FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/12 p. 18-20
  • Ahoana no Ahafahako Miatrika ny Fiangarana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Ahafahako Miatrika ny Fiangarana?
  • Mifohaza!—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fehezo ny lelanao!
  • Tsy fankatoavana an-kolaka
  • Ny loza entin’ny fitokantokanana
  • Ny loza entin’ny fitsiriritana
  • Nahoana ny Anadahiko no Mahazo ny Fiahiana Rehetra?
    Mifohaza!—1997
  • Inona no Ataoko Raha Ampitahaina Amin’ny Zokiko Foana Aho?
    Mifohaza!—2003
  • Nahoana ny Ray Aman-dreniko no Tsy Mahatakatra ny Fomba Fihevitro?
    Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
  • Nahoana no Sarotra Erỳ ny Mifanaraka Amin’ny Zandriko sy ny Zokiko?
    Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/12 p. 18-20

Manontany ny Tanora Hoe...

Ahoana no Ahafahako Miatrika ny Fiangarana?

“Zandriko roa taona ny rahavaviko, ary izy no mahazo ny fiheverana rehetra. (...) Toa tsy rariny izany.” — Rebecca.a

ARAKARAKA ny ahazoan’ny rahalahinao na ny anabavinao fiheverana no mety hahatsapanao ny tenanao ho atao an-kilabao. Ary raha toa ianao ka manana iray tam-po izay manana fahaizana miavaka, mahita olana lehibe, na mitovy zava-mahaliana na lafin-toetra amin’ny ray aman-dreninao, dia mety ho tena miady mafy tokoa ianao mba hahazoana fiheverana, na dia kely fotsiny aza! Arakaraka ny ieritreretanao momba ilay izy no mety hahatsapanao fa marary ny fonao sady tezitra ianao.b

Kanefa, mampitandrina toy izao ny Baiboly: “Tezera, fa aza manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangìna.” (Salamo 4:4). Rehefa sorena sady tezitra ianao, dia azo inoana tokoa fa hilaza na hanao zavatra mety hanenenanao any aoriana. Tsarovy fa nanjary nikorontan-tsaina i Kaina noho ny nahazoan’i Abela rahalahiny sitraka tamin’Andriamanitra. Nampitandrina azy toy izao Andriamanitra: “Mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary hianao no kendren’ny faniriany, kanefa hianao no tokony hanapaka azy.” (Genesisy 4:3-16). Tsy nahafehy ny fihetseham-pony i Kaina, ka zava-doza no vokany!

Marina aloha fa tsy madiva ho tonga mpamono olona tahaka an’i Kaina ianao. Na dia izany aza, dia mety hanaitra fihetseham-po sy fientanam-po ratsy izaitsizy ny fiangarana. Mety hamitsaka eo am-baravaranao àry ny loza! Inona no sasany amin’izany? Ary ahoana no ahafahanao mifehy izany tarehin-javatra izany?

Fehezo ny lelanao!

Fony i Beth 13 taona, dia nihevitra izy fa niangatra tamin’ny anadahiny ny ray aman-dreniny ary nitondra ny tenany tamin’ny fomba tsy ara-drariny kosa. Izao no tsaroany: “Nifampilelalela be izahay sy i Neny, kanefa tsy nitondra soa mihitsy izany. Tsy nihaino izay nolazainy aho, ary tsy nihaino izay nolazaiko izy, koa tsy nahefa na inona na inona izany.” Angamba tsikaritrao koa fa tsy manao afa-tsy ny manaratsy kokoa ny tarehin-javatra efa ratsy ny filelalelana. Hoy ny Efesiana 4:31: “Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra”.

Tsy voatery hikiakiaka ianao mba hampitana ny hevitrao. Mazàna no mandaitra kokoa ny fanaovan-javatra amim-pahatoniana, na ahoana na ahoana. Hoy ny Ohabolana 25:15: “Ny fahari-po no ahazoana mampanaiky ny mpitsara, ary ny vava malefaka mahatapa-taolana.” Koa raha hitanao fa toa diso ny ray aman-dreninao, satria miangatra, dia aza milelalela aminy na miampanga azy. Miandrasa fotoana mety, ary amin’izay dia miresaha aminy amin’ny fomba tony sy feno fanajana. — Ampitahao amin’ny Ohabolana 15:23.

Raha mifantoka amin’ny kileman-toetran’ny ray aman-dreninao ianao na manome tsiny azy hoe “tsy ara-drariny” mihitsy ny ataony, dia tsy hanao afa-tsy ny hampihataka azy aminao ianao na hahatonga azy hiaro tena. Mifantoha kosa amin’ny fiantraikan’ny nataony teo aminao. (‘Tena mandratra ny foko mihitsy ny tsy fiheveranareo ahy.’) Azo inoana kokoa fa ho voatosika hanisy lanjany ny fihetseham-ponao izy ireo. Afa-tsy izany koa, dia aoka ianao “halady hihaino”. (Jakoba 1:19). Tena mety hanana antony ara-dalàna anehoana fiheverana bebe kokoa ny iray tam-po aminao ny ray aman-dreninao. Angamba ilay iray tam-po aminao manana olana izay tsy fantatrao.

Ahoana anefa raha mirona hisafoaka sy hanao teny tsy voahevitra ianao rehefa tezitra? Ampitahain’ny Ohabolana 25:28 amin’ny tanàna “tsy misy mànda” ny “lehilahy izay tsy mahatsindry ny fanahiny”; azo inoana fa ho resin’ny fitroarana tsy lavorarin’ny tenany ihany izy. Etsy an-danin’izany, dia mariky ny tena tanjaka ny fahaizanao mifehy ny fihetseham-ponao! (Ohabolana 16:32). Nahoana àry raha miandry mandra-pahatony anao, angamba miandry hatramin’ny ampitso mihitsy aza, alohan’ny hilazanao ny fihetseham-ponao? Mety ho hitanao koa fa mahasoa ny miala amin’ilay tarehin-javatra, angamba amin’ny fandehandehanana na amin’ny fanaovana fampiasan-tena. (Ohabolana 17:14). Amin’ny fifehezanao ny vavanao no isorohanao ny filazana zavatra mandratra na mampiseho hadalana. — Ohabolana 10:19; 13:3; 17:27.

Tsy fankatoavana an-kolaka

Fandrika hafa iray koa tokony hohalavirina ny tsy fankatoavana. Voamarik’i Marie, 16 taona, fa tsy voasazy mihitsy ny zandriny lahy, rehefa nanakorontana ny fianaram-pianakaviana mifototra amin’ny Baiboly. Tsy faly noho izany toa fanavakavahana izany izy ka nanjary “nitokona”, tsy nety nandray anjara tamin’ilay fianarana. Efa nataonao ve ny hoe tsy nitenenanao ny ray aman-dreninao na tsy nety niara-niasa taminy ianao, rehefa tsapanao fa nisy zavatra tsy ara-drariny tao?

Raha izany no izy, dia aoka ho takatrao fa mifanohitra amin’ny didin’ny Baiboly mba hanome voninahitra sy hankatò ny ray aman-dreninao, ny tetik’ady an-kolaka toy izany. (Efesiana 6:1, 2). Ankoatra izany, dia manimba tsikelikely ny fifandraisanao amin’ny ray aman-dreninao ny tsy fankatoavana. Tsara kokoa ny hiresahanao amin’ny ray aman-dreninao ny amin’ilay olana mahazo anao mba hamahana ilay izy. Asehon’ny Ohabolana 24:26 (NW ) fa mahazo ny fanajan’ny hafa ny olona “izay manome valin-teny amin’ny fomba tsy miolakolaka”. Rehefa niara-nidinika ilay raharaha tamin-dreniny i Marie, dia nanjary nifanara-kevitra izy mianaka, ary nanomboka nihatsara ny toe-javatra.

Ny loza entin’ny fitokantokanana

Fomba tsy mahasoa hafa iray iatrehana ny fiangarana, ny mihatakataka amin’ny fianakavianao na ny mitady ny fanehoam-piheveran’ny tsy mpino. Izany no nitranga tamin’i Cassandra, izay nanao hoe: “Nitokantokana tsy niaraka tamin’ny fianakaviako aho ka nitodika tany amin’ireo namana teo amin’izao tontolo izao azoko tany am-pianarana. Niaraka tamin’ankizilahy mihitsy aza aho, ary tsy fantatry ny ray aman-dreniko izany. Avy eo aho dia nanjary kivy be sady nenjehin’ny feon’ny fieritreretako, satria fantatro fa tsy nanao izay mahitsy aho. Naniry ny ho tafavoaka tamin’ilay tarehin-javatra aho, kanefa tsy hitako tsotra izao izay fomba hilazako ilay izy tamin’ny ray aman-dreniko.”

Mampidi-doza ny mitokantokana tsy miaraka amin’ny fianakavianao sy ny mpiray finoana aminao — indrindra fa rehefa sorena sy tsy misaina mazava ianao. Hoy ny fampitandreman’ny Ohabolana 18:1: “Izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany, misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy.” Raha hitanao fa sarotra ny manatona ny ray aman-dreninao amin’izao fotoana izao, dia mitadiava namana kristiana iray tahaka ilay voalazalaza toy izao ao amin’ny Ohabolana 17:17: “Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra, sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana.” Mazàna ny “tena sakaiza” toy izany no mora hita indrindra eo anivon’ny mpikambana matotra ao amin’ny kongregasiona.

Nahita “tena sakaiza” tamin’ny fotoana nilany izany i Cassandra, ka hoy izy: “Rehefa nitsidika ny kongregasionanay ny mpiandraikitra ny fizaran-tany [mpitory mpitety faritany], dia nampirisika ahy hiara-miasa taminy ny ray aman-dreniko. Nijery ny zava-misy tokoa izy mivady, ary tena nihevitra ahy. Tena afaka niresaka tamin’izy mivady aho. Tsy nihevitra aho hoe hanameloka ahy izy ireo. Takatr’izy ireo fa tsy hoe lavorary ianao, satria fotsiny hoe notezaina ho Kristiana.” Araka izay tena nilain’i Cassandra indrindra ny fampaherezana sy ny torohevitr’olona matotra nomen’izy ireo! — Ohabolana 13:20.

Ny loza entin’ny fitsiriritana

Mampitandrina toy izao ny Ohabolana 27:4: “Masiaka ny fahavinirana, ary misafoaka ny fahatezerana; fa iza no mahajanona eo anatrehan’ny fahasaro-piaro?” Nanosika tanora sasany hanao zavatra tsy voahevitra ny fitsiriritana sy ny fialonana ny iray tam-po aminy niangarana. Nibaboka toy izao ny vehivavy iray: “Fony aho mbola kely, dia nanify kely sady nisaritaka ny voloko nivolon-tsokolà, fa natevina sady tsara tarehy ary nivolom-bolamena kosa ny volon’ny rahavaviko, ary lava hatreo amin’ny valahany. Nandokadoka azy noho io volony io foana ny raiko. Nantsoiny hoe ‘Ikala tsara volo’ izy. Indray alina, raha mbola natory izy, dia nalaiko ny hetin-damban’ny reniko, nitsaitsaika nankeo am-pandriany aho ka nanapaka volo betsaka araka izay azoko natao.” — Siblings Without Rivalry, nataon’i Adele Faber sy i Elaine Mazlish.

Tsy mahagaga àry raha lazalazaina ao amin’ny Baiboly hoe iray amin’ny ‘asa ratsin’ny nofo’ ny fitsiriritana. (Galatiana 5:19-21; Romana 1:28-32). Kanefa, misy ao amintsika rehetra ao ny “fironana hitsiriritra”. (Jakoba 4:5, NW ). Koa raha hitanao fa mitetika ny hampahita fahasahiranana ny iray tam-po aminao ny tenanao, na ny hampiseho azy ho ratsy toetra, na ny hitady fomba hafa hampihenan-danja azy, dia mety ho tena “mamitsaka eo am-baravarana” ny fitsiriritana, ka mitady hanapaka anao!

Inona no tokony hataonao raha hitanao fa mitahiry fihetseham-po manimba toy izany ny tenanao? Voalohany aloha, dia miezaha hivavaka amin’Andriamanitra mba hahazoana ny fanahiny. Hoy ny Galatiana 5:16: “Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo hianareo.” (Ampitahao amin’ny Titosy 3:3-5.) Mety hanampy koa ny fisaintsainana ny amin’ny fihetseham-ponao marina amin’ny iray tam-po aminao. Tena afaka milaza ve ianao fa tsy mahatsapa fitiavana kely azy — na dia eo aza ny lolomponao? Milaza amintsika ny Soratra Masina fa “ny fitiavana tsy mialona”. (1 Korintiana 13:4). Koa aza avela hifantoka amin’ny eritreritra tsy manorina sy manaitra fitsiriritana ny sainao. Miezaha hiara-mifaly aminy, raha mahazo fiheverana manokana avy amin’ny ray aman-dreninareo izy. — Ampitahao amin’ny Romana 12:15.

Mety hanampy amin’io lafiny io koa ny resadresaka ifanaovanao amin’ny ray aman-dreninao. Raha manjary miaiky izy ireo fa ilainy ny maneho fiheverana bebe kokoa anao, dia hanampy be dia be anao handresy ireo fahatsapana fitsiriritana amin’ny iray tam-po aminao izany. Ahoana anefa raha tsy mihatsara ny toe-javatra ao an-trano fa mbola mitohy ihany ilay fiangarana? Aza tezitra na milelalela na mikomy amin’ny ray aman-dreninao. Miezaha hihazona fihetsika tia manampy sy mankatò. Raha ilaina izany, dia mitadiava fanohanana avy amin’ny olona matotra ao anatin’ny kongregasiona kristiana. Ambonin’ny zava-drehetra, dia manatòna akaiky an’i Jehovah Andriamanitra. Tadidio ireto tenin’ny mpanao salamo ireto: “Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy.” — Salamo 27:10.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Novana ny anarana sasany.

b Jereo ilay lahatsoratra hoe “Nahoana ny Anadahiko no Mahazo ny Fiahiana Rehetra?”, ao amin’ny Mifohaza! tamin’ny 8 Novambra 1997.

[Sary, pejy 19]

Mety hamaha ilay olana ny fanazavanao fa mahatsiaro ho tsy raharahaina ianao

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara