FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/4 p. 3-6
  • Fanavakavahana ny Vehivavy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanavakavahana ny Vehivavy
  • Mifohaza!—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Anjara kely kokoa
  • Sady reny no mpamelona
  • Nahoana no Mitombo io Zava-manahirana Io?
    Mifohaza!—2003
  • Fankasitrahana ny Vehivavy sy ny Asany
    Mifohaza!—1998
  • Ny Olana Atrehin’ny Vehivavy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Iza avy no Andevo Amin’izao Andro Izao?
    Mifohaza!—2000
Hijery Hafa
Mifohaza!—1998
g98 8/4 p. 3-6

Fanavakavahana ny Vehivavy

TATSY Afrika Andrefana, dia nisy mpandraharaha iray nividy zaza sivy taona. Tany Azia, dia nisy zaza vao teraka iray nalevim-belona tao anaty fasika tany an’efitra. Tao amin’ny tany iray any Atsinanana, dia nisy zazakely iray, matin’ny hanoanana tao amin’ny trano fitaizana zaza kamboty, satria tsy nisy naniry azy na nikarakara azy. Izao no iombonan’ireo fisehoan-javatra mampalahelo ireo: Ankizivavy avokoa ireo niharam-pahavoazana. Noheverina ho tsy dia nilaina firy izy ireo, satria hoe vavy.

Tsy toe-javatra maningana akory ireo. Atsy Afrika, dia ankizivavy sy zatovovavy an’arivony maro no amidy ho andevo, ka amidy 15 dolara (81 000 FMG eo ho eo) monja aza ny sasany. Ary anaovana tatitra fa isan-taona, dia ankizivavy kely ana hetsiny maro no amidy na terena hivaro-tena, indrindra fa any Azia. Mbola ratsy kokoa aza ny hoe ankizivavy hatramin’ny 100 tapitrisa no “tsy hita popòka”, araka ny asehon’ny isan’ny mponina any amin’ny tany maromaro. Mazava fa ny fanalana zaza, ny famonoana zazakely, na ny tsy firaharahana tsotra izao ny ankizivavy, no anton’izany.

Efa hatramin’ny ela — hatramin’ny taonjato maro — no niheverana toy izany ny vehivavy any amin’ny tany maro. Ary mbola toy izany ihany any amin’ny toerana sasany. Nahoana? Satria asiana vidiny bebe kokoa ny ankizilahy any amin’ireo tany ireo. Heverina any fa afaka mamelo-maso ny anaran’ny fianakaviany ny zanakalahy iray, afaka mandova fananana, sy afaka mikarakara ny ray aman-dreniny be taona. Matetika mantsy ny fitondram-panjakana ao amin’ireny tany ireny no tsy manome vola ho an’ny be taona misotro ronono. Misy fitenenana aziatika iray milaza fa “toy ny manondraka zavamaniry ao an-jaridainan’ny mpifanila trano amin’ny tena ny fitaizana zanakavavy”. Rehefa lehibe izy io, dia handeha hanambady na mety hamidy ho mpivaro-tena mihitsy aza, ka amin’izany dia tsy ho afaka hanao firy na tsy ho afaka handray anjara mihitsy amin’ny fikarakarana ny ray aman-dreniny be taona.

Anjara kely kokoa

Any amin’ny tany asian’ny fahantrana, izany fihetsika izany dia midika hoe kely kokoa ny sakafo, ny fikarakarana ara-pahasalamana, sy ny fianarana any an-tsekoly, omena ny zanakavavy ao amin’ny fianakaviana. Hitan’ny mpanao fikarohana any amin’ny tany aziatika iray fa 14 isan-jaton’ny ankizivavy no tsy ampy sakafo, raha ampitahaina amin’ny 5 isan-jato monja amin’ny ankizilahy. Any amin’ny tany sasany, dia avo roa heny noho ny ankizivavy ny ankizilahy entina any amin’ny tobim-pahasalamana, hoy ny fanazavan’ny tatitra iray avy amin’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza (UNICEF). Ary maherin’ny 40 isan-jaton’ny zatovovavy atsy Afrika, ary koa any amin’ny faritra atsimo sy andrefan’i Azia, no tsy mahay taratasy. “Misy fanavakavahana mahatsiravina ampiharina amin’ny vavy, any amin’ny tontolo an-dalam-pandrosoana”, hoy ny fitarainana nataon’i Audrey Hepburn, ambasadaoron’ny UNICEF taloha, izay nody mandry vao haingana.

Tsy manjavona akory izany ‘fanavakavahana ny vavy’ izany, rehefa tonga olon-dehibe ny ankizivavy. Matetika loatra ny fahantrana sy ny herisetra ary ny raharaha mafy tsy misy farany no anjaran’ny vehivavy, indrindra satria vehivavy izy. Hoy ny fanazavan’ny talen’ny Banky Iraisam-pirenena: “Ny vehivavy no manao ny androatokon’ny asa maneran-tany. (...) Kanefa, ny ampahafolony monja amin’ny fidiram-bola maneran-tany no azony, ary latsaka ny iray isan-jaton’ny fananana maneran-tany no fananany. Anisan’ny mahantra indrindra amin’izay mahantra maneran-tany izy ireo.”

Araka ny tatitra iray nataon’ny Firenena Mikambana, dia vehivavy ny 70 isan-jato maherin’ny olona 1,3 arivo tapitrisa maneran-tany izay miaina ao anatin’ny fahantrana faraidiny. “Ary miharatsy hatrany ilay tarehin-javatra”, hoy ny nanampin’ilay tatitra. “Niakatra efa ho 50% ny isan’ny vehivavy tambanivohitra miaina ao anatin’ny fahantrana tanteraka, tao anatin’ny roapolo taona lasa. Eo amin’ny vehivavy indrindra no mihamaro ny mahantra.”

Mbola mahaketraka kokoa noho ny fahantrana mangeja mihitsy aza ny herisetra, izay mandrava ny fiainan’ny vehivavy maro aoka izany. Tombanana ho zato tapitrisa ny ankizivavy, indrindra fa atsy Afrika, izay noforana. Fampijaliana miely patrana ny fisavihana. Saika tsy misy porofo an-tsoratra mihitsy anefa momba azy io any amin’ny faritra sasany, na dia asehon’ny fandinihana aza fa vehivavy 1 amin’ny 6 no voasavika, mandritra ny androm-piainany, any amin’ny tany sasany. Mampahory na ny lehilahy na ny vehivavy ny ady, saingy zaza amam-behivavy ny ankamaroan’ny mpitsoa-ponenana voatery mandositra.

Sady reny no mpamelona

Matetika no mitambesatra bebe kokoa amin’ny reny ny fikarakarana ny fianakaviany. Azo inoana fa miasa ora maro kokoa izy, ary tena mety ho izy irery no mpamelona. Any amin’ny faritra ambanivohitra sasany atsy Afrika, dia efa ho ny antsasak’ireo fianakaviana no tarihin’ny vehivavy. Any amin’ny toerana sasany any amin’ny tontolo tandrefana, dia be dia be ny fianakaviana tarihin’ny vehivavy.

Ankoatra izany, indrindra fa atỳ amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, dia fanao nentim-paharazana ny isahanan’ny vehivavy ny asa mafy indrindra sasany, toy ny fantsakàna rano sy ny fakana kitay. Vao mainka nanasarotra be ny fanaovana ireny asa ireny ny fandripahana ala sy ny famelana ny biby hiraoka ahitra be loatra. Any amin’ny tany sasany asian’ny hain-tany, dia mandany adiny telo na mahery isan’andro ny vehivavy mba hitadiavana kitay, ary adiny efatra isan’andro mba hantsakana. Rehefa vita izany asa manasatra izany vao afaka manomboka manao ny asa antenaina aminy ao an-trano na eny an-tsaha izy.

Miharihary fa samy mijaly na ny lehilahy na ny vehivavy any amin’ny tany izay iainana isan’andro ao anatin’ny fahantrana, ny hanoanana, na ny ady. Mijaly mafy kokoa anefa ny vehivavy. Hiova ve izany tarehin-javatra izany indray andro any? Moa ve tena azo antenaina fa hoentina amim-panajana sy amim-piheverana ny vehivavy hatraiza hatraiza? Moa ve misy zavatra azon’ny vehivavy atao izao mba hanatsarana ny fiainany?

[Efajoro/Sary, pejy 5]

Ankizivavy Mpivaro-tena — Iza no Tokony Homen-tsiny?

Isan-taona, dia tombanana ho iray tapitrisa ny ankizy — indrindra fa ankizivavy — terena na amidy ho mpivaro-tena. Tsaroan’i Araya,a avy any Azia Atsimo-Atsinanana, ny zava-nitranga tamin’ny mpiara-mianatra taminy sasany. “Lasa mpivaro-tena i Kulvadee, raha vao 13 taona monja. Ankizivavy nahafinaritra izy. Matetika anefa no mamo ny reniny, ary nilalao poker foana, koa tsy nanam-potoana hikarakarana ny zanany vavy izy. Nampirisika an’i Kulvadee hitady vola amin’ny fiarahana amin-dehilahy ny reniny, ary tsy ela, dia lasa mpivaro-tena izy.

“Avy any avaratra i Sivun, mpianatra hafa izay iray kilasy tamiko. Vao 12 taona monja izy raha nandefa azy nankany an-drenivohitra mba ho lasa mpivaro-tena, ny ray aman-dreniny. Tsy maintsy niasa nandritra ny roa taona izy mba hamerenana tanteraka ny vola nividianana azy, araka ny fanekena nosoniavin’ny ray aman-dreniny. Tsy hoe maningana akory i Sivun sy i Kulvadee — ankizivavy 5 tamin’ny 15 iray kilasy tamiko, no lasa mpivaro-tena.”

Misy an-tapitrisany maro ny zatovo toa an’i Sivun sy i Kulvadee. “Tsenam-barotra goavana izay efa tsy mila tosika intsony ny indostrian’ny raharaha vetaveta”, hoy ny fitarainan’i Wassyla Tamzali, avy ao amin’ny UNESCO (Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Misahana ny Fanabeazana sy ny Siansa ary ny Kolontsaina). “Nanjary mahazatra aoka izany ny fivarotana ankizivavy 14 taona, hany ka tsy mahataitra intsony.” Ary rehefa lafo ho andevon’ny fivarotan-tena ireny ankizivavy ireny, dia mety tsy ho vitany mihitsy ny hamerina tanteraka ny vola nividianana azy. I Manju, izay namidin-drainy fony izy 12 taona, dia mbola nila nandoa 300 dolara (1 620 000 FMG eo ho eo), taorian’ny fito taona nivarotany tena. “Tsy afa-nanoatra aho — voafandrika aho”, hoy ny fanazavany.

Sarotra amin’ireo ankizivavy ireo ny ho afa-mandositra ireo mpanera olona ho azy ireo, izay manandevo azy. Mety ho sarotra amin’izy ireo toy izany koa ny ho afa-mandositra ny SIDA. Nasehon’ny fanadihadiana iray natao tany Azia Atsimo-Atsinanana fa 33 isan-jaton’ireny ankizy mpivaro-tena ireny no voan’ny virosin’ny SIDA. Raha mbola miroborobo koa ny indostrian’ny fivarotan-tena mampidi-bola dimy arivo tapitrisa dolara, dia azo inoana fa hijaly hatrany ireny ankizivavy ireny.

Iza no tokony homen-tsiny noho io fanao mahatsiravina io? Miharihary fa ireo izay mividy na mivarotra ankizivavy ho mpivaro-tena no manan-tsiny indrindra. Tokony homen-tsiny koa anefa ireo lehilahy tsinontsinona izay mampiasa ny ankizivavy mba hanomezana fahafaham-po ny filan-dratsin’ny nofony. Raha tsy misy mantsy ireny mpanao fahalotoam-pitondran-tena ireny, dia tsy hisy ny ankizivavy mpivaro-tena.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Novana ny anarana.

[Sary]

Isan-taona, dia ankizivavy iray tapitrisa eo ho eo no terena hivaro-tena

[Efajoro/Sary, pejy 6]

Ny Asan’ny Vehivavy Isan’andro Atsy Afrika Afovoany

Mifoha amin’ny enina maraina ilay vehivavy ka manomana ny sakafo maraina ho an’ny fianakaviany sy ho an’ny tenany, ka rehefa antoandrotoandro ny andro no hohanin’ny fianakaviany izany. Rehefa avy nantsaka tany amin’ny renirano eny akaiky izy, dia mamonjy ny tanimboliny — izay mety ho dia an-tongotra adiny iray avy eo an-tranony.

Hatramin’ny efatra ora tolakandro eo ho eo, dia miasa tany izy, miava, na manondraka, ka miato vetivety fotsiny mba hihinana izay mety ho sakafo nentiny. Ampiasainy mba hikapana kitay sy hanangonana mangahazo na legioma hafa ho an’ny fianakaviany ny adiny roa sisa mbola mampahazava ny andro, ary entiny mody ny zavatra rehetra azony.

Mazàna izy no tonga ao an-trano, rehefa mody ny masoandro. Misy asa tokony hatao izao, dia ny fanomanana ny sakafo hariva, izay mety haharitra adiny roa na mahery. Manasa lamba any amin’ny renirano eo an-toerana, ary avy eo dia mipasoka izy, rehefa maina ny lamba, ny alahady.

Mahalana vao mba mankasitraka izany asa mafy rehetra izany na mba mihaino ny fanipazan-kevi-dravehivavy ny vadiny. Tsy mampaninona azy ny mikapa hazo na ny mandoro ny kirihitra mba hahafahan-dravehivavy manomana ny tany hovolena, saingy zara raha manao mihoatra noho izany izy. Mitondra ny zanany mankany amin’ny renirano mba hisasa ralehilahy indraindray, ary angamba mety hanao fihazana sy fanjonoana kely. Mandany andro amin’ny firesadresahana amin’ny lehilahy hafa ao an-tanàna anefa izy, amin’ny ankamaroan’ny fotoanany.

Raha misy ny hoenti-manana, dia hitondra ao an-trano vady vaovao, tanora kokoa, izay hifantohan’ny firaiketam-pony, ralehilahy, aorian’ny taona vitsivitsy. Mbola hantenaina amin’ny vadiny voalohany ihany anefa ny hiasany hatrany toy ny hatramin’izay, mandra-paharariny na mandra-pahafatiny.

Mavesatra ny anjara raharahan’ny vehivavy afrikana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara