Fijerena An’izao Tontolo Izao
Ny Fahantrana sy ny Tontolo Iainana
Olona 1,3 arivo tapitrisa mahery maneran-tany no mbola mivelona amin’ny vola latsaka ny roa dolara (10 800 FMG eo ho eo), isan’andro, na dia mihamandroso aza ny toe-karena. Tsy vitan’ny hoe tsy mety afaka ny fahantrana, hoy ny tatitra iray nataon’ny ONU, fa vao mainka mihamafy. Olona arivo tapitrisa mahery, amin’izao andro izao, no mikarama latsaka noho ny tamin’ny 20, 30, na 40 taona lasa mihitsy aza. Izany indray kosa, dia anisan’ny mahatonga ny fanimbana ny tontolo iainana, satria “ny fahantrana dia mitaky ny hanararaotana loatra avy hatrany ny loharanon-karena voajanahary, ary tsy misy ezaka hikajiana maharitra ny tontolo iainana mahaleo izany fanararaotana izany”, hoy ny gazetiboky UNESCO Sources. “Raha araka izao taham-panjavonana izao, dia ho foana tanteraka ao anatin’ny 50 taona latsaka ny alan’i Caraïbes (...). Ratsy kokoa aza ny tarehin-javatra eo amin’ny sehatry ny firenena: Tsy haharitra afa-tsy 30 taona sisa ny alan’i Philippines, ny an’i Afghanistan, 16 taona, ary ny an’i Liban, 15 taona.”
Ny Loza Entin’ny Famoizam-po
“Ireo mpahay siansa (...) dia milaza fa afaka manimba be ny fo, toy ny fifohana sigara 20 isan’andro, ny famoizam-po”, hoy ny tatitra nataon’ny The Times, any Londres. “Nisy fandinihana naharitra efa-taona, natao tamin’ny lehilahy failandey zokinjokiny efa ho 1 000, ka nahitana fa nitarika ho amin’ny fitomboan’ny mety hahavoan’ny karazana fikainkon’ny mpanelira, ny famoizam-po.” Nasehon’ilay fandinihana fa mety hisy vokany lehibe eo amin’ny fahasalaman’ny olona iray ny toe-tsainy. “Zavatra mitovy foana no hitanay, dia ny hoe misy vokany eo amin’ny fahasalamana ny toe-tsaina sy ny toe-po”, hoy ny Dr. Susan Everson, izay nitarika ilay fikarohana. “Mila mahatakatra ireo dokotera fa misy vokany ratsy eo amin’ny fahasalamana, ary manampy trotraka ny aretina, ny tsy fananana fanantenana. Mila miaiky ny olona fa rehefa mahatsiaro ho very fanantenana sy mahatsapa famoizam-po izy ireo, dia tokony hiezaka hitady fanampiana.”
An-taonany Maro eny An-dalana
Mandany fotoana betsaka andehanana miasa, na mianatra, sy iverenana mody, ny mponina any an-tanàn-dehibe maro any Italia. Hafiriana? Araka ny voalazan’ny Legambiente, fikambanana italiana iray momba ny tontolo iainana, ireo olom-pirenen’i Naples, dia mandany 140 minitra eny an-dalana isan’andro. Raha atao hoe 74 taona ny salan’ny faharetan’ny androm-piainan’ny mponina iray ao Naples, dia 7,2 taona amin’ny androm-piainany no ho very amin’ny fivezivezena. Ho an’ny mponina iray ao Roma, izay mandany 135 minitra isan’andro amin’ny fivezivezena, dia 6,9 taona amin’ny androm-piainany no ho very. Ratsy toy izany koa ny tarehin-javatra any amin’ny tanàna hafa. Ho an’ny mponina any Bologne, dia 5,9 taona no ho very, ary 5,3 taona ny an’ny mponina any Milan, hoy ny tatitra nataon’ny gazety La Repubblica.
Ny Fotoana any Moyen-Orient
Mety hanjary hanahirana ny fiovaovan’ny ora any Moyen-Orient. I Iran, ohatra, nandritra ny taona maro, dia “nanitsy ny famantaranandrony ho adiny telo sy sasany alohan’ny ora G.M.T. (Greenwhich Mean Time), fa tsy ho amin’ny ora feno, toy ny fomba nanaovan’ny ankamaroan’ireo firenena ny azy”, hoy ny The New York Times. “Mba hihainoana vaovao amin’ny 5.00 maraina, ao amin’ny radio BBC World Service, ohatra, dia tsy maintsy manitsy ny radio ianao amin’ny 8.30 maraina ary mody tsy mandre rehefa maneno ny famantaranandroben’i Londres izay manondro ora tsy mitovy amin’ny an’ny famantaranandronao.” Ary na dia fomba fanao eo amin’ilay faritra aza ny manova ny famantaranandro hiverina adiny iray amin’ny ora tokony ho izy, amin’ny faran’ilay herinandro farany amin’ny volana Septambra, dia tamin’ny 13 Septambra i Israely no nanao ilay fanovana, tamin’iny taon-dasa iny. Sarotra koa ny mamantatra ny faran’ny herinandro. Ny alakamisy sy ny zoma no nataon’ny ankamaroan’ireo firenena ao amin’ny Hoala Persika ho andro tsy fiasana. Kanefa, any Egypta, sy any amin’ny ankamaroan’ireo firenena manodidina azy, dia ny zoma sy ny asabotsy no faran’ny herinandro, fa any Liban indray, dia ny asabotsy sy ny alahady. “Ny mpandeha iray izay mikasa ny ho tonga any Abu Dhabi ny alarobia amin’ny mitataovovonana, ohatra, ary avy eo dia handray fiaramanidina ho any Beyrouth ny zoma hariva, dia hahazo antoka fa hanana faran’ny herinandro maharitra efatra andro. Ny olona adalan’asa indray dia mila manao ny mifamadika amin’izany fotsiny”, hoy ny fanamarihan’ny Times.
Fanahiana Momba ny Teny Frantsay
Nisy kaonferansy naharitra telo andro natrehin’ny solontena avy tamin’ny tany miteny frantsay, natao vao haingana tany Hanoï, any Vietnam, mba hankalazana ny “fampiasana ny teny frantsay ho fiteny iraisam-pirenena”, hoy ny tatitra nataon’ilay gazety mpiseho isan’andro any Paris hoe Le Figaro. Olona maherin’ny 100 tapitrisa no mampiasa tsy tapaka ny teny frantsay. Tamin’ny andro niroboroboan’izy io indrindra, tamin’ny taonjato faha-17, dia fiteny nifandraisan’ny diplaomaty teo amin’ny sehatra niraisam-pirenena, izy io. “Ao Eoropa voazarazara, ny ady sy ny adiady madinika dia niafara tamin’ny fifanekem-pihavanana nosoratana tamin’ny teny frantsay”, hoy ilay gazety. Ankehitriny anefa, ny teny frantsay dia “mitady izay mba ho toerany eo amin’izao tontolo izao”. Azo lazaina hoe anisan’ny nahatonga ny fihenan’ny fampiasana ny teny frantsay ny fitomboan’ny fampiasana ny teny anglisy, indrindra fa eo amin’ny sehatra ara-barotra. Mba hanandramana hampihena io elanelana be io, dia nampirisika ny hampandrosoana ny teny frantsay eo amin’ny autoroutes de l’information, ny prezidà frantsay. Hoy anefa ny mpanao politika iray, raha naneho ny fanahiany momba ny hoavin’ny teny frantsay: “Tsy manaitra ny fahalianan’ny olona, ny fampitam-baovao, na ny mpanao politika ny hoe hampiasa ny teny frantsay manerana izao tontolo izao. Tsy isalasalana fa vao mainka voamarika kokoa io tsy fahalianan’ny olona io eto Frantsa, noho ny any amin’ny tany hafa.”
Fitadiavana Hamarana ny Tsolotra
Any Chine, izy io dia hoe huilu; atsy Kenya, kitu kidogo. Mampiasa ilay fitenenana hoe una mordida i Meksika; i Rosia, vzyatka; ary i Moyen-Orient, baksheesh. Fomba fiaina ny fanaovana tsolotra any amin’ny firenena maro, ary izy io no hany fomba hanaovana fandraharahana, hahazoana zavatra sasany, na hahazoana rariny mihitsy aza, indraindray. Vao haingana anefa izay, dia firenena 34 no nanao sonia fifanekena iray nikendry ny hamongorana ny fanaovana tsolotra eo amin’ireo fandraharahana iraisam-pirenena. Izy ireo dia ny firenena 29 mpikambana ao amin’ny Fikambanana Misahana ny Fiaraha-miasa sy ny Fampandrosoana Ara-toe-karena, miaraka amin’i Arzantina, i Boligaria, i Brezila, i Silia ary i Slovakia. Anisan’ny nandray fepetra hanoherana ny fandraisan’ny olona ambony kolikoly koa ny fikambanana mpamatsy vola lehibe indrindra eto an-tany, dia ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena. Nasehon’ny fandinihana iray nataon’ny Banky Iraisam-pirenena fa nisy fanaovana tsolotra ny 40 isan-jaton’ny fandraharahana tany amin’ny tany 69. Taorian’izay no nandraisana ireo fepetra ireo. Mamela ny hampiatoana ny famatsiam-bola ny tany izay minia tsy mahita ny fandraisana kolikoly, izao, ireo fikambanana roa ireo.
Adalam-panday
Anisan’ny sakafo hanin’ny olona mahantra any ambanivohitr’i Afrika Atsimo efa hatramin’ny ela ny fandain’ny hazombỳ. Miankina amin’izy io ny olona any mba hahazoana proteina. Zanaky ny samoina emperora izy io, ary mitondra ny anaran’ny hazombỳ izay ahazoany ny sakafony. Manangona ireo fanday ny vehivavy amin’ny Aprily sy Desambra, ary rehefa avy nanala ny tsinainy, dia nampangotraka azy sy nanamaina azy teo amin’ny hainandro avy eo. Mitovitovy amin’ny an’ny hena sy ny trondro ny proteina, ny menaka, ny otrikaina ary ny habetsahan’ny kalôria ao amin’ireo fanday ireo. Manjary sakafo lamaody sy be mpitia anefa ny fandain’ny hazombỳ ankehitriny, any amin’ireo hotely fisakafoana atsy Afrika Atsimo. Niely tany Eoropa sy tany Etazonia koa io lamaody io, ka velona ahiahy ny tambanivohitra afrikanina. Fa nahoana? “Koa satria mihabetsaka ny mitady azy io, dia mampanahy ny hahaveloman’ilay karazana hatrany”, hoy ny The Times, any Londres. Izao sahady dia efa “nanjavona tany amin’ny faritra lehibe maro, manodidina an’i Botswana sy i Zimbabwe, ny hazombỳ”.
Tsy Azo Arenina Intsony ve ny Fanimbana Entin’ny Fifohana Sigara?
Mety hanimba maharitra ny mpanelira ny fifohana sigara, hoy ny fandinihana iray vao haingana. Nisy mpikaroka nanao tatitra tao amin’ny The Journal of the American Medical Association. Nilaza izy ireo fa samy mety hanimba ny mpanelira, na ny fifohana sigara na ny fahazoana setroka avoakan’ny mpifoka sigara. Ary tsy azo arenina ny fahasimbana vokatr’izany. Lehilahy sy vehivavy 10 914, teo anelanelan’ny 45 sy 65 taona, no nanaovana fandinihana akaiky. Mpifoka ny sasany tamin’izy ireo, ny hafa mpifoka taloha, nisy koa tsy mpifoka nefa nahazo tsy tapaka setroka avoakan’ny mpifoka sigara, ary tsy mpifoka nahazo tsindraindray setroka avoakan’ny mpifoka sigara. Nampiasa feo tsy re tsaika ireo mpikaroka mba handrefesana ny hatevin’ny mpanelira tao amin’ny tenda. Naverina norefesina indray ilay izy, telo taona tatỳ aoriana.
Araka ny nampoizina, dia nitombo be ny fikainkon’ny mpaneliran’ireo mifoka tsy tapaka — nitombo 50 isan-jato ny an’ireo izay nifoka sigara iray fonosana isan’andro, amin’ny antsalany, hatramin’ny 33 taona. Nihatery koa ny mpaneliran’ireo nifoka taloha, 25 isan-jato ny hafainganan’izany raha oharina amin’ny an’ireo tsy mpifoka — ny sasany tamin’izy ireo dia efa 20 taona mihitsy no nitsahatra tsy nifoka intsony. Raha oharina amin’ireo izay tsy nahazo setroka avoakan’ny mpifoka sigara, dia nitombo 20 isan-jato ny hatevin’ny mpaneliran’ireo tsy mpifoka izay nahazo setroka avoakan’ny mpifoka sigara. Araka ny voalazan’ilay fandinihana, dia tombanana ho 30 000 ka hatramin’ny 60 000, isan-taona, ny olona maty, any Etazonia fotsiny, izay azo lazaina hoe vokatry ny fahazoana setroka avoakan’ny mpifoka sigara.
Tsy Nisy Fanamboarana Tarehy
Taorian’ny fito taona nanaovana asa famerenana tamin’ny laoniny ilay sary vongana antsoina hoe Sphinx any Ejipta, dia nesorina ihany tamin’ny farany ny kombarika rehetra nanodidina azy. “Vato 100 000 no nampiasaina teo anelanelan’ny taona 1990 sy 1997 mba hamerenana ilay Sphinx amin’ny laoniny”, hoy i Ahmad al-Haggar, talen’ny fitahirizana ny rakitry ny ela, teo amin’ilay faritra. Nanampy teny anefa izy fa ny tarehy simban’ilay “sary vongana goavana, ny tapany liona, ny tapany olona, vita tamin’ny vatosokay”, dia tsy voakasika tamin’ilay asa famerenana tamin’ny laoniny, izay nilana fitandremana be.