FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/1 p. 25-27
  • Zava-mahafalifaly Tsy Manimba ve ny Raves?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Zava-mahafalifaly Tsy Manimba ve ny Raves?
  • Mifohaza!—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fijerena ny sehatry ny raves
  • Ny lafiny maloto amin’ny raves
  • Tena natao ho anao ve ny raves?
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1998
  • Nahoana ny Olona no Midoroka Zava-mahadomelina?
    Mifohaza!—2001
  • Mety ve ny Mandeha Mandihy?
    Mifohaza!—2004
  • Ny mozika sy ny dihy
    Ny Fahatanoranao—Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany
Hijery Hafa
Mifohaza!—1998
g98 8/1 p. 25-27

Manontany ny Tanora Hoe...

Zava-mahafalifaly Tsy Manimba ve ny Raves?

“Rehefa sady mandihy aho no manao tanana ambony, ary manenika ny vatako ny mozika, dia mahatsapa ho mahazo hery avy amin’ireo olon-kafa mandihy aho. Toy ny hoe safononoky ny fahafinaretana aho.” — Gena.

TOY izany no ilazalazan’i Gena ny fientanam-po tsapa rehefa mankany amin’ny raves (alim-pandihizana). Ireny fikoranana misy dihy ireny, izay mazàna maharitra ny alina tontolo, dia nanjary be mpitia voalohany indrindra tany Grande-Bretagne, nandritra ireo taona 1980. Izao izy ireny dia mipoitra any amin’ny faritra rehetra amin’ny gilaoby, anisan’izany i Afrika Atsimo, i Alemaina, i Belzika, i Etazonia, i India, i Kanada ary i Nouvelle-Zélande.

Ny raves dia atao any amin’ny boîtes de nuit, trano foana fanatobiana entana, kianja tsy misy mampiasa — na aiza na aiza ahafahan’ny olona mivory mba handany ny alina amin’ny dihy mihetsiketsika be sy tsy an-kiato. “Mihamanjary fanarian-dia fidin’ny tanora kokoa noho ny mankany amin’ny boîte de nuit ny mankany amin’ny raves”, hoy ny nosoratan’i Adam Levin, tao amin’ny Sunday Times Magazine, any Johannesburg, Afrika Atsimo. “Raha mbola tsy niresaka taminao momba azy ireny ny zanakao zatovo, dia midika izany fa tsy mifampiresaka tsara ianareo”, hoy ny teny nanampiny.

Fijerena ny sehatry ny raves

Indraindray dia omanina amim-piafenana ny raves, tsy ambara ny toerana hanaovana azy raha tsy ny androtr’iny. Na dia izany aza, rehefa manomboka ny jiro samy hafa loko mipipika be kojakojany sy ny mozika techno mingadongadona, na aiza na aiza dia tanora am-polony maromaro ka hatramin’ny an’arivony maro, manao fitafiana hafahafa, no mety ho tonga eo. “Toy ny vahoaka be iray indray natambatra, izay mitsinjaka sy mamoaka ny fitiavany herisetra arakaraka ny fingadon’ny mozika, izy io”, hoy i Katy, mpianatra ao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa.

Tsy dihy fotsiny anefa ny raves. Kolontsaina koa izy io, na “sehatra”, araka ny itiavan’ny mpankafy raves iantsoana azy. Ny fitsipika fototra iorenan’ny sehatry ny raves, hono, dia fihavanana, fitiavana, firaisan-tsaina ary fanajana — tsy misy fijerena foko, firenena, na fironan’ny tena eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy. “Miezaka izahay hampifangaro ireo kolontsaina ao amin’ireny fikoranana ireny”, hoy ny tompon’ny trano fivarotana izay manana fahaizana manokana amin’ny mozika fandihizana. “Ny zava-kendrena dia ny fanaovan-javatra miaraka”, hoy ny teny nanampiny, “ary fomba iray mandaitra hahatratrarana izany ny fiaraha-mandihy.”

Rehefa heverina ny filamatra toa ambony toy izany, dia mety hanontany ianao hoe: ‘Inona àry no maha-ratsy ny raves?’ Misy lafiny iray hafa amin’ny sehatry ny raves anefa tokony hodinihinao.

Ny lafiny maloto amin’ny raves

Milaza ny sasany fa mahalana no misy zava-pisotro misy alkaola any amin’ny raves. Tsy mba toy izany anefa ny zava-mahadomelina. “Misy manontany tena raha toa ka ho neken’ny besinimaro mora kokoa ny sehatry ny raves raha tsy nisy fampiasana be zava-mahadomelina tao”, hoy ny fieken’i Brian, mpankafy raves. “Mazava ho azy fa maro hafa no manontany tena hoe ahoana no mba nampisy ny raves raha tsy nisy fampiasana zava-mahadomelina”, hoy ny teny nanampiny.

Na dia tafiditra ihany tany amin’ny raves sasany aza ny marijuana sy ny LSD, ny zava-mahadomelina fidin’ny mpankafy raves dia toa ny MDMA (3,4-méthylènedioxyméthamphétamine), fantatra mahazatra hoe Ecstasy (zava-mahadomelina manome fahatsapana ho safononoky ny fahasambarana). Ireo mpampiasa azy io dia milaza fa tsy ahitan-doza firy ny Ecstasy. Manizingizina izy ireo fa manatanjaka azy ireo mba hahafahany handihy mandritra ny alina tontolo fotsiny izy io, sy mampitombo ny fahatsapany faharavoravoana be. Kanefa, eo ambanin’ilay lohateny lehibe hoe “Mety Hanimba ny Atidoha ny Zava-mahadomelina Be Mpitia”, dia manamarika ny The New York Times fa “mety hisy voka-dratsy maharitra eo amin’ny fahazotoan-komana, ny torimaso, ny toe-po, ny fironana hanao zavatra tampoka ary ny asa hafan’ny saina”, ny Ecstasy. Ary tsy izay fotsiny. “Nisy olona sasany matin’ny Ecstasy ary maromaro hafa voan’ny aretim-po, aretin’aty, na tsy nahatsiaro tena naharitra, nefa fatra ara-dalàna no noraisiny”, hoy ny Dr. Howard McKinney. Rariny raha miteny toy izao ny Dr. Sylvain de Miranda: “Misangy amin’ny fahafatesana ny mpamonjy raves, izay mampiasa Ecstasy.”

Na dia ireo zava-mahadomelina avy amin’ny zavamaniry aza — toy ny LSD, ny Acceleration, ny Ecstasy, na ny Rush — dia mety hanimba. Ohatra, voalaza fa, ao anatin’ny toe-javatra sasany, ny Acceleration dia mety hiteraka fihetsehan’aretim-po ary fahafatesana mihitsy aza.

Ho an’ireo izay mbola manizingizina ihany fa tsy manimba ny zava-mahadomelina ampiasaina any amin’ny raves, dia misy lafin-javatra iray hafa tokony hodinihiny. Milaza i Ian Briggs, polisy kanadiana mpitsongo dia, fa ny 90 isan-jaton’ny zava-mahadomelina amidy hoe Ecstasy no tsy Ecstasy velively. “Ny ankamaroany dia PCP, na zava-mahadomelina mampidi-doza hafa”, hoy izy. “Maty eritreritra ny olona mivarotra ireny zava-mahadomelina ireny. Tsy eo izy ireo rehefa manomboka manan-kery ireo zava-mahadomelina.”a

Ekena aloha fa mety tsy hisy zava-mahadomelina any amin’ny raves sasany. Kanefa, na dia ireo mpankafy raves aza dia miaiky fa tsy azo atao matetika ny hilaza mialoha raha hisy olona iray na maro ho eo ambanin’ny herin’ny zava-mahadomelina tsy ara-dalàna, ho tonga ao amin’ny rave iray.

Tena natao ho anao ve ny raves?

Tsy ny mozika na ny dihy mihitsy akory no tena ratsy, ary tsy misy maha-ratsy ny faniriana hampifalifaly tena koa. Raha ny marina, dia milaza ny Baiboly fa misy “andro ifaliana” sy “andro andihizana”. (Mpitoriteny 3:4, Today’s English Version). Mananatra toy izao koa izy: “Mifalia (...) dieny mbola tanora hianao”. (Mpitoriteny 11:9). Koa maniry ny hahasambatra anao àry ilay Mpamorona! Na dia izany aza, dia tsy maintsy mitadidy ianao fa ‘izao tontolo izao dia mipetraka eo amin’ilay ratsy [Satana Devoly] avokoa’. (1 Jaona 5:19). Araka izany, dia tsy tokony hahagaga raha matetika no voapentimpentin’ny foto-javatra tsy mahasoa ny endri-panarian-dia hindrahindrain’itỳ tontolo itỳ.

Ohatra, eritrereto ange ireo izay mankany amin’ny raves e! Moa ve izy ireny manaraka ny fananaran’ny Baiboly mba ‘hanadio ny tenany ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo, na amin’ny fanahy’? (2 Korintiana 7:1). Marina aloha fa mety hanohana ny fihavanana, ny fitiavana ary ny firaisan-tsaina, ny mpankafy raves. Kanefa, tsy “tia fihavanana” fotsiny “ny fahendrena izay avy any ambony”; “madio” koa izy io. (Jakoba 3:15, 17). Manontania tena hoe: ‘Moa ve ny fitsipi-pitondran-tena arahin’ireo mpamonjy raves mifanaraka amin’ny fari-pitsipika hita ao amin’ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra? Moa ve aho maniry ny handany ny alina tontolo miaraka amin’ireo izay “tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra”?’ — 2 Timoty 3:4; 1 Korintiana 6:9, 10; ampitahao amin’ny Isaia 5:11, 12.

Fanontaniana lehibe tokony hodinihina ireo, satria nanoratra i Paoly fa “ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara”. (1 Korintiana 15:33). Ny fifaneraserana amin’ireo izay mampiseho tsy firaharahana ireo lalàn’Andriamanitra dia hitarika ho amin’ny loza amin’ny farany, satria milaza toy izao ny Baiboly: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.” — Ohabolana 13:20.

Izao no zava-misy: tsy inona ny raves fa fikoranana misy fampiasana zava-mahadomelina, ary ireo izay mankany amin’izy ireny dia mety hijinja vokany mampijaly. Ny raves sasany, ohatra, dia nanaovan’ny polisy bemidina ary nakatony, satria natao tamin’ny fomba tsy ara-dalàna, na nisy fampiasana zava-mahadomelina. Irinao ve ny hoheverina ho anisan’ireo tsy mpanara-dalàna? (Romana 13:1, 2). Na dia tsy misy fandikan-dalàna aza, ho afaka hanatrika fikoranana toy izany ve ianao ka hitoetra “tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao”? (Jakoba 1:27). Koa satria melohina ao amin’ny Baiboly ny korana anaranam-po, na ny “fikoranana tsy voafehy” (Byington), moa ve ny maha-any amin’ny raves anao mamela anao hihazona feon’ny fieritreretana madio eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona? — Galatiana 5:21; 2 Korintiana 4:1, 2; 1 Timoty 1:18, 19.

Mazava àry fa tokony hitandrina ny amin’ny loza entin’ny raves ny Kristiana. Aza mamoy fo anefa. Mbola misy fanarian-dia betsaka azonao ankafizina. Ohatra, fianakaviana maro eo anivon’ireo Vavolombelon’i Jehovah no nandamina fiaraha-mikorana nahasoa.b Rehefa misy fandaharana mialoha sy fanaraha-maso amim-pitandremana, ireny fiaraha-mikorana ireny dia mamela fahatsapana ho velombelona ara-panahy sy ara-batana ao amin’ireo rehetra nanatrika. Ny mbola zava-dehibe kokoa noho izany aza, dia mampifaly an’i Jehovah, ilay “Andriamanitra finaritra”, izay maniry ny hifalian’ny vahoakany, ny fifaneraserana izay mampiorina. — 1 Timoty 1:11; Mpitoriteny 8:15.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Fanafody fanatoranana ny PCP (phencyclidine) izay ampiasaina amin’ny fomba tsy ara-dalàna indraindray mba hiteraka sary velombelona ao an-tsaina.

b Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 1992, pejy faha 15-20, sy ny Mifohaza! 8 Jona 1997, pejy faha-8-10.

[Efajoro, pejy 26]

Inona no Atao hoe Techno?

Raha lazaina amin’ny teny tsotra, ny techno dia manondro mozika fandihizana, izay ampiasana fitaovana elektronika. Misy karazany maro izy io. Ny ankamaroan’ny olona no hilazalaza ny techno ho mozika mingadongadona, satria mazàna izy io no misy paika eo anelanelan’ny 115 sy 160 isa-minitra.

“Ho an’ny olona tsy dia mpihaino azy io firy”, hoy ny The European, “ny techno dia toa mitovy amin’ny feo renao rehefa eo ambony seza fitsaboana nify ianao, miampy ny feo renao raha tao Sodoma sy Gomora ianao ny alina namelezana azy ireo.” Ny mpihaino sasany anefa dia babon’ny ngadona tsy miovaovan’ny techno. “Ho ahy, io mozika io dia manome fahatsapana fahafahana sy fahaleovan-tena tsy misy fetra”, hoy i Christine, 18 taona. Mitovy amin’izany koa ny tsapan’i Sonja. “Tamin’ny voalohany”, hoy ny fiekeny, “dia tsy tia mozika techno velively aho. Kanefa, arakaraka ny ihainoanao azy io, dia manjary azonao ekena ilay izy. Raha alefanao mafy be izy io, dia tsy afaka ny tsy handre ilay ngadona midobodoboka ianao. Mihetsika ho azy ianao. Raha tsy mitandrina ianao, dia mifehy ny vatanao manontolo ilay ngadona.” Zavatra lalina kokoa no hitan’i Shirley, 19 taona, ao amin’ny techno. “Tsy mozika fotsiny izy io”, hoy izy. “Fomba fiaina manontolo aseho amin’ny fitafiana sy ny fiteny, izy io.”

Maniry ny ‘hamantatra izay ankasitrahan’ny Tompo’ ny Kristiana. (Efesiana 5:10). Noho izany, dia tokony hitandrina izy ireo amin’ny techno, tsy misy hafa amin’ny hataony amin’ny karaza-mozika hafa na inona na inona. Raha tsapanao fa voasarika ho amin’ny techno ny tenanao, dia manontania tena hoe: ‘Inona no fiantraikan’io karaza-mozika io eo amiko? Mahatonga ahy ho falifaly sy ho tony ary ho tia fihavanana ve izy io? Sa mahatonga ahy ho sorena, angamba aza manaitra hatezerana na eritreritra maloto ao amiko? Hampanatona ahy akaiky kokoa amin’ny fomba fiaina entin’izy io ve ny fitiavako an’io karaza-mozika io? Halaim-panahy hankany amin’ny raves ve aho mba handre io karaza-mozika io na handihy aminy?’

Raha ny tena izy, dia izao no votoatin-kevitra: Na inona na inona mozika tianao, dia aza avela mihitsy izy io hampisaraka anao amin’ny Rainao any an-danitra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara