Avy Amin’ny Mpamaky
Ny Ankizy sy ny Ady Nalahelo mafy aho teo am-pamakiana ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Ny Vokatry ny Ady eo Amin’ny Ankizy” (8 Novambra 1997). Zanaky ny ady koa aho taloha. Nandany efa-taona sy tapany tany amin’ny toby fitanana Ngawi sy Bandung notanan’ny Japoney aho, nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Nosarahina tamin’ny fianakaviako aho fony aho folo taona, ary niasa an-tery vozona fito andro isan-kerinandro, nodanihin’ny masoandro teo amin’ny hainandro tropikaly — tsy ampy sakafo sady voan’ny beriberia sy disanteria. Na dia izany aza, dia mora ny zavatra niainako, raha oharina amin’ny halozana tsy hay lazaina iainan’ny ankizy an-tapitrisany maro amin’izao andro izao. Enga anie isika tsy ho kivy na oviana na oviana satria hoe nanome fotoana i Jehovah mba hahatongavan’ny olona maneran-tany, anisan’izany ny zanaky ny ady, amin’ny fahalalana ny fampanantenany mampionona!
R. B., Etazonia
Fitoera-menaka Nalahelo mafy sy ory noho ny amin’ny tenako aho. Nanapa-kevitra ny vadiko, herintaona lasa izay, fa tsy nila vady kristianina izy, koa noroahiny hiala tao amin’ilay trano tsara tarehy nolazainy fa novidiny ho ahy aho. Nanjary nahantra aho. Toa tsy nisy fanantenana teo amin’ny fiainako, ka nangataka fanampiana tamin’i Jehovah aho. Nahazo fianarana aho avy tamin’ilay lahatsoratra hoe “Fianarana avy Amin’ny Fitoera-menaka Iray” (8 Novambra 1997). Nampahatsiahy ahy ny tokony hianinana amin’ny hanina sy ny fitafiana izy io, sy hihazonana ny tombontsoan’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainana.
K. P., Etazonia
Olana Amin’ny Iray Tam-po Tena tonga tamin’ny fotoana nilanay azy indrindra ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Nahoana ny Anadahiko no Mahazo ny Fiahiana Rehetra?” (8 Novambra 1997). Nanampy anay izy io hahatakatra fa tsy voatery ho fiangarana foana akory ny fitondrana ny zanaka amin’ny fomba tsy mitovy. Takatray ankehitriny fa manana antony tsara ny ray aman-dreninay matoa maneho fiheverana amboniny ny iray tam-po aminay. Tena manaiky izay voalaza ao amin’ilay lahatsoratra izahay.
B. K., H. K., sy G. U. O., Nizeria
Magellan Tena nankasitrahako sy nankafiziko tokoa ilay lahatsoratra momba an’i Fernand de Magellan mitondra ny lohateny hoe “Ilay Lehilahy Izay Nanokatra An’izao Tontolo Izao” (8 Novambra 1997). Teo am-pianarana momba azy indrindra izahay tao amin’ny taona fahadimy, rehefa nivoaka ilay lahatsoratra. Tao amin’ilay lahatsoratra no nianarako zavatra betsaka kokoa momba azy noho ny tao amin’ny bokiko fianarana tantara. Nomeko ny mpampianatra ahy ny gazetiko manokana, ary nankafiziny izy io! Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia naveriny tamiko ilay izy, ary nisy soratra fohy fisaorana ahy indray teo amin’ilay izy.
B. V., Etazonia
Mahatalanjona ny fahafahana naka sary an-tsaina ny fomba nandresen’i Fernand de Magellan, lehilahy tena feno fahatapahan-kevitra, ny fankahalana sy ny olana maro samihafa, mba hamitana ny iray amin’ireo zava-bita lehibe indrindra teo amin’ny tantara. Misaotra noho ny nanoratanareo lahatsoratra miompana amin’ny loha hevitra mahavariana.
M. E., Italia