antsasak’ireo olona 37 tapitrisa voan’ny homamiadana maneran-tany dia any amin’ny tany eo an-dalam-pandrosoana.
Ny aretin’i Chagas: Io dia aretina avy amin’ny “parasites” izay mamely olona eo amin’ny 10 tapitrisa eo any Amerika Atsimo sy Afovoany. Amin’ny fotoana voalohany idiran’ny aretina, ireo “parasites” dia mamely ny faritra ao amin’ny tena, indrindra fa ny fo. Maharitra ilay aretina ary mety hitarika fahafatesana izay matetika vokatry ny tsy fahampian’ny fiasan’ny fo. Tsy misy fanafody fantatra mahasitrana ny aretin’i Chagas.
Ny gripa: Ny gripa espaniola no tsy isalasalana fa ny gripa ratsy indrindra mahazo ny olona rehetra. Tombanana ho olona teo amin’ny 20 tapitrisa teo no matiny tamin’ny 1918 sy 1919. Na dia misy aza ny vaksiny, dia misy fielezan’ny gripa indray nipoitra hatramin’izay. Ny “virus” miteraka gripa dia mahagaga fa afaka manova matetika tokoa ny firafitry ny molekiola ao aminy, ka hatrany hatrany izany dia miteraka fielezan’ny aretina indray. Noho izany, ny gripa aziatika dia namono olona teo amin’ny 57 000 maneran-tany tamin’ny 1957. Ny gripan’i Hong Kong dia namono olona 33 000 tamin’ny 1968 sy 1969. Tao anatin’ireo 20 taona farany, dia Amerikana teo amin’ny 500 000 no matin’ny gripa.
Ny fahajambana avy amin’ny renirano na “onchocercose”: Dia aretina maharitra aparitaky ny karaza-moka amin’ireo olona voakaikiny. Ilay aretina mamely ny tena dia avy amin’ny fiforonan’ny holatra eo amin’ny hoditra sy ny maso. Na dia mety hiteraka fahajambana aza izany, dia tsy mitarika fahafatesana mazàna. Olona eo amin’ny 40 tapitrisa any Afrika, Mexique, Guatemala, Venezuela, Colombie sy Brésil no ampijalin’izany amin’ny fitambarany. Ireo mpanao fikarohana dia mbola mitady foana fomba fitsaboana tsy mampidi-doza kokoa mba hiadiana amin’ny “onchocercose”.
Ny “lupus: Ny L.E.D. (lupus érythémateux disséminé), fikorontanan’ny fiarovan’ny vatana tena voajanahary amin’ny otrik’aretina izay indraindray mahafaty, dia mamely Amerikana eo amin’ny 500 000 ka hatramin’ny iray tapitrisa. Amin’io aretina io voa ny faritra mpa-mpikambana ireo sela (cellules) rehefa miaro tena amin’ny otrik’aretina avy hatrany ny tena. Tato anatin’izao taona faramparany izao dia manantena fihatsaran-javatra ny fanombatombanan’ireo mpitsabo. Eo amin’ny 80 ka hatramin’ny 95 isan-jato amin’ny marary tokoa no mbola velona ihany rehefa afaka folo taona taorian’ny famantarana aretina. Amin’izao fotoana izao anefa dia tsy mbola fantatra izay fanafodin’ny L.E.D.
Ny bilharziose: Ny bilharziose (na schistosomiases) izay efa mamely olona eo amin’ny 200 tapitrisa any amin’ny tany 71 dia mbola miparitaka haingana. Voan’ilay aretina ny olombelona amin’ny fandroana na ny filomanosana amin’ny rano izay misy biby malemy toy ny sifotra misy “parasites” atao hoe “schistosome” Raha tafiditra ao anatin’ny tenan’olombelona ny atodin’ilay “parasites” dia mety hanimba ny tatavia sy ny aty, ary matetika dia miteraka fahafatesana. Sarotra ny fanefitra amin’ny “biharziose” (indrindra fa any amin’ireo tany mahantra), satria izany dia miankina betsaka amin’ny fanariana ny loto amin’ny fomba tsara.
Ny tazo: Ateraky ny kaikitra ataon’ny mokavavy atao hoe “anophèle” ny tazo ary aretina tranainy izy io. Efa foana tanteraka izy io tany amin’ny tany toa an’i Inde sy Sri Lanka, kanefa dia niverina indray tao anatin’ireo taona faramparany ka nandripaka ain’olona maro! Isan-taona, any Afrika, izy io dia mamono ankizy latsaka ny dimy taona iray tapitrisa. Fanampin’izany, olona maherin’ny 150 tapitrisa maneran-tany no mijaly noho ny fangovitana, ny fanaviana ary fisehoany hafa mampiavaka ny tazo. Ireo mpanao fikarohana dia mbola eo am-pitadiavana ny vaksiny fanefitry ny tazo.
Ny aretin-dratsy toy ny tety: Ny fitambaran’olona moramorainy loatra misy antsika dia natoky tena loatra fa hoe hahasitrana izany ny “pénicilline”. Amin’izao fotoana izao dia miely saika hatraiza hatraiza ny karazana angatra tsy sitran’ny “pénécilline”.
Anisan’ny fielezan’aretin-dratsy vaovao, dia aoka hotononintsika ny “herpes genital” izay toa hoe mahavoa olona 20 tapitrisa, any Etazonia fotsiny. Fantatra amin’ny “virus” io aretina io ary mandrakariva mifindra amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy. Misy aretim-baovao nomena anarana hoe SIDA (syndrome d’immunodéficience acquise) miely haingana eo amin’ireo lehilahy manambady lehilahy sy ny olon-kafa koa. Isain’ireo manam-pahaizana manokana ho anisan’ireo loza mamely mafy indrindra amin’izao androntsika izao izy io. Hita anefa fa tsy ananana mihitsy ny fanafodin’ny “herpes genital” sy ny SIDA.
Ny sclérose en plaques: Aretin’ny fitambaran-kozatra afovoany (atidoha sy tsokan-taolan-damosina) ny “sclérose en plaques” ka mahavoa Amerikana eo amin’ny 500 000. Mandrakariva dia voa ny olona eo amin’ny 20 ka hatramin’ny 40 taona. Anisan’ireo famantarana azy maro karazana dia aoka hotononintsika ny fahosana amin’ny ankapobeny, ny tsy fisian’ny firindran’ny fihetsehana ary fitomboan’ny tsy fahatanam-balahana sy fivoahana matetika. Na dia natomboka aza ny fikarohana lehibe ny amin’izany, dia mbola tsy hita mihitsy izay fanafodiny.
[Sary, pejy 6]
Jesosy dia sady afaka no naniry ny handresy ny aretina.