Avy Amin’ny Mpamaky
Nahoana no Marary Be toy Izao? Tsapako avokoa ireo fihetseham-po rehetra voalazan’i Jason ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Nahoana Aho no Voatery Harary Be toy Izao?” (8 May 1997). Isaky ny mamaky ilay lahatsoratra aho, dia mahatsiaro ho toy ny hoe miresadresaka amin’ny olona iray mahafantatra tsara sy mahatakatra ary miahy ny amin’ny tsy fahasalamako. Misaotra anareo indrindra noho ny fanamaivanana ny enta-mavesatro. Fantatro fa miahy i Jehovah, ary amin’ny fotoana hitany fa mety, dia hanaisotra ny aretina rehetra izy.
O. A., Ghana
Tapa-bolana talohan’ny nivoahan’io lahatsoratra io, dia hita fa voan’ny androbe aho. Vao feno 18 taona aho, ary nampihena be ny fahalalahana rehetra vao azoko, ny aretiko. Be dia be aoka izany ny fitandremana tsy maintsy atao sy ny fanafody tsy maintsy tadidina. Ilay izy koa dia nampahory be ny ray aman-dreniko, izay efa namoy zaza roa hafa tamin’ny fahafatesana. Nanohina ahy tokoa ilay lahatsoratra, hany ka latsa-dranomaso aho. Tena ireo eritreritra niezahako hofoanana indrindra no novelabelarin’izy io, ary nahatsiaro ho toy ny hoe ara-dalàna indray aho. Nanjary hitako fa misy olon-kafa koa manana olana sy fanahiana toy ny ahy. Amin’ny alalan’ny fandaminany, i Jehovah dia mamoaka an-tsoratra ny fanazavana ilaiko mba hitoerako ho matanjaka.
D. S., Etazonia
Rehefa namaky ilay lahatsoratra aho, dia takatro fa mampahory bebe kokoa ny ray aman-dreniko noho ny olon-kafa na iza na iza, ny aretiko. Nolazain’izy ireo tamiko fa nolovako ilay aretiko, ary mahaketraka azy ireo izany. Rehefa mahita azy ireo toy izany aho, dia tena malahelo be azy ireo.
Y. H., Japon
Nandritra ny fahazazako, dia salama tsara aho. Kanefa, fony aho zatovo, dia narary lava. Nirotsaka tao amin’ny fanompoana manontolo andro aho, ary nandritra ny roa volana voalohany, dia tsy nahatratra ny tanjoko, satria tsy salama. Ketraka be aho, satria nihevitra (tamin’ny fomba diso) fa nanao zava-dratsy tamin’i Jehovah aho, ka nosaziny tamin’ny aretina. Nanampy ahy hahay hizatra tamin’ny tarehin-javatra nisy ahy sy nampahery ahy, ilay lahatsoratra.
C. K., Ghana