FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/2 p. 30
  • Avy Amin’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Avy Amin’ny Mpamaky
  • Mifohaza!—1998
  • Mitovitovy Aminy
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1999
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1999
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1998
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—2002
Hijery Hafa
Mifohaza!—1998
g98 8/2 p. 30

Avy Amin’ny Mpamaky

Zaridaina Haneran-tany Tsy maintsy misaotra anareo aho noho ilay fitohitohizan-dahatsoratra tsara dia tsara hoe “Zaridaina Iray Haneran-tany — Nofy sa Tena Hisy?” (8 Aprily 1997). Eny, mety hisy heriny eo amin’ny fahasalamantsika sy hahafalifaly antsika ny zaridaina sy ireo loko maro. Tiako ilay tapany mitondra ny lohateny hoe “Ny Lalana Iverenana ho any Amin’ny Paradisa”. Mampahery erỳ ireo teny vitsy ireo — toy ny fanasana iray manao hoe: “Itỳ no lalana.” Ho fahafinaretana toy inona moa indray andro any ny hiasa manomboka amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany, ka hanampy mba hanovana ny tany ho paradisa! Noho izaho mankafy ny fanaovana sary hoso-doko sy sary natao tanana ary asa tanana, dia mahafinaritra ahy koa ny sary rehetra ao amin’ireo gazety.

V. R., Aostralia

Maniry hanao teny fiderana anareo aho noho ireo lahatsoratra. Nankafiziko tanteraka izy ireo. Efa ho 80 taona aho ary mbola tia miasa eo an-tokotaniko. Tsy ny voninkazoko sy ny legiomako akory no tsara indrindra, kanefa tena mankafy ny miasa eny alatrano sy ny manolokolo azy ireo aho. Hatramin’ny namakiako ireo lahatsoratra ireo, dia takatro tsara kokoa ny antony itiavan’ny olona miasa ao an-jaridaina.

R. R., Etazonia

Manavotra Fanambadiana Hoe E? Rehefa namaky ilay lahatsoratra hoe “Azo Avotana ve ny Fanambadiana Rehefa Nisy Fanitsakitsaham-bady?” (8 Aprily 1997) aho, dia nahatsapa toy ny hoe nandefa taratasy ho ahy i Jehovah. Naneho izay tena nodiaviko sy tsapako indrindra izy io. Tsy nahatoky ny vadiko, nefa nibebaka tamim-pahatsorana izy. Araka ny voalazan’ilay lahatsoratra, dia nahatsapa toy ny hoe tao anaty rivo-mahery iray aho. Nifidy ny hamela ny helony aho, kanefa aho menatra noho izany eritreritro izany indraindray. Nanampy ahy ilay lahatsoratra hahatakatra fa ara-dalàna tanteraka izany fihetsiko izany. Nitahy be dia be ny ezaka nataonay i Jehovah, ary voavotra ny fanambadianay.

L. P., Frantsa

Efa sivy taona izao no nanambadiako lehilahy iray tsy Vavolombelona, izay vady tsy nahatoky. Kanefa, rehefa namaky ireo fehintsoratra eo ambanin’ilay lohatenikely hoe “Azo avotana ve ilay fanambadiana?” aho, dia nahatsapa ho metimety kokoa. Ho tian’ny vadiko ny hihazona ny fanambadianay sady mbola hanohy hiaraka amin’ilay vehivavy hafa ihany. Koa, faly aho namarana ny fanambadianay. Ankehitriny aho dia voatery hanomboka ny fiainako hatramin’ny voalohany indray ary manjary reny tsy manambady.

M. S. B., Trinité

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara