Ny Tontolo Mambabon’ireo Boky Bitika
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY GRANDE-BRETAGNE
MAHASARIKA ny zavatra tafahoatra — ny tendrombohitra avo indrindra, ny ranomasimbe lalina indrindra, ny trano avo indrindra, ny tionelina lava indrindra — koa ahoana àry ny amin’ny boky kely indrindra? Mambabo ireo boky bitika! An-tapitrisany maro tamin’izy ireny no natao pirinty, ary niresaka izay foto-kevitra rehetra azo saintsainina, tamin’ny fiteny 20 fara fahakeliny. Raha mbola tsy nandinika ny tontolon’izy ireny ianao, dia andeha hijery izany vetivety izao.
Ahoana no hamaritantsika ny atao hoe boky bitika? Ny fepetra ekena dia hoe boky iray tsy mihoatra ny 76 milimetatra na ny lavany na ny sakany. Tafiditra amin’ireo refy ireo ny fonony, na dia misy mpanangona fatra-pitandrina aza, tia kokoa ny tsy hihevitra afa-tsy ireo pejin’ilay boky ihany. Nahoana no natao pirinty ireny boky bitika ireny?
Lafin-javatra isehoan’ny fahaizana
Tsy araka ny anampoizan’ny sasany azy, fa azo vakina tsara ny ankamaroan’ireo boky bitika. Noho izany, dia azo entina sy ampiasaina, tsy misy fanaovana ezaka be, ireo diary sy lahatsoratra miendrika literatiora, tantara noforonina, tantara an-tsehatra sy diksionera ary soratra masina amin’ny endriny bitika. Na dia noho izany antony izany aza, taona maromaro lasa izay, no voalohany nananana ireny boky bitika ireny, ireo mpanangona maoderina dia mihevitra bebe kokoa ny lafin-javatra iray amin’ny boky bitika: ny fahaizan’ireo izay nanao pirinty sy nanambatra azy ireny.
Tsy maintsy nandresy zava-manahirana maro ara-teknika ireo mpanao pirinty mba hifidianana sy hanaovana endri-tsoratra azo vakina, na ampiasana fitaratra manalehibe izany na tsia. Namokatra boky tsara tarehy be ny ankamaroan’ny asan’izy ireo. Nanome ny fahaizany koa ireo mpanamboatra taratasy sy ranomainty, mba hanaovana izay hahazoana antoka fa mazava tsara ireo pejy vita pirinty.
Rehefa vita pirinty ny boky iray, dia asiana fonony; ary tsara tarehy ny fonon’ireo boky bitika. Hita mazava ny fahaizan’ireo mpanao asa tanana, tamin’ny fanaovana fonony madinika vita tamin’ny hoditra, kofehy volamena na volafotsy, hodi-tsokatra, na zavatra nohosorana vernia. Ny fonony hafa dia vita amin’ny landy na volory, na misy amboradara, na noravahana perla sy takela-javatra mamirapiratra mihitsy aza. Ny boky sasany koa dia misy tranony mba hiarovana azy.
Ireo mpanao sary sokitra izay nanao sary tamin’ireo lahatsoratra dia namorona sary izay tsy mampino fa vita tamin’ny an-tsipiriany, ka matetika tsy naharakotra afa-tsy velaran-taratasy latsaka ny 2,5 santimetatra toradroa! Ohatra iray ny sarin’ny Dr. Samuel Johnson, ilay Anglisy mpanao diksionera, ao amin’ilay boky 368 pejy hoe Bryce’s Thumb English Dictionary, natao pirinty tamin’ireo taona 1890; ny iray hafa dia ny sary manatrika ny pejy misy an’ilay lohateny, ao amin’ny King Richard III nataon’i Shakespeare, natokana ho an’ilay mpilalao tantara an-tsehatra anglisy atao hoe Ellen Terry, tamin’ny 1909.
Ny Bibliothèque portative du voyageur, natonta tany Paris, dia fitambaram-boky bitika izay noheverina ho nentin’i Napoléon Bonaparte nandritra ireo fanafihana nataony. Ireo boky 49 misy literatiora frantsay amin’izy io dia tahirizina ao anaty boaty mifono hoditra, izay rehefa hidiana, dia manana endriky ny boky lehibe iray.
Baiboly Ankibe
Tsy voatery ho Baiboly feno ireo Baiboly Ankibe. “Testamenta Vaovao” fotsiny ny sasany. Ny sasany dia famintinana fitantarana avy ao amin’ny Baiboly, na mirakitra ny tantara manontolo ao amin’ny Baiboly, nofintinina tao anatin’ny teny tokony ho 7 000, ka natao manokana mba hovakin’ny ankizy. Izy ireny dia mitondra lohateny toy ny hoe The Bible in Miniature (Ny Baiboly Amin’ny Endriny Bitika), The History of the Holy Bible (Ny Tantara ao Amin’ny Baiboly Masina), ary The Child’s Bible (Ny Baibolin’ny Ankizy).
Ahoana no nahazoan’ny Baiboly Ankibe ny anarany? Ny fanazavana mora takatry ny saina dia ny hoe ny Baiboly toy izany dia somary lehibe kokoa noho ny tapany ambony amin’ny ankiben’olombelona. Ilay boky hoe Three Centuries of Thumb Bibles anefa dia manipy hevitra fa mety ho noforonina ilay teny, taorian’ny fitsidihana an’i Angletera nataon’ilay Amerikana fanta-daza atao hoe Charles Stratton, izay fohy kely, fantatra kokoa tamin’ny hoe Jeneraly Tom Thumb (Tom Ankibe). Manohana io filazana io ny hoe nitsidika an’i Angletera i Tom Thumb tamin’ny 1844 ka toa nanomboka nampiasaina tany Londres ny teny hoe “thumb Bible” (“Baiboly Ankibe”) nanomboka tamin’ny 1849.
Haben-tsoratra masina tsy araka ny mahazatra
Manampy amin’ny fomba mahagaga ny tontolon’ireo Baiboly bitika ny The Finger New Testament (Ny Testamenta Vaovao Rantsantanana), natao pirinty tokony ho tamin’ny fiandohan’itỳ taonjato itỳ. Telo santimetatra monja ny sakany, ary sivy santimetatra ny lavany — mitovy halava amin’ny rantsana iray — araka ny anarany. Noho ny lavany mihoatra ny 76 milimetatra anefa, raha lazaina amin’ny fomba hentitra, dia tsy boky bitika izy io, na dia kilasina miaraka amin’ireo Baiboly toy izany aza izy amin’ny ankapobeny. Ny endri-tsoratra mirefy 1,9 milimetatra nampiasaina tao amin’io boky io dia mazava be, ary azon’ny maro vakina, tsy misy fampiasana fanalehibeazana.
Ny ohatra tsy mahazatra dia ilay mitondra ny lohateny hoe The Illustrated Bible, misy tononkalo mitondra ny lohateny hoe Railway to Heaven (Lalamby Mankany An-danitra). Natao pirinty foana izy io nandritra ny 50 taona mahery, nandritra ireo fotoana voalohany nisian’ny lalambin’i Angletera. Nanararaotra ny lalamby ilay mpanoratra, tamin’ilay tononkalo misy pejy roa, mitondra ny lohateny hoe “Mba Hanondroana Anao Zotra Iray Hafa”. Io zotra iray hafa io dia fantatra ho i “Jesosy Kristy, Zanakalahin’i Jehovah”. Mifarana toy izao ilay tononkalo: “Anaka, hoy Andriamanitra, atolory ahy ny fonao. Faingàna — fa raha tsy izany dia handeha ny fiarandalamby”.
Tsy mahazatra koa ilay fitambaram-boky hoe My Morning Counsellor, tamin’ny taona 1900. Mampiseho andinin-teny ao amin’ny Baiboly ho an’ny andro izy io, ka isam-bolana dia ialohavan’ny endriny iray amin’ny anaran’Andriamanitra. Ny endriny ho an’ny volana Febroary, ohatra, dia hoe “Jehovah-Shalom”. Na io boky io, na ny The Illustrated Bible voatonona teo aloha, dia samy mampiseho ilay zava-misy hoe: ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, dia fampiasa matetika tany Grande-Bretagne, zato taona lasa izay.
Ny boky kely indrindra ve?
Nandritra ireo taonjato, dia maro no nihambo ho nanao ny boky kely indrindra vita pirinty. Ny fihamboana nisy heviny voalohany dia natao tamin’ny 1674, rehefa natao pirinty tamin’ny endri-tsoratra madinika kely ilay boky hoe Bloem-Hofje nataon’i C. van Lange. Lazalazain’ny Miniature Books ho “mitovy habe amin’ny hohon-tanana” izy io, ka nahazona izany laza izany nandritra ny 200 taona mahery.
Ny fanontana malaza iray tamin’ny La Divina Commedia an’i Dante, natao pirinty tamin’ny endri-tsoratra 0,70 milimetatra dia noheverina ho ny endri-tsoratra kely indrindra nampiasaina hatramin’izay — zara raha voavaky amin’ny maso tsotra fotsiny. Natao tany Padoue, any Italia, tamin’ny 1878, ilay boky. Naka iray volana ny fanaovana pirinty pejy 30, ary tena nilaina ny endri-tsoratra vaovao, isaky ny endriny vaovao iray. Na izany aza, dia nisy 1 000 no vita pirinty.
Nitohy ny fanakelezana. Tamin’ny 1978, ilay hirahiran’ankizy hoe Three Blind Mice, nivoaka avy tao amin’ny trano fanaovam-pirinty Gleniffer tao Paisley, any Ekosy, dia tonga ny “boky kely indrindra eran’izao tontolo izao”. Io fanontana voafetra io dia nihoaran’io mpanao pirinty io ihany tamin’ny 1985, rehefa nahavita 85 tamin’ny hirahiran’ankizy hafa iray hoe Old King Cole! izy ireo. Ny tsirairay taminy dia tsy nirefy afa-tsy 1 milimetatra ny lavany ary 1 milimetatra ny sakany. Azo natao ny namadika ireo pejy — tamin’ny alalan’ny fanjaitra!
Ny boky tena bitika toy izany, izay nolazalazain’i Louis Bondy ho “saika mitovy amin’ny piti-bovoka”, dia manome porofon’ny faharetana sy ny fahaizana tsy hay lazaina. Ireny boky tena bitika ireny anefa dia lasa lavitra ny fiheverana tany am-boalohany mahakasika ireo boky bitika, dia ny hoe hamokatra boky azo vakina sy ampiasaina avy hatrany.
Azo atao ny mahita tahirin’ireny boky bitika mahafinaritra ireny any amin’ny tranombakoka, ary maro hafa no an’ny olona manokana. Raha miditra ao amin’ny tontolo mambabon’izy ireo ianao indray andro any, dia tadidio ny hihazona an’ireny boky bitika ireny amim-pitandremana fatratra. Raha ny tena izy dia asan-javakanto izy ireny!
[Efajoro/Sary, pejy 24]
Fanakelezana Amin’ny Alalan’ny Sary
Ny “Testamenta Vaovao” kely indrindra novokarina hatramin’izay, dia ny an’i David Bryce, avy any Glasgow, any Ekosy, tamin’ny 1895. Ny refiny dia 1,9 santimetatra ny lavany, 1,6 santimetatra ny sakany, ary 0,8 santimetatra monja ny hateviny! Ahoana no netezan’ny fanaovana pirinty azy io? “Natao tamin’ny fomba tsara indrindra sy mazava, tamin’ny fanakelezana amin’ny alalan’ny sary, izy io”, hoy ny nohazavain’i Louis Bondy ao amin’ny Miniature Books. Noho ny fakana sary mbola vao niandoha, zato taona lasa izay, dia zava-bita tena mahagaga izany.
Nanao pirinty Baiboly ankibe feno maro koa i David Bryce, tamin’ny fampiasana io fomba io ihany. Ho an’ireo izay sahirana mamaky ny sora-pirinty tena kely, ny tsirairay tamin’ireo Baiboly dia nanana fanita-jery kely, natsofoka tao anatin’ny fonony. Azon’ireo manana fikirizana atao ny mamaky noho io fanampiana io.
Tsara homarihina fa ny fomba fanaovana pirinty boky nohakelezina tamin’ny alalan’ny sary dia nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny fomba tsara, nandritra ny fanenjehana azy ireo, na ny nataon’ny Nazia nandritra ny Ady Lehibe Faharoa izany, na ny nataon’ny Komonista tatỳ aoriana kokoa. Hita amin’ilay sary miaraka amin’itỳ lahatsoratra itỳ ny boky fianarana Baiboly, natao pirinty tamin’io fomba io. Natao tao anaty tranon’afokasoka iray izy io, ary natsofoka an-tsokosoko ho any amin’ireo Vavolombelona tao amin’ny toby fitanana nazia iray.
Antonona tao anaty tranon’afokasoka iray izy itỳ, ka natsofoka an-tsokosoko tao amin’ny toby fitanana iray
[Sary, pejy 23]
Na dia kely aza ireo boky bitika, dia azo vakina
[Sary, pejy 25]
Boky bitika vitsivitsy