Mbola ho Velona Ihany ve ny Ala Tropikaly?
TEO am-piandohan’itỳ taonjato itỳ, dia lany tamingana ny voromahailala mpifindra monina, tany Amerika Avaratra. Izy io angamba no vorona maro an’isa indrindra nisy hatramin’izay. Tombanan’ireo manam-pahaizana momba ny vorona fa teo anelanelan’ny dimy arivo tapitrisa sy iray alina tapitrisa ny isany, roanjato taona lasa izay!
Kanefa, tao anatin’ny zato taona, dia nanjavona ilay vorona fihinana mora vidy, izay toa tsy ho ritra mihitsy. Nolazalazaina hoe ‘fihenana nanaitra indrindra hatramin’izay, izany fihenan’[ilay karazana] izany’. Izao no vakina eo amin’ny tsangambato fahatsiarovana ny voromahailala mpifindra monina, ao amin’ny Valam-pirenena Wyalusing, any Wisconsin, Etazonia: “Itỳ karazam-borona itỳ dia lany tamingana noho ny fierenana sy ny tsy fisainan’ny olombelona.”
Ilay loza nanjo ny voromahailala mpifindra monina dia mampahatsiahy antsika fa mora resin’ny fanafihan-draolombelona, na dia ny zavaboary mora mitombo indrindra eto an-tany aza. Mbola miely patrana foana ny fierenana sy ny tsy fisainana. Ary amin’izao andro izao, dia tsy karazana iray monja, fa ekôsistema iray manontolo mihitsy, no tandindomin-doza. Raha manjavona ny ala tropikaly, dia hanjavona hiaraka aminy koa ny mponina rehetra ao aminy — tokony ho ny antsasaky ny karazana rehetra eto amin’ny planeta. Lazain’ireo mpahay siansa ho “ny loza biôlôjika lehibe indrindra [nataon]’ny olombelona hatramin’izay” izany loza aman’antambo izany.
Marina aloha fa isika izao dia manana fahalalana betsaka kokoa momba ny tontolo iainana, noho ny tamin’ny zato taona lasa. Kanefa, tsy ampy nanakanana ny firongatry ny fandripahana tsy nety lefy io fahatakarana lalina io. “Eo am-pandripahana zavatra faran’izay sarobidy isika”, hoy ny fitarainan’i Manuel Fidalgo, ilay manam-pahaizana momba ny zavamaniry, “ary tsy manam-potoana lava intsony isika eo anoloantsika. Manahy aho fa, rehefa afaka taona vitsivitsy, ny hany ala tsy ho nanimbinana dia ireo izay eny amin’ny tehezan-tendrombohitra, izay tsy tratran’ireo mpitrandraka ala.”
Matahotra ireo mpandinika ny zavaboary, satria sarotra aoka izany ny mamerina ny ala tropikaly amin’ny laoniny. Amim-pahatsorana no ilazalazan’ilay boky hoe The Emerald Realm: Earth’s Precious Rain Forests ny fambolen-kazo ho “miadana sy andaniam-bola be, (...) ary fiala-nenina farany amin’ny fandripahana ny ala”. Fara fahabetsany, dia karazan-kazo tropikaly vitsivitsy monja angamba no hambolena indray, ary hila fikarakarana tsy an-kijanona ireo zana-kazo mba hisakanana ny ahidratsy tsy hangeja azy.
Miankina amin’ny fisian’ny ala tropikaly tsy vaky lay eo akaikin’ilay faritra nambolen-kazo no hahazoan’ny ala indray ny hakantony taloha. Ny fahakekezany ihany no hamela ilay faritra nambolen-kazo, amin’ny farany, hanjary hanirian’ireo karazan-kazo an’aliny maro izay hahaforona tena ala tropikaly. Na dia amin’izay aza, dia hitaky taonjato maro ilay fizotran-javatra. Misy faritra sasany nilaozan’ny olona, arivo taona lasa izay, fony nanjavona ny sivilizasiona maya, mbola tsy tafaverina manontolo amin’ny laoniny foana.
“Fiaraha-miasa iraisam-pirenena vaovao” ve?
Nanolo-kevitra ny hanokanana ny 10 isan-jaton’ny ala tropikaly misy amin’izao fotoana izao ho an’ny taranaka fara mandimby ny mpahay siansa iray ao amin’ny Ivon-toerana Smithsonian, any Washington, D.C., mba hiarovana karazana betsaka araka izay azo atao. Amin’izao fotoana izao, dia tokony ho 8 isan-jato no arovana, kanefa vala anarany fotsiny ny ankamaroan’ireo tahirin-javaboary na valam-pirenena, satria tsy misy na ny tahirim-bola na ny mpiasa hiaro azy ireny. Mazava àry fa misy zavatra bebe kokoa tsy maintsy atao.
Manazava toy izao i Peter Raven, mpitondra teny momba ny fitsimbinana ny ala tropikaly: “Mitaky fiaraha-miasa iraisam-pirenena vaovao ny ezaka hamonjena ny ala tropikaly, dia fanatanterahan-javatra izay hananan’ny olona hatraiza hatraiza anjara, momba izay hiafaran’ny tany. Tsy maintsy atao izay hahitana fomba hampihenana ny fahantrana sy ny hanoanana manerana izao tontolo izao. Hilaina ny manao fifanekena vaovao eo amin’ireo firenena.”
Hitan’ny olona maro ho azon’ny saina ekena ny fanoloran-keviny. Mitaky vahaolana maneran-tany ny famonjena ny ala tropikaly — toy ireo tarehin-javatra maro hafa izay atrehin’ny olombelona ihany. Ny zava-manahirana dia ny fahazoana ‘fifanekena eo amin’ireo firenena’, alohan’ny hitrangan’ny antambo haneran-tany iray, sy dieny mbola azo arenina ny fanimbana natao. Araka ny lazain’i Peter Raven an-kolaka, dia mifandray akaiky amin’ny olana hafa saro-bahana, toy ny hanoanana sy ny fahantrana, ao amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, ny fandripahana ny ala tropikaly.
Hatramin’izao aloha, dia fahombiazana voafetra no hita noho ny ezaka niraisam-pirenena nifantoka tamin’ireo olana ireo. Misy olona sasany manontany hoe: Haharesy ny tsy fitadiavany afa-tsy ny tombontsoam-pireneny mifanipaka ve ireo firenena indray andro any, ka hijery ny tombontsoa iombonana, sa nofinofy fotsiny ny fikatsahana “fiaraha-miasa iraisam-pirenena vaovao”?
Toa tsy mahabe fanantenana ny fijerena ny tantara. Na dia izany aza, misy lafin-javatra iray odian-tsy hita matetika — ny fomba fihevitr’ilay Mpamorona ny ala tropikaly. “Tokony hotadidina ao an-tsaina fa mandripaka ampahany amin’ny Zavatra Noforonina isika”, hoy ny fanazavan’ny Profesora Edward O. Wilson, ao amin’ny Harvard, “ary amin’izany, dia tsy omentsika ny taranaka fara mandimby rehetra ny zavatra nolovan’ny tenantsika.”
Hamela ny olombelona handripaka tanteraka ny asan’ny tanany ve ilay Mpamorona ny tany? Tsy azo inoana izany.a Mifanohitra amin’izany kosa, fa milaza mialoha ny Baiboly fa ‘hanimba izay manimba ny tany’ Andriamanitra. (Apokalypsy 11:18). Amin’ny fomba ahoana no hampiharan’Andriamanitra ny vahaolany? Izy dia mampanantena ny hanorina Fanjakana iray — fitondram-panjakana iray any an-danitra hanapaka ny tany manontolo — izay hamaha ny olana rehetra eto an-tany, sady “tsy ho rava mandrakizay”. — Daniela 2:44.
Tsy vitan’ny hoe hamarana ny fanimban’ny olombelona ny planeta ny Fanjakan’Andriamanitra, fa hanara-maso koa ny famerenana indray amin’ny tany ny hakantony voajanahary. Amin’ny farany, ny tany manontolo dia ho tonga valan-javaboary iray haneran-tany, tsy misy hafa amin’ny nikasan’ilay Mpamorona antsika azy tany am-boalohany. (Genesisy 1:28; 2:15; Lioka 23:42, 43). ‘Hampianarin’i Jehovah’ ny olombelona hatraiza hatraiza, ary hianatra ny ho tia sy hankasitraka ny zavatra noforoniny rehetra, anisan’izany ny ala tropikaly, izy ireo. — Isaia 54:13.
Rehefa nilazalaza izany fotoana hisiam-pitahiana izany ny mpanao salamo, dia nanoratra hoe: “Aoka (...) hihoby amin’izay ny hazo rehetra any an-ala eo anatrehan’i Jehovah, fa avy Izy, — eny, avy hitsara ny tany Izy; hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy ary ny firenena amin’ny fahamarinany.” — Salamo 96:12, 13.
Soa ihany fa tsy miankina amin’ny fiahian’ny olombelona — na ny fierenany — ny hoavin’ny ala tropikaly. Manome antoka antsika ny Baiboly fa ny tenan’ny Mpamorona mihitsy no hisalovana ka hamonjy ny ala tropikaly. Ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra, dia hahita ny hakanton’ny ala tropikaly ny taranaka fara mandimby. — Apokalypsy 21:1-4.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mikendry ny hamonjy karazana tandindomin-doza betsaka araka izay azo atao ireo mpiaro ny loharanon-karena voajanahary, ary mahaliana fa lazalazainy hoe “foto-pitsipik’i Noa” ny fitsipika arahin’izy ireo, satria i Noa nahazo toromarika hampiditra tao anaty sambo fiara “ny zava-manan-aina rehetra, dia ny nofo rehetra”. (Genesisy 6:19). “Inoana fa ny nisian’[ny karazana] efa hatramin’izay ela izay, eo amin’ny natiora, dia mahatonga azy hanana ny zo tsy azo iadian-kevitra mbola hisy foana”, hoy ny fanjohian-kevitr’ilay biôlôjista atao hoe David Ehrenfeld.