Fijerena An’izao Tontolo Izao
Tandindomin-doza ny Ranomasimbe
Nanao tatitra ny The Journal of Commerce fa niisa 1 600 mahery ny mpahay siansa momba ny ranomasina sy ny biôlôjista mpiaro ny loharanon-karena voajanahary, avy tamin’ny firenena 65, nanao ‘antso avo ho fanentanana’ ny olona mba hiarovana ny ranomasimbe tsy hiharam-pahavoazana fanampiny. Hoy i Elliot Norse, manam-pahaizana momba ny tontolo iainana an-dranomasina: “Iharan’ny krizy mafy ny ranomasina, mafy lavitra tsy araka ny nieritreretantsika azy teo aloha.” Anisan’ny ohatra notononina tamin’izany ny faritra mirefy 18 000 kilaometatra toradroa, ao amin’ny ranomasimbe, ao amin’ny Hoalan’i Meksika. Fantatra ho faritra maty izy io. Araka izany anarany izany, dia tsy misy trondro na patsabe na ny ankamaroan’ireo zavamiaina an-dranomasina, ao amin’io faritra io. Hitan’ny mpahay siansa fa avy amin’ireo ahidrano betsaka ao no nahatonga ilay olana, noho izy ireo nivelona tamin’ny rano feno otrikaina, izay nivarina tao amin’ny Ony Mississippi. Rehefa maty ny ahidrano, dia midina any amin’ny fanambanin’ny ranomasimbe. Rehefa manomboka manova ny ahidrano maty ho zavatra lo ny bakteria, dia mihena tsikelikely ny ôksizena any amin’ny fanambanin’ny ranomasimbe. Hoy ny Dr. Nancy Rabalais, mpahay siansa momba ny ranomasina: “Amin’ny farany, dia maty avokoa izay rehetra tsy afa-miala ny fanambanin’ny ranomasimbe.”
Mpanome Taova
Irinao ve ny hangatahan’ny hafa ny taovanao rehefa maty ianao? Fanontaniana tokony hovalian’ny Brezilianina maro izany, rehefa nanomboka nanan-kery ny lalàna vaovao iray tamin’ny 1 Janoary 1998. Manambara ilay lalàna fa ho tonga mpanome taova ny Brezilianina rehetra mihoatra ny 18 taona, raha tsy hoe manao sonia antontan-taratasy fangatahana ho afaka amin’izany angaha izy. “Betsaka [anefa] ny famantarana fa tian’ny ankamaroan’ny Brezilianina kokoa raha tsy hisy hanimbinana ny tenany rehefa maty izy”, araka ny tatitra nataon’ny The Miami Herald. “Tato anatin’ireo enim-bolana farany, dia olona telo amin’ny efatra nahazo taratasy fahazoana mitondra fiarakodia no nanda tsy ho tonga mpanome taova.” Fa nahoana? Matahotra ny olona sasany sao mety hisy hanery ny dokotera hanambara aloha loatra hoe maty ny atidohan’ny marary, mba hahafahana haka ny taovany.
Taona Ratsy ho An’ny Mpamantatra ny Hoavy
Saika tratran’ny “fahajambana” tanteraka ireo mpamantatra ny hoavy tany Alemaina, tamin’ny 1997, araka ny tatitra nataon’ny Nassauische Neue Presse, any Francfort. Tsy nisy tanteraka na dia iray akory aza ireo faminaniana sahabo ho 70 nofakafakain’ny GWUP (fikambanana ara-tsiansa mikaroka momba ny parasciences). Takona tamin’ireo mpahita ny fisehoan-javatra tena nahagaga nitranga tamin’ny 1997. Ohatra, tsy nisy na dia iray aza tamin’ireo mpanelanelana amin’ny tontolo ara-panahy nilaza mialoha ny fahafatesana tampoka nahazo ny Printsy vavy Diana. Nanjary malina aoka izany ny ankamaroan’ny mpamantatra ny hoavy, hany ka tsy manandrana manambara mialoha afa-tsy ny fizotran-javatra, toy ny olana ara-bola sy ara-politika, izy ireo. “Zavatra azon’ny olona tsirairay mpamaky gazety vinavinaina ihany izany”, hoy i Edgar Wunder, mpikambana ao amin’ny GWUP.
Firaisan’ny Lahy sy ny Vavy Mitera-doza
Nanomboka tamin’ny 1994 ka hatramin’ny 1996, ireo mpikaroka ao amin’ny Hôpitaly Rhode Island sy ny Hôpitaly Boston City, any Etazonia, dia nanontany marary 203 voan’ny VIH, momba ny firaisana ara-nofo. Inona no nasehon’io fanadihadiana io? “Olona efatra amin’ny folo voan’ny VIH no tsy nampahafantatra ny olona nanaovany firaisana hoe mitondra otrikaretina izy, ary efa ho ny androatokon’ireo no tsy nampiasa kapaoty anglisy foana”, hoy ny tatitra nataon’ny The New York Times. Fahita mahazatra izany tsy fampahafantarana momba ny fitondrana otrikaretina VIH izany, hoy ireo mpikaroka. “Tsy hoe tsy mahalala izy ireo”, hoy ny Dr. Michael Stein, ao amin’ny Oniversite Brown Fianarana ho Dokotera, any Providence, Rhode Island. “Fantatry ny olona mitondra otrikaretina VIH fa mety hamindra izany amin’ny hafa izy ireo. Tsy hoe tsy mahalala na inona na inona momba izany [izy ireo]. Andraikitry ny tena manokana izany.”
Hatavezana Be sy Aretim-po
“Mety ho ny fisorohana ny fahatongavana ho matavy be mandritra ny fahazazana no tetik’ady mahomby indrindra hisorohana ny fahazoana aretin’ny mpanelira mifanolotra amin’ny fo, rehefa lehibe”, hoy ny tatitra nataon’ny The Journal of the American Medical Association. Efa elaela izay no nahafantaran’ireo tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Fahasalamana fa ny hatavezana be nandritra ny fahazazana dia mampitombo ny mety hahavoan’ny fiakaran’ny tosidra, ny diabeta, ny fisian’ny menaka be loatra ao amin’ny ra, ny aretin’ny mpanelira mifanolotra amin’ny fo, ary ny aretina mitaiza hafa. Na dia nanolo-kevitra ny hamerana ny fihinanana zavatra matavy sy ny hanaovana fampiasan-tena tsy tapaka aza anefa ny dokotera, dia voalaza fa mihoatra ny lanja ara-dalàna, na matavy be ny ampahatelon’ny Amerikanina tavaratra. “Toy inona ny habetsahan’ny fanazavana ilaintsika mianakavy vao hanao zavatra amin’izay isika hisorohana ny hatavezan’ny zanatsika, ka hanome azy sakafo tsara kokoa sy hampirisika azy hanao fampiasan-tena?”, hoy ny fanontanian’i Linda Van Horn, avy ao amin’ny Oniversite Northwestern Fianarana ho Dokotera, any Chicago. “Tsy hita pesipesenina ny tombontsoa mety ho azo avy amin’izany. Raha tsy mampihena tena mantsy ny olona matavy be, dia azo ampoizina fa hisy vokany eo amin’ny fony sy ny lalan-drany izany, ka hanakilema azy sy ho lafo be ny fitsaboana izany vokany izany.” Ny vokatry ny fandinihana iray vao haingana kokoa, izay nivoaka tao amin’ny The New England Journal of Medicine anefa, dia milaza fa mandrahona kely fotsiny ny fahasalamana ny hatavezana be. Hitan’izy io fa “mampitombo ny mety hahafaty ny olona aloha kokoa [ny hatavezana be], nefa tsy araka ny ahin’ny manam-pahaizana manokana maro ara-pitsaboana akory”, hoy ny tatitra nataon’ny The New York Times.
Mihamanjavona ny Ala
Efa ho ny androatokon’ny ala izay nandrakotra ny tany talohan’ny nanombohan’ny olombelona nitsofotsofoka tao, no nanjavona ankehitriny, araka ny filazan’ny World Wide Fund for Nature (WWF). Na dia nanao ezaka mafy aza ny olombelona mba hampahafantarana ny olona ny amin’ilay olana, dia nitombo ihany ny fandripahana ala tato anatin’ny folo taona, ka tonga hatramin’ny mety tsy hananan’ny firenena maromaro ala voajanahary intsony, tsy ho ela. Mandripaka ny karazan-javamaniry sy ny karazam-biby ny fikapana ny ala mba hahazoana hazo fisaka sy tany azo asaina. Ambonin’izany, dia mamoaka roanôksida-na karbônina eny amin’ny atmôsferan’ny tany ny fandoroana ny ala. Manahy ny olona maro sao hitarika ho amin’ny fiakaran’ny maripanan’ny tany ny roanôksida-na karbônina ao amin’ny atmôsfera. Mampirisika mafy ny hiarovana, fara faharatsiny, ny 10 isan-jaton’ny karazan’ala rehetra misy maneran-tany, ny WWF amin’ny taona 2000, araka ny tatitra nataon’ny gazety Guardian any Londres.
Tombanana fa Hisy ny Tsy Fahampian-tsakafo Haneran-tany
Araka ny fandinihana nataon’ny Oniversite Johns Hopkins, dia “tsy hisy sakafo ampy ho an’ireo vava noana tombanana ho 8 arivo tapitrisa haneran-tany amin’ny taona 2025, raha tsy hoe hiadana kokoa angaha ny fitomboan’ny isan’ny mponina, ary hitombo be ny vokatry ny fambolena”, araka ny tatitra avy tamin’ny vaovao navoakan’ny Associated Press. Tombanan’ireo mpikaroka fa “raha tsy mihena ny taham-piterahana, ka ho lasa zaza roa eo ho eo isaky ny vehivavy”, dia tsy maintsy hampitomboina avo roa heny ny sakafo hovokarina amin’ny taona 2025, mba hanomezana “sakafo mahasoa sy mahavelona ampy” mba hahasalama hatrany ny olona. Manampy trotraka ny olana koa ny tsy fahampian-drano, ny fandotoana ny tany, ny nofon-tany mihamihena hatrany noho ny fikaohan-tany, ary ny fiovaovan’ny toe-tany. Na dia amin’izao andro izao aza, dia olona 18 tapitrisa eo ho eo isan-taona no maty mosary, nefa misy sakafo ampy hamelomana ireo olona efa ho 6 arivo tapitrisa miaina eto an-tany ankehitriny.
Mihamanjavona ny Alligator Orinoco
Tandindomin-doza ny alligator (karazam-boay) ao amin’ny Ony Orinoco, any Venezoela, araka ny voalazan’ilay gazetiboky hoe Estampas, any Caracas. Efa hatramin’ny 1930 ireo biby ireo no nohazaina mba hahazoana ny hodiny. Tamin’izany fotoana izany, “ny isan’ny alligators teto Venezoela dia betsaka kokoa noho ny isan’ny olona”, hoy ilay gazetiboky. Teo anelanelan’ny 1931 sy 1934 anefa, dia hodiny efa ho 1,5 tapitrisa kilaograma no naondrana. Izany dia mampiseho alligators 4,5 tapitrisa, fara fahakeliny. Tamin’ny 1950, “taorian’ny fihazana tsy an-kiato nandritra ny taona maro”, dia nihena be ny isan’ny alligators, hany ka 30 000 kilaograma “monja” no azo naondrana. Amin’izao fotoana izao, dia latsaka ny 3 000 ny alligators Orinoco sisa tavela, ary lazain’ny manam-pahaizana manokana fa mety ho lany tamingana izy ireny, sy ny karazam-biby 312 hafa any Venezoela, noho ny ataon’ny olombelona.
Hery Mahatahotry ny Kintana
Manome porofo fanampiny ny sary iray azon’ny teleskaopy Hubble vao haingana fa karazan-kintana miavaka antsoina hoe “kintana manga manjelatra, miovaova famiratra” ny kintana iray ao amin’ny vahindanitra misy antsika. Araka ny voalazan’ireo astrônôma, dia miendrika basy ilay kintana mamiratra sy ny zavom-bovoka manodidina azy, ka noho izany no nanomezana azy ny anarana hoe ny Pistol (basy poleta). Tombanana ho avo 60 heny noho ny lanjan’ny Masoandro, fara fahakeliny, ny an’ny Pistol, ary efa ho avo 10 tapitrisa heny ny heriny. Izy io angamba no “kintana be angôvo indrindra eny amin’ny habakabaka”, hoy ilay gazetiboky hoe Science News. Noho ny vovoka manelanelana anefa, dia tsy hita ilay kintana raha tsy amin’ny alalan’ny fitaovana fitiliana infrarouges ihany. Izany no antony tsy nahitana ny Pistol, izay eo amin’ny 25 000 années-lumière avy eto amin’ny planeta Tany, raha tsy vao teo am-piandohan’ireo taona 1990. Kintana enina hafa monja mitovy karazana aminy no hita ao amin’ny vahindanitra misy antsika.
Sady Mamily no Miresaka An-telefaonina — Mety Hampidi-doza
Mety hanao fahadisoana lehibe ny mpamily fiarakodia izay miresaka an-telefaonina eo am-pamiliana, nefa mety tsy ho tsapany akory ireo fahadisoany. Izany no fanatsoahan-kevitra tamin’ny fitsapana iray natao ho an’ny Klioban’ny Aotomobilina any Alemaina. Nasaina hanao fitsapana intelo ireo mpamily. Tamin’ny voalohany, dia tsy nampiasa ilay telefaonina izy ireo. Tamin’ny faharoa, dia nampiasa telefaonina tsy tazonina amin’ny tanana izy ireo; ary tamin’ny fahatelo, dia nampiasa telefaonina mila tazonina. Nanao ahoana ny zava-bitan’ireo mpamily tamin’ilay fitsapana? Nanao fahadisoana 0,5, tamin’ny antsalany, ny mpamily tsy niresaka an-telefaonina rehefa nanitsaka freins sy nijanona teo amin’ny laharana tokony hisy azy. Ireo nampiasa telefaonina tsy tazonina kosa nanao fahadisoana 5,9. Ary nanao fahadisoana 14,6 ireo mpamily nitazona telefaonina. Noho izany, dia nanatsoaka hevitra ilay fandinihana, araka ny tatitra nataon’ny Süddeutsche Zeitung, fa “mety hampidi-doza be” ny fampiasana telefaonina tazonina amin’ny tanana eo am-pamiliana.