FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g01 8/11 p. 5-7
  • Nahoana ny Olona no Te ho Faty?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana ny Olona no Te ho Faty?
  • Mifohaza!—2001
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fisehoan-javatra mahatonga ny famonoan-tena
  • Ny antony miafina
  • Famonoan-tena — Loza Mamely ny Tanora
    Mifohaza!—1998
  • Olana Eran-tany
    Mifohaza!—2001
  • Nahoana no misy famonoan-tena betsaka aoka izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1984
  • Misy Fanampiana ho Anao
    Mifohaza!—2001
Hijery Hafa
Mifohaza!—2001
g01 8/11 p. 5-7

Nahoana ny Olona no Te ho Faty?

“Samy manana ny antony hamonoany tena ny olona: antony manokana, tsy hay fantarina ary mampihoron-koditra.”—Kay Jamison, mpitsabo aretin-tsaina.

“FAHORIANA ny fiainana.” Izany no nosoratan’i Ryunosuke Akutagawa, mpanoratra japoney nalaza tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20, talohan’ny hamonoany tena. Nilaza anefa izy talohan’izay hoe: “Marina fa tsy te ho faty aho, nefa...”

Toa an’i Akutagawa, dia tsy tena te ho faty akory ny ankamaroan’ny olona mamono tena, fa tian’izy ireo fotsiny mba “hifarana izay manjo azy”, hoy ny mpampianatra iray momba ny fahasalaman’ny saina. Manamarina izany ny tenin’ireo olona namono tena ao amin’ny hafatra avelany. Ny teny toy ny hoe ‘Tsy zakako intsony’, na hoe ‘Tsy hitako izay antony hahavelomana’, dia mampiseho fa te hitsoaka ny fahoriana eo amin’ny fiainana izy ireo. Ny famonoan-tena anefa dia mitovy amin’ny nataon’ny olona iray nandoro ny tranony mba hamonoana ny lalitra manorisory azy.

Samy hafa ny antony mahatonga ny olona hamono tena, nefa misy fisehoan-javatra iombonana mety hahatonga izany koa.

Fisehoan-javatra mahatonga ny famonoan-tena

Mamoy fo ny zatovo matetika, ka mamono tena na dia noho ny antony heverina ho tsy dia manao ahoana loatra aza. Raha misy mampijaly azy, nefa tsy misy azony atao momba izany, dia mety hoheveriny fa ny fahafatesany no valy faty ataony amin’ireo nampijaly azy. Hoy ny nosoratan’i Hiroshi Inamura, manam-pahaizana japoney amin’ny fitsaboana olona nanandrana namono tena: “Tian’ny ankizy hofaizina mihitsy izay nampijaly azy, ka ny famonoany ny tenany no fomba anaovany izany.”

Nasehon’ny fandinihana natao tany Grande-Bretagne fa atahorana kokoa hamono tena ny ankizy ampijalin’ny namany any an-tsekoly, ary avo fito heny eo ho eo no mety hanaovany izany raha oharina amin’ny ankizy hafa. Tena manaintaina ara-pihetseham-po ireny ankizy ireny. Nananton-tena ny zazalahy iray 13 taona, ka namela taratasy misy anaran’olona dimy nampijaly azy sy naka an-keriny ny volany. “Mba vonjeo ny ankizy hafa”, hoy izy.

Mety hahatonga ny sasany hanandrana hamono tena koa ny olana any an-tsekoly na ara-pitsarana, ny fisarahana tamin’ny olon-tiana, ny naoty ratsy, ny tahotra tsy ho afa-panadinana, na noho izy rera-tsaina mieritreritra ny hoaviny. Mety hanandrana hamono tena ny tanora sasany mahay be, izay mitady ny tonga lafatra, raha vao mihemotra na tsy mahomby any an-tsekoly, eny fa na dia mbola ao an’eritreriny fotsiny aza izany.

Ny olana ara-bola na momba ny asa kosa matetika no mahatonga ny olon-dehibe hamono tena. Tafakatra ho 30 000 isan-taona ny isan’ny namono tena tany Japon, taorian’ireo taona nitambotsoran’ny toe-karena tany. Efa ho ny androatokon’ny lehilahy zokiolona namono tena no nanao izany satria “sahirana noho ny trosa na tsy nandeha intsony ny fandraharahany na mahantra sy tsy manana asa izy”, hoy ny gazety iray any Tokyo. Mety hahatonga izany koa ny olana ara-panambadiana. Hoy ny gazety failandey iray: “Ny lehilahy efa zokinjokiny nisara-panambadiana vao haingana” no anisan’ny olona atahorana hamono tena indrindra. Nasehon’ny fanadihadiana natao tany Hongria, fa manana ray aman-dreny nisaraka ny ankamaroan’ny ankizivavy mieritreritra ny hamono tena.

Anisan’ny antony lehibe mahatonga ny zokiolona hamono tena kosa dia noho izy efa misotro ronono sady tsy salama. Matetika no heverina ho fomba iray handosirana ny fanaintainan’ny aretina ny famonoan-tena, nefa tsy voatery hoe rehefa tsy misy fanafana intsony ilay aretina, fa rehefa heverin’ilay marary kosa fa tsy zakany intsony ny fanaintainana.

Tsy ny olona rehetra anefa no mamono tena noho ireo antony ireo. Ny ankamaroan’ny olona mihitsy, raha ny marina, no tsy mamono tena, rehefa ao anatin’ny zava-tsarotra toy izany. Nahoana àry no misy mihevitra fa ny famonoan-tena no vahaolana, nefa ny ankamaroan’ny olona tsy mieritreritra an’izany?

Ny antony miafina

“Ny fomba fijery ny zava-mitranga mazàna, no mahatonga ny olona haniry ho faty”, araka an’i Kay Jamison, mpampianatra momba ny fitsaboana aretin-tsaina, ao amin’ny Oniversiten’i Johns Hopkins. Hoy koa izy: “Rehefa salama tsara ny saina, dia matetika no tsy misy mihitsy toe-javatra heveriny ho mahakivy tanteraka ka tokony hamonoana tena.” Milaza i Eve Mościcki, ao amin’ny Ivon-toerana Amerikanina Momba ny Fahasalaman’ny Saina, fa maro ny antony mitambatra mitarika ny olona hamono tena, na dia tsy miharihary aza ny sasany amin’ireny antony ireny. Anisan’izany ny aretin-tsaina, ny aretina vokatry ny fidorohana zava-mahadomelina, ny toetra manaranaka, sy ny raha simika ao amin’ny atidoha. Andeha hodinihintsika ny sasany amin’ireo.

Lehibe indrindra amin’ireo antony ireo ny aretin-tsaina isan-karazany toy ny fahaketrahana sy ny aretina vokatry ny fidorohana zava-mahadomelina. Nasehon’ny fandinihana natao tany Eoropa sy Etazonia, fa ireo aretina ireo no nahatonga ny 90 isan-jato maherin’ny famonoan-tena. Hitan’ny mpikaroka soedoà fa 8,3 isaky ny lehilahy 100 000 salama saina no namono tena, saingy 650 be izao kosa izany tamin’ireo tratran’ny fahaketrahana. Izany koa, araka ny manam-pahaizana, no mahatonga ny olona any amin’ny tany tatsinanana hamono tena. Tsy hoe tsy azo ihodivirana anefa ny famonoan-tena, na dia eo aza ny fahaketrahana sy ny fisehoan-javatra mahatonga izany.

Hoy ny Profesora Jamison, izay efa nanandrana namono tena koa: “Toa mahazaka sy mahavita miaritra ny fahaketrahana foana ny olona, raha mbola misy ny fanantenana fa hihatsara ny toe-javatra.” Nilaza anefa izy, fa rehefa be loatra ka tsy zaka intsony ny fahaketrahana, dia mihamalemy ny saina ka tsy mahatohitra ny faniriana hamono tena.

Ilaina hofantarina izany, satria azo tsaboina ny fahaketrahana. Azo sitranina ilay fahatsiarovana ho tsy afa-manoatra. Mety ho hafa ny fihetsiky ny olona manoloana ny aretim-po sy ny fihenjanana mahatonga azy hamono tena, raha hita ny vahaolana amin’ireo antony miafina ireo.

Misy mihevitra fa mety ho anisan’ny mahatonga ny olona maro hamono tena ny toetra manaranaka. Marina fa eo ny toetra manaranaka, ary betsaka kokoa ny mamono tena ao anatin’ny fianakaviana sasany raha oharina amin’ny fianakaviana hafa, araka ny fikarohana natao. “Ny toetra nolovana mahatonga ny olona hirona hamono tena anefa dia tsy midika mihitsy fa tsy azo ihodivirana ny famonoan-tena”, hoy i Jamison.

Mety ho antony miafina koa ny raha simika ao amin’ny atidoha. Ilaina amin’ny fiasan’ny atidoha ny raha simika antsoina hoe sérotonine. Raha kely ny fatran’izy io dia mety hanjary ho mora tohina sy hamono tena ny olona iray. Hoy ilay boky hoe Ny Firafitry ny Atidoha (anglisy): “Tsy mahita fahafinaretana amin’ny fiainana intsony ny olona, raha kely ny fatrana sérotonine ao aminy. Manjary tsy dia tiany intsony ny miaina, ary atahorana kokoa ho ketraka izy ka hamono tena.”

Tsy misy olona voalahatra hamono tena anefa. Olona an-tapitrisany maro no mahazaka ny aretim-po sy ny fihenjanana. Ny fiasan’ny saina sy ny fo manoloana ny zava-manahirana no tena mahatonga ny sasany hamono tena. Tsy ny fisehoan-javatra mahatonga ny famonoan-tena ihany àry no ilana vahaolana, fa ny antony miafina mahatonga azy io koa.

Inona àry no azo atao mba hananana fomba fijery tsara kokoa, ka hahatonga ny olona hankamamy ny fiainana indray?

[Efajoro, pejy 6]

Ny Lehilahy sa ny Vehivavy no Betsaka Kokoa?

Araka ny fandinihana natao tany Etazonia, dia avo roa na telo heny noho ny lehilahy ny vehivavy mety hanandrana hamono tena, nefa avo efatra heny noho ny vehivavy ny lehilahy azo inoana fa tena ho faty. Avo roa heny noho ny lehilahy, fara fahakeliny, ny vehivavy mety ho tratran’ny fahaketrahana, ka mety ho izany no mahabetsaka kokoa ny vehivavy manandrana mamono tena. Tsy mahery loatra anefa ny aretina vokatry ny fahaketrahana manjo azy ireo, ka tsy dia mahery loatra ny fomba ampiasainy hamonoan-tena. Ny lehilahy kosa anefa dia mety hampiasa fomba mahery vaika sy mandaitra kokoa, mba hahazoany antoka fa tena ho faty izy.

Ny vehivavy indray anefa no tena mahavita mamono tena, any Chine. Nasehon’ny fandinihana natao, fa ny antsasaky ny vehivavy mamono tena eran-tany dia Sinoa, indrindra fa ny tambanivohitra. Tsy sarotra ny mahazo fanafody famonoana bibikely mahafaty any Chine, ka misy milaza fa izany no antony iray mahatonga ny vehivavy any ho voatosika hamono tena.

[Efajoro/Sary, pejy 7]

Mamono Tena Satria Manirery

Anisan’ny antony mahatonga ny olona ho ketraka sy hamono tena ny fahatsapana ho manirery. Nilaza toy izao i Jouko Lönnqvist, nitarika fanadihadiana momba ny famonoan-tena natao tany Failandy: “Tena manirery isan’andro ny ankamaroan[’ireo namono tena]. Manam-potoana be izy ireo, nefa tsy ampy fifandraisana amin’olona.” Milaza i Kenshiro Ohara (mpitsabo aretin-tsaina ao amin’ny Oniversiten’i Hamamatso, any Japon) fa vao haingana dia niakatra be ny isan’ny lehilahy efa zokinjokiny mamono tena any Japon, satria ‘tsy misy azony amborahana’ ny fihetseham-pony.

[Sary, pejy 5]

Fisehoan-javatra iombonana mahatonga ny olon-dehibe hamono tena ny olana ara-bola sy momba ny asa

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara