FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/9 p. 8-10
  • Rehefa Miseho Indray ny Fanantenana sy ny Fitiavana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Rehefa Miseho Indray ny Fanantenana sy ny Fitiavana
  • Mifohaza!—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Afaka manampy ny namana sy ny olon-dehibe hafa
  • Voavotra tsy hamono tena
  • Tsy hisy fahafatesan’ny tanora intsony
  • Maninona moa Aho Raha Maty E?
    Mifohaza!—2008
  • Nahoana ny Olona no Te ho Faty?
    Mifohaza!—2001
  • Famonoan-tena — Loza Mamely ny Tanora
    Mifohaza!—1998
  • Nahoana no misy famonoan-tena betsaka aoka izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1984
Hijery Hafa
Mifohaza!—1998
g98 8/9 p. 8-10

Rehefa Miseho Indray ny Fanantenana sy ny Fitiavana

TAKATRY ny ray aman-dreny, sy ny mpampianatra, ary ny olon-kafa, izay mifandray amin’ny zatovo fa na ny tenan’izy ireo, na ny tanora, na ny olon-kafa na iza na iza, dia samy tsy afaka manova itỳ tontolo itỳ. Misy mantsy hery mitaona, toy ny fitosaky ny ranomasina tsy hay tohaina. Na izany aza, dia misy zavatra betsaka azontsika rehetra atao mba hahasambatra sy hahasalama kokoa ny tanora, ary hahaizan’izy ireo hifanaraka amin’ilay toe-javatra misy azy.

Koa satria aleo misoroka toy izay mitsabo, ny ray aman-dreny dia tokony hieritreritra lalina ny fomba hamolavolan’ny fomba fiainany sy ny zavatra omeny ny toerana voalohany ny toe-tsaina sy ny fihetsiky ny zanany. Ny fanaovana izay hisian’ny rivo-piainana feno fitiavana sy fiahiana ao an-tokantrano no mahatonga ny zanaka hahatsapa ilay tsy fananana ahiahy izay afaka misakana tsara azy tsy hamono tena. Olona hihaino azy, izany no iray amin’ireo zavatra ilain’ny tanora mafy dia mafy. Raha toa ka tsy hihaino ny ray aman-dreny, dia olona tsy tsara toetra loatra angamba no hihaino.

Inona no dikan’izany ho an’ny ray aman-dreny amin’izao andro izao? Asio fotoana ho an’ny zanakao amin’ny fotoana ilany izany, izany hoe amin’ny fotoan’ny fahatanorany. Tsy mora izany ho an’ny fianakaviana maro. Miady mafy izy ireo mba hahitana vola ampy hivelomana, ka tsy afa-manoatra na ny ray na ny reny, fa tsy maintsy miasa daholo. Matetika ireo izay vonona ny hanao sorona sy afaka nanao izany, mba hananany fotoana bebe kokoa hiarahany amin-janany no nijinja voka-tsoa, rehefa nahita fa nahomby kokoa teo amin’ny fiainana ny zanany lahy sy ny vavy. Kanefa, araka ny nomarihina tetsy aloha kokoa, dia mety hisy olana lehibe mahakasika ireo zanaka ihany indraindray, na dia teo aza ny ezaka faran’izay tsara nataon’ny ray aman-dreny.

Afaka manampy ny namana sy ny olon-dehibe hafa

Ny fisian’ny ady sy ny fametavetana ary ny fampijaliana ny tanora dia mitaky ny hanaovan’ny olon-dehibe, izay tena miahy azy tokoa, ezaka mihoatra noho ny mahazatra, mba hisakanana ny fanimbana. Mety tsy handray tsara ny ezaka atao anampiana azy ny tanora azon’ny fikorontanana anaty vokatr’ireo zavatra mafy nodiaviny ireo. Mety hidika ho fanokananao fotoana betsaka sy fanaovanao ezaka be dia be izany. Azo antoka fa tsy fahendrena, ary tsy fanehoam-pitiavana, ny hanaovana tsinontsinona azy ireny na ny hanilihana azy. Afaka manao ezaka amboniny ve isika mba hanehoana ilay hatsaram-panahy sy fitiavana ilaina mba hanampiana ireo izay atahorana hamono tena?

Mila ny ho mailo dia mailo tokoa ny ray aman-dreny mba hahafahany hahita, ao amin’ireo zanany tanora, ireo fironana izay mety ho famantarana ny fisian’ny fihetseham-po mora maratra sy angamba tsy ara-dalàna. Tsy ny ray aman-dreny ihany anefa no tokony ho mailo toy izany fa ny namana sy ireo zanany hafa koa aza. (Jereo ilay faritra voafefy hoe “Ilaina ny Fanampian’ny Ampy Fahaizana”, eo amin’ny pejy faha-8.) Raha misy famantarana hitanao, dia aoka ianao ho mailaka hihaino. Raha azo atao, dia miezaha hampiresaka ny tanora manana olana, amin’ny fametrahana fanontaniana feno hatsaram-panahy aminy, mba hanomezana toky azy fa tena namana ianao. Ny namana sy ny havana itokisana dia mety ho afaka hanampy ireo ray aman-dreny amin’ny fiatrehana toe-javatra sarotra. Mazava ho azy anefa fa tokony hitandrina izy ireo mba tsy hisalovana amin’ny anjara asan’ny ray aman-dreny. Matetika tokoa ny fironana hamono tena ao amin’ny tanora no midika ho fitalahoana mafy ny hanehoana fiheverana azy, izany hoe ny hiheveran’ny ray aman-dreniny azy.

Anisan’ny fanomezana tsara indrindra azon’ny olona iray omena ny tanora ny fanantenana mafy orina ny amin’ny hananany hoavy sambatra, fandrisihana azy hankamamy ny fiainana izany. Tanora maro no nanjary nahatakatra fa marina ny fampanantenan’ny Baiboly ny amin’ny hisian’ny tontolo iray tsara kokoa, izay efa madiva hiorina.

Voavotra tsy hamono tena

Izao no nolazain’ny vehivavy tanora iray, avy any Japon, izay matetika no nieritreritra ny hamono tena: “Impiry impiry moa aho no naniry mafy hanao izany. Nametaveta ahy ny olona iray nitokisako, fony aho vao niana-nandeha. (...) Imbetsaka tokoa aho, taloha, no nanoratra hoe: ‘Te ho faty aho’, hany ka tsy voaisako intsony hoe impiry. Tonga Vavolombelon’i Jehovah aho tatỳ aoriana, ary mpitory manontolo andro ankehitriny, nefa mbola miserantserana ato an-tsaiko foana izany faniriana manesika ahy izany indraindray. (...) Navelan’i Jehovah ho velona hatrany anefa aho, ary toa milaza amiko amin-katsaram-panahy izy hoe: ‘Tsara ny hahavelona anao hatrany.’ ”

Nanazava toy izao ny ankizivavy iray, 15 taona, avy any Rosia: “Fony aho valo taona, dia nanomboka nihevitra aho fa tsy nisy nila ahy. Tsy nanam-potoana niresahana tamiko ny ray aman-dreniko, ary niezaka nandamina irery ny olana nahazo ahy aho. Nanjary tsy nisokatra tamin’ny hafa aho. Niady lava tamin’ireo havanay aho. Tonga tato an-tsaiko avy eo ny eritreritra ny hamono tena. Akory ny hafaliako nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah!”

Avy tany Aostralia, avy tamin’i Cathy izay 30 taona mahery kely izao, no nahazoana ireto teny mampahery ireto, izay mampiseho fa tena afaka mivadika ho fanantenana ny famoizam-po: “Nieritreritra foana momba ny fomba maro samy hafa hamaranako ny fiainako aho, ary tamin’ny farany, dia nanandrana namono tena. Te hiala tamin’itỳ tontolo itỳ, izay feno fijaliana sy fahatezerana ary poaka aty, aho. Noho ny fahaketrahana nahazo ahy, dia sarotra tamiko ny niala teo amin’ilay ‘tranon-kala’ tsapako ho nihazona ahy. Noho izany, dia ny famonoan-tena no toa vahaolana tamin’ilay izy, tamin’izay fotoana izay.

“Rehefa nandre voalohany aho fa azo ovana ho paradisa ny tany, ka hisian’ny fiainana milamina sy sambatra ho an’ny rehetra, dia tena naniry fatratra izany aho. Toa nofinofy tsy ho tanteraka mihitsy anefa ilay izy. Nanomboka takatro tsikelikely anefa ny fomba fihevitr’i Jehovah momba ny fiainana, sy ny hoe sarobidy tokoa eo imasony isika tsirairay. Nanomboka nahazo toky aho fa misy fanantenana ny amin’ny hoavy. Tamin’ny farany, dia nahita fomba ialana tamin’ilay ‘tranon-kala’ aho. Sarotra anefa ny niala tamin’ilay izy. Resin’ny fahaketrahana aho indraindray, ary nisafotofoto be ihany ny fihetseham-po tato anatiko. Na izany aza, ny fampifantohako ny saiko tamin’i Jehovah Andriamanitra, dia nahatonga ahy ho tena akaiky azy sy tsy nanana ahiahy. Misaotra an’i Jehovah aho noho izay rehetra nataony ho ahy.”

Tsy hisy fahafatesan’ny tanora intsony

Amin’ny fianarana Baiboly, dia manjary takatry ny tanora iray fa misy zavatra tsara kokoa azo andrandraina, izay tsy inona akory fa ilay nantsoin’i Paoly, apostoly kristianina, hoe “ny tena fiainana”. Nanoro hevitra an’ilay lehilahy tanora antsoina hoe Timoty toy izao izy: “Anaro ny mpanan-karena (...) mba tsy (...) hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika, mba hanao soa, mba hanan-karena amin’ny asa tsara, (...) ka dia hihary fanorenana tsara ho an’ny tenany ho amin’ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana.” — 1 Timoty 6:17-19.

Raha ny marina, ny torohevitr’i Paoly dia midika fa tokony hifandray amin’ny olon-kafa isika, ka hanampy azy ireny mba hananany fanantenana mafy orina ny amin’ny hoavy. “Ny tena fiainana” dia ilay nampanantenain’i Jehovah fa hisy ao amin’ny tontolony vaovao, dia ny “lanitra vaovao sy [ny] tany vaovao”. — 2 Petera 3:13.

Tanora maro izay natahorana hamono tena taloha no nanjary nahatakatra fa tsy inona akory ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fahalotoam-pitondran-tena fa lalana lava sy miolakolaka izay mitarika ho amin’ny fahafatesana, ka ny famonoan-tena dia hitsin-dalana fotsiny. Nanjary takatr’izy ireo fa hanjavona tsy ho ela itỳ tontolo itỳ sy ny adiny, ny fankahalany, ny fampijaliany, ary ny tsy fananany fitiavana. Fantatr’izy ireo fa tsy azo avotana intsony itỳ fandehan-javatra maneran-tany itỳ. Inoan’izy ireo mafy fa ny Fanjakan’Andriamanitra no hany tena fanantenana, satria izy io no hampisy tontolo vaovao. Tsy ny tanora ihany, fa ny olombelona mankato rehetra ao amin’izany tontolo vaovao izany, dia tsy voatery ho faty intsony mihitsy — tsia, tsy haniry ho faty intsony mihitsy aza. — Apokalypsy 21:1-4.

[Efajoro, pejy 8]

Ilaina ny Fanampian’ny Ampy Fahaizana

Milaza ny The American Medical Association Encyclopedia of Medicine fa “maherin’ny 90 isan-jaton’ny famonoan-tena no avy amin’ny aretin-tsaina”. Ireto aretina ireto no tanisaina ao anatin’izy io: fahaketrahana mafy (15 isan-jato eo ho eo), aretin-tsaina mahatonga ilay marary hanadino tanteraka ny tontolo misy azy (schizophrénie) (10 isan-jato eo ho eo), fiankinan-doha amin’ny zava-pisotro misy alkaola (7 isan-jato eo ho eo), toetra mahatonga ny olona iray tsy ho tia ny fiarahana amin’ny hafa (5 isan-jato eo ho eo), ary endriny sasany amin’ny aretin-tsaina mahatonga tahotra na tebiteby tsy amin’antony (névrose) (latsaka ny 5 isan-jato). Manome izao torohevitra izao izy io: “Tokony horaisina ho zava-dehibe ny fanandramana hamono tena rehetra. Mamerina mamono tena indray, ao anatin’ny herintaona, ny 20 ka hatramin’ny 30 isan-jaton’ny olona nanandrana namono tena.” Izao no nosoratan’ny Dr. Jan Fawcett: “Maherin’ny 50 isan-jaton’ireo olona namono tena [teto Etazonia] no tsy nanatona manam-pahaizana momba ny aretin-tsaina.” Ary hoy ny loharanon-kevitra hafa iray: “Ny lafin-javatra lehibe indrindra amin’ny fikarakarana ilay olona dia ny hanatonany mpitsabo aretin-tsaina, haingana araka izay azo atao, mba hanampy azy hanaisotra ny fahaketrahana misoko mangina.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara