Avy Amin’ny Mpamaky
Valan’i Alpes Maniry hisaotra anareo indrindra aho noho ilay lahatsoratra hoe “Ny Hakanton’ireo Valam-pirenen’i Alpes”. (8 Desambra 1997). Raha ny marina no lazaina, dia nolalovako fotsiny ny lahatsoratra momba ny natiora teo aloha. Nahita ireo sary kanto niaraka tamin’ilay lahatsoratra anefa aho, ka nanapa-kevitra ny hamaky azy io. Rehefa vitako ilay izy, dia takatro fa voa mafy aho noho ny tsy namakiako lahatsoratra mahaliana hafa maro momba ny natiora.
T. M., Ukraine
Firaisan’ny Samy Lehilahy na Samy Vehivavy Nientam-po aho naharay ny gazetiko Mifohaza! tamin’ny 8 Desambra 1997, izay nisy ilay lahatsoratra hoe “Ny Fiheveran’ny Baiboly: Tokony Hankahala ny Lehilahy Miray Amin’ny Lehilahy na ny Vehivavy Miray Amin’ny Vehivavy ve ny Kristiana?” Tena tsara ny fomba nanoratana ilay lahatsoratra, ary voalanjalanja tsara ny famelabelarana io loha hevitra saro-pady io.
L. W., Etazonia
Leon’ny Asa Natolotro ny lehibeko ny gazety nisy ilay lahatsoratra hoe “Mankaleo Anao ve ny Asanao?” (8 Janoary 1998). Nilaza tamiko izy ny ampitso maraina, tany am-piasana, fa tsara dia tsara ilay lahatsoratra. Nampitampitainy tamin’ny sasany amin’ireo mpiara-miasa amiko izy io, ary nametrahany iray tao amin’ny efitra fiandrasana. Tamin’ny fotoana nety tokoa no nahatongavan’ilay lahatsoratrareo!
V. L., Etazonia
Misaotra noho ilay fanazavana mahaliana. Fito ambin’ny folo taona aho ary miasa manontolo andro. Nanome torohevitra tsara dia tsara momba ny fanaovana izay hahatonga ny asako hahafinaritra kokoa ilay lahatsoratra. Misaotra!
E. A., Italia
Misaotra indrindra noho ilay lahatsoratra. Ao amin’ny taona faharoa fianarana asa aho ankehitriny, ary ketraka aho satria tsy mahafinaritra ahy intsony ny asako. Nanampy ahy hahita fahafinaretana amin’ny asako indray ilay lahatsoratra.
I. F., Alemaina
Raves Sivy ambin’ny folo taona aho, ary tena tiako ny nihaino mozika techno. Tena faly anefa aho noho ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Zava-mahafalifaly Tsy Manimba ve ny Raves?” (8 Janoary 1998). Io no lahatsoratra voalohany hitako ho milazalaza araka ny marina io karazana mozika io. Nahavelom-pankasitrahana ahy indrindra ilay ampahany hoe “Tena natao ho anao ve ny raves?” Tamin’ny alalan’ny fanontaniana sy ny andinin-teny, dia nampiana aho ho tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra tsotra sy lôjika.
A. P., Slovenia