FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/6 p. 21-23
  • Fomba Dimy Hanatsaranao ny Toe-piainanao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fomba Dimy Hanatsaranao ny Toe-piainanao
  • Mifohaza!—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Voalohany: Manaova zaridaina
  • Faha-2: Zavatra betsaka no ataovy indray mividy
  • Faha-3: Mianara ny fomba fitahirizan-tsakafo
  • Faha-4: Miezaha hanao fiompiana kely
  • Faha-5: Mihazòna fahadiovana araka ny tokony ho izy
  • Nahoana no Tena Zava-dehibe ny Fahadiovana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Zava-tsarotra tsy maintsy resena — Ny fahadiovana
    Mifohaza!—1990
  • Sakafo avy ao An-tanimbolinao
    Mifohaza!—2003
  • Ahoana no Ahafahanao Mitantana Ankohonana?
    Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
Hijery Hafa
Mifohaza!—1998
g98 8/6 p. 21-23

Fomba Dimy Hanatsaranao ny Toe-piainanao

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY AMIN’NY RÉPUBLIQUE CENTRAFRICAINE

FISONDROTAN’NY vidim-piainana, aretina, tsy fahampian-tsakafo, fahantrana — miely patrana ireo olana ireo atỳ amin’ny tany an-dalam-pandrosoana. Ary tsy misy vahaolana eo no ho eo tsinjo, fara faharatsiny, raha araka ny fomba fijerin’olombelona. Raha monina ao amin’ny tany an-dalam-pandrosoana iray ianao, misy zavatra azonao atao ve mba hanatsarana ny toe-piainanao? Eny! Indreto misy fanipazan-kevitra dimy izay mety ho hitanao fa manampy sy azo ampiharina.

Voalohany: Manaova zaridaina

“Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina”, hoy ny Baiboly ao amin’ny Ohabolana 28:19. Mety hahagaga anao tokoa ny habetsahan’ny vokatra azon’ny tanimboly kely iray vokarina. Ao amin’ilay bokiny hoe Le jardin potager sous les tropiques (Ny Tanimboly any Amin’ny Tropika), dia milaza i Henk Waayenberg fa afaka mamokatra legioma ampy hamelomana fianakaviana iray misy olona enina ny tanimboly iray mirefy 50 ka hatramin’ny 100 metatra toradroa!

Nahoana no handany vola hividianan-javatra azon’ny tenanao ambolena? Miankina amin’ny karaza-nofon-tany sy ny toetr’andro, dia mety ho azo atao ny mamboly zavatra toy ny gombo, ny sakay, ny epinara, ny persily, ny veromanitra, ny tongolo maitso, ny mangahazo, ny voatavo, ny vomanga, ny fary, ny voatabiha, ny konkombra ary ny katsaka, eo akaikin’ny tranonao. Azo anampy ny sakafon’ny fianakavianao, fara fahakeliny, ireny vokatra avy ao an-jaridaina ireny, ary mety hisy vokatra amboniny azonao amidy mihitsy aza.

Raha manan-tany ampy ianao, dia mety ho azonao eritreretina koa ny hamboly hazo fihinam-boa isan-karazany. Amin’ny toe-javatra sasany, ny hazo fihinam-boa iray dia afaka mamokatra voankazo mihoatra noho izay mety ho laninareo mianakavy. Hanampy anao hanatsara ny famokaranao ny fianarana momba ny fanaovana zezi-pako — ilay fomba ampiasana indray ny zavatra organika lo mba hatao zezika. Tsy manome sakafo sy fidiram-bola amboniny ho an’ny fianakavianao fotsiny ny hazo. Afaka manome alokaloka sy manadio ny rivotra ary manisy endriny ny manodidina anao koa ny hazo nambolena teo amin’ny toerana mety.

Ahoana anefa raha tsy mahay firy momba ny fanaovan-jaridaina ianao? Mana-namana na mpiray tanàna, na olom-pantatra izay za-draharaha amin’izany ve ianao? Raha izany no izy, nahoana raha mangataka fanampiana sy torohevitra aminy? Mety ho azonao atao koa ny hividy na hindrana boky sasantsasany momba ny zaridaina. — Jereo ilay lahatsoratra hoe “Pourquoi n’auriez-vous pas un potager?”, ao amin’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 22 Aogositra 1974.

Faha-2: Zavatra betsaka no ataovy indray mividy

Antsinjarany ve no ividiananao zavatra fototra toy ny lafarinina sy ny vary ary ny menaka? Raha izany no izy, dia mety handanilany foana ny ampahany lehibe amin’ny teti-bolanao ianao. Raha ny amin’ny sakafo toy izany kosa, dia betsaka no iezaho atao indray mividy, raha mbola azo atao koa, ka ifampizarao amin’ny fianakaviana roa, telo na mihoatra, ny vidiny. Mety hahafahanao hitsitsy vola koa ny fividianan-javatra betsaka indray miaraka, rehefa fotoanan’ny voankazo na legioma toy izao na izao. Amin’ny toe-javatra sasany, dia mety ho afaka hividy zavatra ambongadiny mihitsy aza ianao.

Faha-3: Mianara ny fomba fitahirizan-tsakafo

Raha betsaka no atao indray mividy, izany dia mampipoitra fanontaniana hoe ahoana no fomba hitahirizan-javatra mora simba. Fomba be mpanao sady azo ampiharina ny fanamainan-tsakafo. Fiveloman’ny vehivavy maro be atỳ Afrika ny fanamainana voankazo, gombo, tsaramaso, korza, voam-boatavo, ary anana. Tsy mitaky ny hananana fitaovana manokana ny fanamainana. Azo apetraka eo amin’ny toerana fisaka madio, na ahantona ilay zavatra, angamba saronana lamba manify mba hisakanana ny lalitra tsy hipetraka eo aminy. Ny rivotra sy ny masoandro no hanao ny sisa. — Jereo ilay lahatsoratra hoe “Pouvez-vous dépenser moins?”, ao amin’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 8 Desambra 1975.

Faha-4: Miezaha hanao fiompiana kely

Azonao atao ve ny miompy akoho, osy, voromahailala, na biby hafa? Nanjary haitraitra ny hena any amin’ny toerana maro. Kanefa, afaka mianatra ny fomba fanaovana fiompiana kely ianao, raha mahazo fanampiana kely fotsiny avy amin’ny hafa. Tia trondro ve ianao? Mety ho azonao atao ny hiezaka hianatra ny fomba fanaovana dobo kely fiompiana trondro. Ny hena sy ny atody ary ny trondro dia misy vy, sokay, otrikaina, mineraly, ary proteina — izay zava-dehibe ho an’ny fahasalaman’ny fianakavianao.

Faha-5: Mihazòna fahadiovana araka ny tokony ho izy

Zava-dehibe ho an’ny fahasalaman’ny fianakavianao koa ny fahadiovana. Misarika voalavo sy lalitra ary kadradraka — izay mahatonga izao karazan’aretina rehetra izao — ny loto. Hitaky fotoana sy ezaka avy aminao ny fihazonana fahadiovana araka ny tokony ho izy. Kanefa, tsy lafo kokoa noho ny fanafody sy ny vola aloa amin’ny dokotera ny fahadiovana. Mety hisy tsy fitoviana eo amin’ny fari-pitsipika ny amin’ny atao hoe madio, arakaraka ny olona, sy arakaraka ny tany. Kanefa, misy foto-pitsipika ankapobe vitsivitsy azo ampiharina hatraiza hatraiza.

Raiso, ohatra, ny kabine. Any ambanivohitra, dia matetika izy ireny no avelan’ny olona haloto sy ho ravarava, ka manjary fototra iavian’ny tsy fahasalamana sy ny aretina. Mety ho afaka hanome anao toromarika ny amin’ny fomba hanamboarana kabine na trano kely eny ivelany madio, kanefa tsy andaniam-bola firy, ny mpiasan’ny fahasalamana eo an-toerana.

Ahoana ny amin’ny tranonao mihitsy? Madio sy mimpirina ve izy io? Fofon-javatra madio ve no re ao? Ahoana ny amin’ny lakozianao? Madio sy milamina ve izy io? Tsy maintsy ho madio sy nandrahoina tsara ny sakafo mba hahasalama. Feno mikraoba sy katsentsitra ny rano maloto. Koa tantavano na ampangotrahy ny rano, alohan’ny hampiasana azy. Kobano amin’ny rano mangotraka ny fitaovana fisakafoana, ary sasao tsara ny tananao, alohan’ny handraisanao sakafo. Zavatra madio sy mihidy itahirizana rano.

Tsy tokony havela handehandeha ao an-dakozia ny alika, ny saka, ny akoho ary ny osy — raha tianao ho ara-pahasalamana hatrany ny ao. Tsy tokony havela handehandeha eny ambony vilany, na ny voalavo na ny totozy, ka handoto ny sakafonao. Tontam-boalavo tsotsotra dia mety hampanjavona ilay olana. — Jereo ilay lahatsoratra hoe “Un défi à relever: la propreté”, ao amin’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 22 Septambra 1988.

Amin’ny farany, dia ny Fanjakan’Andriamanitra irery ihany no hamaha tanteraka ny olana rehetra hitan’ny olombelona. (Matio 6:9, 10). Mandra-pahatongan’izy io anefa, dia mety hanampy anao hanatsara ny toe-piainanao ireo fanipazan-kevitra tsotra ireo.

[Sary, pejy 21]

Manaova zaridaina

[Sary, pejy 22]

Zavatra betsaka atao indray mividy

[Sary, pejy 22]

Mianara ny fomba fitahirizan-tsakafo

[Sary, pejy 23]

Miezaha hanao fiompiana kely

[Sary, pejy 23]

Mihazòna fahadiovana araka ny tokony ho izy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara