FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/4 p. 28-29
  • Fijerena An’izao Tontolo Izao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fijerena An’izao Tontolo Izao
  • Mifohaza!—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Rononon-dreny no Mahasoa Indrindra
  • Mamely Firenena Tsy An-kanavaka ny Fahantrana
  • Tsy dia Tsara Hofihinina Loatra
  • Fandripahana Tambabe: Misy Fambara Miseho Indray
  • Mitondra Faisana Noho ny Ady ny Ankizy
  • Ao Amin’ny Internet ny Vatikana
  • Mpamily Rendremana
  • Mifidy ny Hitoetra ho Marary
  • Misy Firy ny Bakteria?
  • Fandresena sy Faharesena Mampahonena
    Mifohaza!—1998
  • Jereo ny Hipopotama Matanjaka Be!
    Mifohaza!—2003
  • Mamely Indray Ny Raboka!
    Mifohaza!—1996
  • Topy Maso Eran-tany
    Mifohaza!—2001
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/4 p. 28-29

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Ny Rononon-dreny no Mahasoa Indrindra

“Ny rononon-dreny no tsara indrindra amin’ny fanafody rehetra”, hoy ny Newsweek. “Ny zazakely minono amin-dreniny dia mahazo ny otrikaina ilainy mba hananany saina mitombo tsara, no sady mampihena ny mety hahazoany aretina, manomboka amin’ny tsy fahazakan-javatra sy ny areti-mifindra ka hatramin’ny aretim-pivalanana, ny hazaka [aretin-koditra] ary ny pnemonia.” Araka izany, ny Akademia Amerikanina Momba ny Aretin-jaza sy ny Fikambanana Amerikanina Momba ny Sakafo Hanina dia mampirisika mafy ny reny mba hampinono ny zanany menavava mandritra ny herintaona, fara fahakeliny. “Tsy manovo firy avy ao amin’io loharano tsy manam-paharoa io anefa ny ankamaroan’ny olona”, hoy ny fanamarihan’ny Newsweek. Fa nahoana? Matetika dia noho ny nahazoana fanazavana diso. Manahy ny reny sasany sao tsy ho ampy nono ka tsy ho salama hatrany ny zanany kely. Misy hafa mihevitra fa mila sakafo hafa aloha kokoa ny zazakely. “Ny marina dia izao: ny ankamaroan’ny reny dia afaka manome fahafaham-po amin’ny otrikaina rehetra ilain’ny zazakely, hatreo amin’ny fahenim-bolany. Amin’izay fotoana izay, dia ampiana ventin-kanina tsikelikely ny sakafon’ilay zazakely”, hoy ilay lahatsoratra. “Ary afaka mandray soa avy amin’ny mpisetra [anticorps] sy ny asidra misy menaka ao amin’ny rononon-dreny ny ankizy hatramin’ny roa taona, na inona na inona zavatra hafa haniny.” Misy soa raisin’ny reny koa: Ny fampinonoana dia mampihena ny mety hahavoan’ny kanseran’ny nono, ary mampihena haingana ny lanjany aorian’ny fiterahana.

Mamely Firenena Tsy An-kanavaka ny Fahantrana

Voalazan’ny International Herald Tribune fa nisy tatitra vao haingana nataon’ny Firenena Mikambana mampiharihary fa mihamitombo ny fahantrana, na dia any amin’ireo firenena manankarena indrindra aza. Olona maro any amin’ny tany mandroso no tsy manana ny “zavatra fototra ilain’olombelona”, toy ny asa sy ny fanabeazana ary ny fikarakaram-pahasalamana. Araka ny voalazan’ilay tatitra, dia ny 16,5 isan-jaton’ny mponina any Etazonia, ary ny 15 isan-jaton’ny mponina any Grande-Bretagne, no miaina ao anatin’ny fahantrana. Any amin’ireo tany mandroso, dia olona 100 tapitrisa no tsy manan-kialofana, 37 tapitrisa no tsy manana asa, ary efa ho 200 tapitrisa no manana “halavam-piainana latsaka ny 60 taona”.

Tsy dia Tsara Hofihinina Loatra

“Raha mihevitra ianao fa ny liona na ny ombidia lehibe afrikanina no biby mampidi-doza indrindra any Afrika, dia mieritrereta kely indray aloha”, hoy ny The Wall Street Journal. “Izany dia ny lalomena.” Na dia manasongadina lalomena tsara fanahy sy falifaly aza ny dessins animés sy ny tantara ho an’ny ankizy, ary be mpitia ny kilalao lalomena voasesika, dia ny lalomena no mahatonga fahafatesana betsaka kokoa noho ny biby hafa rehetra, atsy Afrika. Araka ny filazan’ireo mpitondra mpitsidika, ny toerana mampidi-doza indrindra ao amin’ilay kontinanta dia ny “eo anelanelan’ny lalomena iray sy ny lalany ho any amin’ny rano”, ary “ny [toerana] manaraka dia angamba eo anelanelan’ny reny lalomena iray sy ny zanany”. Na dia jerena hoe tena tony aza ny lalomena rehefa miara-mipetrapetraka eo akaikin’ny toerana mangingina eo afovoan’ny ony lalina, dia tena saro-piaro amin’ny faritaniny izy ireny, ka matetika no tena vonon-kiady rehefa tairina na ankasiahina. Tena faran’izay matanjaka izy ireny. “Ny lalomena romotra iray dia afaka manaikitra voay iray ka manapaka azy ho roa. Ary manapotipotika lakana iray”, hoy ny lehilahy iray, mpitondra mpitsidika. Raha izany, inona no antony hitaingenana lakana eny anivon’ny lalomena? Ahafahana mitazana amin’ny fomba mahatalanjona ny ony sy ny biby eny amoron-drano izany, hoy ireo mpitondra mpitsidika, ary “azo inoana fa tsy ahitan-doza kokoa noho ny zavatra hafa ataon’ny mpizaha tany any amin’io faritra io: toy ny fitsambikinana avy eny amin’ny 110 metatra, avy eny amin’ny tetezan’ny Riandranon’i Victoria, ohatra”.

Fandripahana Tambabe: Misy Fambara Miseho Indray

Voalazan’ny The Toronto Star fa “misy fambara loza momba ny tsy fampiharana tsara ny zon’olombelona amin’izao andro izao, dia fambara izay mampahatsiahy amin’ny fomba mampahatahotra ny andron’ny fahamaizinana tamin’ireo taona 1930. Tamin’izany fotoana izany mantsy dia nisy zavatra mitovy amin’izao, nanambara mialoha ny Fandripahana Tambabe”, hoy i Irwin Cotler, mpampianatra lalàna ao amin’ny Oniversiten’i McGill, sady anisan’ny filohan’ny fikambanana iray mpanara-maso any Kanada, izay mifandray amin’ny Federasiôna Miaro ny Zon’olombelona any Helsinki. Nilaza izy fa nanao fandinihana iray tany amin’ny tany 41 ny Federasiôna Miaro ny Zon’olombelona any Helsinki. Izany fandinihana izany dia manasongadina fampahafantarana loza mazava: fitomboana be eo amin’ny fitenenana feno fankahalana ny vitsy an’isa. Matetika izany no amin’ny endriky ny fampirisihana hankahala, ataon’ireo mpiteny ao amin’ny televiziona ary hita ao amin’ny zavatra vita an-tsoratra ara-panjakana, izay miteraka fanenjehana ny vitsy an’isa. Izao no nolazain’i Cotler momba izany: “Lesona notsoahina avy tamin’ny Ady Lehibe Faharoa izany, nefa tsy nianarantsika.” Ny lesona iray hafa hadinontsika koa, hoy izy, dia “ny tsy firaikana, izay heloka bevava, ary ny fiaraha-miombon-kevitra hanakombom-bava”.

Mitondra Faisana Noho ny Ady ny Ankizy

“Araka ny voalazan’i Olara Otunnu, solontena manokan’ny ONU, ny ady sy ny fifandonana tato anatin’ny folo taona farany dia nahafaty ankizy roa tapitrisa, nahatonga ankizy iray tapitrisa mahery ho kamboty, ary nandratra mafy na nahatonga ho kilemaina ankizy hafa enina tapitrisa”, hoy ny tatitra nataon’ilay gazety alemà mivoaka isan’andro hoe Grevener Zeitung. Nomelohin’ny Filan-kevi-pilaminan’ny ONU ny fanao rehetra mikendry ny hahavoa ny ankizy. Mampanahy manokana koa ireo ankizy mihoatra ny 300 000 maneran-tany, izay ampiasaina ho miaramila. Voalaza fa noterena hanao raharaha miaramila ny ankamaroan’izy ireny, ary zazavavy ny ampahatelony. Matetika ny miaramila kely no ampiasaina mba ho mpamono olona mivarotra aina. Misy fitambarana fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana niforona vao haingana mitaky ny hisian’ny fehezan-dalàna iraisam-pirenena hentitra izay hampiakatra ny taona farany ambany, hidirana ho miaramila, ho 18 taona.

Ao Amin’ny Internet ny Vatikana

Tamin’ny 1994, dia nanao sonia fifanekena hanokatra fandaharana iray ao amin’ny Internet ny Vatikana. Araka ny tatitra nataon’ilay gazety hoe El Financiero, dia azo raisina amin’ny alalan’ny Internet izao ny fotoam-pivavahana, toy ny konfesy sy ny firesahana mivantana amin’ny pretra ny amin’“izay mety ho fisalasalana” momba ny raharaha ara-pivavahana. Ao amin’ny fandaharana iray, ny Katolika mampiasa Internet dia afaka mangataka ny hivavahana ho azy. Azo atao koa ny mahita mivantana ny papa manao ny fitsofan-drano amin’ny alahady. Ary aorian’izany, dia misy dokam-barotra mampiseho “zavatra ara-pivavahana azo vidina sy amidy”. “Ny olana dia mahalana vao misy manokatra ireo pejy vitsy dia vitsy ao amin’ilay fandaharan’ny Katolika ao amin’ny Internet”, hoy ny El Financiero. “Latsaka ny 25 isan’andro ny fitsidihana voarain’ny pejin’ny Vatikana, ary ny ankamaroan’ny mpijery dia avy amin’ny fampahalalam-baovao katolika.”

Mpamily Rendremana

“Misy manam-pahaizana manokana sasany milaza fa mety hitera-doza tsy misy hafa amin’ny mpamily mamo ny mpamily rendremana”, hoy ny tatitra nataon’ny The Journal of the American Medical Association. “Hamaivanina be ny anjara asan’ny faharendremana ao amin’ny lozam-pifamoivoizana, ka manjary fandrahonana lehibe eo amin’ny fahasalamana sy ny fiarovam-bahoaka ny mpamily rendremana.” Araka ny voalazan’ny The Toronto Star, dia hitan’ny fandinihana natao fa tsy afaka mamantatra mialoha ny fotoana haharenoky ny torimaso azy ny olona, na manombana ny halalin’ny faharendremany. “Zavatra ilain’ny vatana ny torimaso, toy ny hanoanana sy ny fisefoana”, hoy i Stephanie Faul, mpitondra tenin’ny Fikambanana Amerikanina Momba ny Fiarakodia sy ny Aro Lozan’ny Fifamoivoizana. “Rehefa mila torimaso ny vatanao, dia matory avy hatrany izy.” Inona no tokony hataon’ny mpamily rehefa hitany fa manoaka miverimberina izy, na mikimpy ny masony, na tsy voafehiny intsony ny fiarakodiany? “Tsy mahomby tsotra izao ny fanandramana mahazatra mba hifohazana, toy ny fampidinana ny varavarankely na ny fandefasana mafy ny radio”, hoy ny The Toronto Star. “Manampy mba hifohazana mandritra ny fotoana fohy ny kafeinina, nefa tsy hampihena ny fanirian’ny vatana hatory.” Toroana hevitra ny mpamily rendremana mba hijanona eo amin’ny toerana tsy ahitan-doza, ary hatory kely.

Mifidy ny Hitoetra ho Marary

“Mbola ny aretina voalohany mpamono olona ihany ny BK”, hoy ny tatitra nataon’ilay gazety hoe Cape Times. Mihamahazo vahana izy io eo amin’ireo olona tena mahantra atsy Afrika Atsimo, ka mamono olona 13 000 mahery isan-taona, ary mahatonga olona maro koa harary loatra ka tsy ho afa-miasa. Ho an’ireto olona farany ireto, ny fanjakana dia manome vola fanampiana ny kilemaina, ary manao izay hahazoan’ny marary fitsaboana ny BK. Koa satria anefa tsy misy firy ny asa, sady matetika no kely karama, dia manapa-kevitra ny hampiato ny fitsaboan-tenany ny marary sasany, mba hitohizan’ny vola fanampiana. “Tokotokony ho avo 10 heny noho ny vola mahazatra azony avy amin’ny fanaovana asa an-tselika ilay vola fanampiana”, hoy ny fanazavan’i Ria Grant, filohan’ny fikambanana atsy Afrika Atsimo, izay misahana ny fanaraha-maso ny BK. “Mihevitra izy ireo hoe aleo marary toy izay salama, rehefa jerena ny habetsahan’ny vola mety ho azony.”

Misy Firy ny Bakteria?

Endri-piainana mahazatra eto an-tany ny bakteria. Misy azy any amin’ny fanambanin’ny ranomasimbe lalina indrindra, sy any amin’ny 60 kilaometatra, any amin’ny atmôsfera ambony any. Betsaka noho ny an’ny endri-piainana hafa na inona na inona ny fitambaram-beny. Ankehitriny dia misy mpahay siansa avy ao amin’ny Oniversiten’i Géorgie, Etazonia, namoaka ilay tena fanandramana voalohany natao mba hanombanana ny isany. Ny isa tombantombana naroson’izy ireo dia dimy arahin’ny zerô 30. “Olona maro no mihevitra fa miteraka aretina ny bakteria”, hoy ny The Times, any Londres. “Ampahany faran’izay kely amin’izy ireo monja anefa no miteraka aretina. Na dia anampy an’izany koa aza ny bakteria rehetra mivelona ao amin’ny biby rehetra dia hiampy 1 isan-jato eo ho eo ny tontaliny. Ny ankamaroany dia tsy vitan’ny hoe tsy manimba, fa tena ilaina koa, satria manampy amin’ny fandevonan-kanina, ohatra.” Mahagaga fa ny 92 isan-jato ka hatramin’ny 94 isan-jaton’ny bakteria rehetra no hita ao amin’ny faikan-javatra mirefy 10 santimetatra mahery, any amin’ny fanambanin’ny ranomasina, ary ao anaty tany mirefy 9 metatra mahery, any ambanin’ny tany. Teo aloha dia noheverina ho saika tsy misy fiainana tanteraka any amin’ireo faritra ireo. Tokotokony ho ny antsasaky ny bakteria maina no karbônina, singa tena ilaina eo amin’ny fiainana. “Kely sisa dia hitovy amin’ny habetsahan’ny karbônina voatahiry ao amin’ny zavamaniry rehetra maneran-tany ny habetsahan’ny karbônina voatahiry ao amin’ny bakteria”, hoy ny The Times.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara