Avy Amin’ny Mpamaky
Raboka Nankasitrahako ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Ny Raboka — Miverina Indray Ilay Mpamono”. (8 Janoary 1998). Voan’ny BK aho tamin’ny 1988, ary efa sitrana. Tsara ny nisintonanareo ny saina ho amin’ny hoe tsy maintsy mihinana ny fanafodiny “tsy tapaka mihitsy” ireo marary.
Y. L., Frantsa
Hitan’ny rafozam-baviko, izay tsy mirona ho amin’ny fivavahana, teo ambony latabatro ilay gazety nisy ilay lahatsoratra, ary novakiny. Nanontany izy raha afaka mitondra azy io mody. Afaka nametraka Mifohaza! nomerao roa hafa taminy aho. Misaotra noho ny asa mafy rehetra ataonareo mba hamoahana ny gazety tsirairay.
L. N., Etazonia
Voan’ny BK aho, 11 taona lasa izay. Tena araka ny marina ny fanazavana atolotra ao amin’io gazety io. Indraindray, rehefa mamaky azy io aho, dia toy ny miaina indray ny zavatra niainako tamin’izany. Misaotra an’i Jehovah aho noho ny nanomezany ny fiainana, sy noho ny torohevitra momba ny fiarovana ny fahasalamantsika, raisintsika tsy tapaka ao amin’ny Mifohaza!
G. B., Italia
Voan’io aretina io aho, ary nihinam-panafody nandritra ny enim-bolana. Nanampy ahy hahafanta-javatra bebe kokoa momba io aretina mpamono io ny lahatsoratrareo. Ny mbola zava-dehibe kokoa, dia nanampy ahy izy io hampitombo ny finoako fa hitondra ny vahaolana maneran-tany ho an’io olana io, ny Fanjakan’Andriamanitra.
P. P., Indonezia