FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/5 p. 31
  • Mitsara Ivelany ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mitsara Ivelany ve Ianao?
  • Mifohaza!—1998
  • Mitovitovy Aminy
  • “Mijery ny Fo” Izy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1999
  • Tsy mijery afa-tsy ny fisehoana ivelany ve ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Tsy Nivadika Izy na dia Diso Fanantenana Aza
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
Hijery Hafa
Mifohaza!—1998
g98 8/5 p. 31

Mitsara Ivelany ve Ianao?

MITSARA boky iray araka ny fonony ve ianao? Mety ho voafitaka ianao amin’izany. Jerenao aloha ireo loha hevitra ao anatiny, mba tsy hahavoafitaka anao. Ohatra iray manazava izany ny tantaran’i Nasreddin Hoja, olo-malaza iray ao amin’ny vakomanitra tiorka. (“Mpampianatra” ny dikan’ny teny tiorka hoe hoja.) “Sady fetsy [izy] no tsotra, sady hendry no adaladala (...). Tia fivavahana izy, saingy manana kileman-toetra toy ny rehetra koa.” Izy dia “tsy mety resin’ny fisehoan-javatra tsy ampoizina eo amin’ny fiainana”. — Tales of the Hoja, nataon’i John Noonan, Aramco World, Septambra-Oktobra 1997.

Ny angano iray dia mitantara ny dia iray nataony mba hitsidihana olona ambony otomana iray sy hiara-misakafo taminy. “Tsy mba mailamailaka [i Nasreddin] nidina ilay ampondra sy nandondòna teo amin’ny varavarana anoloana lehibe. Rehefa nisokatra izy io, dia hitany fa efa nanomboka ilay fanasana. Talohan’ny nahafahany nampahafantatra ny tenany anefa, ilay nanasa azy, raha nijery ny akanjony naloto teny an-dalana, dia niteny taminy tamin’ny fomba henjana fa tsy nandray ny mpangataka izy.”

Lasa àry i Nasreddin naka ny kitapony teo amin’ny lasely, ary dia “niova akanjo izy, nanao ny fitafiany tsara indrindra: akanjo landy lava marevaka izay nasiana haingony volom-biby, sy fehiloha landy lehibe. Niverina nankeo amin’ilay varavarana anoloana izy rehefa niraratra toy izany, ka nandondòna indray.

“Tamin’itỳ indray mitoraka itỳ, dia nafana ny fandraisan’ilay tompom-panasana azy (...). Nametraka lovia feno hanim-py teo anoloany ireo mpanompo. Nandraraka lasopy eran’ny lovia tao anatin’ny paosy iray tamin’ny akanjony i Nasreddin Hoja. Gaga ireo olona nasaina hafa nahita azy nanisika sombin-kena natono teo amin’ny fivalonan’ny fehilohany. Avy eo, teo anatrehan’ilay nanasa azy izay feno rikoriko, dia nanosika ny volom-biby teo amin’ny sisin’akanjony hankeo amin’ny lovia nisy vary nasiana saosy sy hena izy, ka niteny tamin’ny feo iva hoe: ‘Hano, ry volom-biby, hano!’

“ ‘F’ahoana izao?’, hoy ny fanontanian’ilay tompom-panasana.

“ ‘Tompokolahy’, hoy ny navalin’i Hoja, ‘mamahana ny akanjoko aho. Rehefa jerena amin’ny fomba nitondranao ahy antsasak’adiny talohan’izao, dia mazava fa ny akanjoko, fa tsy ny tenako, no raisinao amim-pitiavana!’ ”

Impiry akory moa isika no mitsara ivelany fotsiny hoe ratsy na tsara ny zavatra iray! Rehefa nihevitra i Samoela mpaminany fa i Eliaba, rahalahin’i Davida, no tsy maintsy ho ilay nofidin’i Jehovah ho mpanjakan’ny Isiraely nanaraka, dia hoy i Jehovah tamin’i Samoela: “Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon’ny tsanganany, fa efa nolaviko izy; fa tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.” (1 Samoela 16:7). Eny, mitsara toe-po i Jehovah, fa tsy mitsara ivelany. Ary ahoana ny aminao?

[Sary, pejy 31]

Nampitandreman’i Jehovah i Samoela mba tsy ho voafitaky ny fisehoana ivelany

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara