FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/2 p. 30
  • Avy Amin’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Avy Amin’ny Mpamaky
  • Mifohaza!—1998
  • Mitovitovy Aminy
  • Faly Aho Izao fa Velona!
    Mifohaza!—1997
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—2002
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1998
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1998
Hijery Hafa
Mifohaza!—1998
g98 8/2 p. 30

Avy Amin’ny Mpamaky

Tantaran’i Ginger Klauss Mamelà ahy hilaza aminareo hoe tena nampahery be ahy mihitsy ilay fitantarana ny zavatra niainan’i Ginger Klauss hoe: “Faly Aho Izao fa Velona!” (8 May 1997). Toa azy dia namoy ny fatokian-tena rehetra koa aho, sady nahatsapa tena ho tsy mendrika sy tsy tiana. Noho izaho tsy nahazaka ireo fihetseham-po ireo, dia nilaza tamin’Andriamanitra tamin-dranomaso isan’andro aho hoe te ho faty aho. Nihevitra ny fahafatesana ho fanamaivanana horaisiko amim-pifaliana aho. Nivavaka toy izao anefa aho indray andro: “Raha sitrakao, dia mba omeo fampaherezana aho, mba haniriako ho velona.” Raha vantany vao avy nivavaka toy izany aho, dia naharay io nomeraon’ny Mifohaza! io. Rehefa nahita io lahatsoratra io aho, dia tsapako fa namaly ny vavaka nataoko Andriamanitra. Nianarako avy tamin’i Ginger fa afaka manampy ahy hanana fihetsika manorina hatrany ny fihazonana fahaiza-mihomehy sy ny tsy fiheveran-tena ho zavatra loatra. Afaka milaza mazava aho fa nanome ahy ny hery mba haniriako ho velona io gazety iray io.

M. K., Japon

Nahoana no Marary Be Toy Izao? Misaotra noho ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Nahoana Aho no Voatery Harary Be Toy Izao?” (8 May 1997). Iraika amby roapolo taona aho ary voan’ny tsy fahampian-dra voamariky ny sela mena mifaraingo. Afaka mahatakatra ny fihetseham-pon’ilay tanora voalaza ao amin’io lahatsoratra io aho. Matetika aho no manontany tena raha hisy olona ho tia ahy sy haniry hanambady ahy, na dia eo aza io olana ara-pahasalamana mahazo ahy io. Nanampy ahy anefa ilay lahatsoratrareo, satria fantatro izao fa tsy izaho irery no mahatsapa toy izany.

D. R., Etazonia

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara