FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w12 1/9 p. 3
  • Ny Olana Atrehin’ny Vehivavy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Olana Atrehin’ny Vehivavy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Mitovitovy Aminy
  • Mitsinjo ny Vehivavy Tokoa ve Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Hita Eran-tany ny Fampijaliana Vehivavy
    Mifohaza!—2008
  • Ny fivoaran’ny toeran’ny vehivavy amin’izao androntsika izao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • “Vehivavy izay miasa mafy ao amin’ny Tompo”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
w12 1/9 p. 3

Ny Olana Atrehin’ny Vehivavy

Ao am-pianarana, iray monja ny ankizivavy fa ankizilahy ny ankamaroany

“Tsy te ho lehibe mihitsy aho rehefa mahita ny anaovan’ny olona ny vehivavy.”—ZAHRA, 15 TAONA, tao amin’ny gazetiboky GEO (frantsay).

HITA avy amin’ny tenin’io ankizivavy io fa miatrika zava-tsarotra ny vehivavy eran-tany. Ampijalina sy ailikilika izy ireo mandritra ny androm-piainany. Diniho ireto:

  • Fanavakavahana. Aleon’ny ankamaroan’ny ray aman-dreny any Azia manan-janakalahy toy izay vavy. Nanao tatitra ny ONU tamin’ny 2011 fa efa ho 134 tapitrisa ny vehivavy maty tany amin’io faritra io. Nisy nesorina tany am-bohoka, na novonoina tamin’ny mbola kely, na tsy noraharahaina.

  • Fanabeazana. Eran-tany, dia vehivavy ny roa ampahatelon’ny olona tsy nahita fianarana na latsaka ny efa-taona ny fotoana nianarany tany an-tsekoly.

  • Fametavetana. Tsy heverina ho meloka ny lehilahy manery ny vadiny hanao firaisana, any amin’ny tany maro. Vehivavy 2 600 tapitrisa mahery no monina any amin’ireny tany ireny.

  • Fitsaboana. Tsizarizary ny fitsaboana any amin’ny tany mahantra, ka vehivavy iray isaky ny roa minitra eo ho eo no maty rehefa mitondra vohoka na saro-piterahana.

  • Zo. Ny vehivavy no mamboly ny antsasany mahery amin’ny voa vokarina eran-tany. Any amin’ny tany maro anefa, dia tsy manan-jo handova na hanana tany akory izy ireo.

Vehivavy kivy be

Nahoana no tsy omena zo toy ny olon-drehetra ny vehivavy? Hararaotina sy ampijalina ny vehivavy any amin’ny tany sasany, satria mampirisika na mamela izany ny zavatra inoana na fombafomban’ny fivavahana. Hoy i Chandra Chopra, mpisolovava karàna, tao amin’ny gazety frantsay mpiseho isan’andro: “Samy manohana ny fanavakavahana vehivavy ny fitsipika arahin’ny fivavahana rehetra.”

Mitovy hevitra amin’izany ve ianao? Araka ny hevitrao, manambany vehivavy toy ny boky masina hafa ve ny Baiboly? Misy mihevitra fa toa mampiseho izany ny andinin-teny sasany ao amin’ny Baiboly. Ahoana anefa no fiheveran’Andriamanitra ny vehivavy? Na samy hafa aza ny hevitry ny olona, dia afaka mahafantatra izany isika raha mandinika tsara izay lazain’ny Baiboly.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara